Dia raha mandresy ny ENY?

1. hery ( 11/10/2010 08:54)
Efa manomboka ny propagandy ao Dago ao. Mirehareha ny HAT fa hanao référendum ary mandany vola mihitsy hanao izay handresen'ny ENY. Ny fanontaniana aloha mbola tsy mazava tsara, ny Constitution holaniana koa mbola tsy hitan'ny olona rehetra hifidy akory... fa tsy maninona izany. Manao propagandy aloha fa tsy maintsy atao izay handresen'ny ENY satria raha tsy izany dia tapaka ny fihinanana.

Dia raha mandresy anefa ny ENY dia haninona?

Tsy tadidiny angaha fa i Ravalomanana koa dia lany tamin'ny alalan'ny Fifidianana nahazo vato be tamin'ny 2006 kanefa nahongany mora foana tamin'ny 2009? (Roa taona taty aoriana)

Koa io ilay hoe zavatra azo tamin'ny kiloadoaka dia mivoaka amin'ny makarakara. Na handresy aza ny ENY dia tsy hidika velively izany hoe tsy hisy indray ny Foza Orana Version 2 izay handrava ny fitondrana... dia ny atao ihany no manody.

Raha nalaina tamim-pilaminana tamin'ny alalan'ny fifidianana ara-dalàna anefa izao ny fitondrana mety naharitra an-taonany maro mihitsy. Matin-kanin-kely e.

2. nyhaingo ( 11/10/2010 10:00)
raha ny hevitr'ireo anefa ry hery dia mety ho azony amin'ny hala-bato avo lenta ihany io ENY io , raha ny hevitro
mbola sarotra ny fandindiana fa ny tsy manaiky sy ny manara-maso akakiky ihany aloha zao no vahaolana
3. nyhaingo ( 11/10/2010 10:01)
fa raha manao katrodoha amin'ny fidirana forcé amin'ny tsy maintsy ahazahoana fitondrana kosa ireo dia mety hiforona koa ny 3mouvances vaovao sy ny MPANOHITRA vaovao ary ny GTT sy ny TIM vaovao hanongana an'ireo miaraka amin'ny vahoaka
4. Noue ( 11/10/2010 11:46)

hery:
Matin-kanin-kely e.
matin'kanina-kely ka atao ahoana eee ! zany no alehany rehefa sans qualité

paika efa vita daholo zany satria nalana daholo ny maire rehetra dia nosolohina pds mba hangalaram-bato ka inona moa no mahagaga an'zany eee ! f'ita fa kelifingotra lavanify sans qualité ka hihebohebo hoe nandresy ve ny ENY nefa hala-bato no atao ?? aiza re zany eee ! sady tsy midika hoe inona anie zay referendum eee !
5. milamm ( 11/10/2010 12:12)
efa fantatra io fa ho lany ny eny ary aorinan'izay vao ho tonga saina hanao tsia tsy azo ekena,
za de milaza fa tsara aharihary @ rehetra aloha de tsotra,
ekeny rehetra v io fahefana nangalarina io sa tsia ary alalana avy aiza no ahafahany mampanao fifidianana ny lalam-panorenana nefa tsy nisy nifidy azy ireo na iray aza ? mba ahalalana ny marina dia io no fifidianana tokony atomboka voalohany. Na ireo fitondrana voafidy am-perinasa aza dia azo anotaniana tsara izany ( t@ fanakanana an'i zafy iny avy @ filan-kevibahoaka oh.), na tany mandroso na tsia fa tsy ny lalam-panorenana no impingampingana ovaina.
6. swann ( 11/10/2010 13:26)
salut IFIONA , Salut Noue

lavanify, kelifingotra, sans qualité, bitro voalavo, DJ reraka , Fozaorana mahalitika , lava sofina ,Hitler2 ,kàkàkloty... anarany daholo zany hon hon hon
7. mirananirina ( 11/10/2010 13:44)


Koa io ilay hoe zavatra azo tamin'ny kiloadoaka dia mivoaka amin'ny makarakara. Na handresy aza ny ENY dia tsy hidika velively izany hoe tsy hisy indray ny Foza Orana Version 2 izay handrava ny fitondrana... dia ny atao ihany no manody

Efa sur 100% fa tsy maintsy mandresy ny ENY,raha tsy izay voaroka daholo indray ny maire kely napetapetaka tsy nofidiam-bahoaka tahaka azy .
8. swann ( 11/10/2010 13:55)
MIRANANIRINA VE TSY MAHARAKA KOZY E ? efa hoe nalàna daholo ny Maire ozizy noue fa nosoloinle lavanify bitrolahy DJ kàkàkloty sans qualité fozapaty PDS aby ndray konikoa hono ireo hono ,fa ny mason'i noue mihitsy hono no nahita ny fanesoranle bitro an'ireo Maire ozizy
9. andrywui ( 11/10/2010 14:10)

nalàna daholo ny Maire ozizy noue fa nosoloinle lavanify bitrolahy DJ kàkàkloty sans qualité fozapaty PDS aby ndray konikoa hono


hon hon hin hin her her her
10. andrywui ( 12/10/2010 08:08)
ssssshhh ! handresy ndray zao le bitrolahy iny fa jereo tsara anga mou e ,,, mangala-bato le kàkàkloty lavanify sans qualité iny zao
11. hery ( 12/10/2010 08:15)
Ravalo aza nandresy t@ 2006 kanefa tsy nampiasa basy vao mainka fa hisy basy sy jeneraly mihaodihaody? :-)

12. jiolah ( 12/10/2010 10:51)
Ny azo antoka dia ho ambany ny taham-pavitrihana mandeha mifidy noho ny fahasahiranana maro samihafa sady koa andro tsy iasana nefa handraisan-karama ka aleo mba makamaka aina kely .Ambetin-dresaka foana ilay hoe LANY NY ENY nefa ny ankamaroany mba tehahita an'ilay TSIA hanenika ny fanisam-bato.Malahelo ny olona fa miseho manjakazaka loatra ilay ENY ka takona tsy mba misy mijery ilay TSIA.Izay fitserana any am-po tsy miloaka izay no ahiako mety hahalany an'lay TSIA tampoka.
Saingy...
tsy mahaleo tena tanteraka ilay CENI ka ho lany ho azy ihany ny ENY.
13. gratos ( 12/10/2010 11:14)
Ny TSIA no hirariana tompoko raha tsy tiana te hidina ao amin'ny mangitsokitsoka ny firenena sy ny Tanindrazana sanatri ane zany
14. fijo ( 12/10/2010 19:47)
na tsy hanao fampielezan kevitra aza rajojo,di aefa hay fa holany ny ENY;saingy ahoan any lanjan'io ENY holany eo?????
15. andrywui ( 13/10/2010 08:24)
Razokibe fijo a ,anay tsary manaiky anzany ENY ,ENY paty zany kà ,alao hifanao eo ! TSIA iany no ady eo ! inona koa zay bitrolahy lavanify sans qualité kàkàkloty io no hampifezaka handany ENY eto ouunnttssss !!! on hon hon hon ho
16. swann ( 14/10/2010 07:33)
non non non wiwiwiwiwi anao kaya miteniteny fahatany anao ozizy fa tafita io ENY io !
- EKA ozizy efa itako fa tafaboaka io hamasinin'Andriambodilova taranaka faharoan'i Mamangory vaditsindranon'i Radama izany tafaboaka io baba !
Eka ozizy tafaboaka io eny ozizy Eka ozizy ...
17. mirananirina ( 14/10/2010 10:11)
Tena tsy haiko mihitsy aloha ilay ENY na TSIA
18. andrywui ( 14/10/2010 20:00)
nen'dry Mirana koa refa tsy hay le ENY na TSIA tsy mangina fa mitoreo eraky ny serasera hoe tsy hay zany fona !!!!
19. fijo ( 15/10/2010 19:25)
ka toa ny conferansy nasionaly ihany io.mody namory vahoaka,nef any lahatsoraka efa voarakitra ary ambadika.fandaniana andro fotsiny le vahoaka mody aroso eo
20. RAR.DAGO ( 15/10/2010 20:45)
Raha vao midina any ambanivohitra dia izay be wawawa ihany no maharesy lahatra izany hoe ny fanjakana ka sarotra ny andresy azy. Fa ny mahafinaritra izao dia ny hoe mandresy ny TSIA @ tanan-dehibe vitsivitsy indrindra moa fa eto TNR, fa angamba mihitsana ny nifin'i TGV
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1079