Fa avy aiza ireny " lavenona sy rano voahasina " ireny e ?....

21. ikaretsaka ( 07/09/2010 11:22)
Tsy voatery hoe ankety be koa ange izany ry andrywui fa resaka common sense fotsiny e
1) tsy misy olomasina maty isan-taona izany hoe firifiry ka. Taona marobe aty aoriana koa rehefa voamarina ny conditions rehetra , izay vao asandratra ho olomasina ny olona 1.
Dia misy amina miliara ny katolika,moa betsaka koa ny tsy katolika mihoso-davenona isan-taona dia imagineo raha marina ny resaka vovompatin'i andrywui hoe vovoka kely iny izany hozaraina firy? Ny vatanao mbola velona aza tsy voazaranao amina miliara ko.

2) ny hoe vovopaty atao lavenona dia tsisy manambara izany ao @ baiboly. Ary tsisy lalana katolika milaza izany koa na fomba kato manao izany, fa affirmation gratuite nao fotsiny io..ianao no namorona an'io
22. andrywui ( 07/09/2010 13:00)
iza no mamorona Ika ? zah vii? an an an kah tsary ahako no nilaza an'io na namorona an'io zany r'Ika fa ny olondrehetra no efa samy vaky vava daholo amle fomba vetaveta ataon'ny Kato fa tsary misy sahy miteny ! eny na ny ankizy ato amity serasera ty any mahalala tsara aby ny tena marina fa mataoatra ny ho alàna IP na ho fafàna PS ny tena de aleo mamotoka eo ,manao oui msié eto! ....
- sur mihitsy ah fa misy manana doc bedebe ato misy ny zava-doza ataon'ny Kato fa de voan'ny ramatahora lava de aleo manambitamby sy miseho manaraka ny toro-hevitry ny lehibe ato hoe tena zay tokoa ro izy !! ... he he he ...

- zao le izy ra-Ika a ! aza manao resa-jaza !!! raha misy iray farihy be efa voamboatra any ho any de rarahana vovo-paty fotsiny de basy !! -- raha misy lavenona efa voavoatra anaty lakavy be folo de rarahana vovo-paty iny defa vita fa tsisy resaka helikoptera sy emboutttteillage nareo zany fa fandrirarirana resaka zany !!!

-- FA KAY VE KA NANAIKY IHANY TY MSIE HERY FA TSISY AN4iZANY RESAKA LAVENONA SY TAPAKAZO SY VOVOPATY SY RANO VOAHASINA ZANY AO AM BAIBOLY E??? KOA NO ATAO IHANY NEFA EFA TSY MISY AO ??? Hoy ny tenin'Andriamanitra : "" raha misy manala na manampy ity bokin'ny faminaniana ity dia Jehovah hanala ny anjara hazon'ainy ....""

-- ka efa lazain'ny hery fa tsisy ao anaty baiboly koa mbola tovanana ihany !!!!
23. andrywui ( 08/09/2010 09:05)
-- FA KAY VE KA NANAIKY IHANY TY MSIE HERY FA TSISY AN'ZANY RESAKA LAVENONA SY TAPAKAZO SY VOVOPATY SY RANO VOAHASINA ZANY AO AM BAIBOLY E??? KOA NO ATAO IHANY NEFA EFA TSY MISY AO ???
24. ikaretsaka ( 08/09/2010 13:38)
ny resaka lavenona misy ka efa fomba hatrizay io hoe mihosotra lavenona io rehefa tonga saina sy mandini-tena sy mibebaka Joba 42:3-6,,, Daniela 9:3

fa ny hoe vovopaty no atao lavenona no tsy misy ka


ahako tsy mino ny any ho any sy ny honohono izany ra andrywui a , efa lazain'i Hery sy ny ankizy sasany foana hoe ampio ny elements de manaova ankety mari-pototra ka anganoangano sy arira arira mbola resin'ny common sense ro entina, common sens de mahapetsa ny hevitr'ialahy !
25. ouioui ( 08/09/2010 23:18)
ssendra:
- 06/09/2010 19:46
otran'ny mba tiako ilay valikevitry hery sy ikaretsaka fa tsetsatsetsa tsy aritra kely!è
tsy misy option hoe tiako na tsy tiako hoatran'ny ilay hoe j'aime angaha eto amin'ny forum....,,???Valio | Miverina eny ambony

Hafa kely iny fanamarihana iny kah , ny mampalahelo fotsiny dia nodinganin-drahery , ika moa efa tsy resahina intsony fa mila famaritana foana fa io angaha azony akory [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Reflexion/U_THIN%7E1.GIF[/IMG]

maeva74:
06/09/2010 20:13
Ny finoanao no mahavonjy anao fa tsy ny antokom-pinoana misy anao

Dakôro aminao [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Respect/number-one-respect-953.gif[/IMG]
26. ikaretsaka ( 08/09/2010 23:38)
ny momban'ny serasera aza entina aty e.. efa fanahy iniana nodinganina mbaola ataon lety elastika ihany...
27. ouioui ( 08/09/2010 23:44)
Koa aty no tarainana bainn a, naninona raha t@ le izy nivoaka teo no nasiana kpozy fa tsy eo elah no miwawawa seul eo [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/3d-moqueur-rire-3.gif[/IMG]
Koa raha tsy mpanao mazimazi hoatran'elah ny olona koa nahalala fa fanahiniana nondinganina, tssss, aza miakam-pofona bainn a [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/00100.gif[/IMG]
28. andrywui ( 09/09/2010 13:05)
hors sujet be i ra-ika ato zany !! aza avadibadika le resaka sy dinika rehefa tsy maita avaly i Mr Ika azafady e ! - ity aloha valion'i Ika fa i Hery efa namaly sady efa nanaiky ! Ika koa ve manaiky ???...

-- ..... FA TSISY AN'ZANY RESAKA LAVENONA SY TAPAKAZO SY VOVOPATY SY RANO VOAHASINA ZANY AO AM BAIBOLY E?
29. mirananirina ( 09/09/2010 13:08)
Satria katolika no manao ireo dia henjehina ve wiwi an!zao fotsiny.Finoana daholo izany,fa nahita ve enao fa nisy Jeso?????nahoana no mino anefa???Nahoana no mihinana mofo sy divay any ampiangonana???inona no dikan'io??iza no tahafina nanao an'io???Fiosorana lavenona dia midika fotsiny hoe vovoka enao ka hody vovoka indray.Ary tsy vovopaty na oviana na oviana.Nahoana no atao batisa na batemy ny olona???Midika inona izay hosorana na hamasinina @ ny RANO?????Finoana ihany izany.
30. andrywui ( 09/09/2010 13:08)
tadidio ity Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Apokalypsy ity ho anareo roalahy : " Raha misy manala na manampy amin'ity Bokin'ny Faminanaiana ity hoy JEHOVAH dia izaho hanala ny "Hazon'ainy " (tsy handova ny Fanjakan'ny lanitra) --- io sy ilay Tenin'Andriamanitra hoe "izay miteny ratsy ny Zanak'olona dia mbola ahazo famelàna fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy ahazo famelankeloka mandrakizay ..." izao no hitako hoe tena Jehovah mihitsy no manome ny fe-petra rehetra tsy hidirana ny Fanjakany ...
31. andrywui ( 09/09/2010 13:12)
salut mirana ! ary masiaka be an ! ... le mofo sy divay ry mirana dia tsotra kely a! Jesoa mihitsy no nanao an'io ho fahatsiarovana Azy "hoy Jesoa hoe "Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy" !... fa tsy nanao an'i mirana izy hoe mihosona vovopaty mirana ho fahatsiaraovana ahy ! ... ary mirana koa anie tsy naharaka hatram voalou fa i ika sy hery aza efa nanaiky fa tsisy an'ireo ao amn baiboly !!... hery alou plutt fai ika mbola andrasana e nefa sur fa hanaiky koa izy
32. mirananirina ( 09/09/2010 13:38)
Fa angaha izay ao @baiboly ihany no tsy maintsy arahina????Ao @baiboly ao misy famonoana olona,misy manambady be dia be sns..(test taloha)Nahoana aza no tsy arahina io @zao fotoana izao??Tezitra Andriamanitra dia novonoiny ireo mpanota???Zao anefa ravomisy mamono olona tonga dia fahotana be??
33. hery ( 09/09/2010 14:01)
Tsy haiko hoe mamaky ve i Andrywui sa faly ny hamaly fotsiny. Raha resaka statistika eto amin'ny serasera no tadiavin'lah dia azo atao hoe elah no nanoratra be indrindra e lolll

Fa vakio aloha ny soratan'ny olona.

Raha ny soratan'ny olona aza tsy azon'lah, ahoana no hahazoan'lah izay soratan'ny baiboly any akory?

Tsy niteny i Jesoa hoe mihosora vovo-paty ho fahatsiarovana ahy. Ary tsy vovo-paty izany iny fa lavenona tsotra. Na ialahy mino an'izay nolazaiko izay na mandehana ho'a manao ankety fa tsy hoe izay tenenin'lah tsy misy porofo no marina. Raha ohatra moa ialahy ka tenenin'ny olona hoe ny maman'ialahy tsy olona fa soavaly, tsy misy porofo (na misy porofo sary natao t@ photoshop) dia hanaiky ve ialahy? Na dia hoe tsy hitan'ialahy akory aza ialahy tamin'ny teraka? Mety ho marina izany na tsia... kanefa nisy olona nitantara tamin'ialahy hoe tsy soavaly ny maman'ialahy dia mino ialahy amin'izao. Koa izay miteny hoe soavaly ny maman'ialahy dia heverin'ialahy ho fanimbazimbana ny maha olona an'ialahy tsotra izao.

Toa izany koa, raha tsy manana porofo na nanao ankety ialahy dia fanimbazimbana ny finoan'olona tsotra izao ny filazana fa vovo-paty ny lavenona fihosoranay rehefa amin'ny karemy.
34. andrywui ( 09/09/2010 14:53)
o hery a! asa na mbola averiko eto ndray le lien misy an'izay na ahoana fa toa za ndray no lazainareo fa niteny an'izany ?? efa nilaza aho fa misy DOC bedebe aty amiko hoa dia avoakako eto ho dinihina dia ireny izy ireny !! ... ka raha mbola miteny i hery hoe izaho no namorona sy te hanaratsy fotsiny ny Kato de nareo mihitsy zany no efa sarotra hanazavan-dresaka satria resaka efa naveriko intelo tatsy ambany zay nefa toa tsy azonareo ihany !! -- sa ho averiko ndray mandeha ndray ve ?? resaka resahana amin'olona normal 5minitra ,adiny telo be zao aho lany manazava sy miresaka sy manoratra manao sary sy mitanisa anle aminareo nefa mbola azokazonareo ratsy ihany le izy zany !!!!!!! .... tsy itako tsony ! kivy ah !!!! efa hoe tsy zah fa ny Doc no mitey eto !!otran'io an'infinity tsy voavalinareo fa arirariranareo sy ra-ika io !...
35. hery ( 09/09/2010 15:00)
Fa ny Doc ve midika hoe marina?

Firifiry koa ny doc amin'ny Internet milaza hoe tsy misy Andriamanitra, tsy nisy Jesoa sns. Maninona i andrywui no mbola milaza ihany hoe misy Andriamanitra.

Tsy ny doc rehetra hita etsy sy eroa dia marina. Raha toa ka Katolika no mamoaka Doc ofisialy hoe izao no ataonay ao anaty lavenona dia izay no azoko ekena.

36. andrywui ( 09/09/2010 15:01)
nenah ndray ny doc alou no avoakako tsikelikely avy ao ambata de avy eo ah mandray baiboly amzay hijerevako versets hamaliako anareo .... tsy mandefa ny hevitro mihitsy ah hatreto fa ny Tenin'ny Baiboly ihany no hamaliako anareo !! -
37. hery ( 09/09/2010 15:05)
Tsy any ny resaka izao fa hoe ny doc entin'i andrywui ve marina sa tsia? Mahita doc any i andrywui miteny hoe vovo-paty no anamboarana lavenona dia tonga dia mino an'iny 100%, na dia efa miteny aza izahay hoe tsy izany satria izahay mahita ny anamboarana azy.

Maninona no tonga dia ekena ho marina ny doc hita?

Raha mahita doc maromaro ao am-bata koa izao miteny hoe "Tsy misy Andriamanitra" dia hiteny koa ve i andrywui hoe tsy misy Andriamanitra?
38. mirananirina ( 09/09/2010 16:31)
Sady misy doc sasany aza manamarina fa tsy misy Andriamanitra!Soa fa tsy hitan'i wi raha tsy izay zany lasa tsy mino,ary ny vatanareo zany ange ve nanaraka hatraty ô hihihi.
Nahoana moa no lazaina fa ATE za sa mpaminany Andrywui.TSIA tompoko.
39. andrywui ( 11/09/2010 10:30)
i mirana ndraindray tena miteniteny foana mihitsy ! .... tandremo fotsiny sao miteny ratsy ny fanahy masina ry mirana a zay ihany no aza atao fa tonga de tsisy famelankeloka mandrakizay !!.... azonao tenenina ratsy ny ray ny Zanak mbola mahazo famindrampo !! fa tandremo ! sao de entimpo eo ka manaonao foana mirana ....
40. ikaretsaka ( 11/09/2010 13:10)

hery:

Tsy any ny resaka izao fa hoe ny doc entin'i andrywui ve marina sa tsia? Mahita doc any i andrywui miteny hoe vovo-paty no anamboarana lavenona dia tonga dia mino an'iny 100%, na dia efa miteny aza izahay hoe tsy izany satria izahay mahita ny anamboarana azy.

Maninona no tonga dia ekena ho marina ny doc hita?

Raha mahita doc maromaro ao am-bata koa izao miteny hoe "Tsy misy Andriamanitra" dia hiteny koa ve i andrywui hoe tsy misy Andriamanitra?


eo mihitsy ange le izy ry wui we

Ne croyez pas quelque chose simplement
parce que vous pouvez la trouver dans des écrits. »

Quelques fois, dans des livres il peut y avoir des choses correctes
ou fausses, comment le savoir ?
Ne croyez pas aveuglément ce qu'un
maître spirituel, votre pasteur, vous enseigne, parce que lui aussi peut
faire des erreurs de temps en temps.
Ne croyez pas non plus parce que
vous entendez ici ou là par la rumeur.
Et, méme ce que j'enseigne, ne le
croyez pas.
Quoique vous entendiez, testez-le, essayez de
l'expérimenter.
Lorsque vous le testez, que vous l'expérimentez et que
vous vous apercevez que cela est bénéfique,
alors vous comprenez que
cela est bon pour vous.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3443