Misy valiny ve? misy dikany ve? ilaina ve? azo hatao ve? ny ....

1. andrywui ( 24/08/2010 07:59)
Mivavaka amin'i Masina Maria ...................

ny hevitro etsy ambany !
novalian'i besapaka ny 14/10/2011 10:18
2. hery ( 24/08/2010 08:01)
Fa iza indray izany mivavaka amin'i Masina Maria izany? Homboy....

Sao dia mba hanompo sampy amin'izany hivavaka amin'i Masina Maria izany ianao ry andrywui. Renin'Andriamanitra anie izy fa tsy Andriamanitra e. Koa maninona ianao no hivavaka aminy???

Aza miditra amin'izany akory.
3. andrywui ( 24/08/2010 08:05)
Tena tsy mety sy tsy azo atao raha ny hevitro satria tsy Andriamanitra i Maria no tsy renin'Andriamanitra zany fa "FITAOVANA NENTIN'ANDRIAMANITRA " ahatongavan'i Jesoa Kristy teto antany fotsiny !
- Andriamanitra tsy manambady zany fa Hery Lehibe Izy ary Fanahy Tsy hita Lazaina ny Halehibeazany ka tsy tokony ho vetavetaina amin'izany hoe : reny i Maria ary Ray Andriamanitra !!!!.... "Fitaovana " fotsiny i Maria ! ...
4. andrywui ( 24/08/2010 08:07)
zay renin'Andriamanitra zay mihitsy no tsy izy ry Hery !

----- salut aloha Hery ! tsy miarahaba akory nareo !!!!

mba avereno eto kely ary ny toko saplé raha sahy milaza fa tsy mivavaka amin'i maria ny kato ......
5. hery ( 24/08/2010 08:09)
Fa iza no niteny hoe nanambady Andriamanitra? :-)

Aza mandray ara-bakiteny hoy aho.

Voalohany indrindra aloha, averiko foana ilay vala famaritana. Ho an'iza ilay fanontaniana? Te hahafantatra momba ny finoana inona i andrywui? Raha ho an'ny silamo mantsy ohatra dia tsy misy dikany akory io fanontaniana io. Raha ho an'ny Protestanta dia zavatra hafa ny valiny. Raha ho an'ny Katolika dia zavatra hafa ny valiny... Ka tsy haiko hoe ho an'iza ilay fanontaniana?

Raha te hahalala ny momba ny an'ny Katolika i andrywui satria io izao no mahaliana, dia holazaiko eto ny hevitray Katolika.

Ho anay dia Andriamanitra i Jesoa (io no tsy itovizanay amin'ny Temoins de Jehovah) ka izay reny niteraka azy dia Renin'Andriamanitra.
6. andrywui ( 24/08/2010 08:18)

Ho anay dia Andriamanitra i Jesoa (io no tsy itovizanay amin'ny Temoins de Jehovah) ka izay reny niteraka azy dia Renin'Andriamanitra.



- bah oui en , marina ny an'i hery !!! io koa no tsy itovizako amin'ny Temoins de Jehovah ! Andriamanitra Jesoa !

- Fa kosa tsy renin'Andriamanitra na oviana na oviana i Maria fa olombelona tsotra fotsiny izy fa nataon'Andriamanitra fitaovana ahatongavan'i Jesoa teto antany fotsiny !

.
7. hery ( 24/08/2010 08:28)
andrywui> dia io izany no tsy itovizanao amin'ny Katolika :-)
8. andrywui ( 24/08/2010 08:30)
NON hery !!.....====) ny tsy itovizan'ny kato amin'ny Fiangonana rehetra manerantany kah !!
ny kato iany no mivavaka amin'i masina maria ! ... mbo alefaso kely anie le toko saple oa e !!!...
9. hery ( 24/08/2010 08:41)
fa angaha i andrywui kato no milaza fa mivavaka amin'i Masina Maria ny kato? Tsy mbola nisy filazàna ampahibemaso na ankolaka nilazan'ny Fiangonana katolika hoe manomboka izao dia i Masina Maria no Andriamanitry ny Katolika. Na hoe misy manao an'i Masina Maria ho Andriamanitra. Izay mantsy amiko no atao hoe mivavaka amin'i Masina Maria dia ny manao azy ho Andriamanitra.

Raha te hianatra toko saple ingahy dia toa izao ny Toko Sapile (Hampianatra finoana Katolika kely indray izany aloha)

Ny sapile dia ilay fitaovana iray izay anaovana Rozery.


Araka ny hita eo amin'ny sary dia isaky ny voantsapile iray dia misy vavaka izay atao. Ny Rozery na Sapile anefa dia atao fibanjinana ny fizaram-piainana 4 lehibe nandalovan'i Kristy. Ka ireto avy izany. Ny tourn'ny sapile iray dia hibanjinana ny fizaram-piainan'i Kristy iray
Ireto avy ilay fizaram-piainana izay antsoina hoe mistery.

Isaky ny toko iray ao amin'ireo fizaram-piainana ireo dia manao Rainay any an-danitra 1 dia Arahaba ry Maria 10 dia Voninahitra 1

A. Mistery mahafaly.
1. Nilazan'ny anjely tamin'i Maria
2. Famangian'i Maria an'i Elizabeta
3. Nahaterahan'i Kristy
4. Ny nanolorana an'i Kristy tao an-tempoly
5. I Jesoa very telo andro tany Jerosalema.

Io izao ohatra ny mistery iray ka rehefa mahavita an'io dia mahavita ny tour-n'ny sapile iray.

Hitanao amin'io fa fibanjinana an'i Jesoa hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ny mistery iray izany hoe ny Raozery iray misy toko sapile dimy.

1. Rainay any andanitra 5
2. Ave maria 50
3. Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina
10. hery ( 24/08/2010 08:59)
Tohizako ihany ny fampianarana ny toko sapile fa io no mahaliana an'i andrywui fa angamba ao no ahitany hoe ataon'ny katolika ho andriamanitra i Masina Maria, hatramin'izao aloha aho mbola tsy nahita na dia efa antaonany maro aza no nanaovako toko sapile.

B. Misterin'ny Fahazavana
Ity dia fibanjinana ny fiainan'i Jesoa niaraka tamintsika
1. Jesoa natao batisa
2. Jesoa nampitombo ny mofo tao Kanaa
3. Jesoa nitory ny Fanjakan'Andriamanitra
4. Jesoa niova tarehy
5. Jesoa namorona ny Eokaristia Masina tamin'ny Alakamisy Masina

Isak'ireo toko ireo koa dia manao Rainay any an-danitra 1, arahaba ry Maria 10, ary Voninahitra 1

D. Mistery mampalahelo.
Ity indray dia fibanjinana ny fijaliana nandalovan'i Kristy
1. Jesoa miady aina ao an-tanimbolin'oliva tao Getsemany
2. Jesoa nokapohina
3. Jesoa nosatrohina fehiloha tsilo
4. Jesoa mitondra ny hazofijaliana
5. Jesoa maty teo ambony hazofijaliana

Isak'ireo toko ireo koa dia manao Rainay any an-danitra 1, arahaba ry Maria 10, ary Voninahitra 1

E. Mistery be voninahitra
Ity indray dia fibanjinana ny voninahitr'i Jesoa Andriamanitra
1. Jesoa nitsangana tamin'ny maty
2. Jesoa niakatra any an-danitra
3. Ny Fanahy Masina nidina tamin'ny Apostoly sy Masina Maria
4. Ny Renin'i Jesoa nampakarina any an-danitra
5. Ny Renin'i Jesoa satrohina ny satro-boninahitra Mpanjakavavin'ny Lanitra

Isak'ireo toko ireo koa dia manao Rainay any an-danitra 1, arahaba ry Maria 10, ary Voninahitra 1
11. andrywui ( 24/08/2010 09:00)
merci amle toko saple hery fa nadikako stylo mihitsy sady n'imprimé -ko kely fa tena ialaiko amin'ny porofo rehetra atsy ho atsy io ! .. he he he

--
12. hery ( 24/08/2010 09:03)
Mahafinaritra :-)

Tahaka izao nataon'i andrywui izao no nataon'i Md. Augustin d'Hippone, izay nisan'ny mpampianatry ny Fiangonana. Nahita ny fampianarana izy dia nitady hevitra mafy hanoherana azy kay izy indray no lasa katolika mafana fo.

Matoky ny herin'ny Fanahy Masina aho :-)
13. andrywui ( 24/08/2010 09:21)
mety ho resin'i hery lahatra ve ah ? de hova kato ah zany ko inona mou ! nefa mialohanzay alou de mbola ahamay ny resako amin'ingahy hery a! ..

-- Jereo ty vavakin'ny kato ity !
--"Ry Masina Maria Renin'Andriamanitra o Mivavaha ho anay Mpanota ! .. ka izy maria koa aza mba miady ny tenany ho any andanitra koa fa olombelona otran'ny rehetra iany koa aiza no ivavahany ho an'ny olona rehetra eo !!
14. hery ( 24/08/2010 09:37)
"Ry Masina Maria Renin'Andriamanitra o Mivavaha ho anay Mpanota ! .. ka izy maria koa aza mba miady ny tenany ho any andanitra koa fa olombelona otran'ny rehetra iany koa aiza no ivavahany ho an'ny olona rehetra eo !!


Tsisy milaza io hoe Andriamanitra i Maria :-) sa niova indray izany ny sujet?

Raha niova ny sujet dia manokafa lohahevitra hafa dia any isika miresaka hoe olombelona otran'ny rehetra ve i maria sns...
novalian'i hery ny 24/08/2010 09:36
15. ikaretsaka ( 24/08/2010 12:03)
Nahaliana ny dinidikareo mitsam fa saingy tsikaritro hoe:
ary afangaron-dry zalahy ny hoe mivavaKA sy ny hoe mivavaHA an, eo no hitako fototry ny olana
raha miteny amiko ve i Andrywui hoe "mivavaha lety Ra Ika ho anay" dia hoe mpivavaka @ nDra Ika no dikany?
Izay ihany!
16. ouioui ( 24/08/2010 12:29)
hery
Voalohany indrindra aloha, averiko foana ilay vala famaritana. Ho an'iza ilay fanontaniana? Te hahafantatra momba ny finoana inona i andrywui? Raha ho an'ny silamo mantsy ohatra dia tsy misy dikany akory io fanontaniana io. Raha ho an'ny Protestanta dia zavatra hafa ny valiny. Raha ho an'ny Katolika dia zavatra hafa ny valiny... Ka tsy haiko hoe ho an'iza ilay fanontaniana?

Ho an'ny daholobe ny fanontaniana , jereo ny fitsipika hihihi
Izaho koa dia hamaly araka ny maha izaho ahy fa tsy hanontany lava hoe raha silamo rah izao sy izao e, kato hery toga dia mazava @ mpisera izay hevitra alefan'i hery e



Ny sapile dia ilay fitaovana iray izay anaovana Rozery.

Asio arguments
Sapile ; efa nisy an'io foana ve izany taloha
Rozery ; ireo mistery bedebe ireo ve izany , fa nahoana tokoa moa no atao hoe mistery

Aleo manontanintany foana toy izay manao réponse à tout hihihi
Dia mitohy hatrany izany ny fampianaran-drahery e, liana koa moa izahay tsy mahalala
17. ikaretsaka ( 24/08/2010 13:05)
tsy hi argue aho fa hanome tantara fa hitako misy liana


Sapile ; efa nisy an'io foana ve izany taloha?

Eny, Ny sapile dia avy @ teny hoe chapelle, taloha dia ny Salamo rehetra (izy 150) no notanisana rehefa manao an'izany : mbola manao an'io ny Jiosy rehefa "Hann Ukkah" na rehefa "rosh Hanassah" alohan'ny Paka Jiosy, hatramin'izao fotoana izao

araka ny "traditions" (eo no ilaina le vala famaritana) dia notazonin'ireo kristianina voalohany io fanaon'ny jiosy io,fa novainy nasiany kristianisma kely... avy eo koa moa niha nihitatra ny Kristianina sady nivoaka ivelan'i Jerosalema, dia betsaka ny Kristianina vaovao tsy nahay teny Jiosy sy tsy nahay namaky teny akory aza, dia nosoloina ny "Ray any an-danitra" 150 ilay izy: 150 mba hamenoana ilay 150 n'ny salamo

Vatokely no nampiasaina tamin'izany mba hanampy @ fitadidiana ilay isa, dia taty afara dia lasa io ohatran'ny vakana io

Tamin'ny taonjato faha 9 sy faha 10 tany dia nanomboka niditra sy no considerer-na ho karazana salamo ary mahafehy ny salamo rehetra ny "magnificat" na ny tononkiran'i Maria (Jereo ny manomboka eo @ Lioka toko 1:46 sy ny "fiarahaban'ny anjely)



fa nahoana tokoa moa no atao hoe mistery


ny atao hoe misitery dia fitrangan-javatra anankiray izay tsy mety ho voazavanao @ maha ianao anao fotsiny ny antony nampitranga azy.. kanefa mahatalanjona anao foana isaky ny eritreretinao ry resahina

dia izany aby ireo rehetra ireo ;)
18. ouioui ( 24/08/2010 13:15)
Sambany leity vao mamaly avec arguments hihihi
Fa maninona ny finoana no mbola asian'Andriamanitra mistery e hihihi
19. hery ( 24/08/2010 13:21)
ouioui> inona aloha no fiheveranao ny atao hoe finoana?
20. fafane ( 24/08/2010 13:22)
Amiko manokana aloha tsy de tena important raha vao misy manelanelana antsika refa mivavaka, fa maninona anrfa raha tonga de direct @ Dieu fa tsy mampiasa fitaovana hafa ndray e? Ny fampiasana ny sapile sy ny sary vongana de lasa manala ny finoana, ka raha vao tsy eo reo zvtra reo de tsy ao lay finoana, kanefa raha mivavakaenao de mino fa manatrika eo Izy sady hamaly ny vavaka zay ataonao.( hebreo 6/11)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0976