F'ahoana ireto mandehandeha TSIROAROA miseho mitory mitety tanà na ireto?
21. Mpanazava
(
23/06/2010 14:14)
Na ny fitoriana fotsiny dia efa fanetretena. Mampahery ilay fampanantenan'i Jesosy hoe :"Fa hahazo hery kosa ianareo rehefa tonga aminareo ny Fanahy Masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary any amin'ny faritra lavitra indrindra amin'ny tany ianareo" (Asa 1:8). Misy asa nankinin'i Jesosy tamintsika tsirairay. Tsy ho vitantsika io raha manambonin-tena isika.
répondu par daran le 12/07/2010 07:54
22. ikaretsaka
(
26/06/2010 14:23)
Ny fitoriana misy echange sy famelana ny olona hijoro @ maha izy azy sy ny fanekena izay maha izy azy izay no atao hoe fanetren-tena... fa tsy ny famoretana io olona io @ fahafahany hoe tsy maintsy manao ze takianareo aminy, sy ny fanamelohana io olona io fa mpanohitra ny tenin'Atra sns.... raha tsy mitovy @ fomba ataonareo ny ataony sy ny fombany... fanambonian-tena te hitovy @ Atra no ataonareo raha izay satria mandidy alohaNY
23. nameno
(
27/06/2010 14:16)
"Tsy ampy ny fahaizako hoy aho ary marefo aho satria tsapako fa tsy matanjaka ampy handresena lahatra ny tsy mpino be dia be manerana ny Nosy ny finoako."
Ny Fanompona an'i Jehovah tsy mila tambiny, na tanjaka , na atanorana sns.Matetika mantsy rehefa toriana ny vaovao Mahafaly ny olona iray dia io teny eo ambony io no valinteny azo,kanefa hoy aho tsy mila taona na hatanjahana na mila mandresy lahatra sns ny asa Fitoriana, rehefa mino ianao sy Manaiky fa Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany no tokony ho tompoina sy Toriana dia handrotsaka ny Fanahy Masina ao anatinao Jehovah ka hanendry ny vavanao mba ahay hitory ny Baiboly sy ampianatra izany @ olona rehetra

24. ikaretsaka
(
29/06/2010 17:50)
rehefa hajainao ny maha olona afaka ilay olona fa tsy terenao sy hozoninao izy rehefa tsy mitovy fijery aminao sy tsy mety resinao lahatra t@ "resaka fitoriana" nataonao taminy, fa navelanao Atra sy ny sitrapony hiasa t@ "fifanankalozana" nifanaovanareo
dia izay no fitoriana mandaitra indrindra
dia izay no fitoriana mandaitra indrindra
25. niryna
(
29/06/2010 21:28)
antony iray andehanana tsiroaroa dia maro ny fanontanian'ny olona izay mangetaheta an'ilay Atra no tiany hisy valiny,mety tsy mahavaly an'iny hianao fa mety ilay miaraka aminao no mahavaly azy,antony iray izay,misy fotoana mitolona ambavaka koa ny olona mizara ny tenin'Atra,indraindray misy hery tsy voasakanao irery io fa mila namana hianao miaraka mivavaka aminao,ilaina koa izany ny namana.Tsy ny fivavahana ihany anefa no toa izany fa zavatra maro mba hisiany ny hevitry ny maro mahataka-davitra na antony maro ihany koa
Toy izao no voalazan’ny Soratra masina mahakasika ny asa fitoriana. Hoy I Jesosy : «Tsy maintsy mitory ny vaovao tsara any amin’ny Tanana hafa koa aho , fa izany no NANIRAHANA ahy» (Lioka 4:43) Nirahan’I Jehovah ety an-tany ny zanany mba ho modelintsika (1Pet.2:21) «Andao hanara-dia ahy « (Marka 10:21) sy «Raha misy te-hanaraka ahy, aoka … hanaraka ahy mandrakariva» (Lioka 9:23) Ny Mpitondra fivavahana ihany ve no tokony hanao izay nataon’ny Jesosy Mitory ny tenin’Andriamanitra sa fanasana ho ahy, ho anao ary ho an’ny Tsy an-kanavaka io fanasana eo ambony io?
hi,hi
Nataotao foana ve ilay mandeha tsiroaroa? Hoy ny soratra masina :» Ary nanendry fitopo lahy koa ny Tompo taorian’izany ka nairaka azy TSIROAROA hialoha azy eny ami’ny tanàna sy ny toerana izay mbola halehany. Di ahoy izy … Koa Mandehana! Maniraka anareo aho, ka ho toy ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia ianareo» (Lioka 10:1,3) Moa ve tsy fananarahana ny modely nomen’i Jesosy ilay fandehanana[/'quote]
ka moa ve raha mizara ny tenin'Atra ao am-piasana izao aho dia izaho irery no mizara izany moa ve ho fahadisoana raha tsy misy namana ao? tsia angamba no valiny.
io fiarahana tsiroaroa io dia ny TJ ihany no tena manao an'io ka moa ve tena mizara ny tenin'Atra izay ao anatin'ny baibolin'ny kristiana tokoa ry zareo TSIA no valiny satria tsy mitovy ny an'ny kristiana ny baibolin-dry zareo.ka aza asiana olana ry mpanazava na mandeha tsi-2 na tsi 1 na tsi 10 aza ny olona.
[quote]
Tsiroaroa? Ny Mpanaradia azy tsy manao izany no mampalahelo![/'quote] dia mampalahelo izy izany aminao kanefa izy ireo tsy mahatsiaro mampalahelo izany,tandremo aoka tsy hitsara olona isika fa ny fatra izay amaharanao ny olona no amaharana anao koa a aoka etsy
[quote]
Ary ilay isan-trano? «Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’I Kristy, izany hoe Jesosy, izy ireo isan’andro, na tao amin’ny tempoly na isan-TRANO» (Asa 5: 42) jereo koa ny Asa 20:20,21
ifonako aloha fa tena madilo be ahy amin'ity TJ nao lava ity e,ampidirina ao an-trano izy tsy miala ao araha tsy afaka adin'ny fito,mandresy lahatra ny fivavahany.izaho aloha tsy azony fa manana ny finoako aho ary tsy matahotra ny mizara ny tenin'Atra ao anatin'ny baiboliko ka tsy sahy miverina ao amiko intsony izy ,saingy ilay fanomezanao soketa ny olona no mampalahelo,moa ve raha tsy mandeha mitety trano ny olona dia tsy ho voavonjy ny fanahiny?
raha tsy mandeha tsiroaroa koa ve izy dia tsy h0 tonga any am-paradisa ?
inona no tianao ahatongavana? satria ve izany no finoan'i mpanazava dia manasoketa ny hafa hianao sa mamporisika ny hafa anao izany(raha izay dia tsara ) fa raha manasoketa ny hafa dia aoka hitsahatra e.
Fizarana no ataontsika eto,ny finoanao tsy mitovy ny an'ny hafa ,zarao fotsiny,hafafazo fotsiny fa fantan'ny hafa ihany na marina na tsy marina(jereo ny Jaona 1:1-4 ao anatin'ny baibolina fa tsy mitovy ny anareo(TJ ) io ,maninona no misy esorina ny baiboly ka ny anareo ihany no lazaina fa marina,aoka le roa a
ka iza avy ireo lazainao fa mpanaradia azy aloha e,fa na ireo TJ nitory etsy sy ero aza anie mandeha tsiroaroa kanefa tsy mino an i kristy ho Atra e?
Nandidy an’ireo tena mpanaradia azy I Jesosy mba hitory mandram-pahatongan’ny farany (Matio 24:14)
ka raha tsy nomena anao ve ny fahalalana inona no arosonao eo,rehefa mino ilay nanome ny teny kosa hianao dia afaka mizara an'izany teny izany satria ny fonao mandray azy,mino azy ary mizara ny teny izay nomeny anao no tadiaviny fa tsy mila diploma vao afaka mizara ny tenin'Atra.
Tsy mba manao an’izany anefa ireo mihambo ho mpanara-dia an’I Jesosy. Tsy vitan’izy ireo izany, raha nymarina. Nahoana? Noho ny antony telo, fara fahakeliny: Voalohany, tsy afaka ny hitory zavatra tsy fantany izy ireo.
Asehoy ny manodidina anao ny fitiavana nomen'ilay Atra anao,na mino azy na tsia dia asehoy izany ary manana faharetana ho an'ireo izay tsy mino azy
Faharoa, tsy manana fanetren-tena sy herim-po ny ankamaroany,mba hiatrehana ny esoeso sy ny fanoheran’ny mpiara-monina. (Mat. 24:9; 1 Pet. 2:23)izany ve,dia mitsara avy hatrany ny hafa kosa mpanazava izany .Tsy aleo ve tsy miteny toy izay mitoriteny kanefa diso no lazainy. TJ ihany io satria avy amin'io no betsaka mandeha tsiroaroa,mahay tenin'Atra kanefa tsy mino an'i kristy ho Atra dia aleo hijanona fa hiverina any aminao izay milaza mahay kanefa manoro vohana ny hatezeran'Atra
Zarao izay fantatrao fa raha izaho aloha dia tsy ho variana hitsikera izay mahay na tsy mahay izany e,taiza no nahafantarako fa tsy manana fanetrehantena izay ireo,ary tsy ny herin'ny tenantsika no anaovana izany fa ilay Atra nanome hery ho antsika,Izy foana jerena woa,manao asa soa aho ho an'ilay Atra,mampianatra ny tenin'Atra aho ho fiderako an'Atra
Raha ny tenantsika foana,foana no jerentsika sy hiamboamboantsika dia manao an'Atra tsy misy isika.Ataoko ity ho an'Atra,zaraiko ity ho fidierako azy.Raiso izay omen'ny olona dia anjaranao no manary izay tsy misy,aza batina izy,aza tsaraina izy fa samy mbola mianatra avokoa isika rehetra,raha mbola tsy tonga ao aminy ny fanetre-tena dia mbola eo an-dalana izy izany ka avelao izy hianatra ok
Fahatelo, tsy miasa amin’ny Kristianina anarana ny fanahin’ Andriamanitra.—Jaona.14:16, 17
hi,hi rehefa aiza ny fanahin'Atra no tonga rehefa tsy mino ny Zanany ,izaho sy ny Raiko dia iray ihany dia tsy ahazo ny fanahin'Atra ka,ka izay nangataka ny Rainy aza tsy hinoana koa fanahy inona no ho tonga ao ,ha,ha
28. Mpanazava
(
06/07/2010 08:55)
Hoy Ikaretsaka
F'angaha efa nisy nanao an'ireo toetra ireo an'Ikaretsaka? Izay vao azoko. Nisy fotoana aho nampianatra olona baiboly, Mandohalika eo anolohan'ny sary vongana izy rehefa mivavaka. Rehefa tonga teo amin'ny hevitr'i Jehovah mahakasika ny sary ilay fianarana ka fantany fa hoy ny baiboly hoe " Tsy hanao sarin-javatra voasikotra ho anao... Tsy hiankohoka eo anatrehan'ireny" (Ekso 20:4,5 katolika) sy ny hoe " Aza manangan-tsary voasikotra..."(Lev 26:1) dia hoy izy. Izaho aza forcenanareo hanaraka izay lazainareo. Fa iza no mandidy eto, ilay mpitory izay fitaovana fotsiny ve sa iJehovah? Rehefa nohazavaiko taminy izay lazain'ny Baiboly ny hihafaran'izay mpanao an'ireo dia lazainy fa izaho indray no manozina azy!! Mitovy amin'Ikaretsaka. Ny andry Nirina indray angamba tsy fantako raha diso aho ilay manao hoe "Aza mampiditra an'ireny Mpitory ireny an-trano fa..." Ireny no tena manery ny olona ao aminy tsy hahafantatra ny tena marina. Hoy i Jesosy:" Lozanareo ry Mpanora-dalana sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anolohan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra, ka ianareo tsy miditra, ary izay miditra tsy avelanareo hiditra" (Matio 19:13) Fantako fa hoy indray Ikaretsaka eto hoe izaho izao no manozona fa tsy i Jesosy!!!
famoretana io olona io @ fahafahany hoe tsy maintsy manao ze takianareo aminy, sy ny fanamelohana io olona io fa mpanohitra ny tenin'Atra sns....terenao sy hozoninao izy rehefa tsy mitovy fijery aminao sy tsy mety resinao lahatra t@ "resaka fitoriana" nataonao taminy
F'angaha efa nisy nanao an'ireo toetra ireo an'Ikaretsaka? Izay vao azoko. Nisy fotoana aho nampianatra olona baiboly, Mandohalika eo anolohan'ny sary vongana izy rehefa mivavaka. Rehefa tonga teo amin'ny hevitr'i Jehovah mahakasika ny sary ilay fianarana ka fantany fa hoy ny baiboly hoe " Tsy hanao sarin-javatra voasikotra ho anao... Tsy hiankohoka eo anatrehan'ireny" (Ekso 20:4,5 katolika) sy ny hoe " Aza manangan-tsary voasikotra..."(Lev 26:1) dia hoy izy. Izaho aza forcenanareo hanaraka izay lazainareo. Fa iza no mandidy eto, ilay mpitory izay fitaovana fotsiny ve sa iJehovah? Rehefa nohazavaiko taminy izay lazain'ny Baiboly ny hihafaran'izay mpanao an'ireo dia lazainy fa izaho indray no manozina azy!! Mitovy amin'Ikaretsaka. Ny andry Nirina indray angamba tsy fantako raha diso aho ilay manao hoe "Aza mampiditra an'ireny Mpitory ireny an-trano fa..." Ireny no tena manery ny olona ao aminy tsy hahafantatra ny tena marina. Hoy i Jesosy:" Lozanareo ry Mpanora-dalana sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anolohan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra, ka ianareo tsy miditra, ary izay miditra tsy avelanareo hiditra" (Matio 19:13) Fantako fa hoy indray Ikaretsaka eto hoe izaho izao no manozona fa tsy i Jesosy!!!
29. ikaretsaka
(
06/07/2010 11:09)
Ho'zy ilay olomasina izay hoe. mefiez vous des hommes qui ne jurent qu' a partir d'un seul livre"
Ny tokony hataon'i mpanazava aloha dia ny mandio saina (tabula rosa) izany hoe sans prejuges mihitsy aloha hoe fa maninona ireny olona ireny no manao anzany de iza no tena fariseo eto? Le nisy efa ho 2000 taona mahery sa le nipoitra tampoka tsy ampy 200 taona akory izay ka ni wawawa taminao de naha raikitra anao...

30. Miharena
(
08/07/2010 13:57)
mpanazava:
Tsy mba manao an’izany anefa ireo mihambo ho mpanara-dia an’I Jesosy. Tsy vitan’izy ireo izany, raha ny marina.
mpanazava:
ny vavolombelon'i Jehovah dia manetry tena ...
Raha mihambo araka ny filazanao azy dia marina tokoa. Satria ny olona mihambo dia tsy azo lazaina fa manam-pitiavana hizara fa finaritra ny hiteny hoe ny anay no marina dia mankanesa aty aminay.
Zany tokoa an !!