Fivavahana miaro politika

21. Mpanazava ( 17/06/2010 06:03)
Hoy i bor2lais:


Ny fiandaniana amin'ny voan'ny tsindry hazo lena sy ny tsy rariny ve midika fanaovana politika sa tsia ?


Tsara fipetraka ilay fanontaniana fa misaotra. Matetika amin'ny fitondrana na fanaovana politika no ahitana fa hiaran'ny tsindry hazo lena sy ny tsy rariny ireo tsy mitovy fijery amin'ny Mpitondra. Tokony hiandany amin'ny antokom-politika ve ny mpitondra fivavahana na ilay mpanindry hazo lena izany na ilay voan'ny tsindry hazo lena? tokony hifidy ve izy ireo?
22. bor2lais ( 17/06/2010 08:53)
mpanazava:

Tsara fipetraka ilay fanontaniana fa misaotra. Matetika amin'ny fitondrana na fanaovana politika no ahitana fa hiaran'ny tsindry hazo lena sy ny tsy rariny ireo tsy mitovy fijery amin'ny Mpitondra. Tokony hiandany amin'ny antokom-politika ve ny mpitondra fivavahana na ilay mpanindry hazo lena izany na ilay voan'ny tsindry hazo lena? tokony hifidy ve izy ireo?


Raha ny fahazoako azy, nandritra ny fiainaNY teto an-tany dia niandany hatrany tamin'ny voan'ny tsindry hazolena sy ny tsy rariny ary ny voahilikilika teo amin'ny mpiara-monina Kristy. Izay no nahatonga ahy nametraka ilay fanontaniana : fanaovana politika ve izany ? Na eny na tsia ny valiny, koa satria Izy no modely (araka ny ambetin-dresakao ihany koa), araka ny hevitro, dia tokony hanao tahaka izany koa ny Kristiana. Izay ny "fond".

Ny fombafomba na "forme" fanatanterahana izany indray zavatra hafa amiko ! Amiko mantsy io fanontaniana napetrakao io dia resaka "forme" amiko fa tsy dia "fond" loatra !

Fomba fijeriko ihany anefa izay !
23. Mpanazava ( 17/06/2010 10:28)

Ny fiandaniana amin'ny voan'ny tsindry hazo lena sy ny tsy rariny ve midika fanaovana politika sa tsia ?


Tsara ilay fanontanianao sady afaka homoahana fomba fianinana safidintsika.Misy fomba roa azo hamaliana azy io. Ny zava-misy aloha matetika dia iharan'ny tsindry hazo lena sy ny tsy rariny ireo tsy mitovy fihevitra amin'ny mpitondra. Tokony hiandany amin'ny atsy na aroa ve mpitondra fivavahana?
24. Mpanazava ( 24/06/2010 09:05)
Hoy zaho

Matetika amin'ny fitondrana na fanaovana politika no ahitana fa hiaran'ny tsindry hazo lena sy ny tsy rariny ireo tsy mitovy fijery amin'ny Mpitondra.

Hoy i Bor2lais

Raha ny fahazoako azy, nandritra ny fiainaNY teto an-tany dia niandany hatrany tamin'ny voan'ny tsindry hazolena sy ny tsy rariny ary ny voahilikilika teo amin'ny mpiara-monina Kristy... araka ny hevitro, dia tokony hanao tahaka izany koa ny Kristiana.

Tsy haiko aloha raha diso aho fa ianao izany miandany amin'izay voan'ny tsindry hazo lena foana hatrizay. Ohatra izao hoe tamin'ny andron'ilay lazaindry zareo hoe "dada" dia niandany tamin'ilay lazaindry zareo hoe "zandry kely" ianao satria niaran'ny tsy rariny izy. Rehefa tafakatra indray ohatra zandry kely ka hiaran'ny tsy rariny indray ry "dada sy ny dadaben'ny sasany" dia miandany amin'izy ireo indray koa ianao dia hoatr'izany foana hatrizay. Mampalahelo fa lasa toy izao no ataon'ireny Mpitondra fivavahana na ireny kristianina ireny matetika:

Nefa tokony hifankatia toy izao:

25. bor2lais ( 24/06/2010 13:02)
Mpanazava >

Ny olana amin'ny resakao dia toa efa manana lasitra ny antsoina hoe politika ianao ka raha vao miteny hoe manao politika dia ry "dada" na "zandry kely" no tonga ao an-dohanao avy hatrany, izany hoe resaka antoko politika izay MIFANDRAFY.

Ny ahy indray anefa tsy any ny andefasako ny resaka : amiko ilay antsoina hoe fiandaniana dia ny filazana ny tsy mety. Tsy fihetsika Kristiana amiko ny mijery arina an-tava : famporisihina (an-kolaka) hanohy ny tsy mety ny fijerena arina an-tava, izany hoe tsy fitiavana !

Amin'ny fanehoana fitiavana azy, dia mila fitandremana io fitenenana ny tsy mety io satria samy manana ny mora mahatsindrona azy ny tsi11. Ary eo dia mazava ny torolàlana nomen'i Jesoa : misy ny dingana arahina. Ny fanarahana izany dingana izany dia ny tsy mba isian'ny fanalana baraka : tsy fihetsika Kristiana amiko ny mifanala baraka !

Eo amin'io fomba fitenenana io raha tsy mitandrina mantsy no lasa miteraka fifandrafiana fa tsy fifankatiavana intsony.

Alohan'ny itondranao ny resaka eny "an-tsena" dia tokony mba efa nisy ny fifanatonana mangingina ohatra.

Izay ny ahy ny fomba fijery ny antsoina hoe Kristiana manao "politika" !
26. Miharena ( 03/07/2010 06:27)
Sarotra ny resaka politika ankehitriny satria ny olona mihitsy no manisy hevitra mibirioka ilay teny. Lasa any amin'ny lafiny ratsy hatrany ny fandraisana ny teny hoe Politika ary matetika aza ny fivavahana no manamavo io teny io, satria izay olona tonga ao amin'ny fitondrana dia tsy afaka mahafehy ny tanjona tokony hotratrariny ho amin'ny fitantanana ny vahoaka hatrany.
Hevitra mifamahofaho sy mifanipaka etsy sy eroa no hita mitranga. Raha tena dinihina dia hevitra miefitrefitra fotsiny ihany ilay izy dia tsy hita intsony izay aleha.
Koa raha miteny hoe tokony hifangaro ve ny fivavahana sy ny politika dia hoy aho hoe ny fivavahana dia fikatsahana ny fiainana an-Doharano ary fomba fiaina fa ny politika dia fikatsahana ny hahasoa ny fiaraha-monina. Raha fijery ivelany dia tokony tsy hifangaro izany fa raha ny fomba fijery anatiny dia tsy misaraka ny fomba fiaina sy ny fomba fitantanana ara-politika. Koa izay mpanao politika tsy mahomby dia ireo izay tsy mahafehy tsara ny fomba fiaina ara-panahy entina mitondra ny vahoaka.
Raha toa ka entina hahazoana tombontsoa ho an'ny tena (Egoisme) fotsiny ny anaovana politika dia tsy mifanentana amin'ny fivavahana izy fa raha toa kosa tombontsoa ho an'ny maro miharo fifankatiavana sy fifanolorantanana dia mifangaro tsara izy. Na izany na tsy izany dia miaina ao anaty samboaravoaran-kevitra maro isika na ny fivavahana fotsiny aza. Koa raha ny tokony ho izy dia mila ihoarana avokoa aloha ireo rehetra ireo dia mahita tsara avy eny ambony ny tsirairay dia tokony hahita hoe mankaiza izany lalantsika izany fa tsy ho varians fotsiny hitsikera fa milaza sy mampitandrina izay manam-panahy.
27. fhmr ( 11/07/2010 10:24)
jaona 13: 35 . Porofo ny maha mpanaradia an'i kristy ny fitiavana. Raha mampifankatia ny politika dia azo atao zany, raha voaporofo kosa fa mampikorontana ny mpiara-mivavaka, d anjarantsika ny manontany tena hoe tanteraka ve lé jaona 13: 35 @ fanaovako an'ity zvt ty?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0073