Fitiavana hampahafantatra ny fahamarinana eran-tany

1. Mpanazava ( 28/08/2010 19:58)
Tena tsy mora ny mampahafantatra ny fahamarinana noho ilay fahavalo ara-panahy i Satana manao izay ho hafany mampiasa izay eo ambany fahefany.




sans commentaire.
novalian'i ouioui ny 08/09/2010 23:25
2. hery ( 30/08/2010 11:29)
:-)

Gravy tokoa ilay fomban'ny Temoins de Jéhovah an. Mahafinaritra azy ny mijoro eo ambavahadin'ny fiangonan'ny hafa dia misintona ny efa mpivavaka ao... hitoriany ny marina hono.

Fa maninona tokoa moa raha izay mbola tena tsy mino no aleha voalohany? Sa "tsy voasoratra ao anaty baiboly" ilay mitory amin'ny tsy mino dia tsy atao?

Ny ankamaroan'ny TJ fantatro dia na taloha Katolika, na Protestanta sns. Izany hoe efa Kristianina fa vokatry ny conflits internes na externes dia nivadika ho TJ.

Fa fomba fanao daholo izany, tsy misy maharatsy azy.
3. daran ( 30/08/2010 17:00)
ka na ny protestanta koa aza né katolika taloha e? hahahah,
ny katolika ndray ts aiko no nipoirany satria ny teny hoe katolika koa ts ao anaty baiboly
4. Mpanazava ( 30/08/2010 17:41)

Ny ankamaroan'ny TJ fantatro dia na taloha Katolika, na Protestanta sns. Izany hoe efa Kristianina fa vokatry ny conflits internes na externes dia nivadika ho TJ.

Soa dia mba hoe vokatry ny fahafantarana ny marina ka tsy voafitakan'ilay didin'olombelona intsony?

Hoy i Hery:

Fa maninona tokoa moa raha izay mbola tena tsy mino no aleha voalohany? Sa "tsy voasoratra ao anaty baiboly" ilay mitory amin'ny tsy mino dia tsy atao?


Hoy ihany i hery manohitra ny teniny io ambony io ao amin'ilay dinika hoe"Kristy izany no lohan'ny Fiangonana raha arak'io ry Mpanazava":


Raha tsy maharaka ny mpiangona dia afaka miresaka tsara amin'ireo mpitondra fiangonana (mompera sns) na miresaka amin'izay afaka manazava izany.


Tsy azoko mihitsy i hery amin'ity famadiahana palitao ity mivadibadi-kevitrahh tsss. Ilay tantara dia t@ 1899. Rehefa tsy naharaka ny mpiangona anisan'izany i Russel ka nifampidinika t@ Mopera dia lazain'i hery fa tsy tokony tany indray no haleha aloha nefa io ambony io izy milaza fa raha tsy maharaka ny mpiangona dia mankany amin'ny Mompera . Izaho aloha dia tany amin'ny mompera no nandeha aloha e! Dia mitovitovy amin'izao @ forum izao no tafa tany. Tsisy valaka amin'ny hery io koa ny famaliny sy fanohanakeviny.
5. ouioui ( 30/08/2010 18:56)


hery:

hery - 27/08/2010 16:50
Tsy mitovy ilay niveau ra-ouioui a. Na hoe mitovy ny niveau fa tsy mitovy fotsiny ny taranja.
Tsy hifampitady amin'ny TJ mihitsy no nianarako teolojia 4 taona. Aleo ny Kristianina no ampiana.
hery:

Fa maninona tokoa moa raha izay mbola tena tsy mino no aleha voalohany? Sa "tsy voasoratra ao anaty baiboly" ilay mitory amin'ny tsy mino dia tsy atao?

Ampitahao anie ny resany raha tsy tena mampmé e , izay mampetipety azy ihany no lazainy

[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/mini-sourire-4829.gif[/IMG]

mpanazava:

Tsy azoko mihitsy i hery amin'ity famadiahana palitao ity mivadibadi-kevitrahh tsss.


Mivadibadika hoatran'ny lela may hoa rahery , tsy ianao irery ry mpanazava no mahita an'io a, efa nomeko ohatra vao haingana io eo ambony io, hafa ny opinion-ny afak'omaly dia hafa ny androany , ny azy dia valin-teny tokana foana, ny kato tsy baiboly fotsiny , io no tena fikany mba ahafahany miolankolana hoatran'ny menarana io sisa [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Reflexion/doh%21-45.gif[/IMG]
6. hery ( 31/08/2010 04:05)
Odian'i mpanazava tsy azo ve?
hery:


Fa maninona tokoa moa raha izay mbola tena tsy mino no aleha voalohany? Sa "tsy voasoratra ao anaty baiboly" ilay mitory amin'ny tsy mino dia tsy atao?


Hoy aho hoe maninona raha te hitory marina ianareo raha ny tsy mpino no itoriana voalohany?
Sa moramora kokoa ny mandeha mitory any amin'izay efa mino?

Io no olako voalohany amin'ny sekta. Te hitory ny finoany izy kanefa tsy mandeha mitory any amin'izay tsy mino fa ny fiangonana efa misy no lazainy fa tsy izy.

Fa tsy maninona hoy aho izany. Izahay nirahina ho amin'izao tontolo izao... fa ianareo nirahina ho amin'ireo izay efa mino. :-)
7. Miharena ( 31/08/2010 06:22)
Ilay fitsarana ny hafa no mahatonga ny tena hihevitra fa tsy manana fahamarinana izy.

Mba hialana amin'izany dia mila mitsara tena aloha vao mihevitra ny hafa araka ny tenin'i Kristy hoe esory aloha ny andry lehibe eo anoloan'ny masonao vao manala ny piti-kazo amin'ny mason'ny rahalahinao.

Tsy misy marina na dia iray aza hoy Jesoa, dia mba mila manetry tena rehefa nomena fahamarinana.

Ny mahagaga dia ilay resaka hoe ny mino hafa heverina fa tsy manana fahamarinana ity.
Sao dia tokony handinika lalina ny voalazan'i Kristy araka ny hitsiny aza vao miteny izany isika satria tsy hitovy avokoa ny fari-pahalalan'ny tsirairay eo amin'ny fitozoana amin'ny fitadiavana fahamarinana no mety mahatonga ny resaka hoe tsy misy marina na dia iray aza?
8. fhmr ( 31/08/2010 07:59)

Hoy aho hoe maninona raha te hitory marina ianareo raha ny tsy mpino no itoriana voalohany?
Sa moramora kokoa ny mandeha mitory any amin'izay efa mino?

ka ts misoratra @ andrin'ny ol kosa ngé ry Hery hoe ty mpino ty ts mpino e!! sady zao inona moa ny maharatsy ny mizara ny vaovao tsara @ ol rht na mpino izy na tsia e? maro @ zé milaza mpino zay torian'ny Tj angé ts mahalala akory ny anaran'A/tra e! firy @ mpiangona akory moa no mahay mitady andinin-teny sy mahay manaporofo ara-baiboly ny zvt hinoany? hitanao mitombona v zany nefa misy efa mpivavaka efa hatrin'ny taona ela? ny sasany koa efa ela b no mivavaka nefa tsy mahafantatra akory hoe avy aiza ny devoly? nahoana no avelan' A/tra hisy ny fijaliana? ny Tj d mitory mba hanampiana ny ol hahalala ny valin'izany fanontaniana izany.


Fa tsy maninona hoy aho izany. Izahay nirahina ho amin'izao tontolo izao... fa ianareo nirahina ho amin'ireo izay efa mino

Ka io mihitsy no efa noteneniko an'i Hery ndray mandeha zay. Za oua mba niandry mpivavaka hafa hitory tato an-tokantranoko nefa mbola tsy nisy tonga hatramin'izao. Ny TJ iany no hitako mitory hatramin'izao n'aiza n'aiza nalehako. Enao milaza hoe nirahina ho amin'zao tontolo zao fa bol ts nisy namanao mitsy nitsidika ahy hatramin'izao. Ny fitoriana anefa ts maintsy hatao araka ny tenin'i Jesosy hoe "zaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo zao" Matio 28:20. Ka mandrapahatongan'I Jesosy zany d ho hitany manao an'io asa io ny mpianany. Raha mahafantatra mpitory hafa enao d ilazao aho fa tena liana.
9. Mpanazava ( 31/08/2010 17:57)
Hoy i hery

Io no olako voalohany amin'ny sekta. Te hitory ny finoany izy kanefa tsy mandeha mitory any amin'izay tsy mino fa ny fiangonana efa misy no lazainy fa tsy izy.

F'angaha tsy ny olona rehetra eran-tany no nasain'i Jeso notoriana ry Hery? Sa tsy anisan'ny olona eran-tany ny Mpino na inona finoana na inona finoany? Jereo ange ny nataon'ireo lehibean'ny mpivavaka rehefa nahariharin'i Paoly ny marina eh! na tao amin'ny Tempoly (Fiangonana izay efa nisy mpiangona) izany na teny rehetra teny e!
"Nony afaka hadimiana, dia tonga i Anania lehiben'ny mpisorona sy ny loholona sasany, ary mpandaha-teny anankiray atao hoe Tertolosa, hiampanga an'i Paoly amin'ny governora.
... Nous avons trouvé cet homme, une peste, qui suscite des troubles pour tous les Juifs qui sont de par le monde entier, et chef de la secte des Nazaréens. Il a méme tenté de profaner le temple. Aussi bien nous l'avons arrété." (Asa 24:1,5-6; bible catholique)
rariny ary i Hery raha miantso anay hoe Secte, toy ny nanjo ny opostoly fahiny ihany izay nitory na tamin'ny mino na ny tsy mino izay tsy mipetaka amin'ny handriny.

Hoy i Miharena

Tsy misy marina na dia iray aza hoy Jesoa, dia mba mila manetry tena rehefa nomena fahamarinana.

Mba omeo an'ilay andinin-teny hoe ry miharena an!
Tsy mapme ny zavatra lazainao, i Jesoa aza milaza hoe "Ny tenin'Andriamanitra no fahamarinana" (Jaona 17:17) koa oe ianao milaza fa tsy misy marina na dia iray aza. Ny olona mampiharihary ny tenin'andriamanitra ve ho lazain'ny Jeso hoe Diso? Ekeko ny teninao hoe ilaina ny manetri-tena. Izany akory tsy midika hoe aza lazaina ny zavatra ataon'ny olona iray raha mifanohitra amin'ny soratra masina ny ataony sy lazainy. Eo indrindra ary isika no mila manahaka ny toetran'i Jesosy :"Be herim-po rehefa milaza ny fahamarinana". omeko ohatra ianao dia mba lazao ahy hoe nanetry tena ve Jesosy tamin'ireto tranga ireto Marka 7:13; Matio 23:13,16 ; Jaona2:13-17; Marka11:15-18
Tsy tokony nanao an'ireo ve izy? Miandry ny valiteninao aho.

10. ikaretsaka ( 01/09/2010 14:49)

Mpanazava:

Hoy i hery

Io no olako voalohany amin'ny sekta. Te hitory ny finoany izy kanefa tsy mandeha mitory any amin'izay tsy mino fa ny fiangonana efa misy no lazainy fa tsy izy.


tsotra be ange izany fanontanian;i hery iznay ry mpanazava e, sady izaho koa liana

1)samy nahafantatra manko izao fa samy mino an'i Jehova sy i Jesosy, ary samy mampiasa baiboly aby ireo lazain'i Hery hoe" fiangonana efa misy", na ny fiangonanao izany na ny mormons na ny kato na ny pros....

2) fa mannona tokoa no tsy mandeha @ ireo toerana mbola tsy mahalala na tsy mino iznay Jehova sy i Jesosy sy tsy mampiasa baiboly , fa ny any amb-balan'olona no ifandroitana

2) Andeha hatao hoe mety ny anao vilona vao notazana ny ao ambalanareo, ny an'ny sasany mololo, ny sasany provandy... fa maninona no tsy ireo tsy manana hoanina mihitsy no mba omena ?
nohon'ny miteny @ samy voky hoe ny vilonareo tsy mahavoa ny mololonay sy ny ny provandy arokatra?
nefa etsy misy mitsitran'ny hanohananana ?
11. rijadolly ( 01/09/2010 17:45)
Mahatsiaro ilay tenin' namana izay aho mahita ity resaka ity. Izao ilay teniny : "Manjono ao anaty bocal" Izany hoe trondro efa ao an- trano no mbola jonoina indray. Tsy fiombako an' iza na iza anefa ny hilazako izany fa ny fahatsapako fa ilaina dia ilaina ny Fitoriana ny Marina. Ekeko ary tena izay mihitsy fa ny Tenin' Andriamanitra no tsy misy kianina. Ary anjaratsika Mpino no manitsy na miteny izay tsy araka ny sitrapon' Andriamanitra.Indramiko ihany ilay efa voalazan' Miharena ao ambony ao fa tokony hijery ny andry be eo anoloantsika isika izay vao mitaona ny hafa, ny tena loza dia ny fitaomana ny olona efa mahalala araka ny tenin' Hery satria ny samy Mpino no mifanome fitoriana mifanohitra. Ary izay foana no mahatonga ny mpitazana tsy hiroso amin' Fanasana satria mifampitsara ny samy Mpino ka mahatonga ny finoana hafa milaza fa misy teny mifanohitra ny ao anaty Baiboly. Raha mbola hitanao mitory an' Andriamanitra sy Jesoa Kristy izy ka mahatoky fa IZY no IZY( filazatsaran' Kristy) dia azy ny azy raha entiny any amin' tsy izy ny mpino.
MARKA 9: 38 Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.39 Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.40 Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
Mazava amin' io koa anefa fa tsy mba nitory ireo olona ireo ny mpianatra 70 lahy na dia nisy fanambonian- tena aza ny tao anatiny satria ny azy no tena IZY.
Ho antsika Mpitory ihany, vonona ve ianao handray fitsarana anao mihoatra bebekokoa noho io olona torianao io?
JAKOBA 3 : 1 Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany hianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra.2 Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
12. Mpanazava ( 01/09/2010 19:38)

tsotra be ange izany fanontanian;i hery iznay ry mpanazava e, sady izaho koa liana

1)samy nahafantatra manko izao fa samy mino an'i Jehova sy i Jesosy, ary samy mampiasa baiboly aby ireo lazain'i Hery hoe" fiangonana efa misy", na ny fiangonanao izany na ny mormons na ny kato na ny pros....

Samy hafa ny fanontanianareo sy hery. Ny an'i Hery hoe

Fa maninona tokoa moa raha izay mbola tena tsy mino no aleha voalohany?

Izay izy ihany no namaly azy hoe raha misy tsy azon'ny mpiangona dia manontany ny pretra izy.
Hoy i ika

fa mannona tokoa no tsy mandeha @ ireo toerana mbola tsy mahalala na tsy mino iznay Jehova sy i Jesosy sy tsy mampiasa baiboly , fa ny any amb-balan'olona no ifandroitana

Efa atao maneran-tany izao ny fitoriana araka ny tenin'i Jesosy hoe "Hotoriana maneran-tany ity vaovao tsara an'ilay fanjakana ity mba ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra vao ho tonga ny farany" (Mation 24:14) Tsy hanavahana olona izany na mpino na tsy mpino, na athé na silamo na boudista na iza na iza.


Mahatsiaro ilay tenin' namana izay aho mahita ity resaka ity. Izao ilay teniny : "Manjono ao anaty bocal" Izany hoe trondro efa ao an- trano no mbola jonoina indray

Toy ny nataon'i Jesosy ihany izany koa.

Pourquoi les Témoins passent-ils chez les gens qui ont déjà leur religion ?
C’est parce qu’ils suivent l’exemple du Christ. Jésus est allé vers les Juifs. Ceux-ci avaient leur religion, mais, à bien des égards, le culte qu’ils pratiquaient s’était éloigné de la Parole divine (Matthieu 15:1-9). Toutes les nations ont des religions, aussi bien les nations dites chrétiennes que les non-chrétiennes. Il est essentiel que nos croyances soient en conformité avec l’enseignement de la Bible. Les Témoins s’efforcent d’aider leurs semblables dans ce domaine, montrant ainsi leur amour pour eux.
13. ikaretsaka ( 01/09/2010 21:07)

Pourquoi les Témoins passent-ils chez les gens qui ont déjà leur religion ?
C’est parce qu’ils suivent l’exemple du Christ. Jésus est allé vers les Juifs. Ceux-ci avaient leur religion, mais, à bien des égards, le culte qu’ils pratiquaient s’était éloigné de la Parole divine (Matthieu 15:1-9). Toutes les nations ont des religions, aussi bien les nations dites chrétiennes que les non-chrétiennes. Il est essentiel que nos croyances soient en conformité avec l’enseignement de la Bible. Les Témoins s’efforcent d’aider leurs semblables dans ce domaine, montrant ainsi leur amour pour eux.


tsy ny Jiosy irery no nandehanan'i Jesoa (eo le mahasamihafa le kitsimpona) , fa nandeha tany @ Samaritanina izy, ny Romanina, ny Jentilisa ka
ny hoe conforme a la bible sy tsia, tsy nampiasa bible ary tsy niexiste akory ny baiboly t@ abdrony; tsy nitondra bokikely maintymaintsy efa no alterena izy

manarak'izany maninona no tsy misy ilay reciproque aminareo? ohatra hoe i Jesoa izao nampianatra tany amin'ny sinagoga sy tany an-tempoly, dia nisy ny jiosy nankany @ ze nisy azy avy eo nanontany na nilaza ny tsy azony,
misy @ ireo olona tetezin'ny temoins izao (izaho anisany) manao foana amindreo hoe toa aty amiko foana hoa ity resaka ity no atao fa andao indray any aminareo sy any antranonareo no hifampidinika ... maninona zareo no tsy mety?

Dia tena ny nataon'i jesoa ve no averiny sy lazainy hoe averiny?...mampanalasala be ihany
14. ouioui ( 01/09/2010 22:49)
Ary ny aneleity dia ny TJ foana no henjehina fa mba manontany tena ve elah e, mitory hoatran'ny ahoana ny kto bainn a???


ika:

misy @ ireo olona tetezin'ny temoins izao (izaho anisany) manao foana amindreo hoe toa aty amiko foana hoa ity resaka ity no atao fa andao indray any aminareo sy any antranonareo no hifampidinika ... maninona zareo no tsy mety?

Zah ry leity tsy TJ fa efa nandeha tany an-tranona TJ , tany @ salle nivorian-dry zareo mihitsy aza, ary adi-hevitra mihitsy no nalehako tany !!, eto kosa elah dia ataoko fa mandainga be [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Surpris/3d-surpris-non.gif[/IMG]
15. ikaretsaka ( 01/09/2010 23:05)
ka mety novelesin ialahy tampoka izy hoe tao ialahy vao hoe adihevitra
fa tonga de omany dieny mialoha ange e...
16. ouioui ( 01/09/2010 23:09)
Aoka leisy bainn, elah ndray ve no hanazava ny nataoko klé [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/c_laugh.gif[/IMG]
17. daran ( 02/09/2010 06:55)

misy @ ireo olona tetezin'ny temoins izao (izaho anisany) manao foana amindreo hoe toa aty amiko foana hoa ity resaka ity no atao fa andao indray any aminareo sy any antranonareo no hifampidinika ... maninona zareo no tsy mety?

za koa mba efa anisany niresaka t@ tj fa za afk nakany amindry zareo him b d b fa ahoana enao no ts nekeny ry Ikaretsaka? ny TJ alou ts mitady adihevitra b @ ol, ny hilaza ny zvt hitandry zareo ao @ baiboly ny tena antodihany, ny hanazava @ alalan'ny baiboly, reny bokikely hampiasainy reny auxilliaire fotsiny fa ny baiboly no hifotorany. Azoko antoka fa nampiasa ny baibolinao mits enao t@ zay. Fa ra tsapandry zareo kosa hoe tena lasa adi hevitra ts mitondra aiza sy aiza lé resaka d miala ry zareo satria ts hila ady amin'ny ol no antodihany fa ny hiresaka ny vaovao tsara fotsiny.

fhmr
maro @ zé milaza mpino zay torian'ny Tj angé ts mahalala akory ny anaran'A/tra e! firy @ mpiangona akory moa no mahay mitady andinin-teny sy mahay manaporofo ara-baiboly ny zvt hinoany? hitanao mitombona v zany nefa misy efa mpivavaka efa hatrin'ny taona ela? ny sasany koa efa ela b no mivavaka nefa tsy mahafantatra akory hoe avy aiza ny devoly? nahoana no avelan' A/tra hisy ny fijaliana? ny Tj d mitory mba hanampiana ny ol hahalala ny valin'izany fanontaniana izany.


Marina mits io satria za mba nivavaka iany nefa ny TJ no tena niresaka tamiko ny dikan'ny anarana hoe JEHOVAH. Nihevitra foana aho talou hoe A/tra no namorona devoly, zao nefa ao mahafantatra tsara ny nampisy ny devoly noho ny firesahako t@ TJ, en plus, tamindry zareo iany aho no nahazo fanazavana hoe nahoana A/tra no mamela ny fijaliana hisy, ry zareo iany koa hatramin'izao no mitory fa ts avy A/TRA ny fahafatesana. Zay fivavahana nalehako d mi accusé an'A/tra hoe maka ny olona ho any aminy daoul...

ikaretsaka
Andeha hatao hoe mety ny anao vilona vao notazana ny ao ambalanareo, ny an'ny sasany mololo, ny sasany provandy... fa maninona no tsy ireo tsy manana hoanina mihitsy no mba omena ?

Ka mba te hampanandrana anao vilona kosa izy e!! hahaha, ts mba tsara v raha mba manandrana zvt hafa koa enao ry Ikaretsaka a, raha hitany hoe tsara koa ny vilona, ts noho ny fitiavany anao v ny handehanany any aminao hiproposé ny zvt hitany fa nahasoa azy? aza adino fa ny tj koa mandé any @ ireo ts manan-kohanina ka. Aza adino mits fa ny olona rht no torindry zareo fa tsy reo efa milaza azy ho mpino iany. Izany no mahatonga andry zareo koa mitory na eny andalana aza fa ts isan-trano iany.
Betsaka ny fanaratsiana TJ fa mila samy mandinin-tena tokoa isika e. A/tra no hitsara ny tsirairay.
18. hery ( 02/09/2010 07:02)
fhmr:

ka ts misoratra @ andrin'ny ol kosa ngé ry Hery hoe ty mpino ty ts mpino e!! sady zao inona moa ny maharatsy ny mizara ny vaovao tsara @ ol rht na mpino izy na tsia e?


Raha eny ambavahadin'ny fiangonan'olona arak'io resaka voalohany io kosa ianao dia hita be zao hoe manjono ao anaty bocale. Raha tena mpanjono dia tokony mandeha eny amorondrano fa tsy ny trondro efa nataon'ny olona ao anaty bocale no mbola jonoina indray :-)
19. daran ( 02/09/2010 07:13)

Raha eny ambavahadin'ny fiangonan'olona arak'io resaka voalohany io kosa ianao dia hita be zao hoe manjono ao anaty bocale. Raha tena mpanjono dia tokony mandeha eny amorondrano fa tsy ny trondro efa nataon'ny olona ao anaty bocale no mbola jonoina indray


tena marina alou zany Hery a. Kanefa ref hitandry zareo koa hoe inona ny régime an'lé trondro ao anaty bocale d mba te hampanandrana sakafo hafa koa né ry zareo e hihihi, zay fotsiny lé izy.
Ny trondro eny ivelany moa iny efa ataondry zareo koa. Fa io oua fitiavana no fototr'io fitoriana io fa ts hoe fangalarana trondro akory, i Jesosy no naniraka d mankato zay mihaino azy. D ref zvt hitanao fa tsara d azonao zaraina @ ol.
20. ikaretsaka ( 02/09/2010 13:42)

a koa mba efa anisany niresaka t@ tj fa za afk nakany amindry zareo him b d b fa ahoana enao no ts nekeny ry Ikaretsaka?

angamba arakaraky ny fandehan'ny resaka nifanaovana teo .. za mety tsikaritry ry zareo fa tsy fitondra any fa atsikiko ny karatra dia tena tsy nentiny e.. tsy nahazo nampiasa ny baiboliko koa aho avy eo

nandeha le resaka hoe ahoana ny fahitanao ny korotana amzaofotoana izao? de vokatry ny olonatsy mandray andraikitra io hoa dia misy olona sasany tsy mandray anjara ohatran'ireny tsy mifidy sy tsy miditra lalina @ afera politika ireny ihany hoa no mahatonga izao, sy ireny olona hoe misy may arokatra dia tsy ireny olona ireny no vonjena fa mbola ny fitetezana tranon'olona tsiroaroa no imatimatesana, no mahatonga an'io...

de noborkeny moa io dia lasa Jesoa no resaka
Fanontaniana 3 anefa no napetrako ho anzareo ry Daran

nasaiko namaky ny Apok 1:11 izy araka ny voalazan'ny baiboly DIEM ko (le misy resaka hoe Alfa sy Omega iny)sia nanontaniako hoe iza ny alpha sy omega... dia Jehova ho'zy
Ndao tohizana ny vakiteny ary hoa de tonga tany @ 17 sy 18 le manao hoe Aza matahotra; izaho no Voalohany sy Farany ary Velona; efa maty aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny afobe.

dia Fanontaniana tsotra no napetrako taminy hoe fa oviana i Jehova no maty? de petsa teo dia ho'zy ahako hoe andao hifanao fotoana de hiresaka @ pasiteranareo. fa za hoa manana fanontaniana betsaka apetraka aminareo sady nareo reraka mankaty fa aleo za indray no mba ho any aminareo e... izy mety afaka mamaly ny fanontaniako kokoa

nga izy nimpoly tsony?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0378