Fa avy aiza ireny " lavenona sy rano voahasina " ireny e ?....

1. andrywui ( 06/09/2010 09:04)
- Misy mantsy milaza fa vovo-paty hono no nakana kely nanaovana an'ireny "hono" hoy aho an ! reko tamin'ny akama fotsiny zany ka sao de mba marina ?

- De misy resak'ilay kofa zay koa hoe : hay ve iny peratra hanaovan'i pape iny koa hono misy taolam-paty e ! ilay orohan'ny olona rehetra iny ?

°°°dia ny fanontaniako hoe : ---- inona no tanjona amin'izay taolan'ny Masindahy sy olo-masina orohana sy entina zay ?

----dia tena mitahy tokoa ve Andriamanitra rehefa manoroka an'iny peratra misy taolambalo iny ny olona ?
novalian'i ouioui ny 15/09/2010 01:39
2. hery ( 06/09/2010 09:36)
:-)

1. Fahagagana goavana izany ranovoasina alaina amin'ny vovo-paty izany an?

2. Mety efa papa angamba ilay kofa mahita izay peratr'i Papa any? Ny Papa anontaniana kle.

3. Sipa vaovao indray angaha izany taolana izany kle. Raha sipa vaovao kaloha dia vonona hanoroka koa ny tenanay :-) Dia orohana amin'ny vava nefa sa orohana eo amin'ny takolaka.

4. Andriamanitra indray anontaniana an'ity loll
3. Hinagasy ( 06/09/2010 09:46)
lol
4. ikaretsaka ( 06/09/2010 16:50)

Hinagasy:

lol

tsy azo ve ihany tokoa aloha le fanontaniana
lavenona sy rano voahasina de lasa vovopaty dia avy eo lasa peratra ???? dia avy eo lasa faminaniana ny hoe iza no tahiana sy tsy tahiana

alamino tsara aloha kle
5. ssendra ( 06/09/2010 17:46)
otran'ny mba tiako ilay valikevitry hery sy ikaretsaka fa tsetsatsetsa tsy aritra kely!è
tsy misy option hoe tiako na tsy tiako hoatran'ny ilay hoe j'aime angaha eto amin'ny forum....,,???
6. maeva74 ( 06/09/2010 18:13)
Ny finoanao no mahavonjy anao fa tsy ny antokom-pinoana misy anao
7. andrywui ( 06/09/2010 20:30)
Slt ra.ika zay ndray iakama vao hitako. Aleo alou toi no valiana alo fa ny valitenin i hery tena boraingona be loatra. Mlamina be io raika fa enao angamba tsy maita avaly de mody jamba a. Miisy taolampaty ony oa ao anatin iny peratry pape orohan ny kato iny . Sady avy am taolapatin ny olomasina hono no nakana ny lavenona ireny. Mba manotany anie ah e ny an.i hery de hoe omeo sipa manja ndray ony izy horohany. Alazako an i rondro tsara ngah ry hery fa mijangajanga.
8. andrywui ( 06/09/2010 20:53)
Fa hono oa, ianareo ve miresaka fivavahana sa miadaladala e, aleo tsy miresaka toy zay hanao resaka adala toy zao raha izaho fa Andriamanitra tsy azo vazivazina, mba miteny ihany aho, fa aza atao fitaovana Izy hitenenana zao rehetra zao fa manaova resaka matotra, marihiko fa tsy Andriwuy aho fa nisokatra izy ty de mahita aho de manohy kely eto, tena marna io lazaiko io fa eritrereto
9. ikaretsaka ( 06/09/2010 20:59)

andrywui:

Slt ra.ika zay ndray iakama vao hitako. Aleo alou toi no valiana alo fa ny valitenin i hery tena boraingona be loatra. Mlamina be io raika fa enao angamba tsy maita avaly de mody jamba a. Miisy taolampaty ony oa ao anatin iny peratry pape orohan ny kato iny . Sady avy am taolapatin ny olomasina hono no nakana ny lavenona ireny. Mba manotany anie ah e ny an.i hery de hoe omeo sipa manja ndray ony izy horohany. Alazako an i rondro tsara ngah ry hery fa mijangajanga.


tsy milamina mihitsy iznay fanontanian'ialahy izany ka:
rano voahasina sy lavenona no fanontanian;ialahy


Re: Fa avy aiza ireny " lavenona sy rano voahasina " ireny e ?....



dia avy eo
lasa resaka peratra Papa sy taolam-paty le izy...

dia tsy fantatra intsony hoe inona ny tian'ialahy lazaina!

lavenona osorana amin'ny handrina rehefa alarobian'ny lavenona (alohan'ny karemy) ve sa inona no taolam-paty?
Raha ho'zy ialahy hoe eny dia ho'zy aho hoe tsia:
Iny lavenona hosorana @ handrin'ialahy iny dia ireo sampakazo (sampan-drofia t@ herintaona) no dorana dia iny no lasa lavenona, aza manahy ny amin'iny fa izaho izao no nandray anjara t@ fanangonana sy ny fandoroana
10. Miharena ( 07/09/2010 06:28)
Ity resaka ity angamba no tian'i andrywui hazavainareo ika! (Extrait ny boky "Rescapé de l'enfer" izy ity izay témoignage nataon'ny magicien-sorcier Congolais converti ary ny zavatra hitany tamin'ny fiainana miafina no tantarainy eto:

Je visitai également un complexe composé de
trois chambres : la « chambre noire », où l’on
exécute les victimes ; la « chambre intermédiaire
», où l’on met la victime sous presse pour
extraire l’eau de son corps. L’eau ainsi recueillie
transite par Lucifer et est acheminée jusqu’au
Pape. Ce dernier la fait mettre en flacons. C’est
ce que l’on appelle « l’eau bénite par le Pape ». Le
corps de la victime est ensuite transféré dans la
« chambre de séchage », où elle est brûlée. Les
cendres seront additionnées à celles des Rameaux,
et seront utilisées pour enduire le front
des fidèles le jour du mercredi des Cendres.
11. hery ( 07/09/2010 07:27)
Saika tsy hihomehy ihany aho :-)

Maninona no tsy atao hoe pipi mihitsy ho haingana? Iny tonga dia rano tsy mila traitement.

Dia iny rano (firy litatra?) iny izany no aparitaka eraky ny fiangonana eran'izao tontolo izao dia samy mahazo 0,0001 ml avy? :-)

Maninona ary raha manontany ny katolika fotsiny hoe :

1. Avy aiza ny lavenona fampiasa amin'ny alarobian'ny lavenona
2. Avy aiza ny rano voahasina
3. Ahoana tsara ny momba ny peratr'i Papa sy ny Eveka

12. Miharena ( 07/09/2010 07:52)
Mety ho tsy misy lojikany tokoa angamba ny resak'ilay Congolais raha izany filazan'i Hery azy izany.
Fa ilay resaka réunion secrète anie ka tsy resaka rano hitan'ny masontsika olombelona fa rano hitan'ny mason'ny olona invisible araka ny tantaran'ilay rangahy ary avy eo dia matérialisé ho hitan'ny olona amin'ny fotoana ilàna azy ary ny centre Vatican ihany no manao io fomba io araka ny resak'ilay rangahy fa ny fiangonana sampany tsy fantatra izay hataony aloha dia mba hanontaniana anareo hoe ahoana ny fototry ny fombafomba Katolika.

Tsy dia hoe te-hitsara ny fombafomba fa fitia te-hahalala ny fototra fotsiny ihany ahafahana mampitombo finoana ry zareo no handraisako anjara ao anaty adihevitra ahitana itony resaka ataon'ny vavolombelona sasantsasany itony.
13. hery ( 07/09/2010 08:19)
Efa namaky an'io boky io aho. Fa toa affirmations gratuites no betsaka, indrindra ny mikasika ny Fiangonana izay lazainy ao. Angamba ho'a rehefa lavitra an'i Roma sy Vatican dia mieritreritra hoe izany Vatican izany dia tanana magique tahaka ny Euro Disney sy tananan'i Harry Potter.

Ny Fiangonana dia zavatra réelle. Ny hany magie hitako ao angamba dia ny magie-n'ny fitiavana. Izany no mahatonga ny katolika tsy dia misy an'ireny manasitrana sy manao fahagagana imason'olona miaraka amin'ny anjomara be ireny.

Tsy hitanareo ohatra ny contradictoires ve ilay izy? Lazaina fa manana puissances invisibles sy magiciens kanefa rehefa jerena ny mpanao fahagagana mampitsangana ny malemy etsy sy eroa tsy misy katolika?

Momba ilay resak'i Miharena hoe ny centre Vatican sy fiangonana sampana, dia eo indrindra no herin'ny Katolika. Ny firaisana. Raha mandalo aty Vatican ianao dia mahita fa ny olona ao dia olona avy aty ivelany ihany. Avy aty ivelany ary miverina aty ivelany. Tsy misy hoe lasa foko iray na groupe iray. Roa na telo andro isankerinandro izy ohatra no miasa ao dia ny fotoana ambiny izy miasa aty amin'ny paroasy niaviany eto Roma.

Angamba ny Katolika no hitako manana pieds-sur-terre indrindra. Ny ankamaroan'ny sekta dia efa tsy ety an-tany intsony.
14. andrywui ( 07/09/2010 08:21)
izao le izy ra-Ika sy hery a! ... tsy fantatro na mbola zazavao ao amin'io kato sy ny fombafomba ao nareo roalahy na efa mahalala fa minia mafina sy tsy te- hanamelo-tena ! tsara izay !! fa izao fotsiny no teniko aminareo !!
- voalohany aloha : tsy izaho hoaho no nilaza an'ireo zavatra ireo fa kofa akamako !
- faharoa : raha handray anjara handoro an'ilay tapa-kazo i Ika dia hanosotra an'iny amin'ny handrin'ny mpino Kato dia mba araho maso kely hoe r'Ika ilay vovoka tapa-kazo rehefa avy ahoronareo iny na tonga dia ahosotra eo no ho eo amin'ny handrin'ny mpino lay izy na mbola "traité" n'i mompera sy ry eveka any alou lay lavenona vao avoaka ahosotr'i Ika amin'ny mpino !
- faharoa: Inona no antony hanosorana an'iny lavenona iny amin'ny olona ? ary sao de mody ampandorana tapa-kazo ra-Ika de amin'izay tsentsina daholo ny maso hoe io fa tapa-kazo no dorana an ! de avy eo afangaro amin'izay "le zavatra" ?
-fahatelo: ilay peratra misy taolan'ny olo-masina amin'ny pape dia tsy azonareo lavina io satria efa nisy doc momba an'io koa taty amiko fa nokarohiko tao ambata ndray le izy ry hery fa tsary itako koa !!
- fahaefatra: aiza ao amin'ny Baibly moa ry zareo io "Vovo-kazo lavenona" ahosotra amin'ny handrin'ny mpino io ?? dia iza tamin'ireo Mpaminany na Apostoly no efa nanao azy io ?? dia toy izay koa ilay rano voahasina ! ...
-
15. andrywui ( 07/09/2010 08:23)
de mba ataovy valiny matotra ry hery fa tena leo be anle boraingona avalinareo zah a !... za anefa manao matotra sy mazava tsara miresaka aminareo !
16. hery ( 07/09/2010 08:30)
andrywui> Ka tsotra ange izany e :-)

Ataovy ny ankety. Izaho amin'ny maha katolika ahy dia milaza ny zavatra iainako sy ataoko, fa i andrywui indray no mbola mahita hoe sao dia tsy izany no ataon'ny katolika. I andrywui izany mety hoe katolika mihoatra noho izaho... ka ataovy ny ankety.

1. Rehefa amin'ny volana fevrier na marsa dia mandehana mandeha any am-piangonana dia jereo hoe avy aiza ilay lavenona no alaina dia mbola misy traitement ve. Tsaratsara kokoa mandeha any amin'ny fiangonana ambanivohitra tahaka an'i Bekily ohatra satria amin'iny angamba tonga dia hita mihitsy ny traitement hoe misy helicoptere maka an'ilay lavenona dia entina aty Rome dia avy eo averina any Bekily indray... maromaro mantsy ny fiangonana katolika misy lavenona ka angamba misy embouteillage-na helico mihitsy amin'izay. Ataovy ny ankety.

3. Momba ilay peratra dia manatòna eveka dia jereo. Azo atao koa izany fa tsy biby fatahorana ireny Eveka ireny. Anontanio mihitsy izy hoe taolan'iza no ao amin'ity peratrao ity? Raha toa ka reharehany izany dia hizesta mihitsy izy hiteny hoe jereo fa taolan-dranjon'i Md. anona no ato. Ataovy ny ankety.

4. Aiza ao amin'ny baiboly? :-) Efa fantatr'i andrywui ny valiny momba an'io.
17. andrywui ( 07/09/2010 09:38)
hery ====)

-- zao , zao , zao -- ataovy ny ankety , ataovy ny ankety !!!!

--- f'angah mila helico ho any lava zany ry hery fa vovo-paty ndray mande fotsiny no alain'izay supérieur ao aminily fiangonana ny anjara vovopatiny de iny no ampiasaina mandava-taona mandrapaha-tapitrany ohatra a ! firifiry ny olomasina maty isa-taona sy hatramin'izay ?? tsy lanin'ny kato 10taona ny vovopatin'ireo raha ampiasaina ho hanina sy hosorana ndraindray fotsiny zany !!

-- Za tsy Kato tsony zao ry hery fa taloha za no kato fa rehefa nandinika anle fomba mampitsangam-bolo za de niala nifindra FJKM a! ...

-- hoy hery

4. Aiza ao amin'ny baiboly? Efa fantatr'i andrywui ny valiny momba an'io.


tena mila ny vali-teninao amin'io aho tompokolahy fa tsy vitan'ny boraingona be fotsiny hoe efa fantatro zany !!! inonna no efa fantatro ?? aiza ao amin'ny baiboly no misy an'ireo



- fahaefatra: aiza ao amin'ny Baibly moa ry zareo io "Vovo-kazo lavenona" ahosotra amin'ny handrin'ny mpino io ?? dia iza tamin'ireo Mpaminany na Apostoly no efa nanao azy io ?? dia toy izay koa ilay rano voahasina ! ...



io kosa tsy maintsy valianareo mazava tsara kah !
18. andrywui ( 07/09/2010 09:41)
raha mahita versets momba an'io vovopaty lavenona sy rano voahasina io ao amin'ny baiboly nareo de mba alefaso eto !! ...na ao amin'ny baiboly kato io na ao amin'ny baiboly Malagasy ara-dalàna !...
19. andrywui ( 07/09/2010 09:43)
na ao amin'ny coran sy ny konkordansa sy ny dikisionera baiboly sy ny sisa akory aza raha mahita nareo de tena fifaliana lehibe ho anay ny handefasanareo azy eto .... afaka miandry ah raha mbola hamoha vata i Ika sy i Hery hikaroka an'izay !



tic tac tic tac tic tac tic tac !.....
20. hery ( 07/09/2010 11:03)
:-)

Tsy misy ka. Tsy misy an'izany ao amin'ny baiboly. Dia ahoana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0757