fahalalahana misafidy
1. infiny
(
09/09/2010 15:26)
Misy tamin'ilay fanontanian'i Hery ao ambanimbany ao hoe efa voafaritra mialoha ny voavonjy (supposer-tsika hoe mitovy avokoa ny voavonjy amintsika satria samy kristianina).
Efa hanana'Atra ve izany ny lisitry ny olona ho voavonjy?
Maro angamba no efa nametraka io fanontaniana io (na mitovotivy aminy) fa tsy izaho irery. Mba tia haheno ny hevitrareo aho momba io satria efa nisy valinteny tapatapany ihany saingy tsy mbola nisy nahafa-po ny valiny voaraiko. Ny reko farany izao dia hoe tsy "fahalalahana hisafidy ho voavonjy" na tsia no ananantsika fa "fahalalahana hisafidy ny lalan-kizorana" mankany amin'ny toerana izay efa fantatr'Atra mialoha, na voavonjy na tsia izany. Toa manala ilay contradiction izao io valinteny io saingy mety tsy mifanaraka tsara amin'ny Baiboly sy ny voalaza ao.
Mety nandeha ihany ity resaka ity fa mety tsy naharaka aho ka miala tsiny ra miverina.

novalian'i ouioui ny 16/09/2010 14:33
2. andrywui
(
09/09/2010 15:30)
- Tena tsy izy mihitsy alou raha ilay 144.000 nolazain'i hery atsy ambany atsy e ! ny an'Andriamanitra de misy ondry hafa ivelan'ny vala mbola hovonjena fa tsy io fotsiny!
-ity alou zava-baovao e !.. merci bainnn a hay artiste be an !!
http://www.youtube.com/watch?v=jfovDZu6vnE

3. mirananirina
(
09/09/2010 15:47)
Ny olombelona rehetra eto antany dia manantena ny voavonjy daholo,na manota na tsia na Kristianina na tsia.Ka Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra dia izy ihany koa no mahalala izay olona vonjeny(amiko aloha io an)Ohatra fotsiny ny karana (indo)dorana ny faty rehefa maty,asa ny fanahy ve lasa de ny vatana tsy misy sa ..
4. ouioui
(
09/09/2010 16:05)
Andraso kely aloha ry zalahy fa ho avy eo le kôfy spesialista teolojia iny fa izaho koa te ahalala ny momban'io
Asa raha misy fanazavana azon'i Hery avoaka , tsy hifanambantambazana na hifanerena akory fa afaka tsy mamaly raha tsy mahay ,izaho tsy manana fa ianareono nanao teolojia ,tsy ny an'ny TJ no anontaniako(sady mpanazava nosakanan-drahery fa manapetsa loatra) fa ny kto [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/00100.gif[/IMG]

5. infiny
(
09/09/2010 16:24)
Rehefa nikarokaroka kely aho teo dia nahita ity zavatra hafakely ity, indrindra ho an'ireo izay mahay baiboly tsara. Miala tsiny fa tsy nahita afatsy teny anglisy.
http://skepticsannotatedbible.com/contra/knows.html

6. soanja
(
10/09/2010 03:56)
infiny:
Misy tamin'ilay fanontanian'i Hery ao ambanimbany ao hoe efa voafaritra mialoha ny voavonjy (supposer-tsika hoe mitovy avokoa ny voavonjy amintsika satria samy kristianina).
Efa hanana'Atra ve izany ny lisitry ny olona ho voavonjy?
Maro angamba no efa nametraka io fanontaniana io (na mitovotivy aminy) fa tsy izaho irery. Mba tia haheno ny hevitrareo aho momba io satria efa nisy valinteny tapatapany ihany saingy tsy mbola nisy nahafa-po ny valiny voaraiko. Ny reko farany izao dia hoe tsy "fahalalahana hisafidy ho voavonjy" na tsia no ananantsika fa "fahalalahana hisafidy ny lalan-kizorana" mankany amin'ny toerana izay efa fantatr'Atra mialoha, na voavonjy na tsia izany. Toa manala ilay contradiction izao io valinteny io saingy mety tsy mifanaraka tsara amin'ny Baiboly sy ny voalaza ao.
Mety nandeha ihany ity resaka ity fa mety tsy naharaka aho ka miala tsiny ra miverina.
Raha ny momba ahy dia tsy miasa loatra amin'ny famonjena ho avy. Ny famonjena iainako izao fotoana iainako izao no tiako ho tratrarina raha sitrapon'Andriamanitra; dia ny ahita filaminana sy fitoniana ary fahavononana hiatrika izay nomen'Andriamanitra ahy. Ny androany no fanomanana ny ho avy. Efa hitako ny lanitra, tsy hanantena fa efa miaina. Isaorako ny Avo.
7. Miharena
(
10/09/2010 07:34)
Ilay miresaka sy manadihady ny lasa iainana amin'ny ho avy tokoa dia miteraka korontana sy fihodinkodinana (cercle vicieux). Koa tsara raha manana fomba fijery vaovao izay mandrafitra ny ankehitriny hamaritra ny ho avy rehetra mba tsy ho very amin'ny fandinihana zavatra efa vita tsy azo ovana intsony toy ny rano raraka.
Miaina anaty zava-poana tokoa ny olona maka io rano raraka io handrafetany ny ho aviny.
Raha miverina amin'ny Baiboly isika momba io famonjena io dia Andriamanitra mihitsy no milaza fa tsy hiala amintsika olombelona ny famindrampony sy ny Fitiavany mandrakizay. Ny be saina no mamboly dogme amin'izany Teny mazava izany dia very amin'ny katesizy ary mamery ny hafa amin'ny tsy fahatakarana izay fonosin'ny dogme noforoniny.
Ny tahotra no hita rehefa misy manisy tsidim-peo eo amin'ny teny voambara miresaka momba ny helo sy ny fahaverezana fa tsy hazavaina tsara ny antom-pisian'ny Mpamonjy izay mamerina amin'ny laoniny ny fomba enti-misaina sy mitondra tena. Maro be tsy tanisaina izany ao amin'ny Baiboly ary ataoko fa mivelatra eo amin'ny fiainana andavanandro niteraka ireo ohabolana maro samihafa na iza na iza karazam-poko mbola tsy nahita akory izany hoe Baiboly na Coran sns...
Tsy ny teolojia amiko no tokony hahay hamaly tsara ny fanontaniana apetrak'i infiny eto hoe "Efa hanana'Atra ve izany ny lisitry ny olona ho voavonjy?" satria ny Teny izay nomena dia natao hozaraina ho an'ny rehetra.
Ilay resaka tempolin'Andriamanitra izay ny tenantsika tsirairay na iza izy na iza no manamarina ny Teniny rehetra izay voambara ka asakasak'izay mbola hisy hanao lisitra fampisarahana hatrany hoe izato tsy tempolin'Andriamanitra fa izaroa no izy. Io ilay devoly tsy mampiray ka raha sendra tafiditra amin'izay fisainana izay dia gadra ao tokoa ka tsy mahita fivelarana velively.

8. fafane
(
10/09/2010 10:37)
Amiko ndray amin'io hoe ho vonjena sy tsy io de zao: za tsy mahalala zay nataon'ny anona na anona. Fa izy sy Andriamanitra ihany no mahalala an'zany, fa izao miezaka aho manamarina ny lalako eo anatrehany de Izy no mahita na mendrika ho any aho na tsia, fa zany tsy azo moramora a, ny lanitra na ny fiainana mandrakizay fa masina zany, mila.mifady.ny.ratsy sy manda zay tsy sitrapon'Andriamanitra ao anaty baiboly fa io ny guide fa raha tsy teo koa.io de samy nanao zay saimpantany ny olona angamba. Mbola bedebe ny tiko.ambara fa omeko anareo namana ndray aloha
9. nanjakely
(
10/09/2010 10:41)
Ka ny an'i fafane ny baiboly no guide zany raha te hiditra any andanitra ! marina zany , tena marina !! fa misy olona tsy mino an'io baiboly io izy fa olombelona hono no nanoratra an'io (imirananirina io) dia tena nahagaga ny maro fa io ary hoy izy olombelona no nanoratra an'io ,asa ahoana tokoa no tena fandehan'izany heviny izany fa mampisalasala be
10. fafane
(
10/09/2010 12:32)
Ny ahy ndray.raha mikasika.ny baiboly de zao: ekeko fa olona no nanoratra an'io(petera tao @ nosy Patmos ohatra) fa saingy tsy ny sainy na ny fahendreny fa tsindrimandrin'Andriamanitra no nosoratany tao,fa za tsy miady hevitra be ny @io fa refa mino an'Andriamanitra aho de inoako ny teny lazainy de ny baiboly, ary na de fisiantsika olombelona aza anie tsy fantantsika hoe avy aiza sady tsy ho takatry ny saintsika halalinina izany fa tahaka ny ahavon'ny lanitra sy ny tany de toy izany ny elanelan'ny fisainantsika sy Andriamanitra. Ka raha tsy mino.ny baiboly i Mirananirina, de hanao ahoana zany ny hiafarany? sady zavatra tsara no ambarany ao,de andramo tanterahina ange Mirana fa tsy mandainga ny tenin'Andriamanitra ab velona sy mahery ny teniny, ary maro ny boky efa hitako fa tsy misy mitovy aminy, fa hafa mintsy ny ambarany, sady tsy mba lany hamamiana, fa ny boky hafa vao averimberinao imbetsaka ny famakiana azy de leo,fa ny bible arakaraky ny hamakianao azy vao maika misy maminy fona, mba minoa ihany Mirana a
11. daran
(
10/09/2010 14:19)
ifiny
Efa hanana'Atra ve izany ny lisitry ny olona ho voavonjy?
Voalohany indrindra d mila tsarontsika foana hoe lehibe ny fitiavan'A/tra ka maniry ny OLONA REHETRA HOVONJENA SY HAHAZO FIAINANA MANDRAKIZAY. Tsy misy tiany ho very ny iray amintsika na dia mpanota faran'izay mpanota aza isika. jean 3: 16 sy 1 petera 3: 9. A/tra ts maika hicondamné ol fa isika aza no maika hicondamné ny hafa.
Manaraka izany, A/tra ts mila manao lisitra ara-bakiteny akory hoe ty sy ty.... tahaka antsika mila mandray noty satria manadino. Fantany sy tadidiny daoul ny ol zay niezaka nankato azy. A/tra d mamela ny safidy ho antsika ary mampirisika antsika izy hisafidy ny fiainana. jereo deotoronomia 30: 15 -20. Miankina @ io safidy ataontsika io no hahafahantsika manana na tsia ny anarantsika ao @ bokin'A/tra (ts ara-bakiteny koa).
A/tra koa ts mi-prédestiner ny ol hovoavonjy satria mifanohitra @ toetrany zany zay fitiavana sy tia rariny izany.
12. AndriambyII
(
10/09/2010 14:33)
Miharena : ny lasa tsy fanadino , ny lasa fototry ny ankehitriny , ny lasa fitaratry ny ho avy .
Fomba fijery vaovao ahoana moa no tianao hananan' ny olona efa voafaritra na dia ny fandalovany eto @ ity tany ity aza ? (ara-toe-tsaina ,sy ara-panahy )
Miharena :
"Ny tahotra no hita rehefa misy manisy tsidim-peo eo amin'ny teny voambara miresaka momba ny helo sy ny fahaverezana fa tsy hazavaina tsara ny antom-pisian'ny Mpamonjy izay mamerina amin'ny laoniny ny fomba enti-misaina sy mitondra tena. Maro be tsy tanisaina izany ao amin'ny Baiboly ary ataoko fa mivelatra eo amin'ny fiainana andavanandro niteraka ireo ohabolana maro samihafa na iza na iza karazam-poko mbola tsy nahita akory izany hoe Baiboly na Coran sns..."
Dia mino ve i Miharena hisy hanaraka izany teninao izany ? Raisiko ohatra ireo silamo ,mampihatra ny shariah : "oeil pour oeil , dent pour dent " ampahatsiahivina ny attentat wtc 09/11 ,atentat Lockerby ,attentat de bali , ... sario an-tsaina anie ny zavatra alentika ao anatin' ny lohan' ny fidele silamo isaky ny miditra hihaino toriteny ao @ mosque ry zareo , dia sario an-tsaina ihany koa ny zavatra ho vitany aoriana é ! ny fivavahana hitako fa tolerant izao dia ny Jainisme , na ny lalitra aza tsy azonao atao ny mamono azy amin-dry zareo , ny shamanisme manaiky ny famosaviana @ alalan' ny zavaboary , misy finoana iray any azia izay mankasitraka ny fihinanana ny fatin' ireo havany efa lasana mba tsy hahavery ny fanahiny ,nefa dia mino an' A/tra tokoa ry zareo.

14. rijadolly
(
11/09/2010 18:31)
Ny tsara fantatra voalohany angamba dia ny toetry ny olona miditra ao amin' Fanjakan' Andriamanitra. Raha tena Mpino ianao dia mahatsapa ny zavatra ataonao fa sitrak' Andriamanitra na tsy ok!.Tsy azo lavina anefa ny voalazan' namana ao ambony ao ny mikasika ny Famelana ny tsy mety izay nataonao raha eo anatrehan' Andriamanitra sy ilay Rà ny Zanak' Ondry. Izay voalazako izay anefa no manaporofo fa misy ireo izay very raha tsy manolotra ny tenany hanaraka ilay làlana ankasitrahan' Andriamanitra.Tsindriko ihany koa ny voalaza ao ambony ao fa manana safidy ny tsirayray amin' izay lalana izay.
Ekena, ary manaiky ny hevitry Miharena aho fa samy Zanak' Andriamanitra isika rehetra ary tsy tiany ho very na dia iray akory aza. Nefa, noho ilay safidy dia anisan' ireo manary tena isika raha miala ny làlaNy.
Aty aho izay vao hamaly ilay olana mipetraka amin' ty lohahevitry Infiny ty
Efa hanana'Atra ve izany ny lisitry ny olona ho voavonjy?
Eny efa hananan' Andriamanitra ny lisitry ny olona ho voavonjy fa saingy noho ilay test ho antsika dia voafafa ny anaratsika raha tsy mizotra amin' iny lalana iny isika.
APOKALYPSY 3: 1 Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Sardisy:
Izao no lazain'Ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona hianao, kanjo maty ihany.2 Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro.3 Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina hianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao.4 Kanefa misy olona vitsy aty aminao aty Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika izy.5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.

15. ikaretsaka
(
11/09/2010 22:58)
soanja:
infiny:
Misy tamin'ilay fanontanian'i Hery ao ambanimbany ao hoe efa voafaritra mialoha ny voavonjy (supposer-tsika hoe mitovy avokoa ny voavonjy amintsika satria samy kristianina).
Efa hanana'Atra ve izany ny lisitry ny olona ho voavonjy?
Maro angamba no efa nametraka io fanontaniana io (na mitovotivy aminy) fa tsy izaho irery. Mba tia haheno ny hevitrareo aho momba io satria efa nisy valinteny tapatapany ihany saingy tsy mbola nisy nahafa-po ny valiny voaraiko. Ny reko farany izao dia hoe tsy "fahalalahana hisafidy ho voavonjy" na tsia no ananantsika fa "fahalalahana hisafidy ny lalan-kizorana" mankany amin'ny toerana izay efa fantatr'Atra mialoha, na voavonjy na tsia izany. Toa manala ilay contradiction izao io valinteny io saingy mety tsy mifanaraka tsara amin'ny Baiboly sy ny voalaza ao.
Mety nandeha ihany ity resaka ity fa mety tsy naharaka aho ka miala tsiny ra miverina.
Raha ny momba ahy dia tsy miasa loatra amin'ny famonjena ho avy. Ny famonjena iainako izao fotoana iainako izao no tiako ho tratrarina raha sitrapon'Andriamanitra; dia ny ahita filaminana sy fitoniana ary fahavononana hiatrika izay nomen'Andriamanitra ahy. Ny androany no fanomanana ny ho avy. Efa hitako ny lanitra, tsy hanantena fa efa miaina. Isaorako ny Avo.
"Ny olona tsy misy hatao loatra @ ity fiainana ity no lasa vinany sahady @ izay ho avy any"
16. andrywui
(
12/09/2010 11:09)
hoy Ika ...
tena mila mibanjina ny ho avy ny olona r'Ika a !!... raha olona tsy manana tanjona lavitr'ezaka na jery lavitra dia olona tsisy ati-doha izany fa mandeha maina otran'ny sokatra fotsiny ! ...
- Ilaina ho fantarina hoe : rahatrizay ve tonga ny Fitsarana faharoa ataon'Andriamanitra !! ho tafiditra amin'ny Fanjakany ve aho raha ny toe-panahiko sy ny Fiambenako (satria hoy ny Tompo : izay tsy Manampahamasinana hoy izy dia tsy ahita Ahy mandrakizay )
- mila jerena ny ho avy todihana ny lasa ::...inona no efa vitako mety ve ny lasako ?? ahoana ny ho aviko ? ho amboariko tsartsara kokoa noho izay 34ans lasa izay ny fiainako mba tsy hisy ho anenenako izay vitako !! ...izay no tokony ho ataon'ny olona manana jery lavitra amin'ny fiainana "na ara-panahy na ara-nofo !"...

17. ikaretsaka
(
12/09/2010 14:45)
Un jours a la fois ry andrywui a.. voalaza ny hoe aza manahy ny ampitso..sy ny hoe ny fanatontosana ny tsara anio no. Ahitana ny rahammpitso fa tsy hoe ny androany aza tsy vita tsara akory, @ fomba ahoana ny ahalalana ny rahampitso?
18. ouioui
(
12/09/2010 21:28)
Lasa mandray ambokina be fahatany elah izany bainn a, olona tsy manana obejectif izany na tsy misain-tsaina ny @ radem zany bainn , efa olon'olom-poana a [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/lol2.gif[/IMG]
Sao elah le karazan'olona mandray tsy raisina ireny hoe ,efa ho tonga hono ny farany de lasa tsy mikandra ntsony bainn , ampio aloha leisy ny tenan'elah dia hanampy an'elah foana ny Tsitoha hono é, sao elah le hoe minoa fotsiny de hiverina hilatsaka ho azy eo ndray koa ny mana [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/M%E9chant/fache-non-non-248932.gif[/IMG] [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/00102.gif[/IMG]

19. Miharena
(
13/09/2010 05:03)
Andriambyll:
Miharena : ny lasa tsy fanadino , ny lasa fototry ny ankehitriny , ny lasa fitaratry ny ho avy .
Fomba fijery vaovao ahoana moa no tianao hananan' ny olona efa voafaritra na dia ny fandalovany eto @ ity tany ity aza ? (ara-toe-tsaina ,sy ara-panahy )
Miharena :
"Ny tahotra no hita rehefa misy manisy tsidim-peo eo amin'ny teny voambara miresaka momba ny helo sy ny fahaverezana fa tsy hazavaina tsara ny antom-pisian'ny Mpamonjy izay mamerina amin'ny laoniny ny fomba enti-misaina sy mitondra tena. Maro be tsy tanisaina izany ao amin'ny Baiboly ary ataoko fa mivelatra eo amin'ny fiainana andavanandro niteraka ireo ohabolana maro samihafa na iza na iza karazam-poko mbola tsy nahita akory izany hoe Baiboly na Coran sns..."
Dia mino ve i Miharena hisy hanaraka izany teninao izany ? Raisiko ohatra ireo silamo ,mampihatra ny shariah : "oeil pour oeil , dent pour dent " ampahatsiahivina ny attentat wtc 09/11 ,atentat Lockerby ,attentat de bali , ... sario an-tsaina anie ny zavatra alentika ao anatin' ny lohan' ny fidele silamo isaky ny miditra hihaino toriteny ao @ mosque ry zareo , dia sario an-tsaina ihany koa ny zavatra ho vitany aoriana é ! ny fivavahana hitako fa tolerant izao dia ny Jainisme , na ny lalitra aza tsy azonao atao ny mamono azy amin-dry zareo , ny shamanisme manaiky ny famosaviana @ alalan' ny zavaboary , misy finoana iray any azia izay mankasitraka ny fihinanana ny fatin' ireo havany efa lasana mba tsy hahavery ny fanahiny ,nefa dia mino an' A/tra tokoa ry zareo
Tsy hoe mino aho hoe hanao izay heveriko ny olona izay mamoy ny lasa handrafetana ny ho aviny fa rehefa hitany fa tafiditra ao anaty tandrimo izy dia ho tonga saina ihany. Ireo olona mpitari-pivavahana mbola mivoy valifaty fa tsy mamela heloka ka sahy manoroka ny fahavalony io no handeha any amin'ny fahaverezana dia ny tsy fahatongavan-tsaina mihitsy izany satria fahatezerana hatrany foana no ao am-pony. Io ilay hoe izay mamafy rivotra mijinja tadio e! Fisainana tsotra izany fa izay tsy ahatakatra izany dia bado amiko.
Raha hoe ny lasa tsy fanadino indray raha efa fantatrao tsara hoe ho entinao hamelana ny fahavalonao no antony hanampongaranao azy dia miaiky aho hoe efa azonao tsara ny zavatra tokony hataonao. Fa raha hiteraka fandroatram-po hamono ny fahavalonao ilay izy dia mazava fa miara-diso amin'ny fahavalonao ianao dia miara latsaka any an-davaka ianareo roa.
20. andrywui
(
13/09/2010 07:54)
Ireo olona mpitari-pivavahana mbola mivoy valifaty fa tsy mamela heloka ka sahy manoroka ny fahavalony io no handeha any amin'ny fahaverezana dia ny tsy fahatongavan-tsaina mihitsy izany satria fahatezerana hatrany foana no ao am-pony. Io ilay hoe izay mamafy rivotra mijinja tadio e! Fisainana tsotra izany fa izay tsy ahatakatra izany dia bado amiko.
marina mihitsy zany ry Miharena a !... i Hery zao tatsy noteneniko hoe andao hoa tsika lahy rahery hifankatia de lery tsy mety mihitsy !... hon hon hon