Tokony mbola ho antso ivelany sa anaty no hananan'ny Mpino ankehitriny?

1. Miharena ( 05/07/2010 14:58)
Te-hanokatra kely ity loha-hevitra ity aho satria maro ireo hira sy vavaka miantso ny fidinan'ny Fanahy Masina.

Mampametra-panontaniana izany satria moa ve ivelantsika tokoa ny Fanahy Masina? Rahoviana Izy no tsy ao anatintsika ka mila antsoina?

Raha miainga amin'ny maha-mpiray ao amin'ny Fanahy Masina ny Mpino, tokony mbola hitombona ve io fomba fiantso ny Fanahy io?
novalian'i Miharena ny 05/08/2010 07:05
2. Mpanazava ( 06/07/2010 07:58)
Ny Fanahy masina aloha dia tsy olona izay manadiso avy hatrany ny hoe olona fahatelo ao amin'ny Trinité. Hery Miasan'Andriamanitra kosa izy io mba hahafahany manantanteraka ny sitrapony. Raha ny hoe ivelantsika sy anatintsika indray dia tsy manana fitaovana hitarafana azy isika toy ny Scanner...nefa fantatra amin'ny fomba fiteny sy fitondran-tena ataontsika hoe avelantsika hiasa ao anatintsika io hery lehibe io. ireto izao misy ohatra vitsivitsy vokatry ny fanahy: "fa ny vokatry ny fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, faharim-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena" (Galatiana 5:22,23) Mifanohitra amin'io kosa ny asan'ny nofo "Fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena baranahiny, fanompoan-tsampy, filalaovana ody, fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan'ny fahatezarana, fifandirana, fisaratsarahana, sekta, fitsiriritana, fiboboan-toaka, lanonana feno filibana, ary ny toy ireo." (Gal 5:19-21)
Fantaro amin'izay ary hoe rahoviana izy no ao anaty sns
3. boraingy ( 06/07/2010 08:31)
Hopy Mpanazava
"Ny Fanahy masina aloha dia tsy olona izay manadiso avy hatrany ny hoe olona fahatelo ao amin'ny Trinité"

Ny Trinité amiko dia tsy milaza fa olona ny Fanahy Masina. Raha milaza ny frantsay hoe Trois Personnes dia tsy midika izany hoe olona satria trois manifestations io ary Hevitra no mivoaka avy amin'ireo Telo ireo fa tsy zavatra bolongany fotsiny ihany.
4. hery ( 06/07/2010 10:19)
Tsy ho tafita mihitsy ny adihevitra raha toa ka tonga dia apetraka foana ny tsy fitoviana. Lasa hors sujet ilay izy.

Raha misy tsy mpino koa izao miditra eto dia tonga dia miteny hoe, Andriamanitra aloha tsy misy ka tsy tokony hiantso azy akory... dia mijanona eo izany ilay adihevitra?

Koa angamba tokony ferana ihany ny zavatra hidirana.

Rehefa ilay Fanahy Masina olona iray ao amin'ilay Trinité Masina Tokana no resaka, dia tsy tokony hiditra ireo izay:
- Tsy mino an'Andriamanitra
- Tsy mino ny Trinité
- Tsy mino ny Fanahy Masina

Satria tsy ho hirindra mihitsy ilay dinika.
5. Miharena ( 06/07/2010 10:58)
Marina ny an'i Hery fa misaotra.
Tsara tokoa ny mametra ny dinika ho eo amin'ny lafiny hoe ao anaty sa ivelany ny Fanahy Masina fa tsy mivily amin'ny famaritana ny Trinité.

Mety hisy ve ny mahatakatra ny tiana hanontaniana ka ny momba ny fiainana izany Fanahy Masina izany no hitondrana ny resaka?

Iza no mahatsapa izany Fanahy Masina izany miasa ao aminy? Inona no fomba fiasany ankehitriny?
6. tiarah ( 06/07/2010 11:45)
Eo amin ny fiainana andavanandro, raha kristianina dia hita taratra mora foana ny asan ny Fanahy Masina eo amin ny fiainany: manam pitiavana eo amin ny tontolo manodidina azy, tsy mora kivy fa miezaka ny hiotra amin ireo sedra misy ety an tany satria Andriamanitra tsy nampanantena fa ho Paradisa ety antany .Ny fananana ny herin ny Fanahy Masina hiatrika izany rehetra izany no ahafahana milaza fa miasa ny herin ny Fanahy Masina.
7. rijadolly ( 06/07/2010 17:54)
(Galatiana 5:22,23)
Miray hevitra amin' io koa aho, ary io ihany no ahafantaranao raha mitoetra ao anatinao na tsia ny Fanahy Masina. Afaka miala amin' olona ary afaka mivery ny Fanahy Masina.
8. Miharena ( 07/07/2010 05:30)
Ahoana àry ny fepetra ahatongavana amin'izay tanjona iveloman'ny Fanahy Masina ao anatin"ny tsirairay izany?
Vavaka ve? Fahalalàna an'Andriamanitra ve?
Fantatry ny Kristiana rehetra ve ny Fanahy Masina?
9. ikaretsaka ( 08/07/2010 03:14)

Ny Fanahy masina aloha dia tsy olona izay manadiso avy hatrany ny hoe olona fahatelo ao amin'ny Trinité.

Afaka faritanao ve ny tiana lazaina @ ny hoe "olona " aloha

Ohatran'i Jesoa niteny hoe "Zanak'olona" ny tenany
10. Miharena ( 08/07/2010 14:12)
hoy rijadolly
Afaka miala amin' olona ary afaka mivery ny Fanahy Masina

Raha Fitiavana ilay Fanahy Masina dia tsy ho ao amin'ny olona mandrakariva ve Izy? Raha afaka mivery manko araka ny filazanao izy dia manjary toa milaza hoe tsy manana toetra Manome sy mitia tanteraka izany Izy fa mandeha rehefa tsy azoazoNy.

Aiza ho aiza ny hazavana ao anatin"ny tsirairay amin'izany?

Raha ny fandraisako azy aloha dia ao anatin'ny tsirairay ny Fanahy Masina fa indraindray mitsilopy raha vao mitodika any ivelany ny olona fa tsy mamelona ilay Jiro ao anatiny, izay antom-pivelomany.
11. bor2lais ( 08/07/2010 16:46)
Miharena:

Raha ny fandraisako azy aloha dia ao anatin'ny tsirairay ny Fanahy Masina fa indraindray mitsilopy raha vao mitodika any ivelany ny olona fa tsy mamelona ilay Jiro ao anatiny, izay antom-pivelomany.


Ka mety maty ve ilay Jiro aloha sa tsia ?

Ary ahoana ny fandraisanao ny amin'i Saoly mpanjaka voalohan'ny Isiraely (talohan'i Davida) : nesorin'Andriamanitra taminy (araka ny voalazan'ny Baiboly) ny FanahiNY !
12. rijadolly ( 08/07/2010 17:22)
hoy rijadolly
Afaka miala amin' olona ary afaka mivery ny Fanahy Masina
Raha Fitiavana ilay Fanahy Masina dia tsy ho ao amin'ny olona mandrakariva ve Izy? Raha afaka mivery manko araka ny filazanao izy dia manjary toa milaza hoe tsy manana toetra Manome sy mitia tanteraka izany Izy fa mandeha rehefa tsy azoazoNy.
Aiza ho aiza ny hazavana ao anatin"ny tsirairay amin'izany?
Raha ny fandraisako azy aloha dia ao anatin'ny tsirairay ny Fanahy Masina fa indraindray mitsilopy raha vao mitodika any ivelany ny olona fa tsy mamelona ilay Jiro ao anatiny, izay antom-pivelomany
Mahazaka fanahy roa samy hafa ve ny olombelona? Ao antin' olona ve ny Fanahy Masina rehefa eo ampangalarana ny olona? Tena Fitiavana ilay Fanahy Masina ka izany no maha tonga azy mibitsika mangina raha eny ivelanao Izy nefa tsy hampandrosoanao.SAMOELA VOALOHANY 16 :11 Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto.12 Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo* izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.[Na: tendron-tava]13 Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin'ny rahalahiny; ary ny Fanahin'i Jehovah dia nilatsaka tamin'i Davida hatramin'iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama.14 Fa ny Fanahin'i Jehovah efa niala tamin'i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah nampahatahotra azy.15 Ary hoy ny mpanompon'i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any amin'Andriamanitra mampahatahotra anao.16 Aoka ny tomponay ankehitriny handidy anay mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady olona mahay mitendry lokanga izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any amin'Andriamanitra tonga aminao, dia hitendry amin'ny tànany izy, ka dia ho tsara ihany ianao.17 Ary hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Mizahà ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento ety amiko.18 Dia namaly ny anankiray amin'ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin'ny zanak'i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy.19 Ary Saoly dia naniraka tany amin'i Jese ka nanao hoe: Iraho hankat? amiko Davida zanakao izay miandry ondry.
Aiza ho aiza ny hazavana ao anatin"ny tsirairay amin'izany?
GALATIANA 5 : 22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
13. soanja ( 09/07/2010 00:44)


Te-hanokatra kely ity loha-hevitra ity aho satria maro ireo hira sy vavaka miantso ny fidinan'ny Fanahy Masina.

Mampametra-panontaniana izany satria moa ve ivelantsika tokoa ny Fanahy Masina? Rahoviana Izy no tsy ao anatintsika ka mila antsoina?

Raha miainga amin'ny maha-mpiray ao amin'ny Fanahy Masina ny Mpino, tokony mbola hitombona ve io fomba fiantso ny Fanahy io?



Miankina amin'ny tsirairay sy ny finoany tokoa izany.

Misy mihevitra fa olona i Andriamanitra any an-danitra any ary misy mihevitra fa Fanahy mitokana tsy mitambatra amintsika olombelona Izy ary ao ny mihevitra fa isan'ny mahaolona antsika Andriamanitra zany hoe ao anatintsika lalandava.

Raha ny finoako dia tsy aiza Andriamanitra fa manerana. Zany hoe Izy no mahamisy antsika, mameno ny tontolontsika ary mampiodina antsika: Vato, tany, rivotra, ala, afo, rano, aina, ra, sakafo, teny sns sns... ary ny fanahy tsapantsika mihetsika ao anaty mitaky fiderana sy fanompoana no mahatonga antsika mientana mampitambatra an'ireo ho IRAY ka manome ilay antso na bitsika aza. Zany hoe tsy mitokana Izy mihoatra amintsika fa IRAY ao amintsika n'aiza n'aiza. Amin'ny maha-olombelona antsika anefa dia misy koa ny fihetsem-po sy ny fihetsika izay mahatonga antsika hisaina toy ny biby. Hadinontsika Izy rehefa izay satria manjaka ny sinton'ny mahabiby izay matetika fitiavan-tena tafahoatra ka manimba ny hafa. Zany hoe raha tsorina dia ny FITIAVANA ifampizaranao amin'ny hafa sy ny tenanao mahasoa ny rehetra no manome ilay Andriamanitra satria iray ianao amin'ny hafa noho ny fifampizarana ao anaty tontolo izay tsy Iza fa Andriamanitra ihany.

Miantso Azy isika satria mitaky ny any anaty hampifandray ny tontolo misy sy ianao misy!
14. Miharena ( 09/07/2010 06:38)


Miharena:

Raha ny fandraisako azy aloha dia ao anatin'ny tsirairay ny Fanahy Masina fa indraindray mitsilopy raha vao mitodika any ivelany ny olona fa tsy mamelona ilay Jiro ao anatiny, izay antom-pivelomany.


Ka mety maty ve ilay Jiro aloha sa tsia ?

Ary ahoana ny fandraisanao ny amin'i Saoly mpanjaka voalohan'ny Isiraely (talohan'i Davida) : nesorin'Andriamanitra taminy (araka ny voalazan'ny Baiboly) ny FanahiNY !


Raha ny Baiboly no jerena dia milaza mihitsy izy fa avy amin'i Jehovah avokoa na ny fanahy ratsy na tsara araka ny voatanisa eo ambony hoe: "14 Fa ny Fanahin'i Jehovah efa niala tamin'i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah nampahatahotra azy.15 Ary hoy ny mpanompon'i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any amin'Andriamanitra mampahatahotra anao "

Izay no fahazoan'ny olona azy tamin'izany andro izany ka mitombona ihany ve io ankehitriny?

Raha atao hoe mitombona io fandraisana io, dia tsy misy afa-tsy fanahin'Andriamanitra izany fa ny iray mampatahotra ary ny iray mahery. Ka eo no mahavaka amin'ny fomba fieritreretana ny Devoly. Moa hafa tanteraka ve ity farany ity sa iray ihany ao amin'Andriamanitra ka afaka mifampiresaka izireo ahafahana mitsapa ny olona iray? (Tantaran'i Joba ohatra).

Lasa manana conception "dualiste de Dieu" isika raha vao mieritreritra izany.

Tsy any anefa ny resaka fa ny hoe afaka maty tanteraka ve ny Fanahy Masina ao amin"ny olona iray? ary ahoana i Saoly? Raha ny fandehan'ny tantara dia efa tian'Andriamanitra hifindra amin'i Davida ny fanjakana ka izany no nampitsilopy ny fanahin'i Saoly. Amiko tsy Andriamanitra no olana eto fa i Saoly izay tratran'ny fomba fihevitra hoe : izaho no mpanjaka koa nahoana no Davida no malaza satria nahafaty betsaka? Miendrika fialonana izany ka dia nitsilopy ny fanahiny noho izany. Fa ataoko fa tsy foin'Andriamanitra i Saoly satria mazava fa na dia efa teo am-pelatanan'i Davida aza ny ainy dia tsy novonoiny izy ary nahatsiaro izany Saoly taty aoriana. Davida eto dia mahazo tsara ny anton'ny nahatonga an'i Saoly nanao izao fihetsiny izao izay nataony fa avy amin'Andriamanitra avokoa ny zava-drehetra (na ny ratsy na ny tsara).

Fehiny: tsy maty ny Fanahy Masina ao amin'ny olona iray fa mitsilopy raha sendra tafajery ivelany izy fa tsy mahatsiaro tena.
15. Miharena ( 09/07/2010 06:54)



Ny Fanahy masina aloha dia tsy olona izay manadiso avy hatrany ny hoe olona fahatelo ao amin'ny Trinité.

Afaka faritanao ve ny tiana lazaina @ ny hoe "olona " aloha

Ohatran'i Jesoa niteny hoe "Zanak'olona" ny tenany


Raha ny fanontaniana momba ny olona angamba dia tsara aloha mijery ny fiandohan'ny olona izay mitovy endrika amin'Andriamanitra ao amin'ny Jenezy. Ka ilay teny hoe Zanak'olona dia mitombina tokoa amin'i Jesoa satria olona Izy no miteny amintsika eto. Fa ny fanahy kosa dia endrika iray ao anaty olona. Ny Fanahy Masina no maha-Iray antsika ao amin'Andriamanitra ary composanten'ny olona tsy azo lavina izany raha mifototra marina amin'ny Fiandohana na ny Loharano izy.

Hoy ny gasy hoe ny fanahy no maha-olona: raha izay no jerena dia tsy vatana fotsiny ny olona satria manana saina sy fanahy, izay no maha-olona azy.

Raha miverina amin'ny Trinité indray amiko dia mazava fa io no fiandohan'izao rehetra izao sy miasa ao anatin'ny olona izay mahalala Azy tsara.
16. bor2lais ( 09/07/2010 10:58)
Miharena:

Amiko tsy Andriamanitra no olana eto fa i Saoly izay tratran'ny fomba fihevitra hoe : izaho no mpanjaka koa nahoana no Davida no malaza satria nahafaty betsaka? Miendrika fialonana izany ka dia nitsilopy ny fanahiny noho izany. Fa ataoko fa tsy foin'Andriamanitra i Saoly satria mazava fa na dia efa teo am-pelatanan'i Davida aza ny ainy dia tsy novonoiny izy ary nahatsiaro izany Saoly taty aoriana. Davida eto dia mahazo tsara ny anton'ny nahatonga an'i Saoly nanao izao fihetsiny izao izay nataony fa avy amin'Andriamanitra avokoa ny zava-drehetra (na ny ratsy na ny tsara).

Misaotra amin'ny valinteny.

Iombonako ilay hoe i Saoly no olana, saingy ny tohin'ny tantara io voalazanao io (resaka fialonana an'i Davida sns) raha ny fahalalako azy, izany hoe efa nesoriNY tao amin'i Saoly ny FanahiNY (araka ny voasoratra) no nahatonga ireo rehetra ireo ... Raha ny fitadidiko azy dia resaka tsy fankatoavana ny TeniNY no fototra raha tsy diso aho. Izay vao nifidy an'i Davida Izy ...

Ny nahatonga ilay resaka Saoly teto moa dia noho ilay Jiro na Fanahy Masina : araka ny fijeriko azy dia nesoriNY tamin'i Saoly ilay Jiro ka lasa ny aizina no nanjaka tao aminy.
17. Miharena ( 09/07/2010 15:13)
Raharaha be ny mahazo ny olona raha toa ka fanapahan-kevitr"Andriamanitra avokoa ny fanamaizinana azy. Aiza ho aiza izany ny Mazava tiany hampitaina ny olona? Moa tsy toy ny endriny ve no nanaovany azy?

Tokony mbola hiverina any amin'ny tantara toa an'i Saoly ve isika amin'izao fotoana izao? Ary aiza ho aiza ny famindrampon'Andriamanitra raha lavo izay nombany?
18. bor2lais ( 09/07/2010 16:12)
Miharena:

Ary aiza ho aiza ny famindrampon'Andriamanitra raha lavo izay nombany?

Izaho indray amin'io aloha dia resy lahatra fa tsy misy ny famelan-keloka raha tsy misy ny fiaiken-keloka e !

Fomba fijeriko io a !
19. Miharena ( 10/07/2010 08:36)


[quote=Miharena]
Ary aiza ho aiza ny famindrampon'Andriamanitra raha lavo izay nombany?
[/quote=bor2lais]
Izaho indray amin'io aloha dia resy lahatra fa tsy misy ny famelan-keloka raha tsy misy ny fiaiken-keloka e !

Fomba fijeriko io a !


Raha ny fijeriko kosa dia mampisaraka ny olona matetika ny filaza fa raha ts ymiaiky heloka dia tsy afaka mihitsy ny hahazo famindram-po. Raha mijery an'i Saoly atazo ohatra dia misy zavatra mahatery azy fa mety tsy fanahy iniany no nanovany ny fihetsika rehetra izay nataony. Koa mila miaiky heloka ve izy raha ts yfanahy iniany izany?
Na i Jesosy aza dia niteny hoe tiavo ny fahavalonareo, koa Andriamanitra ve dia tsy hahay hitia na dia ratsy aza ny ataon'ny olona?
20. soanja ( 10/07/2010 09:26)




Na i Jesosy aza dia niteny hoe tiavo ny fahavalonareo, koa Andriamanitra ve dia tsy hahay hitia na dia ratsy aza ny ataon'ny olona?



Inoako fa Andriamanitra tsy mivavaka, mpanilikilika, mpanafay ary mpandringana no hinoan'ny maro eto.
Atao ahoana anefa fa izay no zakan'ny finoan'ny fanahiny ary tsy omena tsiny azy izany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1319