F'ahoana ireto mandehandeha TSIROAROA miseho mitory mitety tanà na ireto?
1. Mpanazava
(
17/06/2010 05:36)
Toy izao no voalazan’ny Soratra masina mahakasika ny asa fitoriana. Hoy I Jesosy : «Tsy maintsy mitory ny vaovao tsara any amin’ny Tanana hafa koa aho , fa izany no NANIRAHANA ahy» (Lioka 4:43) Nirahan’I Jehovah ety an-tany ny zanany mba ho modelintsika (1Pet.2:21) «Andao hanara-dia ahy « (Marka 10:21) sy «Raha misy te-hanaraka ahy, aoka … hanaraka ahy mandrakariva» (Lioka 9:23) Ny Mpitondra fivavahana ihany ve no tokony hanao izay nataon’ny Jesosy Mitory ny tenin’Andriamanitra sa fanasana ho ahy, ho anao ary ho an’ny Tsy an-kanavaka io fanasana eo ambony io?
Nataotao foana ve ilay mandeha tsiroaroa? Hoy ny soratra masina :» Ary nanendry fitopo lahy koa ny Tompo taorian’izany ka nairaka azy TSIROAROA hialoha azy eny ami’ny tanàna sy ny toerana izay mbola halehany. Di ahoy izy … Koa Mandehana! Maniraka anareo aho, ka ho toy ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia ianareo» (Lioka 10:1,3) Moa ve tsy fananarahana ny modely nomen’i Jesosy ilay fandehanana Tsiroaroa? Ny Mpanaradia azy tsy manao izany no mampalahelo!
Ary ilay isan-trano? «Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’I Kristy, izany hoe Jesosy, izy ireo isan’andro, na tao amin’ny tempoly na isan-TRANO» (Asa 5: 42) jereo koa ny Asa 20:20,21
Nandidy an’ireo tena mpanaradia azy I Jesosy mba hitory mandram-pahatongan’ny farany (Matio 24:14)
Tsy mba manao an’izany anefa ireo mihambo ho mpanara-dia an’I Jesosy. Tsy vitan’izy ireo izany, raha nymarina. Nahoana? Noho ny antony telo, fara fahakeliny: Voalohany, tsy afaka ny hitory zavatra tsy fantany izy ireo. Faharoa, tsy manana fanetren-tena sy herim-po ny ankamaroany,mba hiatrehana ny esoeso sy ny fanoheran’ny mpiara-monina. (Mat. 24:9; 1 Pet. 2:23) Fahatelo, tsy miasa amin’ny Kristianina anarana ny fanahin’ Andriamanitra.—Jaona.14:16, 17

novalian'i Miharena ny 08/07/2010 13:57
2. bor2lais
(
17/06/2010 12:40)
mpanazava:
Tsy mba manao an’izany anefa ireo mihambo ho mpanara-dia an’I Jesosy. Tsy vitan’izy ireo izany, raha nymarina. Nahoana? Noho ny antony telo, fara fahakeliny: Voalohany, tsy afaka ny hitory zavatra tsy fantany izy ireo. Faharoa, tsy manana fanetren-tena sy herim-po ny ankamaroany,mba hiatrehana ny esoeso sy ny fanoheran’ny mpiara-monina. (Mat. 24:9; 1 Pet. 2:23) Fahatelo, tsy miasa amin’ny Kristianina anarana ny fanahin’ Andriamanitra.—Jaona.14:16, 17
Ary sao dia ny fomba iainanareo ny finoanareo kosa no mbola tahaka ny tamin'ny 2000 taona lasa ! Sa tsy misy moa ilay "ankehitriny" aminareo ?
4. Ratoa
(
17/06/2010 19:32)
tsy ny TJ ihany no mbola mandeha mitory ry ika sy bor2. Ny kato sy ny prost koa mba manana ny tafika masina sy ny zaika be. ny silamo koa manao izany,ny boudhiste sns...
Amaliako ani mpanaza.
mpampianatra no asako, efa am-polotaonany. Mihatanora isantaona ny mpianatro. Izany hoe izaho miha antitra ka mitombo isan-taona ny elanelan-taonoko sy ny mpianatro. Mety ho zafikeliko izy ireo ankehitriny.
Mandra-kizao anefa dia tsy sahy miditra ny lakilasy aho raha tsy niomana, izany hoe raha tsy nanao préparation. Satria tsy maintsy zavatra marina sy ara-toetrandro (actuel) sy mitombona no tantaraina amin'ny ankizy ao. Ary misy mpianatra efa mba mahalala izay hampianariko koa ao.
Toa izay ny mitory.
Nentin'ny reniko ao tamin'ny vakansy teo. Ndeha hono aho mba hanao ny asam-bvhv kristiana sy hitory; tsy vitako izany hoy aho. Nahoana hoy izy? Tsy ampy ny fahaizako hoy aho ary marefo aho satria tsapako fa tsy matanjaka ampy handresena lahatra ny tsy mpino be dia be manerana ny Nosy ny finoako.
Mbola hatanjaka ianao hoy izy ary misy fiandoahany daholo ny zava-drehetra. Ka rehefa tonga ny andro dia hitsangana ianao.
Izay ilay izy ry mpanazava. ny zava tsy hay tsy ibitabitahana . Mila fahaizana sy hery sy tanjaka ara tsaina sy ara nofo daholo izay atao.
Izaho aloha miaiky ny fahazotoan'ireny olona mitory ireny, n'inoninona finoana toriany.

5. ikaretsaka
(
17/06/2010 23:59)
Le resaka "mandeha tsiroaroa" anie ry ratoa no resaka e..fa tsy le hoe nyatsy manao an zao de ny atsy tsy manao
6. rijadolly
(
18/06/2010 04:25)
Fisaorana hatrany ho an' Mpanazava mampatsiahy izay tokony ataon' tena Kristianina ho an' manodidina azy.
Eo amin' ilay fomba fitoriana indray dia samy manana ny teknikany izay hita fa haingana sy tena manome lanjany ilay voa afafy ny atoko tsirairay, satria isika dia efa voatsondrano fa hanao mafimafy kokoa noho ny AsaNY aza. Misy iraisako hevitra ny an' Bor2lais, tsy any amin' hoe tsy maintsy tsiroaroa ny mpitory, fa tekinika iray tsotra sady haingana ho an' izay tsy afa- manohatra io fampianarana io, izany akory tsy misakana an' Mpitory hanao tsaratsara kokoa hampandroso ilay Fitoriana noho ny teniNy fa hanao mafimafy kokoa aza isika. Ny tsy iraisako hevitra amin' Bor2lais kely dia ny fitenenana ny atokon ' ny hafa izay mahatohina kely na dia manandratra ny fomba fiasany aza i Mpanazava.
Tsy mba manao an’izany anefa ireo mihambo ho mpanara-dia an’I JesosyNy tena tian' Mpanazava tenenina eto kosa angamba dia ny hoe: Ireo izay Manao am- bava fotsiny ihany fa tsy manohy ny asaNy izay maha Kristianina azy. Fa raha io dia ohatrany voambango ao koa ny tenako, sy izay sahy milaza fa Kristianina rehetra.
Eo amin' ilay fomba fitoriana indray dia samy manana ny teknikany izay hita fa haingana sy tena manome lanjany ilay voa afafy ny atoko tsirairay, satria isika dia efa voatsondrano fa hanao mafimafy kokoa noho ny AsaNY aza. Misy iraisako hevitra ny an' Bor2lais, tsy any amin' hoe tsy maintsy tsiroaroa ny mpitory, fa tekinika iray tsotra sady haingana ho an' izay tsy afa- manohatra io fampianarana io, izany akory tsy misakana an' Mpitory hanao tsaratsara kokoa hampandroso ilay Fitoriana noho ny teniNy fa hanao mafimafy kokoa aza isika. Ny tsy iraisako hevitra amin' Bor2lais kely dia ny fitenenana ny atokon ' ny hafa izay mahatohina kely na dia manandratra ny fomba fiasany aza i Mpanazava.
7. Mpanazava
(
18/06/2010 08:14)
bord2lais
Ary sao dia ny fomba iainanareo ny finoanareo kosa no mbola tahaka ny tamin'ny 2000 taona lasa ! Sa tsy misy moa ilay "ankehitriny" aminareo ?
Anisan'ny ataon'ny fiangonana lehibe sasany ny mampaneno lakolosy fotsiny dia lasa mandeha any ny olona mihaino tori-teny, miseho amin'ny endriny maro koa io amin'izao fotoana izao. Fa ny fanontaniako dia izao, atao ahoana ary ireo izay tsy manana fahafahana amin'izany, ireo olona izay tsy mpivavaka mihitsy sy ny hafa? Resahan'i Jesosy tsara anefa hoe :" 3 Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao."(Jaona 17:3) Avelantsika ho very any ve ireny tsy mahafantatra ireny? Eto ary isika dia efa fanina satria avahan'ny Jesosy tsara izy sy Rainy eto nefa ampitovian'ny ankamaroan'ny olona. Mila mahafantantra an'Andriamanitra SY (misaraka tsara) Jesosy anefa isika.
8. Mpanazava
(
18/06/2010 08:36)
Izaho aloha miaiky ny fahazotoan'ireny olona mitory ireny, n'inoninona finoana toriany.
Vonjy aina io ary fitiavana ny mpiara-belona.
9. Ratoa
(
18/06/2010 16:42)
iombonako hevitra amin'i ridjadolly ity
Satria tsara kokoa ny roa noho ny iray (raha misy roa na telo hoy "Izy") ary tsara ny maro noho ny roa.
Mifanome hery izay miaraka ary eo an'ivon'izay miaraka "Izy" (ialy foto'kazo tena voaloboka io)
aza mba mandray antendrony (sic) toa ny sasany ihany !
tsy any amin' hoe tsy maintsy tsiroaroa ny mpitory, fa tekinika iray tsotra sady haingana ho an' izay tsy afa- manohatra io fampianarana io, izany akory tsy misakana an' Mpitory hanao tsaratsara kokoa hampandroso ilay Fitoriana noho ny teniNy fa hanao mafimafy kokoa aza isika.
Satria tsara kokoa ny roa noho ny iray (raha misy roa na telo hoy "Izy") ary tsara ny maro noho ny roa.
Mifanome hery izay miaraka ary eo an'ivon'izay miaraka "Izy" (ialy foto'kazo tena voaloboka io)
aza mba mandray antendrony (sic) toa ny sasany ihany !
11. rijadolly
(
20/06/2010 10:46)
Marina ny an' Ika, fa kosa azo angalana hevitra tsara amin' fisehon- javatra maro io.
Ohatra akaiky zo raha i Hery irery no ato dia e!e!e! soa fa misy an' Ika.

12. Ratoa
(
20/06/2010 11:44)
ninoninona atao ra ika, dia tsara foana ny roa noho ny iray: na hitory izany na hiomehy na hisakafo na hilalao na hiady hevitra. Sa avela eo ianao ra ika hiady hevitra irery amin'ny tenanao eo?
Raha misy manjo ny iray (ninoninona io manjo azy io), afaka manavotra azy ny faharoa . "Ny mamerina indroa manana ny antitra " hoy ny fitenenana. Amin'ny toerana sasany dia mandeha tsiroroa ny mpitory, fa aty aminay kosa, mandeha tsirairay ny TJ mitory satria vitsy an'isa izy ireo aty aminay.

13. Mpanazava
(
21/06/2010 08:42)
Matetika aloha ny TJ dia hoatr'izao

Misy anefa mandeha telo ary tafakatra efatra raha samy mitondra zanany kely ilay anakiroa tafaraka.

15. Ratoa
(
21/06/2010 11:20)
mpanazava a! amiko aloha dia mazava ho azy. Mty hiohatra izay aza raha sendra tafara-dalàna ny mpitory samihafa
16. ikaretsaka
(
21/06/2010 14:38)
Marina ny an' Ika, fa kosa azo angalana hevitra tsara amin' fisehon- javatra maro io.
Ohatra akaiky zo raha i Hery irery no ato dia e!e!e! soa fa misy an' Ika.
Fa tsy nisy naniraka mihitsy ahako hoe mandehana ialahy ra Ika dia tohano ze kozin-drahery. Eo na inona na inona , fa rehefahitako fa tsy mety ny ambarany de toheriko fa tsy hoe zahay sy lery 1 antokom-pivavahana de na inona na inona ataony de oueeeeee foana..non!
17. bor2lais
(
22/06/2010 09:22)
mpanazava:
Anisan'ny ataon'ny fiangonana lehibe sasany ny mampaneno lakolosy fotsiny dia lasa mandeha any ny olona mihaino tori-teny, miseho amin'ny endriny maro koa io amin'izao fotoana izao. Fa ny fanontaniako dia izao, atao ahoana ary ireo izay tsy manana fahafahana amin'izany, ireo olona izay tsy mpivavaka mihitsy sy ny hafa?
Amiko samy manana ny fomba fiasany amin'ny tsi11 ny Fanahy Masina. Tsy voatery ny fomba eritreretinao no handaitra amin'ny tsi11. Izany hoe tsy ny herinao na ny fisainanao akory no hampiova ny olona iray.
Raha ho an'ny olona tsy mpivavaka lazainao io ohatra dia mety ny mifanohitra amin'ny tanjona noheverinao no hitranga raha tsy mitandrina. Dia ho ahintsanao aminy ve ny vovoka amin'ny kapanao ?
Ny tiako lazaina dia ity : maro ny fomba fitoriana, ary tsy voatery ny manokatra Baiboly ihany akory fa na ny fihetsika sy ny fomba fiaina dia mety toriteny vita ary mety ahasarika ny olona hanaraka Azy ! Amiko manokana, ny fandinihana soratra masina dia mitaky fiomanana na fahavononana mialoha, ary io dia asan'ny Fanahy Masina.
Fomba fijeriko ihany anefa izay !
18. Ratoa
(
22/06/2010 14:54)
iombonako hevitraamin'i Bor2
raha ny olona milaza azy ho mpino sy mivavaka no miavona amiko; manitsakitsaka sy maneho fietsika sy fomba tahaka izany, dia sarotra amiko ny anaraka ny fivavahany, ninoninona izany- fivavahana izany.

19. Mpanazava
(
23/06/2010 10:19)
Amiko samy manana ny fomba fiasany amin'ny tsi11 ny Fanahy Masina. Tsy voatery ny fomba eritreretinao no handaitra amin'ny tsi11. Izany hoe tsy ny herinao na ny fisainanao akory no hampiova ny olona iray.
Marina ny voalazanao saingy ny vavolombelon'i Jehovah dia manetry tena tahaka an'i Jesosy izay vavolombelona mendri-pitokisana sy malina ary ireo Apostoly. I Jesosy izao nihaiky fa tsy ny olona rehetra nitoriany vaovao tsara akory no nanaiky azy daholo. Misy ireo vahoaka mafy loha izay tena nampalahelo sy nampitomany azy mihitsy satria tsy nety nahitsiny am-pitiavana (Lioka 19:41,42) www.baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=19&andininy=41-42&dika=
Hoy koa i Paoly :" Izaho namboly, i Apolosy nanondraka fa Andriamanitra kosa tsy nitsahatra mampitombo. Koa tsy ilay mpamboly na ilay mpanondraka no inona fa Andriamanitra izay mampitombo" (1 Kor 3:5-8)
Raha ho an'ny olona tsy mpivavaka lazainao io ohatra dia mety ny mifanohitra amin'ny tanjona noheverinao no hitranga raha tsy mitandrina. Dia ho ahintsanao aminy ve ny vovoka amin'ny kapanao ?
Ny Mpamboly dia tsy mahafantatra hoe iza no ho vanona ary iza no tsy hanjary amin'ny voa izay afafiny. Miaiky toy izany koa ny TJ rehetra. Miovaova ny toe-pon'ny olona, oharin'ny Jesosy amin'ny Tany (lonaka, be vato,ary misy tsilo) izany. Izany no mahatonga an'i TJ miverina manondraka izay nafafiny na Mpitory hafa mihitsy indray manao fambolena vaovao.
Ny tiako lazaina dia ity : maro ny fomba fitoriana, ary tsy voatery ny manokatra Baiboly ihany akory fa na ny fihetsika sy ny fomba fiaina dia mety toriteny vita ary mety ahasarika ny olona hanaraka Azy ! Amiko manokana, ny fandinihana soratra masina dia mitaky fiomanana na fahavononana mialoha, ary io dia asan'ny Fanahy Masina.
Iombonako hevitra aminao koa.
20. bor2lais
(
23/06/2010 14:03)
mpanazava:
Tsy mba manao an’izany anefa ireo mihambo ho mpanara-dia an’I Jesosy. Tsy vitan’izy ireo izany, raha ny marina.
mpanazava:
ny vavolombelon'i Jehovah dia manetry tena ...
Zany tokoa an !!