Very ny zanako

1. niryna ( 10/10/2010 01:53)
MIarahaba antsika rehetra indray aho androany.Ny fahasoavan'ny Tompo anie ho eo amintsika mandrakariva.
Omeko tantara kely iray hianareo ary mitovy ilay zanaka very izy ity saingy hafa kely no fitrangany
Rehefa niala ny tokantranony ity zaza dia nalahelo ny rainy ary tena nalahelo mafy mihitsy,ny renin'ny moa tsy tenenina intsony.Kivy tanteraka rangahy ka na dia nataony avokoa aza ny vavaka dia tsy nisy vokany izany fa mbola tsy niverina ihany ny zanany
Indray andro dia nisy nadoam-baravana tao an-trano ary dia novohain'ity rangahy ny trano ary dia nilaza ny anarany ilay olona Izaho no ......
iza ary ilay olona tonga tao o ?
anareo aza no mamaly dia ho tohizako ny tantara avy eo
novalian'i niryna ny 19/10/2010 16:06
2. rijadolly ( 10/10/2010 17:21)
Mahazo mamaly in' 2 ve?

1- Izaho no Jesoa Kristy. diso ve?
3. mirananirina ( 11/10/2010 09:00)
Tantara tena marina ve aloha sa tantara noforoinina?
Iza moa ilay olona tonga tao fa tsy ilay zanany ihany
rijadolly,tsy possible Jesoa Kristy mihitsy satria io dia tsy hita maso,ary tsy afaka handondona.
4. rijadolly ( 11/10/2010 15:43)

Tantara tena marina ve aloha sa tantara noforoinina?

Za koa Mirana azon' io fanontanian' se io dia nanontany tena hoe tsy mino ve aho fa afaka mandodona ny varavaratsika rehefa mivavaka mitalao amin' fo torotoro Jesoa Kristy? Avy eo nanongo tena. Hay ty zaho ty hoy aho ato anatiko tena mbola tsy mino tsara na menatra milaza fa afaka manao izany ny Mpampianatro, Mpanavotra ahy, Ilay nanolo tena ho ahy.

Raha tsy tena marina, dia sahy ve aho milaza hoe Jesoa Kristy ilay nandodona? fa raha tena marina dia tsy vitany ve izany? Nifona mafy aho Mirana, matoa afaka nisaina izany aho dia noho ny Fanahy Masina Nirotsaka nampahafantatra ahy izany hevitra izany bma hananako fotoana hifonana noho ny tsy finoako.

APOKALYPSY 3: 20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.
5. niryna ( 14/10/2010 04:38)

rijadolly:

Mahazo mamaly in' 2 ve?

1- Izaho no Jesoa Kristy. diso ve?
olona ilay tonga teo ambaravarana ka,tsy Jesosy kristy ka
6. niryna ( 14/10/2010 04:47)
mirananirina:

Tantara tena marina ve aloha sa tantara noforoinina?
Iza moa ilay olona tonga tao fa tsy ilay zanany ihany
rijadolly,tsy possible Jesoa Kristy mihitsy satria io dia tsy hita maso,ary tsy afaka handondona.
mirananirina a,izay mandondona dia vohana k'nou
inona moa ilay teny ao anatin'ny soratra masina ? any amin'ny Apok ilay izy ?
I kristy no miresaka,mandombaravarana ? Ity fa tadidiko
Apok 3:20
Indro efa mitsangana eo ambaravarana Aho ka mandondona ;raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho ka hiara misakafo aminy;ary izy amiko

ary izy amiko( io no tsy azoko tsara ) ...sao mba misy afaka hanazava ahy e?
7. niryna ( 14/10/2010 04:50)
Azafady fa niverina ilay Apo ,tsy mbola nijery ny valintenin'i rija aho fa namaly ny teo ambony fotsiny,misaotra na dia izany aza
8. niryna ( 14/10/2010 04:54)
Dia mitohy ary ny tantara:
Novohan'ity ray ity olona nandondona ary dia hoy izy hoe Finoana no anarako tompoko
Dia nanome hery azy teo Finoana : aza kivy hianao ry dada fa na rahoviana na rahoviana dia tsy maintsy miverina ato aminao ny zanakao.Minoa fotsiny ihany ny teny izay efa nomena antsika ary aza mitsahatra ny mivavaka e.Andraso fa raha hitako ny zanako hoy Finoana dia ampatsiahiviko azy ny fisianao.
Dia iny fa lasa i Finoana
Nataon'ity dada avokoa ny teny izay nomen'i Finoana kanefa dia tsy tonga niverina ny zanany
Indray andro dia nisy olona iray indray nandona ny varavarana ary dia novohan'i dada .Izaho no ......
Iza amin'izay ary ny anaran'io olona io raha fantatrareo?
9. mirananirina ( 14/10/2010 10:28)
Zany hoe mety ilay tena zanany no nandondona varavarana ao izao,sarotra be moa ry nyrina miady hevitra @ ity finoana ity ,nefa atao ahoana fa sambatra izay mino na tsy mahita aza.
10. rahery08 ( 14/10/2010 13:28)
Miarahaba anareo!
Sao dia anao toy ilay ankamatatra taloha iny ary Nyrina:

Ilay hoe: 3 ny zanak'i maman'lita, volana ny iray, kintana ny iray, dia hisy ho voafandrika hoe masoandro ny iray, nefa i Lita,

Dia hoe finoana ilay teo,
Dia avy eo i Fanantenana, dia avy eo....
11. rijadolly ( 14/10/2010 14:46)
Lasan' Rahery8 indray ny loka ry Niryna a! Manohana ny valitenin' Rahery8 koa aho: Fanantenana...
12. niryna ( 14/10/2010 16:42)

mirananirina:

Zany hoe mety ilay tena zanany no nandondona varavarana ao izao,sarotra be moa ry nyrina miady hevitra @ ity finoana ity ,nefa atao ahoana fa sambatra izay mino na tsy mahita aza.

araka ny tantara dia lasa nandeha ny zanany,tsy fantatra na maty na velona,tsy fantatra raha lasa nandeha nipetraka any amin'ny mpijangajanga,na nangalatra,na mba manana asa,tsy fantatra avokoa izany,Mbola tsy ny zanany aloha io ka
13. niryna ( 14/10/2010 16:47)

rijadolly:

Lasan' Rahery8 indray ny loka ry Niryna a! Manohana ny valitenin' Rahery8 koa aho: Fanantenana...
Rahery8 kosa e ,mbola mamy ilay tantara dia notapahiny sahady.Bravo Rahery

Dia tonga indray ary ilay rangahy iray araka ny notenenin'i Rahery hoe Fanantenana.Nandoham-baravarana izy.E ! tonga ihany lahy ity menaky ny aiko!!!!Nisento kely izy alohan'ny amohany ny varavarana.Inona no teo fa tsy olon-kafa!
Nino izay teny nampitondraina ve hianao hoy Ra Fanantenana.Mino ve hianao fa tsy maintsy mbola hiverina ihany ny zanakao indray andro any.Aza manary fanantenana hoy izy ary aza mitsahatra ny mivavaka.
Aleo ho zahaviko ny zanakao ary ampahafantariko azy avokoa ny teny mamy nomenao azy fony mbola kely.Aza kivy fa manana fanantenana.
Dia iza ary ny olona mety ho tonga rehefa lasa Fanantenana hoy nareo?
Dia tohizin'izay mahalala ny tantara ary ny valiny .
14. rahery08 ( 15/10/2010 07:59)
Tonga ihany i Fititiavana!
Ela izany niandrasako anao izany anaka, fa tonga ihany ianao hoy rainy diboky ny hafaliana.

Dia nifamihina teo izy mianaka!

15. rijadolly ( 15/10/2010 20:00)
Dia mbola lasan' Rahery08 indray ny loka farany...Dia misaotran' ny Antsan' ny Kristy koa isika e! [dailymotion]http://www.dailymotion.com/video/x1ezmp_antsa-ani-kristy3ffianoanafanantena_music[/dailymotion]
16. niryna ( 16/10/2010 03:19)

rahery08:

Tonga ihany i Fititiavana!
Ela izany niandrasako anao izany anaka, fa tonga ihany ianao hoy rainy diboky ny hafaliana.

Dia nifamihina teo izy mianaka!


Eny e.Azonao aloha ny loka fa Fitiavana no nandoambaravarana teo fa tsy ilay zanany. Raha toa aho hoy Fitiavana ka mahita ny zanakao dia ho tianao foana ve izy?
Na mahia kely noho ny tsy fihinanany sakafo satria very asa? Raha toa ka mitondra sida tany amin'izay nalehany tany izy ,dia mbola ho tianao foana ve ?
Andraso indray aza aho anao izay mety ahitako azy fa lasa iny Finoana ,tsy nahita azy.Tonga koa Fanantenana ,mbola tsy nahita mangirana ihany .Aleo indray ary aho mba anandrana hizaha azy e.
Dia lasa Ra Fitiavana ,tany ka tany ka tany.Lasa ny volana ,niherina ny taona
E eeeee!!!! tena mbola tsy niverina ihany ilay menaky ny aiko.
Namerina nisento tokana ilay rainy.Nataony avokoa ny hafatr'ireo nandoambaravarana,nivavabavaka andro aman'alina, volana fa mbola tsy tonga ihany izy e .
Nitsingerina ny taona nahalasanan'ilay zanany: tsy taratasy, tsy antso an-telefonina azo avy any aminy.Tsy fantatra maty ,tsy fantatra hoe nanjavona,sarotra hafoy anefa.
Mangidy tokoa anie izany e,izany angamba no mahatonga ilay teny hoe :ny zanaka mahafoy ny ray aman-dreny fa ny rar tsy mahafoy ny zanaka.Kanefa dia lasa indray ny saiko hoe " ra zanaka tsy tia ray aman-dreny miteraha mba ahita..an,an. Ny tena izy angamba dia hoe ny zanaka raha manaiky nono dia akifika ,ooops !

Dia iza ary no olona farany mety hitsidika eo hoy hianareo( aleo aloha tsindriko kely fa tsy ny zanany an )
17. ngaila ( 16/10/2010 13:06)
Ra tsy ni zanany kousa aza de iza njay lé,
18. arialy ( 17/10/2010 12:02)
niverina i fitiavana fa izy no lehibe indrindra !!!
19. rahery08 ( 18/10/2010 05:09)
Mety hoe fivavahana! no tonga, dia mety hoe indray i faharetana... azo lazalazaina eo daholo izay azo lazaina! ...
dia tohizo indray ary ry Nirina.
20. niryna ( 19/10/2010 15:48)

ngaila:

Ra tsy ni zanany kousa aza de iza njay lé,

tsy ny zanany hoy aho e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0429