fasan'i jesoa

1. fijo ( 03/11/2010 21:24)
raha nanaraka ny tantaran'ny ireo mpiantafika kristianina fahiny"ny croisé" aho,dia nahita,fa raha niditra tany israely ry zareo,dia tonga tao jerosalema ary niankohoka teo amin'ny fasan'i jesoa?????
naninona no tsy nofongarina io fasana io nijerena izay tao anatiny??sa efa nisy nanala tao ny faty tao ????iza no nanala izany tao????natao aiza???ary naninona no nalana tao???
novalian'i Miharena ny 15/11/2010 08:29
2. takona ( 04/11/2010 05:10)
mety nataony izany fa tsy tao intsony ,velona izy ka niakatra any an-danitra e
3. fijo ( 04/11/2010 21:47)
zany an???
4. lagoon ( 05/11/2010 00:40)
jereo fa maro ireo tahiry any Inde sy Tibet milaza fa any izy no tena milevina.
Ao Srinagar ilay toerana.
Raha tia hahafantatra marina ianao dia hapetrao ny fanontaniana hoe:"Maninona no tsy ao am Baiboly ny fiainan'i jesosy nanomboka 12 taona ka hatramin'ny 31 taona?"
5. rijadolly ( 05/11/2010 19:26)
hoy i Lagoon:

jereo fa maro ireo tahiry any Inde sy Tibet milaza fa any izy no tena milevina.
Ao Srinagar ilay toerana.
Raha tia hahafantatra marina ianao dia hapetrao ny fanontaniana hoe:"Maninona no tsy ao am Baiboly ny fiainan'i jesosy nanomboka 12 taona ka hatramin'ny 31 taona?"

Vakio in- 3 tsara anie io nosoratan' Lagoon io e! dia ty ambany ty no amaliako azy, raha io an!

Satria tamin' io 12 taona ka hatramin' 31 taona io izy no maty dia velona indray izy ny avy eo... hihihihih!
6. fijo ( 05/11/2010 21:35)
hihihi eny e,marina fa misy tantaran'i lery tsy hay fa (..)ka le izy koa moa tantaran'olona ery no lazaina fa masina tampoka ko,aiza ary no tsy hilolalola ny mpiray tanana
7. RAR.DAGO ( 06/11/2010 07:08)
lagoon:

jereo fa maro ireo tahiry any Inde sy Tibet milaza fa any izy no tena milevina.
Ao Srinagar ilay toerana.
Raha tia hahafantatra marina ianao dia hapetrao ny fanontaniana hoe:"Maninona no tsy ao am Baiboly ny fiainan'i jesosy nanomboka 12 taona ka hatramin'ny 31 taona?"

Ny tantaran'i Yus asaf sy ny thèse izay tohanan'i Kersten io. Nahoana tokotry moa.

izao fotsiny anefa no fanontaniako :
1. Aza adino fa raha ny tantaran'ny baiboly dia nahay namaky teny sy nanoratra i Jesosy (izany no nahafantarany ny tena tao anatin'ny torah). Ka raha lasa tafaporitsaka tany Srinagar marina i lery , maninona no tsy mba namela soratra na kely aza? Nefa tena kandra be no natao tao Jerosalema.
2. Fa maninona no tsy misy fitsikerana mihitsy avy aminy na dia lovantsofina aza rehefa nanao schisme i Paul ary nanomboka nivoana t@ fampianarany?

Fa ny tsy fantatrareo dia ity :
Nakaty Dago i Jesosy ary Yezuf no anarany t@ izany ary lasa Lezo (nilatsaka ny f) taty izay nanome ny anarana gasy hoe Zo izay midika ho fahefana ambony indrindra ao @ fisainan'i Yezuf. Io anarana Zo (soratan'ireo hoe Zu) io moa dia mbola tavela any Azia rehefa nanaparitaka ny fampianaran'i Jesosy avy eto dago ny mpimasy.

Rehefa leo ny arabo sy ny jiosy mantsy izy dia nitady ilay tena "terre promise" ka taty no nambaran'Atra azy. Ary dia nanaraka azy ireo maitre spirituel izay tena resy lahatra sy nandao ireo nilaza azy ho apostoly nefa namadika azy t@ fanolorana azy ny Sanedrana sy Ponsy Pilato ho fantsihina @ azo fijaliana.

Ireo maitre spirituel dia mpimasy no anarany aty amintsika. Izy ireo dia naman'ireo "mage" nanambara ny fiavian'i Jesosy.
Ary izy ireo no nanao fampisehona fahaizana sy herin'ny masobe tsy mahita ka noheverin'ny rehetra fa i Jesosy ilay voahomboka kay olonkafa ilay teo @ Golgota. Satria nahavita izany nanapika ny mason'ny rehetra izany izy no nahatonga ny anarana hoe mpimaso, izay lasa hoe mpimasy.
I Lezo sy ireo namany mpimasy ireo izany no razamben'ny Antakarana.
Rehefa masaka tsara teto ny hevitra dia io kolontsaina Anthakarana io avy eo no naparitaky ny mpiamasy izay niverina tany Azia ary dia io mbola matanjaka be any Azia io ilay filozofia (voir Anthakarana). sns, sns...Angano agano Arira arira. Resaka rongony vao noforiniko teo io fa sao dia lazaina mamafy lainga eo indray aho an!

Ny tiako ho lazaina dia ity : avec des coïncidences (Antakharana //Antakarana, ect) et un peu d'imagination on peut raconter tout ce qu'on veut. Ny mampalahelo dia ny fitiavan'ny zanak'olombelona hino izao atsanga tsy amanorana rehetra izao.
Fa maninona moa rehefa te hitantara tantara tsy manoratra angano fotsiny dia vita e?
8. lagoon ( 06/11/2010 11:01)
Porofo mazava izany ny Baiboly fa angano angano arira ariara!
9. RAR.DAGO ( 06/11/2010 14:59)
Voalohany : tsy porofo izany fa filazàna fotsiny hoe alohan'ny hamerenana be fahatany hoe marina izao na itsy na iroa dia fangatahina antsika tsirairay avy hanokatra saina sy maso.

Faharoa : Raha ny hevitro, tsy ny maha angano azy na tsia no misy dikany ao anaty baiboly fa ny fampianarana ao arinany mikasika ny ilàna ny fanamboarana tontolo mizara fitiavana sy fifanampiana fa tsy fanavakavahana sy fanilikilihina.
10. rijadolly ( 07/11/2010 09:17)
Naika toran' fihomezana aho namaky ilay noforonin' RAR.DAGO ahahahahah!

Raha ny hevitro, tsy ny maha angano azy na tsia no misy dikany ao anaty baiboly fa ny fampianarana ao arinany mikasika ny ilàna ny fanamboarana tontolo mizara fitiavana sy fifanampiana fa tsy fanavakavahana sy fanilikilihina.

Ny zavatra mahafaly ahy aloha hatreto dia ny fahalalantsika fa nanana tanjona izany Iraka Lehibe nalefan' Andriamanitra izany. Ary iriko koa mba samy hanaiky aloha isika fa nisy izany Jesoa izay Maitre anisan' lehibe indrindra teto an- tany.Dia mino aho indray andro any fa hanao asa lehibe ho anao izy, izay tsy takatry ny saikelinao mba hanekenao AZY fa IZY no IZY. Tongavà aminao anie izany Amen!
11. RAR.DAGO ( 07/11/2010 14:45)
rijadolly:

Dia mino aho indray andro any fa hanao asa lehibe ho anao izy, izay tsy takatry ny saikelinao mba hanekenao AZY fa IZY no IZY. Tongavà aminao anie izany Amen!
Ny 99% ny zavatra inonao anie Rijadolly ekeko e!
Ekeko ary eken'ny 99% ny olombelona eto an-tany satria ao anatin'izay azo fehezina hoe "valeurs communes de l'humanité".
Ny any angatahako @ krisitianina (sy ireo rehetra monothéiste) dia hoe atsaharo ny filazàna fa rehefa tsy mino ny anareo dia ho very mandrakizay satria mandratra izany ary mifanohitra @ io lazaiko hoe valeurs communes de l'humanité io.
Ary indrindraindrindra ho an'ny kristianina, ilay Jesosy resahintsika lava io dia nihezaka ny hanaparitaka hevitra mifanipaka @ izany fanavakavahana sy fanilikilihina izany
12. rijadolly ( 08/11/2010 17:13)

Ny 99% ny zavatra inonao anie Rijadolly ekeko e!

Diso avihatrany izay tenin' se zay satria ny 75% ny finoako izay azo lazaina fa tsy ampy dia ao anaty Baiboly avokoa.

Ny any angatahako @ krisitianina (sy ireo rehetra monothéiste) dia hoe atsaharo ny filazàna fa rehefa tsy mino ny anareo dia ho very mandrakizay satria mandratra izany ary mifanohitra @ io lazaiko hoe valeurs communes de l'humanité io.

Io anie ry RAR.DAGO ka tsy milamina izany raha tsy Ny IRAY izay MARINA ihany no arahina e! Somary mifampitory mifandresy lahatra eo ny tsy mitovy Finoana rehetra ary dia indray mi- pimaso fotsiny dia miova ny zava-drehetra. Ary dia hitantsika fa milamina tsy misy korontana fa miseho Ilay Tena Marina.

Ary indrindraindrindra ho an'ny kristianina, ilay Jesosy resahintsika lava io dia nihezaka ny hanaparitaka hevitra mifanipaka @ izany fanavakavahana sy fanilikilihina izany

Miray hevitra amin' se aho amin' iny, fa saingy tsy naniraka hanompo zavatr' hafa ny olony IZY, ary nampahafantantra fa IZY no lalàna sy fahamarinana.
13. RAR.DAGO ( 08/11/2010 18:16)
rijadolly:

[ Diso avihatrany izay tenin' se zay satria ny 75% ny finoako izay azo lazaina fa tsy ampy dia ao anaty Baiboly avokoa.

Atao hoe ny ankamaroany aza fa % koa ve moa no hiadiana hevitra nefa na ny manisa aza tsy ho vitako.

rijadolly:

... Ny IRAY izay MARINA ihany no arahina e!...

- Ianao zao raha mijery ny lanitra @ andro atoandro rehefa tsy misy zavona iny dia hoy ianao hoe manga ny lanitra satria izay no hitan'ny masonao.
- Raha io lanitra io nefa no jerena avy eny @ volana @ ora mitovy dia lasa mainty indray.
Zavatra iray izany no jerena nefa samy hafa no fahitana azy. Ka nahoana moa no tsy maintsy hoe misy marina sy diso nefa ny fomba fahitana azy no samy hafa?
Tsy mahefa ny zavatra rehetra ianao ka manàna fanetre-tena hiaiky fa misy zavatra tsy fantatrao ka noho izany aza tsaraina ny hafa satria ianao mitsara io indrindra no tena mety ao antin'ny fahadisoana tanteraka.

Manarak'izay tsy mbola nisy mihitsy olona hafaka nanamporofo hoe toy inona no bikan'izany Atra ka nahoana moa no ianareo kristianina no miseho azy hoe tompon'ny fahamarinana mikasika an'Atra?

Ianao ombieny ombieny hitako fa tsy mankatoa ireo olona manana fisainana mpanjanaka eto Dago, koa maninona no tadiavinareo zanahana ny finoan'ny hafa? Tsy misy mahatanty izany anie e! Raha ianao io no tereko fotsiny izao ho lasa silamo dia ahoana no mba hevitrao?
14. rijadolly ( 08/11/2010 19:45)
rijadolly:

raha tsy Ny IRAY izay MARINA ihany no arahina e!

Voalohany indrindra aloha ry RAR.DAGO dia marina ny teniko raha ny fahalalako azy fa tsy misy ny filaminana raha tsy fantatra ny marina, faharoa, itan' se Iray no soratako fa tsy RAY, izany hoe tsy izaho aloha no miseho mahalala ny RAY, izaho aza mbola mianatra manantona AZY izay fampianarana nentin' Kristy.

Manarak'izay tsy mbola nisy mihitsy olona hafaka nanamporofo hoe toy inona no bikan'izany Atra ka nahoana moa no ianareo kristianina no miseho azy hoe tompon'ny fahamarinana mikasika an'Atra?

Marina mihitsy ny tenin' se fa tsy mbola nisy nahita ny endrik' Andriamanitra isika, fa kosa noho ny finoako amin' maha Kristianina ahy dia nisy Olona nofo sy rà efa nahita sy nipetraka teo an-kavanaNY izay nampihanatra ny làlana mankany dia iny làlana iny no hezahiko tsy hiviliana mba ahatongavako any. Raha tadidin' se ny teniko manao hoe: "Samy manana izay itokiany io, ary iny itokiany iny no mitondra azy any amin' toerana misy azy...Mahaiza mifidy!" dia namaly i Andry angamba izay hoe: "safidy ny Finoana..." Ary na Jesoa Kristy aza tsy nanery ny olona izay nanaraka azy koa nahoana izay zaho mbola marefo sy mora mivadika ty no hanimba finoana miseho haneritery ny hafa.

Ianao ombieny ombieny hitako fa tsy mankatoa ireo olona manana fisainana mpanjanaka eto Dago, koa maninona no tadiavinareo zanahana ny finoan'ny hafa? Tsy misy mahatanty izany anie e! Raha ianao io no tereko fotsiny izao ho lasa silamo dia ahoana no mba hevitrao?

Mazava tsara kosa angamba ry RAR.DAGO fa tsy mbola nanery olona na iray aza aho hoe ianao tsy maintsy manao Kristianina, Faniriana fe faniriana ny ahy mba ho Kristianina ny rehetra. Iray fo sy saina ao amin' Kristy. Tsy nisy na iray olona teto ka notarihina tamin' rojovy hanaraka ho Kristianina. Fandresen-dahatra no mandeha tahaka ny fandresen-dahatr'se hoe tsy ny Kristianina ihany no ahazo Paradisa ohatra. Ao ambony ao misy dinika vaovao, ka nalefako ao ty ady hevitsika ty mba ahalalan' se fa mavaivay noho ny fiheveran' se sy ny fitsaran' se ny Kristianina aza no nataon' finoana hafa amin' Kristianina mba handresen-dahatra ny hafa tsy hanao finoana mihoatra ny azy. Tandremo! Fomba fandresen- dahatra ny azy an! fa tsy hoe manery akory hiray finoana aminy izireo.

Hamaly ilay fanotanin' se aho : " FANTATRO IZAY INOAKO "
15. RAR.DAGO ( 09/11/2010 07:30)
rijadolly:

Voalohany indrindra aloha ry RAR.DAGO dia marina ny teniko raha ny fahalalako azy fa tsy misy ny filaminana raha tsy fantatra ny marina,

Diso tanteraka izany e!
90% izao tontolo izao farafahakeliny dia tsy takatry ny sain'ny zanak'olombelona akory izany hoe TSY FANTATRA NY MARINA. Tsy midika anefa izany fa sodoma sy gomoro eto an-tany na misaritaka sy mifamono ny olombelona rehetra. Ny physique quantique sy ny physique classique ohatra izao tsy misy hifandraisana nefa samy manana ny mahamarina azy. Koa maninona no tsy ekena toy izay koa ny finona satria tsy mbola misy hafaka manaporofo ny fahamarinany miohatra @ hafa?
Resaka fahaizana miara-miaina fotsiny anie izany e!

rijadolly:

Mazava tsara kosa angamba ry RAR.DAGO fa tsy mbola nanery olona na iray aza aho hoe ianao tsy maintsy manao Kristianina, Faniriana fe faniriana ny ahy mba ho Kristianina ny rehetra. Iray fo sy saina ao amin' Kristy.

Ka ianareo anie eo @ ilay fomba fandresen-dahatra manambany ny hafa e! Izay tsy krisitianina dia ho very MANDRAKIZAY!!! Ny an'ny silamo moa rehefa tsy mitovy aminy dia mécréant, sns.
Izaho ve zao efa nangataka na indray mandeha aza hoe aza mino ny Atrao fa ny ahy ihany no izy? Fa maninona anefa ianao no mahazo milaza izany?
Ompa sy fanambaniana no hitondranareo azy ka aza gaga rehefa mifamono ho faty avy eo ianareo TOMPON'NY FANILIKILIHINA!
Tsy mbola niteny teto mihitsy aho hoe izaho agnostique sady miandany @ confucianisme fa hoy fotsiny aho hoe avereno vakiana ny baiboly sy ny fampianaran'i Jesosy izay andrandrainao io fa betsaka ny valeurs humaines hitovizany @ hafa. Dia mba avelao ny olona anan-tsafidy fa aza ambaniana @ izany safidiny izany satria mety ho ianareo anie no diso e!

Misy ve finoana tatsinanana mifamono izany? Ny indouisme, ny boudisme, ny taoisme ny confucianisme sns dia samy manana hy hanitra ho azy ary manaja ny hafa fotsiny. Ary tsy mba nisy olona andeha hamono no izany finoana izany any.
Ny anareo, efa tandra vadikoditra ity mifamono ho faty noho ny finoana ity : nanomboka t@ andron'ny sanedrana jiosy ka hatramin'i Georges Bush dia mbola tavela eo ihany!

Dia tohizo ary fa rehefa tapitra ripaka anie nareo izahay mbola eo ihany e!
16. RBNIR ( 09/11/2010 11:55)

[/quote]
Ka ianareo anie eo @ ilay fomba fandresen-dahatra manambany ny hafa e! Izay tsy krisitianina dia ho very MANDRAKIZAY!!!
[/quote]

Rar.dago a! aza raisina ho fanambaniana kosa ilay izy e!
Raha ohatra kosa v misy olona mahafantatra zavatra iray tsy fantatry ny hafa nefa tsapany fa nahasoa ny tenany dia hezahiny zaraina amin'ny hafa dia midika v izany hoe fanambaniana????

Ny kristianina anie matoa mitory dia nampahafantarina hoe raha tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra dia tsy hovonjena fa ho very any amin'ny Afo maharitra mandrak'izay e!
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.» (Matio 7:21)
« Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] » (Matio 7:22)
« Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. » (Matio 7:23).

Raha manoro ny lalana izay ahafahana mandositra ny Afobe v dia midika hoe fanambaniana???
Tsy izany kosa angambany e! Fitiavana kosa angamba hoy aho no tokony andraisana azy e!

Na i Rar.dago aza ngeh mety hanome tsiny ahy raha hoe, nifanerasera eto ihany isika nefa aho tsy nanambara an'ilay izy e! Mety hoy i Rar.Dago hoe fa dia nahoana kosa RBNIR isika mba nifanerasera ihany nefa dia tsy nambaranareo izay fantatrareo.

Aza raisina fanambaniana re ilay izy fa raiso hoe fitiavana ny hifampizara e!

Ny kristianina tsy mahazo manambany izany Rar.Dago a! « Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra. » (Matio 23:12)


17. rijadolly ( 09/11/2010 17:29)
hoy za hoe:

"raha tsy Ny IRAY izay MARINA ihany no arahina e!" Voalohany indrindra aloha ry RAR.DAGO dia marina ny teniko raha ny fahalalako azy fa tsy misy ny filaminana raha tsy fantatra ny marina

RAR.DAGO:

Diso tanteraka izany e!
90% izao tontolo izao farafahakeliny dia tsy takatry ny sain'ny zanak'olombelona akory izany hoe TSY FANTATRA NY MARINA.

ohatra tsotra no omeko an' se, ny iray miteny hoe manga io, ny faha-2 kosa miteny maintso io.faha-3....Samy manana ny fahitany azy. Tsy misy mihitsy ny filaminan- kevitra fa samy manana ny fandresen- dahatra ny maha marina ny heviny ny rehetra.mipoitra amin' izay ary ny MARINA: " fotsy aho " Iza no mbola sahy milaza hoe voloparasy rangahy ianao a! afenina any ambany ondana daholo ny théorie diso rehetra ary manaiky fa fotsy ilay izy. Izay ilay nahatonga ahy hoe: ny marina dia iray ihany, ary ny fipohiran' io tena MARINA io no hampilamina ny rehetra.
18. RAR.DAGO ( 10/11/2010 05:49)
RBNIR:

Rar.dago a! aza raisina ho fanambaniana kosa ilay izy e!
Raha ohatra kosa v misy olona mahafantatra zavatra iray tsy fantatry ny hafa nefa tsapany fa .... Ny kristianina anie matoa mitory dia nampahafantarina hoe raha tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra dia tsy hovonjena fa ho very any amin'ny Afo maharitra mandrak'izay e!
.... Raha manoro ny lalana izay ahafahana mandositra ny Afobe v dia midika hoe fanambaniana???
Tsy izany kosa angambany e! Fitiavana kosa angamba hoy aho no tokony andraisana azy e!


Raha ny fanazavanao dia hitako fa @ fo madio ianao no manao izany fa ny tiako ho lazaina hoe ny finoana dia DOGME. Izany hoe tsy misy resaka POROFO, sy MARINA izany fa FINOANA na inona na inona lazaina.
Io kosa angamba aloha tsy ho lavinareo.
TSY MISY izany hoy isika hafaka mamoaka porofo tsy azo lavina fa ny an'i X na Y no marina.
Ka noho izany dia :
- Azon'ny tsirairay atao, mandrapahatongan'izay porofo izay, ny mino izay tiany ka tsy azo kianina na ferana @ izany izy rehefa TSY MIO-PEFY @ fanitsahana ny zo sy ny fahafahan'ny sasany (respecter les droits et libertés d'autrui). Ianareo kristianina izao dia milaza ohatra hoe loza ho an'izay hiavian'ny fanafitohinana mikasika an'io hevitra io.
- Ka raha milaza aho hoe manafitohina aho ry zareo izany ataonareo milaza fa very izay tsy manaraka anareo izany. Tsy tokony hajanona kosa ve izy @ izay satria ianareo no hiavian'ny fanafitohinana @ izay?
19. RAR.DAGO ( 10/11/2010 05:55)
rijadolly:

.... mipoitra amin' izay ary ny MARINA: " fotsy aho " Iza no mbola sahy milaza hoe voloparasy rangahy ianao a! afenina any ambany ondana daholo ny théorie diso rehetra ary manaiky fa fotsy ilay izy. Izay ilay nahatonga ahy hoe: ny marina dia iray ihany, ary ny fipohiran' io tena MARINA io no hampilamina ny rehetra.

Marina izany raha toa ka hafaka mipoitra ny marina, nefa tsy HAFAKA hipoitra io marina io raha resaka finoana no resahina satria hoy aho teo hoe DOGME io.
Ka mandrapahatongan'izahy aloha dia tsy maintsy miara-miaina en bon intélligence satria na ny andaniny na ny ankilany dia manana fahalalàna voafetra ka tokony hifanaja mandra-pahatongan'ilay hoe miombo-kevitra satria tsy fantatra iza no hanana ny marina farany. Ary mety ho diso daholo mihitsy aza moa @ farany.
20. rijadolly ( 10/11/2010 16:06)

Marina izany raha toa ka hafaka mipoitra ny marina, nefa tsy HAFAKA hipoitra io marina io raha resaka finoana no resahina satria hoy aho teo hoe DOGME io.
Raha azoko tsara ny tian' se lazaina dia tsy ny Finoana ny hoe tsy afaka mipoitra ny marina fa ilay dogme no nofy raha hipoitra ny marina? Satria mantsy amin' Finoana Kristianina dia hiseho hitan' maso rehetra ny marina amin' ilay fotoana iray.
hoy mantsy i se:

Ka mandrapahatongan'izahy aloha dia tsy maintsy miara-miaina en bon intélligence
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4056