Misy valiny ve? misy dikany ve? ilaina ve? azo hatao ve? ny ....
21. hery
(
24/08/2010 13:26)
fafane> Tsy maninona koa ka. Azo atao ary tena amporisihana ihany koa ny tonga dia direct amin'Andriamanitra. Indrindra raha toa ka heverinao fa manala ny finoana ny fitaovana.
Ho an'ny olona hafa kosa dia manampy azy hitodika sy hifantoka be be kokoa hatrany amin'Andriamanitra ny fitaovana ka tsy hitako izay olana.
Ny hoe important kokoa ve ny direct sa ny miaraka amin'ny fitaovana, dia Andriamanitra ihany no mahita azy.
Tokony hojerena hatrany hoe mitondra amin'Andriamanitra ve ny fitaovana sa tsia, raha toa ka tsy mitondra dia tokony hajanona.

novalian'i andrywui ny 26/08/2010 10:35
22. ouioui
(
24/08/2010 13:35)
hery
ouioui> inona aloha no fiheveranao ny atao hoe finoana?
Sao dia dogme indray ary ity mistery lava ity klé
Mistery mahafaly, mampalahelo , fanazavana, voninahitra inona daholo izany ??
Dia tena mistery ho anareo mpino tokoa ve io , izaho aloha raha zavatra mistery izany tsy mba ho any aho klé
23. hery
(
24/08/2010 13:38)
ouioui> Tsy voavalinao izany ilay fanontaniana hoe inona ho anao ny atao hoe finoana.
24. ouioui
(
24/08/2010 13:49)
Jereo ny wikipedia e, inona no atao hoe dogme mbola misy koa any hihihi na mistery aza hitan-dry zalahy ihany jereo daholo fa voafaritra any e
Fa nahoana hoa no atao hoe mistery ao ny fanontaniakao fa aza atao jeu de mots , raha hainao dia aza miolakola , mbola faly ny hampianatra ve rahery e hihihihi
Fa nahoana hoa no atao hoe mistery ao ny fanontaniakao fa aza atao jeu de mots , raha hainao dia aza miolakola , mbola faly ny hampianatra ve rahery e hihihihi
25. hery
(
24/08/2010 13:50)
Sokafy ho lohahevitra vaovao fa mbola faly sy vonona hampianatra tokoa aho. Eto aloha dia resaka hoe Masina Maria
26. soanja
(
24/08/2010 13:51)
fafane:
Ny fampiasana ny sapile sy ny sary vongana de lasa manala ny finoana, ka raha vao tsy eo reo zvtra reo de tsy ao lay finoana, kanefa raha mivavakaenao de mino fa manatrika eo Izy sady hamaly ny vavaka zay ataonao.( hebreo 6/11)
Ho an'ny olona tsy afaka mifantoka amin'izay tiany ifantohana raha toa ka misy zavatra be dia be manelingelina eo. Fa misy tokoa anefa ireo izay afaka mampifandray sy mahalala ny ataony ary mahita fahazavana sy fifandraisana ary mandaitra.
Ny finoana ao anatin'ny tsiraidray dia samy manana ny fisehony avokoa, ary izay mahazatra sy ampilamina ny tsirairay no tena zava-dehibe. Raha hatory ny zanakao ka te hitazona bodofotsy kely na kilalao kely eny an-tanany vao mahita tory dia aoka ho izay no omena azy satria zay no mampilamina azy.
Tsy ny lalana na fomba hankanesana any no zavadehibe fa ny FO ao anaty mandray izany fifandraisana sy fahasoavana izany.
27. hery
(
24/08/2010 13:57)
Raha vavaka tora-po fotsiny tokoa dia tena mila concentration be vao afaka maharitra. Manandrama fotsiny hoe mivavaka mandritra ny adin'ny roa tsy miato ianao. Tena efa olona zatra ary deraiko mihitsy raha mahavita manao an'io tsy misy fitaovana.
Ny fotoana toa ireny no tena ilàna fitaovana, ao ny mampiasa baiboly, ao ny mampiasa hira, ao ny mampiasa ny vatana (fihetsika sy paozy na tehaka), ao ny mampiasa sapile. Misy moa ny mahavita mikipy fotsiny tsy mampiasa fitaovana mihitsy fa tonga dia direct.

28. ikaretsaka
(
24/08/2010 14:10)
fafane> dia diso aby ve izany ireny namanao sy fianakavianao ireny rehefa mahita anao hoe handeha hivavaka saingy tsy afaka ry zareo nohon'ny antony maro samihafa dia manao hoe "fafane o! mba mivavaha ho anay e"
Dia tsy important izany le vavakao ho azy ireny hoe "ity vavako ity ry Jesosy dia atolotro ho an'ny namako ra anona sy ranona, I mamanay sy i dadatoanay izay tsy afaka androany"?
ny sapile sy ny sary vongana sy ny baiboly sy ny fihirana anefa raha jerena ny asany dia 1 ihany...samy aide memoire sy fitaovana aby ireny, fa kosa miankina @ fomba fampiasanao azy
raha mpampiasa baiboly ianao ka adinonao ny baiboly, tsy midika akory izany hoe tsy hainao intsony ny Tenin'Atra, misy ny tadidinao, misy ny tsy tadidinao.
raha zavatra hafa no ampiasainao baiboly... (fikopahana, fanafenana vola any anaty pejiny any sns dia resaka hafa iny)
Raha mpampiasa fihirana ianao ka sendra adinonao ny fihirana, tsy midika akory izany hoe tsy afaka mihira intsony ianao na tsy hainao intsony ny hira.. misy ny tadidy misy ny tsia
Raha mpampiasa sapile ianao ka adinonao ny sapile anao, tsy midika akory izany hoe tsy mahay sapile intsony ianao, mety ho diso isa fitsiny ianao, na mety hamerina mistery in 2 fa tsy tadidinao intsony
toy izany koa ny sary na vongana na tsy vongana: tsy midika akory hoe raha tsy misy sarin'i jesosy mifantsika dia tsy afaka mivavaka intsony aho , fa tsaroako foana hoe misy an'izany jesosy izany nofantsihina.. tsy voatery tadidiko @ antsimpirihiny hoe ohatran zao no nanaovany azy, fa fantatro kosa...

29. ouioui
(
24/08/2010 14:14)
Soanja
Ny finoana ao anatin'ny tsiraidray dia samy manana ny fisehony avokoa, ary izay mahazatra sy ampilamina ny tsirairay no tena zava-dehibe.
Miombon-kevitra aminao
hery
Ny fotoana toa ireny no tena ilàna fitaovana, ao ny mampiasa baiboly, ao ny mampiasa hira, ao ny mampiasa ny vatana (fihetsika sy paozy na tehaka), ao ny mampiasa sapile. Misy moa ny mahavita mikipy fotsiny tsy mampiasa fitaovana mihitsy fa tonga dia direct.
Misy koa tsy mila mihitsy , izay no cas-ko hihihi
fanfane
Ny fampiasana ny sapile sy ny sary vongana de lasa manala ny finoana, ka raha vao tsy eo reo zvtra reo de tsy ao lay finoana
Lasa be mpanelanelana loatra ve , tsisy intsony ny tombom-barotra hihihi
30. hery
(
24/08/2010 14:20)
Lasa be mpanelanelana loatra ve , tsisy intsony ny tombom-barotra hihihi
Hevitrao io.
Angamba aminao ny mpanelanelana dia maka tombony ihany koa? Raha sendra mpanelanelana maka tombony ianao dia diso làlana, tongava aty aminay fa aty ny mpanelanelana manome tombony :-)
Ny mpanelanelana ho ahy dia tsy mampikatso fa vao maika manosika. Ary amafisiko io nolazaiko eo ambony io. Raha vao misakana na mampihena ny fanatonanao an'Andriamanitra ny mpanelanelana dia ialao avy hatrany fa tsy tsara.
31. ikaretsaka
(
24/08/2010 14:27)
Angamba aminao ny mpanelanelana dia maka tombony ihany koa? Raha sendra mpanelanelana maka tombony ianao dia diso làlana, tongava aty aminay fa aty ny mpanelanelana manome tombony
Tsarovinao, (... ), fa tsy mbola ren' ny olona fa nafoinao . . . :) mantsy
HS out!
32. ouioui
(
24/08/2010 14:31)
hery
Hevitrao io.
Angamba aminao ny mpanelanelana dia maka tombony ihany koa? Raha sendra mpanelanelana maka tombony ianao dia diso làlana, tongava aty aminay fa aty ny mpanelanelana manome tombony
Ka tsy mety amiko hoa izany resaka be mistery kôzin-drahery izanyhihihi , ny ahy mila mazava tsara ,
Aza taitra fa ho avy ka ,ary oviana no misy fihaonana serasera aloha sao efa misy prog fa tena hihaona mihitsy ka, sady hitondra tombony mba azo taty e
Ny an'ika moa comme d'had dia borné foana hihihi
33. mpanazava
(
25/08/2010 07:32)
Ny sapile dia ilay fitaovana iray izay anaovana Rozery.
Ity ilay hoe Arahaba ry Maria 150 sy ..., raha misy olona anakiray moa miarahaba anao in- 150 ao anatin'ny maraina fotsiny tsy heverinao fa adala ve? Mety hiteny ianao hoe f'angaha zaho marenina no averimberin'ialahy arabaina eto? Mba sokafy tsara ange masonareo fa ampitovian'i Jeso amin'ny Jentilisa ny olona mamerimberina zavatra mitovy foana rehefa mivavaka. "Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy. 8 Koa aza manahaka azy hianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza hianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo." (Matio 6:7,8)
Mahakasika an'ilay Rainay any an-danitra indray dia tsy noresahan'i Jesoa hoe atao recitation izy io fa atao modely. Indroa izy nampianatra ny mpianany nivavaka ao amin'ny baiboly. Tsy namerina be fahatany an'ilay Rainay any an-danitra ao amin'ny Matio 6:9-15 izy rehefa nampianatra nivavaka taty aoriana ao amin'ny Lioka 11:2-4 " Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka hianareo, dia ataovy hoe: Ray ô,hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Omeo anay isan-andro izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy."
Tsy tokony hamerina be fahatany an'io vavaka nampianarin'ny tompo io ary isika satria na ilay vavaka Roa nampianarin'i Tompo aza tsy mitovy. Mila takatrantsika kosa ny heviny.
Ohatra, raha i Jesoa no Andriamanitra hoy ianareo, ny anaran'iza ary no hohamasinina "Yhaveh ve sa i Jesosy"? hoy i Jesosy ny anaranao fa tsy hoe ny Anarako. Mila tankatsika ary ny dikan'ity anarana ity :

34. ikaretsaka
(
26/08/2010 00:03)
ty ilay hoe Arahaba ry Maria 150 sy ..., raha misy olona anakiray moa miarahaba anao in- 150 ao anatin'ny maraina fotsiny tsy heverinao fa adala ve? Mety hiteny ianao hoe f'angaha zaho marenina no averimberin'ialahy arabaina eto? Mba sokafy tsara ange masonareo fa ampitovian'i Jeso amin'ny Jentilisa ny olona mamerimberina zavatra mitovy foana rehefa mivavaka. "Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny jentily,
Ilay hoe misy miarahaba anao 150,heverina ho adala, tsy anjarantsika amiko no mamaritra izany, satria misy koa izao olona ao anaty vavaka ataony 10 minitra efa misy Tompo sy Jehova sy Jesosy efa ho 10 isaky ny Phrase... tsy misy mitaraina hoe aoka izay fa leo Jesosy sy Jehova!
sady toa samihafa koa ny hoe "averina" sy ny hoe "maro teny" angamba
Ny arahaba ry maria ange voateny ao anaty 12 segondra en moyenne e( maro sy lava ve izany?"
35. andrywui
(
26/08/2010 08:36)
Ekeko fa ilaina ny baiboly, ny fihirana, fa inn ary moa no sori-dalana aleha raha tsy eo ny baiboly, fa ao no ahitantsika ny tenin'i Raintsika, fa raha tsy eo ny baiboly de samy manao zay saim-pantany ny mpivavaka, ny fihirana atao memoire @ tononkira,ekeko, fa misy fiangonana efa tsy mampiasa fihirana ntsony fa tonga de hainy par coeur ny hira, fa ireo zavatra reo tsy hatao symbole eo refa mivavaka, ary tsy reo no olana fa lay saple sy lay sary vongana hiankohofana sy handohalehana mitsy. hoy ny tenin'Andriamanitra hoe: Aza manao sarin-javatra voasikotra ho anao, na ny mety zay endriky ny zavatra zay eny @ lanitra ambony,na izay aty @ tany ambany, na izay any à rano ambanin'ny tany,AZA MIANKOHOKA EO ANATREHANY. ARY AZA MANOMPO AZY...sns(EKSODOSY 20/ 4,5); azo atao de azo atao sady teneni'ny tenin'Andriamanitra tokoa lay mifampivavaka, araka ny teniny hoe mifampivavaha mba ho sitrana, sy ny hoe raha misy 2 na 3 mifanaiky hangataka zavatra Amiko de ho tanterahiko zany, ilaina zany fa tsy zavatra samihafa @lay nolazaiko ery ambony zany, iza moa no hifanohana sy hifampahery, hifampitantana raha tsy ny samy mpiara-manompo ihany, fa za hivavaka ho an'ny namako tsy hande hiankohoka ery @ sary vongana, sy hande haka sapile ndray fa tonga de hoe Andriamanitra o, hitanao i anona, tahio izy, mamela ny helony sns, de ny saiko sy ny eritreritro @zay fotona zay efa mifantoka tanteraka @ Dieu sady mino aho fa mihaino ahy Izy
36. hery
(
26/08/2010 08:45)
lay saple sy lay sary vongana hiankohofana sy handohalehana mitsy
Sarotra be angamba ilay izy ka tsy takatr'i andrywui.
Tsy ny sarivongana no iankohofana fa Andriamanitra. Raha amin'i andrywui hoe ny sarivongana no andriamanitra dia izay izany. Fa ho anay dia tsy ny sarivongana no andriamanitra.
37. arialy
(
26/08/2010 09:50)
mapimé lay oe Masina Maria tsy reny fa fitaovana, ny reniny koa zany tsy reny fa fitaovana napiasain'i rainy ahazoana zanaka, otry ny tsy ampieritreretana ilay izy amiko
nitondra vohoka, niteraka normal koa tsy reny .
andrywui< enao angah tsy misy reny fa fitaovana ny reninareo ???
nitondra vohoka, niteraka normal koa tsy reny .
andrywui< enao angah tsy misy reny fa fitaovana ny reninareo ???
38. andrywui
(
26/08/2010 10:35)
fa i Arialy ve vesa sa tena vesa e !heviny ara-panahy anie no niterahana an'i Jesoa e: ny fanahy no tonga ka nitoetra taminy dia nitoejaza izy ! ... fa tsisy hidiran'Andriamanitra lehibe sy Tokana Masina Indrindra izany zava-betaveta lazainareo zany ! ... tsisy renin'Andriamanitra zany i Maria fa ra atao hoe reny aza izy de atao fotsiny hoe niteraka an'i jesoa dia ampy !!! fa raha hoe natao hoe renin'Andriamanitra (izany hoe mbola Andriamanitra lehibe koa izany Maria ) dia izany no voalazan'ny baiboly hoe BLASFEMIA mazava be izany !!
--------- Ary hono oa !! ao anaty Baiboly ao ve ry zalah Apostoly taty aoriana ireo nisy nivavaka tamin'i Maria ?? ohatra ry Paoly Joany , Piera , Matio sy ny sisa ..... sa zavatra vao nofromporonin'ny Kato taty aoriana io mivavavka amin'i Maria sy manao azy ho renin'andriamanitra ary io fivavahana amin'ny taolambalon'ny maty sy sarivongana io ??

39. besapaka
(
14/10/2011 10:18)
azafady ry andrywui fa ny katolika dia tsy mivavaka velively @ masina Maria an,diso hevitra ianao fa toy ny zanaka manaja ny reniny no ataonay kato,ohatra ianao ve tsy mba nmanaja ny reninao,ary amiko ny antony matonga ahy mandray azy ho panelanelana dia satria izy akaikikaiky kokoa an'Andriamanitra satria nofidian'ny ho reniny ka nahoana moa ra izy no ampitondraina ny vavaka