FANOTANIANA FE FANOTANIANA HO ANTSIKA MPISERA ...

21. ikaretsaka ( 14/09/2010 14:56)
de ze mipetraka ao mahaMASINA izany Andriamanitra kely aby (raha jerena ny lojikanjareo..
tsy lazaiko ny any Anjanamasina ...sao...
22. cyril ( 14/09/2010 15:07)
Ary ny resak'i madama ate koa mba mipoapoaka an! otran'ny mahay baiboly ireny ery nefa ry boudah no hivavahany ! mba andefaso dinka eto ry madame ate mba manatsara ny boudha koa a , zo-nao izany
23. hery ( 14/09/2010 15:11)
Oudry lolll

Ahoana re zany adindry cyril zany e. Nareo aza tsy katolika nefa mitsolantsolana miresaka momba ny Papa Ray Masina.

Kou manin i "madama" raha miresaka baiboly koa na dia bouddiste aza?
24. cyril ( 14/09/2010 15:16)
Mety izany ry hery kah zo-ny tsara mihitsy zany fa mba mandefasa dinika koa hoy aho mba manamafy ny ate sy ny boudha-ny ! mazava anie zany fa tsisy mandrara e ! kaiza ary iz zany
25. hery ( 14/09/2010 15:19)
Tsy voatery mandefa dinika izy rehefa tsy te handefa ka.

Io miditra @ fiainan'olona io ihany anie no mahavoa anareo e. Ny anareo jerena. Rehefa hita hoe milamin-tsaina dia izay no ilaina. Tsy hoe maninona ry anona no bouddhiste, maninona ry anona no katolika, very any ireny sns. Io no hitarafana ny fiainanareo iray manontolo.
26. ikaretsaka ( 14/09/2010 15:32)
izay mantsy
27. cyril ( 14/09/2010 15:45)

izay mantsy
hoy ra'ika

mba mitenena ra-ika fa inona fotsiny no mampangiana an'ise eo a !.. lazao ze mampngitikitika ny sainao !...

-- faharoa : lay fanotaniana mpetraka hatramzao de tsy tena mbola valianareo mazava fa arirariranareo roalahy efa ho adiny firy zao !!!!!!

-- Ny fanotaniana de tsotra !! - Manaiky ve nareo Ilay raikalahy iny no tena Ray Masina fa tsy Jehovah Andriamanitra ?? zay
28. hery ( 14/09/2010 15:48)
Fa ataonao inona anefa ny valin'izany fanontaniana izany e? :-) Efa lazaina aminao ny valiny fa matoa averimberinao ny fanontaniana dia tsy azonao izany ilay valiny.

Ny valiny dia tsotra: Manaiky izahay fa Ray Masina ny Papa ary Jehova Andriamanitra dia Andriamanitra Ray
29. ikaretsaka ( 14/09/2010 15:50)
hanao mody fanina indray ry zalahy manao an;io
;)
30. cyril ( 14/09/2010 15:54)
- Dia hoy ny Baiboly ary amin'io valiteny blasfemia io hoe : AZA MANAO IZAY RAINAREO MASINA ETY ANTANY FA TOKANA IHANY NY RAINAREO DIA ILAY ANY ANDANITRA ...


Aleo ho tapitra hatreo aloha zany ty adi-hevitra ity !! efa mazava ny teninareo roalahy sy ny valiny nomenareo !! zava-doza ! ...... FIN
31. hery ( 14/09/2010 15:55)
lolll

Fa angaha tsy valin'ny fanontaniana no tadiavinareo fa hampianatra indray e?

Tsy mila fampianarana avy any izahay fa efa vita ny valin'ny fanontaniana lolll.
32. ikaretsaka ( 14/09/2010 16:05)
ary io foana no atao pli vava an.. fa le Rabbi (=Ray masina @ teny Jiosy ) odiana fanina
sy ny Ray manao RY zanako (cf. Gal. 4:19; 1 Tim. 1:18; 2 Tim. 2:1; Phil. 10; 1 Pet. 5:13; 1 Jn 2:1; 3 Jn 4).
33. cyril ( 14/09/2010 16:11)
efa voavaly ao ambany le resaka rabbi fa ikaretsaka tsy mijery na fanina angamba ! ny valiny ao ambany ao de hoe mamakia tsara diksionera baiboly hono i ikaretsaka fa "mpampianatra " ny dikan'ny hoe rabbi na raby o na rabony o " ao anaty filazantsara !! de midika hoe mpampianatra o
34. ikaretsaka ( 14/09/2010 16:58)
hay hainao ihany izay?
dia izao ary: mpampianatra =maitre... ok?
dia hoy ny baiboly (matio 18) hoe mandehana ataovy "mpianatrs" ny olona rehetra .. izany hoe ny apostoly= mpampianatra (rabbi) !
nefa ao @ matio 23 izy mi Critiquer ny rabbi

de iza no hotsimponina?? sa rehefa te hamely de odiana fanina??
tsory ny marina rangahy de mandiniha tena an
35. mirananirina ( 14/09/2010 17:57)
Mr cyril,hihihi ohatra ny mahay baiboly????nefa ATE,hitako @izao fa mitsaratsara olona fahatany enao,tsy mahalala akory izay momba ilay olona na inona na inona finoako,lazaiko sy tsoriko aminao aloha fa efa ela ihany no tsy nandraisako baiboly izay,aleo atao hoe 8 taona.Fa talohan'io dia nitondra tanora tao @fiangonana,nitondra scout Kato ny tenanay ary mbola misy niasa tao amindry masera ihany koa.Fony fahatanorako dia nianatra tao @sekoly PROTESTANTA Ambohijatovo avaratra ihany koa, aho +++ io.Amin'izao fotoana izao dia musulman ihany koa.Ka ahoana ampy ve???????Inona no mba finoana hainao akoatra ny maha secte anao????
36. AndriambyII ( 14/09/2010 22:13)
Mifandipatra be ny resaka ato !Ho avy ny magicien !
37. ouioui ( 15/09/2010 01:09)
billy:

Mifandipatra be ny resaka ato !Ho avy ny magicien !

[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/c_laugh.gif[/IMG]
hery:

Fa angaha tsy valin'ny fanontaniana no tadiavinareo fa hampianatra indray e?

Zah ndray rahery tsy tery saina fa raha mahaliana ahy de vononafoana aho ny hianatra[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Reflexion/F_14WA%7E1.GIF[/IMG]
dia hoy ny baiboly (matio 18) hoe mandehana ataovy "mpianatrs" ny olona rehetra .. izany hoe ny apostoly= mpampianatra (rabbi) !
38. ouioui ( 15/09/2010 01:12)
ika:

dia hoy ny baiboly (matio 18) hoe mandehana ataovy "mpianatrs" ny olona rehetra .. izany hoe ny apostoly= mpampianatra (rabbi) !

Tsy ny apostoly ihany bainn no tokony hampianatra fa izay nahita fampianarana a, jereo tsara fa aza manao kitsimpona fahatany [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/00102.gif[/IMG]
39. cyril ( 15/09/2010 11:56)
Mirananirina --) naniratsira loatra an'Andriamanitra hianao sady nanome tsiny Azy de izay no nanaovako anao hoe : Mme A.. ,nefa kosa rehefa fantatro hoe hay mpitarika tanorampianagonana hianao de arahaba soa arahaba tsara fa hay kristiann iahny !!! felicitation Mme K... (kristiann) a !....

-- Ikaretsaka ==) mbola averiko foana hoa fa ny dikan'ny hoe : " RABBI " dia "mpampianatra" fa tsy izany "Ray o" nao izany !! de mbola averiko foana ndray le tenin'Andriamanitra ao amin'ny Apôkalypsy manao hoe : """raha misy manala na manampy ity Bokin'ny faminaniana ity dia Andriamanitra hanala ny anjara hazon'ainy ""....
40. ikaretsaka ( 15/09/2010 13:26)

ouioui:

ika:

dia hoy ny baiboly (matio 18) hoe mandehana ataovy "mpianatrs" ny olona rehetra .. izany hoe ny apostoly= mpampianatra (rabbi) !

Tsy ny apostoly ihany bainn no tokony hampianatra fa izay nahita fampianarana a, jereo tsara fa aza manao kitsimpona fahatany [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/00102.gif[/IMG]


dia atao hoe "dimbin'ny Apostoly ireny " ramose a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1215