Manana fanahy tsy mety maty ve ianao?

1. mpanazava ( 07/08/2010 18:07)
Origine de Mythe concernant l'immortalité de l'âme: « Les premiers philosophes chrétiens adoptèrent le concept grec de l’immortalité de l’âme ; pour eux, l’âme était créée par Dieu et insufflée dans le corps au moment de la conception. » — Encyclopædia Britannica (1988), volume 11, page 25.


Hoy ny baiboly : « L’âme qui pèche, c’est celle qui mourra. » — Ézékiel 18:4, Segond (1910) ; Cardinal Liénart.

Minia tsy mieritreritra ny atao hoe fahafatesana ny ankamaroan'ny olona ankehitriny. Manotany tena anefa izy rehefa misy olona akaiky azy maty na marary mafy ohatra na efa mahazohazo taona iny hoe tena tsy azo ialana ialana ilay izy. Mieritreritra izay ao afaran'ny fahafatesana izy avy eo. Manao ahoana marina isika rehefa maty e? Inona no mitranga ao aorian'ny fahafatesana, ary inona no ampianarin'ny Baiboly?



novalian'i Miharena ny 23/08/2010 08:49
2. rijadolly ( 08/08/2010 09:03)
rehefa maty isika dia miala amin' izay fahalovana izay ny Fanahy maha olona antsika, izay mampiavaka ny olona amin' Biby, ary midina any amin' fiainan-tsy hita, ary handalo Fitsarana amin' Andron' TOMPO, ho voain' Piera na tsy...fa ny làlana dia efa nisy nisava ho an' izay mandeha amin' iny làlana iny....
3. Miharena ( 09/08/2010 07:36)
Rijadolly:

rehefa maty isika dia miala amin' izay fahalovana izay ny Fanahy maha olona antsika, izay mampiavaka ny olona amin' Biby, ary midina any amin' fiainan-tsy hita, ary handalo Fitsarana amin' Andron' TOMPO, ho voain' Piera na tsy...fa ny làlana dia efa nisy nisava ho an' izay mandeha amin' iny làlana iny....


Midina hoy ianao. Misy toerany ve ny Fanahy ka fantatra fa hoe ary ambony Izy na any ambany??
4. Miharena ( 09/08/2010 07:44)
Tohizako kely ny fanadihandiana io fanontaniana io. Misy olona very fanahy mbola velona tsy mahalala repère eto an-tany hoe izato no ambony ary izatsy no ambany. Misy ireo very saina na lazain'ny olona hoe adala rehefa mahita olona iray izy tsy mahay manavaka ny maloto sy ny madio.

Isika olombelona dia mahita tsara fa boribory ny tany raha manalavitra azy isika fa raha eo amboniny dia tsy hahatsapa izany raha tsy mandray ny repère fihetsiky ny volana sy ny masoandro. Jery ivelany avokoa izany rehetra izany fa ny vontoatiny no tokony halalinina ahafahana mamaritra na midina na miakatra. Amiko dia tsy midina, tsy miakatra fa miditra ao amin'ny Loharanony ny Fanahy ao amintsika tsirairay avy.
5. ikaretsaka ( 09/08/2010 13:16)
ka ny fanahy ve=saina sa repera sa inona marina?
6. Miharena ( 09/08/2010 14:09)
Ny Fanahy no mampihetska ny zavatra rehetra ahafahan'ny saina sy vatana maka repera.
7. ikaretsaka ( 09/08/2010 15:07)
ka asamoadimbadikao be le izy...
8. Miharena ( 10/08/2010 11:43)
Tsy misambodika io rehefa takatrao tsara ny tiana lazaina hoe FANAHY no LOHARANO sy MAMPIAINA ary tsy mety lo ary tsy azo ampidirina amin'ny repera hita maso ny alehany rehefa manohy ny diany izy aorian'ny fandaozany ny vatana.
9. ikaretsaka ( 10/08/2010 12:49)
tsy mbola novalianao tanteraka ilay fanontanian'i fijo hoe ny biby ve manam-panahy ? de tsia hoy ianao

de ho'zy aho hoe raha raisina tsara izany ny vala famaritanao dia aleo aho hanontany hoe ka inona ary no "loharano mampiaina" azy ireny nefa ireny zava manan'aina koa'?
10. fijo ( 10/08/2010 18:59)
misy le fanahy ,fa miara vita aminn'y vatana io amiko
11. Miharena ( 11/08/2010 07:33)
Ikaretsaka:

tsy mbola novalianao tanteraka ilay fanontanian'i fijo hoe ny biby ve manam-panahy ? de tsia hoy ianao

de ho'zy aho hoe raha raisina tsara izany ny vala famaritanao dia aleo aho hanontany hoe ka inona ary no "loharano mampiaina" azy ireny nefa ireny zava manan'aina koa'?


Tsy nilaza aho hoe tsy manam-panahy ny biby. Voary daholo na biby na olona na zava-maniry eny na ny tany sy ny rivotra sy ny afo aza, fa misy ambaratongam-pahalavorariana araka ny karazany sy ny firafiny avy.

Dia voavaly ny fanontanianao hoe Loharano iray no ipoiran'izy rehetra ary ny olona no manakaiky ny Mpamorona azoNY iresahana tsara hoe nataoKO mitovy endrika AMIKO anie ianao ra-olombelona fa aza mieritreritra ny hanindry ny namanao sy ny voary miara-miaina aminao fa ataovy izay hahalavorary azy ireo araka ny fahatsilovan-tsaina napetraka tao anatinao.

Teny Fototra hatrany no niandohan'ny zavatra rehetra hatramin'ny fanaovana ny olombelona. Ary ny fanahy dia AINA fototr'izy rehetra. Tsy misy tsy hiasaNY na aiza na aiza na inona na inona. Araka ny lojika dia Andriamanitra Mpamorona=AINA=TENY=manerana izao rehetra izao.


Fijo:

misy le fanahy ,fa miara vita aminn'y vatana io amiko

Azonao hazavaina tsara ve ny hevitrao? Inona le fanahy izany aminao? Ary efa nahare na namaky fijoroana vavolombelona ataon'ny olona efa nandao ny vatany ve ianao (mort physique sy voyage astral ohatra)?
12. fijo ( 11/08/2010 21:17)
le fanahy io no ahafahantsika mandinika ny ataontsika sy misafidy izay hizorana.io anefa di an velona ihany no misy azy,fa rehef amaty ny vatanao,di atapitra koa ny aminy.
13. Miharena ( 15/08/2010 16:41)
Dia inona indray ny resaka mandrakizay amin'i Fijo?
14. ouioui ( 18/08/2010 22:52)
Ny Hindou tsy mety maty hihihi, izaho aloha mbola tsy tany @ izany ankoatra izany e
15. Miharena ( 19/08/2010 07:51)
Olona mitovy aminao anefa ny Hindou. sa tsy olona ireny?
16. ouioui ( 20/08/2010 23:47)
Fa ahoana no ilazan'i Miharena fa tsy olona ny Hindou , tsy mety maty izy ny finoany fa mifindrafindra , ianao sy izaho no mino fa vovoka isika dia hiverina vovoka fa tsy terenao hino ny finoanao izy akory raha mety maty ianao hihihihi
17. badluck ( 21/08/2010 07:11)
that is scary [IMG]http://s07.flagcounter.com/count/DymW/bg=ffffff/txt=ffffff/border=ffffff/columns=1/maxflags=1/viewers=3/labels=0/[/IMG]
18. niryna ( 21/08/2010 19:05)

ikaretsaka:

ka asamoadimbadikao be le izy...
inona izany teny gasin'ika izany?
Araka ny fahalalako azy dia hoe ny fanahy no maha olona.
Manana saina isika ary ny ao anatin'ny fotsika dia avoakan'ny fihetsika rehetra:tezitra isika dia mivoaka amin'ny vava izany,hita amin'ny fihetsika na dia afenina aza ary eny ita ao anatin'ny maso io satria ny maso dia fitaratra vita hoy ny tsianjery.
Ny fanahy dia avy amin'Atra ary Atra dia fanahy ka izay mivavaka aminy dia mivavaka amin'ny fanahy ihany koa.Izany no mahatonga miteny hoe ny olona manana ny fanahin'Atra dia mahalala ny fanahy izay ao anatiny ka mahafantatra ny tsara sy ny ratsy ary satria ilay fanahy ao anatiny(fanahin'Atra...ho an'ireo izay nandray an'i kristy ihany io an.Manaiky azy ho Tompo sy Mpamonjy azy fa tsy manana olon-kafa hinoana ny hivavahana) dia io no mampianatra azy,manoro azy ary manitsy ny tokony atao sy ny tsia)
19. niryna ( 21/08/2010 19:11)

mpanazava:


Minia tsy mieritreritra ny atao hoe fahafatesana ny ankamaroan'ny olona ankehitriny.
Asa aloha raha mieritreritra na tsia fa ny fantatro fotsiny aloha dia izay rehetra mino ary manaiky an'i kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy dia tsy atahotra na angorohoro-izany hoe mahafantatra fa Atra Izy ary mino azy fa Atra ihany koa fa tsy hoe Tompo fotsiny -Izaho sy ny Raiko hoy izy dia iray ihany- Mino ahy fotsiny ihany dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao.Ka raha mino Azy ho Atra i Mpanazava dia miaraka ireo rehetra mino Azy fa tsy matahotra izany intsony na androany aza no antsoiny dia efa miandry anao -antsika izy sa ahoana ny hevitrao?

Manao ahoana marina isika rehefa maty e? Inona no mitranga ao aorian'ny fahafatesana, ary inona no ampianarin'ny Baiboly?
inona no mitranga ? miandry anao hanazava araka ny voasoratra ao ao amin'ny baibolin'i kristiana
20. ouioui ( 21/08/2010 20:35)
Niryna
inona no mitranga ? miandry anao hanazava araka ny voasoratra ao ao amin'ny baibolin'i kristiana

Bedin'ny karetsaraka eo toi fa ataovy , lazainy fa tsy izy ireny fotsiny hono no hamaly hotori-teny eo hihihi fa ianao koa anie efa manana ny hevitra e, maninona raha tonga dia avoka mandrapaha aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0417