Fa ahoana no ilazan'i Miharena fa tsy olona ny Hindou , tsy mety maty izy ny finoany fa mifindrafindra , ianao sy izaho no mino fa vovoka isika dia hiverina vovoka fa tsy terenao hino ny finoanao izy akory raha mety maty ianao hihihihi
Tsy nilaza aho hoe tsy olona ny hindou fa vakio tsara. Hoy aho amin'i ouioui hoe olona hoatran'i ouioui koa ny Hindou.
Izy aza aloha miresaka hoe tsy mety maty ny fanhiny koa ianao koa ve izany dia hilaza fotsiny fa vovoka?
Ny fanahy no olona fa tsy ny vatana hihintsana ho vovoka akory ary ny hindou dia mahafantatra koa fa lasa vovoka ny vatany rehefa miala ao ny fanahiny izay tena maha-izy azy.
Ny fahazoana io resaka vatana sy fanahy io hatrany moa no mahatonga ny olona hivembena finoana.
Rehefa ilazan'i Kristy izy fa zanak'Andriamanitra ohatra ary manana ny fiainana mandrakizay dia mbola mieritreritra fahafatesana foana nefa anie ny nofo fotsiny no ilaozana fa ny fanahintsika dia mitohy hatrany araka ny fandaharan'Andriamanitra azy e!