Ngaha! 13% ihany no ...

21. ikaretsaka ( 26/07/2010 18:00)
Mampisaina tokkoa le tenin'i Soanja hoe
"inona moa no ilaina ny tantaran'israely rah
- izy aza mikorontana
-isika tsy any Jerosalema"

Niryna>tsara be raha mahita rombotsoa @ kristy ianao.. fa ataoko angamba hoe misy dikany kokoa ilay fanarahana raha kristy arahina fa tsy ny ny boky momba azy no averina sy atao tsianjery..sa?
novalian'i niryna ny 27/07/2010 19:34
22. niryna ( 26/07/2010 18:29)

Miharena:

Ny Mino aloha no aoka rasaina kely e! Mino dia toy ny misotro ary izany indrindra aza no dikany any anindrana any. Mino rano = misotro rano. Lasa tenanao sy mahafaka hetaheta anao ilay rano. Koa ny Teny no marina fa inoana saingy raha tsy tsapa fa Aina Izy Io dia tsy misy fotony ihany.
misaotra anao fa mazava be- kristy no efa nanambara izany fa izy no loharano tsy mety ritra ka izay rehetra mandray azy dia tsy angetaheta intsony


Mila miainga amin'ny fahatsapana anaty raha te-hahafantatra ny zava-dalina ambaran'ny Soratra Masina.
itovizako hevitra koa izany


Raha miteny Ika hoe be dia be ny loharano dia Iray ihany no ipoirany hoy aho ary tsapa hatrany hoe Ilay Ray no miteny amin'ny vavan'ny Mpaminany iray na olon-tsotra iray (fa tsy azo terena ho mpitari-pivavahana foana akory no afaka manambara izay lazain'ny Fanahy Masina ho an'ny olona).
inona avy izany karazana loharano be dia be izany ry ika ?
23. ikaretsaka ( 26/07/2010 18:58)
Tsotra..miainga @ fahatsapanao ao anaty aloha fa tsy ny fiononana @ boky 1. Ny manodidina anao, ny zavatra nomen'i kristy ho ampiasainao sy hohasoavinao, ny mpiara belona aminao sns... ny rivotra hiainanao aza dia loharano aby ireny ahitanao an'i kristy
"Find God in all things" ry niryna a
24. niryna ( 27/07/2010 19:11)

ikaretsaka:

bord:

Amiko manokana mantsy ny finoana ny Teny no zava-dehibe fa tsy ny soratra ! Noho izany dia tahaka ny an'i LazaDaddy ny teniko : mbola betsaka tokoa izany 13% izany fa tokony hihena !

tsy ny finoana ihany ... fa ny fanatanterahana ilay Teny indrindra indrindra

raha miteny ilay teny hoe izao atao de tokony ho izay no ataovy fa tsy ny famerenana hoe "hoy ny Teny ry zalahy hoe izao hono no atao aa" nefa ianao aza tsy manao
ka ny Zanany lahy no nanao ilay izy ary nahasoa ny rehetra ka fa ny olana dia ilay fanikahalana ilay teny izay nomena-ampiharina amin'ny fiainana fotsiny iny fa tsy hitsingolohana etsy sy eroa -hevitro io
25. niryna ( 27/07/2010 19:17)

ikaretsaka:

Bravo bord> izay no tsy maha 'bolokim-baiboly' anao intsony!
izay ilay teneniko anao eo ambony,na boloky ilay olona ,jereo foana ny ataonao fa aza variana mitsikera izay boloky sy tsy boloky any
jereo amin'ny hazo ny voany e
26. ikaretsaka ( 28/07/2010 23:07)

ka ny Zanany lahy no nanao ilay izy ary nahasoa ny rehetra ka fa ny olana dia ilay fanikahalana ilay teny izay nomena-ampiharina amin'ny fiainana fotsiny iny fa tsy hitsingolohana etsy sy eroa -hevitro io

tsy ny zanany lahy irery ihany ry niryna...nfa na isika izao aza, sy ny ,anodidina antsika niara nonina ny Teny, dia avy eo nandefa ny Fanahy masina... mbola monina!
izany hoe amintsika izany ny teny fa tsy izay voasoratra fotsiny,
nahatonga an'i soanja nanontany anao efa taona maro izay... ary tsy novalianao mandrak'androany hoe.."lasa moana izany Atra nony vita ny ascencion fa lasa ny Teny, fa dia famerenan-denosa sisa no atao"?
27. ikaretsaka ( 07/08/2010 20:37)
tssss tsy nivaly indray le! de jereo tsara fa volana maromaro na taona maromaro dia miverina indray ito sobjektra ito, fa ovaina kely ny fipetraky ny fanontaniana dia ilay olona nametrahana sy natao handinika ny fanontaniana no mi reformuler azy @ fomba hafa...
28. ouioui ( 23/08/2010 19:48)
Ary aiza ny mba fanontania'ialahy e, mijapy fotsiny tsisy apoaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0074