fasan'i jesoa

21. RAR.DAGO ( 11/11/2010 22:04)
Amin'ny maha dogme azy dia tsy misy porofo ny fahamarinan'ny zavatra ambara fa dia tsy maintsy eken'izay mino fotsiny fa tsy misy ady hevitra na demonstration. Ary noho izay atony izay dia tsy tokony hifanerana ny finoana sy ny resaka dogme.

Ny finoana monothéiste rehetra raha tsy diso ho'a dia manambana daholo fa mbola ho avy ny farany hitsaràna ny velona sy ny maty.

Ka tsy maninona raha ho tonga izany na tsia fa mandra-pahatongan'izay aloha (ho an'zay mino an'izany) dia aleo miara-miaina am-pahatoniana sy ampanajàna fa tsy mifampilapila vanona sy mifampitsaratsara mba tsy hiavian'ilay fanafitohinana.

Tsy tsotra ve izany mba fangatahanay izany ?
22. Miharena ( 15/11/2010 08:29)
Ilay finoana mihitsy no dogme, izany hoe izay heverina fa misy nefa tsy hay faritana. Zava-poronin'ny saina no iafarany ka rehefa mamaritra hoe kirstianisma, boudhisma, islamisma dia dogme avokoa izany rehetra izany fa tsy réalité. Ny fampidirana azy anaty -isma, -isma ity dia manjary mametraka azy tsirairay avy ho sectaire fa tsy universel. Ny ady masina dia sectaire avokoa no mahatonga azy ary miteraka fatotra eo amin'izay manaraka azy. Ka tsara raha mametraka fototra tokana momba ny fisiana dia avela avokoa izany zava-mamatotra rehetra izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1642