INONA MARINA MOA NY FIANGONANA SEKTA ?

1. andrywui ( 12/08/2010 13:43)
--- Ny fiangonana voalohany dia ny Fiangonan'ireo Fariseo sy Sadoseo ! (Fiangonana nentim-paharazana)

--ka nony tonga Jesosy nanao Fampianarana tsisy KILEMA dia hoy ireo Fariseo sy Sadoseo hoe sekta leio (manao fampianaran-diso)

-- Tadidio ary fa Jesosy no nanao fiangonana sekta voalohany raha izay(sekta ) izay zany no anarana omen'ireo fiangonana nentipaharazana azy !!

-- Ary matoa Luther niala ny Kato ka nanao sekta (hoy ny Kato) dia nisy zavatra tsy nilamina tao !!!( manana documents bedebe momba ny tantara sy ny antony nialan'ny Luther ah !! oh: ireo filalaovana taolambalon'ny maty ,sarivongana tapa-kazo , sampankazo...)

-- Hoy jesoa : "Hanao asa lehibe noho izany aza izy .... " - izany hoe tsy tokony hijanona amin'ny asa na ny fanompoana Nentim-paharazana intsony ny mpino na ny Pasteur na ny mompera fa tokony hanao asa lehibe noho izay nataon'i jesoa !

__ otran'ny ahoana moa izany !? = raha nanasitrana Jesoa dia tokony hanasitrana sy hanao miotra an'izany aza , sns....
novalian'i xxxw ny 22/08/2010 05:55
2. hery ( 12/08/2010 13:50)
Jereo ilay nolazaiko ato fa misy famaritana roa ny atao hoe sekta.
3. ikaretsaka ( 12/08/2010 13:55)
io dia famaritana faobe fotsiny

fa ny atao hoe sekta ara keviny sy ara-piantraikany @ tsirairay dia ity efa nolazain'i hery ity
hery:

Fa ilay famaritana ara-kevitra (ara-dalàna, araka ny zo maha-olona, ara-potokevitra) no tiana havoitra.

Ireto misy fomba vitsivitsy hahafantarana ny atao hoe sekta.

- Fanasana atidoha (fandemen-tsaina atao amin'ny mpikambana) mahatonga anao hanameloka ny tenanao sy tsy hanana estime de soi intsony
- Fanerena ankolaka amin'ny ara-bola (Takomana amin'ny hoe hampandroso ny fikambanana sns) Amin'ny voalohany dia tsy dia maninona loatra fa rehefa elaela dia manjary hanome izay rehetra hananana mihitsy... misy mivaro-pananana
- Fisarahana tsikelikely amin'ny fiaraha-monina tsy ao anatin'ny fikambanana (miteraka ady amin'ny fianakaviana mihitsy indraindray) Misy mpivady miady satria ny iray tsy ao anatiny (Jereo ny tantara ery ambany)
- Fibaikoana manontolo ny mahaolona ilay mpikambana (tsy tompon'ny tenany intsony fa manao izay lazain'ny Gourou... matahotra izay lazainy, manaraka am-bokony)
- Fiainana anatin'ny tahotra (farandro, fahotan'ny hafa, matahotra fifaneraserana)
- Fiheverana fa ny an'ny tena no tena fiangonana fa ny hafa dia fahaverezana daholo.

Fa ny tena goavana dia Sarotra dia sarotra ny miala ao anaty sekta.

Raha ao amin'ny Fiangonana iray ianao no miala tsy misy arakaraka sy romoromo fa malalaka tsara dia tsy sekta izy izay. Fa raha vao manomboka tezitra mafy ny mpitarika, manao fara-teny, manozona mihitsy aza... dia misaora fa tafavoaka.



tsy ny filazana hoe zao sy zao ilay izy.. fa hoe inona ny fiatraikany @ olona tratrany!
dia io no dinidiniho @ saina tsy miangatra hoe misy mahakasika anao ve ireo ?

fa resaka ny lotera sy ny jesosy sy ny fariseo sns aloha aleo ho tantara... azonao averina sy azon'ny olona vakiana any @ bokin-tantara foana izany...

fa ny fianakaviana potika, ny asa very,ny fahaverezan'ny fahafahana hanao izatsy sy zarokatra, ny fahasalamana .... any no tsinjovy!
fa na Anaran'i Jesoa aza no ampiasaina nefa ireo no fiatraikany... izay no sekta aminy

fa tsy ny hoe" ianona koa ange sekta na zao koa ange sekta e"
4. andrywui ( 12/08/2010 13:59)
FIJERY IVELANY SY FIJERY ARA-NOFO IO LAZAIN'I HERY IO ...


--- Fa ny tena tiako lazaina dia ny niavin'ny Sekta voalohany teto ambonin'ny tany sy ny hoe :inona marina moa no nahatonga ny Fiangonana voalohany lasa sekta ?

--- Tadidio koa fa ny Fiangonana manao toa io lazain'i hery io no atao hoe SEKTA hoy i hery !!! ary raha tsy manao toa io ary ilay Fiangonana fa tena mandeha ankalalahana sy ara-pilazantsara sy mitaona ny olona ho any ambala marina dia : INONA NDRAY NO FIANTSON'NY FIANGONANA NENTIM-PAHARAZANA AZY ?


.
5. ikaretsaka ( 12/08/2010 14:10)
ka tsy any @ '"tantaran'ny sekta voalohany" intsony isika anie izao ry andrywui e. dia tsy hoe satria nanao i anona de hanao koa zahay!

@ maha olona dia Fehendrena ny mihery koa ny ara nofo ka, raha sanatria aho marary. misaraka @ fianakaviana, very asa, mahatsapa hoe tsy mainsy mandoa anzao fa henjehan'i pasitera.... mainka mivenjivenjy ny fanahiko! be loatra ny souci-ko .. dia mazava ho azy fa tsy ho stable ny ara-panahy.... nefa hoe "famonjem-panahy ity ho haleha" dia mazava ho azy hoe @ ahoooona!
6. ikaretsaka ( 12/08/2010 14:11)
mijery.. *diso tsipelina*
7. andrywui ( 12/08/2010 14:15)
FIJERY IVELANY SY FIJERY ARA-NOFO IO LAZAIN'I HERY IO ...


--- Fa ny tena tiako lazaina dia ny niavin'ny Sekta voalohany teto ambonin'ny tany sy ny hoe :inona marina moa no nahatonga ny Fiangonana voalohany lasa sekta ?


-- Ary inona marina no nialan'i Luther tao amin'ny catho e ???

misy raha tsy nilamina tao fa tsy hanaonao foana akory i Luther !! raha azoko nadika teto ny doc aty amiko de nalefako ho vakiana teto fa zava-doza be daholo no antony nialan'i LUTHER tao amin'ny catho !

-- Izany tantara-na Fiangonana sy fanjakana natambatra ilay ka sarotra sy lava tanatraina fa ny famonoan'olona no tena natao rano fisotro tamin'izany !!!! ho an'izay tsy manaiky ny fanjakana (fanjakana = catholique ) na tsy manaraka ny didy !!
8. ikaretsaka ( 12/08/2010 14:17)
dia naninona no natao copy paste le izy? sa lany pasy?
9. andrywui ( 12/08/2010 14:28)
- Io lazain'i hery io anie ny zavatra faran'ny tsotra sy ivelany ilazàna ny sekta e ! - fa misy zava_doza tena antambo ataon'ny fiangonana mitaingina fanjakana (izay tena secte dangereuse) amin'izao fotoana izao ! ary amin'ny andro ipoirany vao ho fantatra hoe iza marina moa ilay "anti-kristy?" sy milaza ny tenany ho Andriamanitra ? ary iankohofana sy ivavahana toa an'i Jehovah ?

------ nefa hoy Jesoa raha nalain'i Devoly fanahy Izy hoe : Andriamanitra irery no ivavaho ary Izy irery ihany no iankohofanao ... !! - Ka raha mbola miankohoka amin'ny olombelona toa anao hianao dia mandik sahady io voalazan' i Jesoa io !!!


- miezaka hoa hanantanteraka izay voasoratra na dia tsy tonga lafatra aza !! fa tsy mamadika ny tenin'Andriamanitra akory !!
10. andrywui ( 12/08/2010 14:37)
Raha mbola manao olona ho Ray Masina sy Miankohoka aminy isika dia tena didian'ny Tenin'Andriamanitra tanteraka izay !!! toy io nataon'i Jesoa ny Devoly naka Fanahy azy io !!
11. ikaretsaka ( 12/08/2010 14:47)
efa nohazavaina io mo afa dia sarotra ny mi raisonne fanatic e
12. andrywui ( 12/08/2010 15:11)
- Ka nenah anie r'Ika ka Teny ao anty baiboly daholo no hamaliako anareo e! fa nenareo ny heivtrareo sy ny fahaizanareo no ampiadina amiko de lasa tsy mi colle mihitsy le valiny alefanareo de lazaina fa fanatic le olona !

-- Izay voasoratra sy mba kely haiko no hamaliako anareo roalahy eto !
13. ikaretsaka ( 12/08/2010 15:40)
Dia miverina @ ilay lazaiko ihany hoe "ny teny tahaka ny ahoana ary no hitsimponina" e?

Voalaza ao anaty baiboly koe ange ny hoe
i Josefa Rain'i Jesoa e... dia iza hoa no mba niantsoan'i Jesoa azy kay t@ i lery mbola kely?
-->mba valio azafady!

Sady didin'Atra rahateo ange ny hoe "aoka ianao hanaja ny Rainao sy ny Reninao e" spirituellement dia ireny no raiko satria ireny no mitantana ahy ara-panahy, hajaiko izy dia ataoko hoe ray, na Mompera na Papa..

Raha mamaky ny 1 kor. 4:15, 1 Jn. 2:12, Asa 7:2, 22:1. ianao, ny Kristianina voalohany kao ange niantso ireo apostoly ho Rainy e

dia averiko ihany heo rehefa inona le tenin'Atra no mety dia rehefa inona no odiana fanina
14. andrywui ( 12/08/2010 16:33)
IKA ===) ny ray ety antany zany hafa iny ...!! fa ny Ray any andanitra mila omena haja ambony indrindra amlay anarana hoe RAY Masina Indrindra !!


------ ahoana hoy Jesoa tamin'i Satana naka fanahy Azy ??

Andriamanitra iray ihany no Hotompoinao ary Izy Irery ihany no Hiankohofanao
- Aza manao ny rainareo ho ety antany fa iray ny Rainareo dia ilay iray any andanitra !

anaty Baiboly zany rehetra zany fa tsy aforoniko a! ... na hoe hevitro !!!!
15. ikaretsaka ( 12/08/2010 17:05)
Ao anaty baiboly aby ny alaintsika ka

samy omena haja aby ka.. fa ny hitako tsy mazava aminao dia ny fanavahana ny hoe ny 1 hajaina sy Tompoina @ maha Atra azy, moa ny 1 omena haja @ maha Ray ara-panahy azy!

Raha vakianao tanteraka ny andalana 12 voalohany alohan'io tsimponinao io dia mazava aminao angamba ilay tantara noho ny fitanisana an'io fotsiny
16. fijo ( 12/08/2010 21:09)
tamin'ny niandohany aloha dia sekta ny kristianisma.tsy misy manda izay,fa nony avy eo izy vao lasa fiangonana fototra,satria nahazo ny tsodranon'i amperora romana.
ny sekta dia ireo izay misintak any fototra rehetra,saingy tsy voatery ho ratsy akory ny sekta rehetra.
oh ny krispijo izay miandry an'i rawix
17. ikaretsaka ( 12/08/2010 21:37)

fijo:

tamin'ny niandohany aloha dia sekta ny kristianisma.tsy misy manda izay,fa nony avy eo izy vao lasa fiangonana fototra,satria nahazo ny tsodranon'i amperora romana.
ny sekta dia ireo izay misintak any fototra rehetra,saingy tsy voatery ho ratsy akory ny sekta rehetra.
oh ny krispijo izay miandry an'i rawix


ny ahy indray tsy le inona loatra intsony fa hoe "mampaninona" marina moa ny fiangonana sekta no mahaliana ahy
18. andrywui ( 13/08/2010 08:56)
Ika == ) tsy hoe mampaninona no zava-dehibe fa ny fahamarinana sy ny tsy fahamarinana entiny !! ... tsy anjaratsika no mitsara an'izay fa ny "voany no ahafantarana ny hazo" arak'ilay tenin'i hery atsy rehetra io !!

-- ireo kozin'i hery ireo izany ilay voany hita amin'ireo "sekta" --- izany hoe ny fandemen-tsaina ataon'ireo gourou no tena zava-doza !!!

--- aty Madagascar kosa anefa dia tsy tena mbola misy an'izany ohatra ( Assemblée de Dieu ,Jesosy Mamonjy ,Apokalypsy ,Ara-pilazantsara ,MRE , FEI , RHEMA ,Fjkm ,Loterianina sns .... ) -tsy lazaiko eto ny Kato satria "izy zany le tena favori be hatramzay" ireo Fiangonana any M/car ireo efa nidirako sy hitako lalindalina daholo fa ireo "critéres " rehetra lazain'i HERY atsy ambany sy tato amiko ireo dia mbola lavitra izany amin'ireo !


--- Efa nisy kosa Fiangonana iray nakaton'ny fanjakana tanteraka teto M/car hoe: "Reveil du soleil" -- io no tena secte dangereuse saika niorina teto M/car fa mailo ny Fanjakana de nalefa nody !! (saika nitovy fomba amin'ny Tranainy iray taloha koa io sekta io = mamono olona rehefa tsy mifanaraka amin'ny didiny ! ary miditra mivantana amin'ny ady mivantana sy ny fanafihana ary mitady hiaraka sy manakaiky fanjakana foana hiarahana ! - ka natahorana sao hanao "mpamono olona sady mpivavaka otran'ny jeanne d'arc ka lazaina fa ady masina le izy !!!

--- ny tao amin'ny baiboly anie matoa niady ry salomona sy ry davida dia Andriamanitra mivantana mihitsy no naniraka sady efa tamin'ny andron'ny testamenta taloha ireo !!!! -- izany hoe mifanohitra ny amin'izao fotoana izao :

--- ohatra :raha misy mamely ny takolakao havanana dia asio koa izy (test taloha io) fa ankehitriny test vaovao raha misy mamely ny havia dia omeo azy koa ny havanana ) ... taloha maso solon'ny maso fa ankehitriny amin test vaovao dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany !!
19. ndenn ( 13/08/2010 09:26)
Ny tian' i Andrywui havoaka ve dia ny fivadihan' ny foto-kevim-pinoana niandrian' ny fiangonana 5000 taona alohan' i JC sa ?
Misy zavatra azo lazaina be dia be ny @ izany ; ohatra ny momba ny tantaran' i Osiris , Krishna , ny Mormons , Genshi khan , ets , ...
Ny zavatra tsapa aloha @ izao dia betsaka ny derivée -na finoana xana samy nandeha @ tsy fantatra intsony ,raha miteny @ izao 2010 izao dia ohatra hita mivaingana ny secte Muun manana mpikambana mihoatra ny 50 millions et qlqes d' adeptes eran' izao tontolo izao ( io dia mpandàla ny famonoana @ fomba miolaka ,mangina , sy tsy misy rahoraho eo @ mpiara-belona )
20. andrywui ( 13/08/2010 09:39)
Ny tena tiko tenenina dia ny filazan'ny Kato fa rehefa tsy Kato ianao dia mivavaka amin'ny sekta sy ratsy zay !!! zay no tsy ekeko mihitsy satria tena mifanohitra be amin'izay mihitsy no hitako refa manao ny étude ko samirery aho ! .....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0696