Ahoana ny fomba hanampiana ny katolika ?

1. andrywui ( 09/08/2010 10:56)
- Efa sahy mandefa dinika direct Mr Heriniaina Eugene zany a !...
- fa ahoana kosa hoa ny fijerinareo amin'ireto sary vongana bediabe ivavahana sy orohan'ny Kato ireto ? ara-baiboly ve ireo ?
--- Ary azo atao ve ny mitazona faty sy mitahiry faty toy ny ataon'ny Kato ?

(Raha izaho manokana ny hevitro : misy fahavetavetana be ataon'ny Kato amin'izany)

- ary aza tezitra an !


Tsiky dia ampy !



avoahy ny hevitra ........
novalian'i badluck ny 21/08/2010 07:13
2. ikaretsaka ( 09/08/2010 12:47)

andrywui:

- Efa sahy mandefa dinika direct Mr Heriniaina Eugene zany a !...
- fa ahoana kosa hoa ny fijerinareo amin'ireto sary vongana bediabe ivavahana sy orohan'ny Kato ireto ? ara-baiboly ve ireo ?
--- Ary azo atao ve ny mitazona faty sy mitahiry faty toy ny ataon'ny Kato ?

(Raha izaho manokana ny hevitro : misy fahavetavetana be ataon'ny Kato amin'izany)

- ary aza tezitra an !


Tsiky dia ampy !



avoahy ny hevitra ........

avoakako ary...
Na ho an'i Hery aza dia valiako @ maha "kanto" ahy.
Amiko aloha dia na baiboly io na sarivongana io na soratra io na boky io hira io na inona io dia "art" avokoa no andraisako azy, ny asan'ny "art dia karazana "symbole entina na manampy @ fampatsiahhivana na fampitana hafatra ho an'ny olona mihery, mamaky , na mihaino azy

Ohatra terre a terre hatrany no hitondrako azy:
ankoatran;ny asako isan'andro dia mpitendry zavamaneno any am-piangonana'ny sekolinay taloha koa aho, ka indraindray dia tsy voatery any @ "kanto" ihany izahay no mitendry sy mihira fa izay denominations miantso anay dia andehananay aby.
dia nisy fotoana somary gaga aho fa dia misy mitehaka, miankohoka, nandohalika... misy ny mananga tanana...sns ny olona rehefa mandeha le hira, dia izao no mba fanontaniako ary: le hira ve zany no hivavahana sy hiankohofan'ireny? mivavaka @ Hira ve izany ireny?


Faharoa> ny olona mahay mamaky teny ihany ve izany no manana zo hahalala ny tenin'Atra? dia ny tsy mahay mamanky teny dia tsy maintsy miandry olona foana hanazava sy hitory teny aminy ny tantaram-pamonjena izay izy vao kopy?
-->tsy voatery izay amiko!

Raisiko ohatra fotsiny ny lalan'ny hazo fijaliana ao @ fiangonana katolika: @ rindrin'ny fiangonana katolika, na ilay fiangonana an-kodahoda be any aza dia misy sary 15 ( na @ vitraux, na sary hosodoko na sary vongana) misy ny tantaran'ny "passion du Christ"
misy ny sary hafa koa (genesisy, apokalipsa sns)
tsy voatery hiandry an'iza sy iza akory ilay ankizy 7 taona any ambanivohitra any izay mbola zara raha mahatamba-teny vao afaka mahalala ny tantaram-pamonjena...fa miodina 180 degres ao am-piangonana izy dia mahafantatra
3. andrywui ( 09/08/2010 12:55)
ika -- tsy ampy zany misy atelinao ny sasany !!!!

-orohana sy andohalehana le sary vongana , ary tehirizina sy ivavahana ireo fatina olotsambatra na masindahy !

hazavao izay ! ......
4. ikaretsaka ( 09/08/2010 13:06)
ka maninona no orohana sy andoalihin'ny olona koa le cd sy le hiranay ;-P???
5. andrywui ( 09/08/2010 13:24)
IKA --- za koa anie multi-musiciens e! (clavier,piano ,organ...) , batterie , guitare (solo, bass,rhythme ,folk)... fa tsy misy mandohalika sy manoroka ny CD sy ny hira zany fa henoina na jerena sur concert de zay ...nefa 5taona zay ah tsy tapaka nanao madajazzcar fa tsary nisy an'izany ankanoroka CD sy hira zany kah !.... hihihihihi....

- fa ity mazava tsara !!! tehirizina ny fatina olontsambatra sy masindahy de ivavahana !
- orohana isakin'ny mivoaka miditra ny sari-vongana ! HAZAVAO ny anton'izay !! tsisy tezitra fa hevitra avoaka an !!



tsiky dia ampy !
6. ikaretsaka ( 09/08/2010 14:03)
ka ny anao tsy ao ampiangonana ko... fa mitendre chorale dia miteteza fiangonana fa draisy ..misy en trans

tsy ivavahana ny hitehirizana azy fa hanampy anao hahatsiaro ny nataony ka, karazanny aide memoire... mba halainao tahaka na ny ampaha-10 n'ny nataony ohany aza ny vita

ilay manoroka indray samy manana ny fombany @ io ka , amiko manokana dia iny no manampy ahy ho concentre bebe kokoa sy hifantoka @ fitadidiana hoe ohatran'ny ahoana moa no nataon'io olona io nahatonga azy ho mazina

ohatran'ny rite rehetra io hoe misy alohan'ny hitendry gitara ohatra dia na efa accorde impolo hatrany an0trano aza ny hitarany dia kitiina kely, na efa voafafa tsara aza ny touche na piano dia fafana foana alohan'ny hitendrenao
ny anton'ireny> hanampy anao ho concetre bebe kokoa
misy izao hoe rehefa mivavaka de mikipy manao mason'akoho ny mety aminy.. ity manoroka sy mila mitsapa ilay sary na mijery ilay sary
de tahak'izay!

moa rehefa mivavaka ange jereo ny ao ambadik'ireny sary ireny e... soit hoe masindahy ....=mivavaHA ho anay ny ao soit hoe " Atra (Jesoa ) o! ataovy manahaka ny ohatra sy ny fiainan'i masina...." zahay
fa tsy misy mihitsy ao hoe Masina zao" mivavaka aminao zahay!
7. andrywui ( 09/08/2010 14:22)
eny ary!!!!

-- ary le fatina olontsambatra sy fatina masindahy , masimbavy bedebe atao inona ao ? ary maninona no Tompoina koa ?

itan'i Ika ! mivily tanteraka le tenin'Andriamanitra fa lasa faty sy vongatsary itan'ny maso indray no aseho sy lazaina amin'olona fa Tompoina!! fa Ilay Andriamanitra Jehovah sy Jesosy Kristy zanaka tsy hita intsony !! dia ohatr'izay koa ilay Masina Maria : Takon'io Tanteraka ilay tena Mpamonjy dia Jesosy Kristy fa ahindrahindra be i Masina Maria nefa fitaovana nataon'Andriamanitra ahatongavan'i Jesoa teto antany fotsiny izy fa otran'ny olondrehetra ihany ! ....

- Dia mitovy amin'ity resaka statut sy faty ity ihany koa ! avily amin'io ny sain'ny olona dia hadino tanteraka ny famonjen'i Jesosy sy ny maha Andriamanitra an'i Jehovah !.....

- Dia fombafomba mpivavahana sisa atao otran'ny hoe : tapa-kazo e(inona izany ?) ,lavenona e(inona koa zany?) sy ny sisa de izay anarana aforonina izay foana no tena sujet fa hadino Jehovah sy Jesosy Kristy !!



--
8. andrywui ( 09/08/2010 14:26)
- Tsy misy afaka hanompo tompo roa hoy ny baiboly fa ny "Iray ho halany ary ny iray ho Tompoiny !"

- apokalypsy 21/8 "...fa ny osa vetaveta , mpijangajanga mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjara asany any ami'ny farihy solifara mirehitra afo ary izany no fahafatesana faharoa "

- ilay fanompoantsampy anefa dia mazava ho azy fa ilay filalaovana faty sy ilay fitompoana sary vongana ( andriamanitra tsy izy )


-
9. ikaretsaka ( 09/08/2010 15:06)

Tsy misy afaka hanompo tompo roa hoy ny baiboly fa ny "Iray ho halany ary ny iray ho Tompoiny !"

eo izao d'efa diso ny tsimponao fa Atra sy ny vola ny resahin'i jesoa eo fa tsy resaka sarivongana ..

Voalohany aloha dia tsy ataon'ny katolika mitovy lenta @ Atra mihitsy ny sarivongana.. io efa voalazako io ambony io ny maha samihafa azy fa averiko eto ihany

"Atra=mivavaka aminao zahay
ny olomasina=mivavaha ho anay

inoako fa mbola tsy hainao ny manavaka an'ireo matoa n
ny anao ihany ange no asesisano



fa rehefa tsimpona moa no revenao de hitsimponako ianao:

fa naninona no hoe betsaka ny nifandrombaka ny mosoaran'olomasina sy ny 'alok'i paoly? (Jereo ao @ Asan'ny Apostoly ao)

naninona no nobaikoan'Atra HANAO SARY VONGANA bibilava varahina hojeren'ny ny olona? (Nomery na Fanisana 21:8-9)?
naninona no nobaikoan'Atra HANAO SARY VONGANA ao @ kerobima sy serafima (1Tantara 28:28) ary mbola nohamafisin'ny faminanian'i Ezekiela
10. andrywui ( 09/08/2010 15:19)
- tamin'ny andron'ny lalàna taloha (testamenta taloha izany resaka bibilava varahina sy ny sisa izany ) fa isika izao efa ambany fahasoavana! - taloha raha misy oul mamely ny takolakao havia de pehanao ny azy ! ary raha misy mamono dia vonoina izy (aina solon'ny aina )

-- fa izao raha misy mamely ny ahavanana dia omeo azy koa ny havia ary aza mamaly ratsy ny ratsy ! !!

-- izay no mahasamy hafa le taloha sy ny ankehitriny (tes taloha sy test vaovao)

--symbole koa ilay nataon'Andriamanitra tamle bibilava varahina fa tsy natao Hotompoina eo mandrakizay iny ! otranle andry afo sy andry rahona !! ka tsy azo raisina anjambany tonga de arabakiteny de mba hanao sarivongana koa aho hivavahako zany satria nanao an'izay i moizy !!

11. andrywui ( 09/08/2010 15:24)
ny mosoaran'i paoly sy ny alok'i petera koa de symbole indray mande tsy niverina fa tsy nivavaka tamle mosoara mitsy izy !!
-- otrizay koa jesoa le nampandeha anilay jamba hanasa maso teo amin'ilay rano !

12. ikaretsaka ( 09/08/2010 15:39)

itan'i Ika ! mivily tanteraka le tenin'Andriamanitra fa lasa faty sy vongatsary itan'ny maso indray no aseho sy lazaina amin'olona fa Tompoina!! fa Ilay Andriamanitra Jehovah sy Jesosy Kristy zanaka tsy hita intsony !! dia ohatr'izay koa ilay Masina Maria : Takon'io Tanteraka ilay tena Mpamonjy dia Jesosy Kristy fa ahindrahindra be i Masina Maria nefa fitaovana nataon'Andriamanitra ahatongavan'i Jesoa teto antany fotsiny izy fa otran'ny olondrehetra ihany ! ....

- Dia mitovy amin'ity resaka statut sy faty ity ihany koa ! avily amin'io ny sain'ny olona dia hadino tanteraka ny famonjen'i Jesosy sy ny maha Andriamanitra an'i Jehovah !.....


Izao indray ny scenario-ko @ io andao isika hiaraka ary:
scenario 1:
Imagineo ary hoe invite hihaona amina mpanjaka 1 ianao:
dia miditra amina palais anakiray : ny rindrin'ilay palais dia misy tapis isan-karazany ary misy ireo tandapa sy mpanolo-tsaina manao akanjo lava, feno sarivongan'ireo mpitondra fahiny nifandimby ny rindrina sy ny couloirs, ary @ farany ary misy seza anakiroa , ny 1 ho an'ny mpanjaka dia ny 1 ho an'ny reine,misy tandapa speciale mihitsy mikarakara ilay reine manjabe ary ny mpiasa ao an-drova rehetra , rehefa mandalo eo dia miondrika sy manoroka ny tanan'ilay reine manjabe aby.
Na izany aza mahalala aby ireo olona ireo hoe ny mpanjaka no tena manana ny autorite ary miaiky ny fahefan'ny mpanjaka sy ny famirapiratany aby , saingy amin'ny alalan'ireo ny reine sy ireo ravaka isankarazany sns .. dia mainka mampiseho ny voninahiny ilay mpanjaka!
(izay ny scenario-ko @ ilay katolika sy Maria sy ny statues sns..)

Scenario 2.
hangar be na trano carre carre be fotsiny .... tsisy haingony tsisy pitsony.. dia ery aloha ery misy rangahy miteny hoe , inona no tadiavinao?...
(izay ny scenario-ko @ le tsisy sary vongana sns)

dia iza aho no confortable kokoa sy concentre kokoa sy manao heo woooow kokoa?
13. ikaretsaka ( 09/08/2010 15:47)

--symbole koa ilay nataon'Andriamanitra tamle bibilava varahina fa tsy natao Hotompoina eo mandrakizay iny ! otranle andry afo sy andry rahona !! ka tsy azo raisina anjambany tonga de arabakiteny de mba hanao sarivongana koa aho hivavahako zany satria nanao an'izay i moizy !!


Voila.. manomboka mazava aminao le izy, symbole aby koa ireny sary vongana ireny, ary tsy mivavaka no fiteny fa mangatak'navaka

Soit ianao miteny hoe "Mivavaha ho anay" rehefa eo anatrehan'ilay sarivongana ireny
soit ianao miteny hoe "Atrao (na jesosy o) hoe ataovy mba manaraka ny toetran'ity olona ity fony fahavelony ny toetranay...

fa tsy nisy mihitsy sanatria ny hoe "Enao no Andriamanitra asolonay an-drajesosy ry masinsahy Zilibera"...non!

14. hery ( 09/08/2010 20:29)
Mahazo miteny amin'izay aho?

- Diso ny filazana fa mivavaka amin'ny sary vongana na manompo sary vongana. Izaho aloha tsy manao an'izany fa asa na ny fianakavianareo no misy manao an'izany. Raha toa ka katolika izy dia teneno hoe sao dia lasa lavitra loatra izany fa ny TENA KATOLIKA tsy manana andriamanitra hafa.

- Fa ny marina dia hoe tsy fantatrao akory ilay ataon'ilay olona. Heverinao fa mivavaka amin'ny sarivongana izy. Anontanio izy hoe "Ataonao ho Andriamanitra ve io sarivongana io" dia raha manaiky izy dia azonao tsaraina hoe mivavaka amin'ny sary vongana.

- Raha hitako izao i Andrywui mipetraka mitingitingina dia betsaka ny azo ilazàna azy. Mety hoe mikapa, mety hoe maka saina sns... fa tsy misy hahita izany avy lavitra raha tsy maheno ny fofony na manontany an'i Andrywui hoe inona no tena ataonao eto. Fijery ivelany fotsiny izany ny an'ny hafa.

- Ary raha ampifandraisina amin'ilay resaka Temoins de Jehovah nataoko. Jereo raha misy documentations na fitsipika na lalàna katolika miteny hoe Tokony hivavaka amin'ny sary vongana isika katolika. Izany hoe ny Fiangonana katolika dia tsy miteny mihitsy hoe mivavaha amin'ny sary vongana, ary mampitandrina aza raha sendra misy mivoana ny sasany ka mety ho interpreter-n'ny sasany. Ilay resaka nataoko momba ny Temoins de Jehovah kosa, dia ny mpamorona azy mihitsy (Russell) no naminany hoe ho tonga amin'ny 1914 ny farandro, dia avy eo nefa tsy tonga akory.

15. ndotofetsy ( 10/08/2010 17:31)
ilay fombafomba mintsy no tokony ho fohanana fa tsy haiko aloha ny avo raha niteny hoe asio sary vongana na hazo fijaliana ao anaty fiangonana. Ny momba ireo temoin de jehovah indray dia diso teolojika ary mivoana @ fandraisana an Andriamanitra ry zareo. Philosophie teolojika daholo mantsy na ny baiboly na ny coran na ny testamenta vaovao na ny taloha fa ilay fomba hizarana azy sy hampianarana azy amin izao fotoana izao no misy mahavery sy mampivilana ny sasany. Raha toa ka tsy niteny io fara andro io izao izy na manakaiky ny fivavahana katolika sy protestanta sy adventsista sy ny karazanay dia mety noraisin ireo mpanao politikampivavahana tsy ho secte io fivavahana iray io. Tsy afaka hiteny hoe diso anefa ianao fa anjaranao no mampita izay nampianarina anao sy noraisinao fa mety. Araka ny voalazan i hery atsy ambadika atsy hoe inona moa no atao hoe secte
16. ikaretsaka ( 10/08/2010 22:14)
niteny ny avo.. jereo ao ambony sy/na ambadika ao fa efa nolazaiko teo izany
17. Miharena ( 11/08/2010 08:02)
Ndondofetsy:

ilay fombafomba mintsy no tokony ho fohanana


Tsy isika angamba no manana fanapahan-kevitra ny amin'izany satria azo lazaina ho manana fitaovana maro be tsy tambo isaina ny Avo hameranana ny olona hitodika Aminy.

Ny hevitra voafetra ao amintsika miteraka fitsarana ny hafa no mila alàna aloha. Io ilay hoe solomaso mainty sa mavo sa inona no lokony tokony esorina dia hita ny mazava fotsy mibaliaka tsara.

Efa ela ihany ilay hira nataon'i Poopy hoe "variana mijery ny fomban'ny hafa dia nilaozan'ny omby mihahaka". Ny tanjona no tokony hobanjinina dia ny toetran'ny hafa indray aloha no nitaredretrana dia nihahaka teo.

Ka mihodinkodina isika raha mijery ny hafa fa ny miara-mandroso no mety. Rehefa hitantsika fa mitakla kosa ny hafa izay vao jerena tsara ny tsy hahavoafingana fa tsy mamaly azy akory no zava-dehibe fa ny mampahita azy hoe mandroso amin'ny lalako hatrany aho fa ianao no reraka eo, dia mananatra anao aho tsy hanao izany intsony noho ny fitiavako anao toy ny tenako.
18. ikaretsaka ( 11/08/2010 13:41)
hanampiako azy dia hoe "misokafa aloha dia jereo ny anton'ilay fombafomba izay vao manapa-kevitra , nohon'ny hoe tsy azoazo dia foanana
19. andrywui ( 11/08/2010 13:41)
hery sy Ika a === ) .....

za anie tsy nilaza mihitsy hoe hevitro sy tena marina ireo teniko ireo akory fa fanotaniana fe fanotaniana amin'ny zavatra itako ety ivelany ka le fanazavanareo mihitsy no ilaina e! ... rehefa manazava hianareo ka maha resy lahatra ny maro dia ankatoavina zany le fanazavana ilaina jiro !! ....

-- fakosa ity misy teny iray :::: ilay resaka "sari-vongana aloha de atao hoe manaiky ah zany fa izay no teninareo !!!.......""

--FA ILAY RESAKA FATY TEHIRIZINA AO VATICAN SY AMIN'IREO FIANGONANA KATO MARO INDRAY ARY !!! ATAO INONA KAY IREO FATY IREO ( FATI-NA MASINDAHY - OLON-TSAMBATRA - MARTIORA SNS .... °

merci alou tamin'ireo fanazavana teo aloha !!...
20. hery ( 11/08/2010 13:43)
Oudry atao inona ahoana?

Milevina ao izy dia izay kou. Tahaka ny faty any amin'ny fasanareo atao inona?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0868