Fivavahana miaro politika

1. Mpanazava ( 03/06/2010 05:14)
Voalaza matetika tato ho ato ny fitsabahan'ny mpitondra fivavahana samihafa amin'ny politika. Araka ny hevitrareo tokony hanao izany ve izany ny tena Kristianina?


http://www.watchtower.org/mg/kn37/article_01.htm
répondu par fhmr le 11/07/2010 10:24
2. hery ( 03/06/2010 06:42)
Ny didy lehibe napetrak'i Kristy ho an'ny Kristiana dia hoe "Tiavo ny namanao". Fitiavana no fototra. Ka raha fitiavana marina tokoa no manentana hiditra amin'ny politika dia amporisihana aza ianao amin'izany.
Tadidinao ny tantaran'ilay Samaritanina tsara fanahy? Ilay nisy olona naratra mafy... dia nandalo ny mpitondra fivavahana sy ny mpanora-dalàna fa niala bala satria angamba maika hivavaka. Fa ilay Samaritanina kosa nitondra azy tany amin'ny mpitsabo sy nahafoy harena mihisy hikarakarana azy.
Dia hoy Kristy namarana ilay tantara hoe, izany no fitiava-namana.
Koa tsy hoe azo atao fa adidin'ny Kristiana mihitsy, noho izany, ny manavora ny fireneny sy mitia ny mpiara-belona aminy amin'ny fomba rehetra, eny hatramin'ny fanaovana politika. Adidin'ny Kristiana ny mitondra ny tenin'ireo izay tsy afaka miteny, ireo ampahoriana. Tadidio fa na i Kristy aza dia nanohitra izay hitany tsy nety teo amin'ny fiaraha-minina nisy azy... ary novonoina moa izy satria nanelingelina loatra izany.

Farany. Ny hoe manao politika akory dia tsy voatery hoe miditra amin'ny antoko fa kosa manaraka tsara ny zava-misy eo amin'ny firenena ary mijoro ho vavolombelon'ny fahamarinana hatrany na iza na iza mitondra
3. soanja ( 03/06/2010 16:28)
Ilay hevitra hoe "Fitsabahana" dia midika hoe miditra amin'ny zavatra tsy tokony hidirana na mahazatra.

Raha io no entina hitondrana ny resaka dia mazava ho azy fa tsy dia tsara izany.

Miankina lalandava amin'ny foto-kevitra ijoroan'ny tsirairay ifandraisany amin'ny finoany. Ny mission ny fikambanana na vondron'olona na hafa mifandray amin'ilay finoana no mahatsara ny idirana na tsia ny raharaham-pirenena ara-politika. Satria ny fiainana rehetra dia politika avokoa, na ny fiangonana aza. Mila jerena lalandava hoe inona no tiantsika hita amin'ny maha-Kristianina ao anaty fikambanana/ fiangonana antsika, ahoana no anehoantsika azy amin'ny maha olompirenena antsika? Mety hitondra aiza izay ezaka izay?

Koa amiko dia raha tsy mifototra amin'izany ny lalam-panorenan'ny fikambananao/ fiangonananao/ vondronao dia aoka tsy hitsabaka tokoa. Fa raha toa kosa manentana anao ny mahaolona anao/ tsirairay dia aza milaza izany ezakao izany amin'ny alalan'ny fikambananao na ny fiangonanao fa raiso ho andraikitrao samirery izany. Izany rehetra izany mantsy dia efa midika fa manao politika ianao, ary manao politika koa ny fikambananao.

Raha ny amiko na Kristianina aho na Bodista na Silamo dia miaina ao anaty fiaraha-monina aho. Inona no rariny sy hitsiny najoron'ilay fiaraha-monina iainako. Inona no hitako mifanaraka amin'ny finoako? Dia izay no ijoroako!

Izay fikambanana hitako fa manao mpitaribato mivilam-bava ny mpitondra dia aoka aho hanalatena amin'izany fa ny mahaolona ahy - fahamarinana, filofosana ary fahafahana- kosa no voalohany homeko lanja satria izay no maha-olon'Andriamanitra ahy!
4. ikaretsaka ( 04/06/2010 17:02)

Amiko dia ilay "politika" mihitsy aloha no tsara faritana sy azo aloha !
satria mantsy raha ilay dikany ao anaty diksionera sy teny fototra hoe "fitondrana olona" dia amiko dia mpitondra olona koa ny mpivavaka, @ resaka fanasoavana (na ara-batana izany na ara-panahy) amin'ny maha mpikambana azy ao @ "fiaraha-monina"

Vokatr'io ohatra, raha misy tsy mety ao @ fiaraha-monina, na eo amin'y fitantanana izany, araka io nolazain'i hery io', dia amiko dia ZO sy ANDRAIKITRA ny milaza ankitsirano ny mitolila.

ny hoe politika 'antoko' sns... indray resaka hafa

5. niryna ( 06/06/2010 23:09)


Voalaza matetika tato ho ato ny fitsabahan'ny mpitondra fivavahana samihafa amin'ny politika. Araka ny hevitrareo tokony hanao izany ve izany ny tena Kristianina?


http://www.watchtower.org/mg/kn37/article_01.htm

ka na ilay website omenao aza dia efa mandrara ny finoanareo tsy andefa ny olona hanao miaramila koa inona no olana aminao amin'izany?
io watchtower.org io dia an'i Temoin de Jehovah,ry zareo tsy mandray anjara amin'ny ady fa avelany samy ho maty eo ny olona,tsy manome ra ny fianakaviana fa avelany ho dangy eo.Tsy mino an'i kristy ho Atra fa mino azy ho zanak'Atra,manova ny baiboly ho diso ary manao ny baiboliny ho marina.Miezaka mandresy lahatra ny olona anaraka ny fotom-pinoany kanefa tsy manome lanja an'i kristy ho Atra.
Ka raha ny mpitondra fivavahana izany no asianareo teny dia mazava ho azy fa tsy anaraka ny eritreritr'ireo mpitondra fivavahana hianareo indrindra moa tsy mitovy finoana aminareo.
Indro kely ny ahy ireo satria efa manambara avy hatrany hianareo fa tsy mandray anjara amin'ny raharaham-pirenena ka tsy androtsaka na amela ny zanakareo anao miaramila hiady ny tanindrazana velively hianareo satria izay no anisany fotom-pinoanareo.
Noho izany dia tsy manana ambara aho fa avelao ny tantara no hitsara na hirotsaka anao politika izy ireo hiaro ny tanindrazany na avela anao ny tsindrihazolena ireo izay manana fahefana ka dia hiatso vonjy amin'Atra mba hamonjy ny tanindrazana Izy
araka ny tenin'ireo namana eo ambony ireo dia raha resaka fitsabahana dia mandiso hevitra izany satria tsy misy afaka hitsabaka ny tokantranon'ny olona roa izao ny olona na fianakaviana io na ny hafa ,ka raha izay no tianao tenenina dia mitovy ny tenin'i soanja koa aho aza mitsabatsabaka ny raharan'ny hafa
6. Mpanazava ( 08/06/2010 06:50)

Tsy mino an'i kristy ho Atra


io aloha angamba hors sujet sady tsy TJ no niteny anao an'io fa mety henonao t@ olona angamba. Nefa raha mahita andinin-teny ahitana an'i Jesosy milaza ny tenany ho Andriamanitra ianao dia mba lazao fa mahaliana.


tsy mandray anjara amin'ny ady

Raha nilaina ny ady dia ara-drariny ny nana-pahan'ilay Apostoly ny sofin'ilay nisambotra an'i Jesosy mba hiarovany azy. F'angaha tsy zava-dehibe noho ny tanindrazana i Jesosy nefa tadidinareo ve ny nolazainy?
Nanambara toy izao ny mpitondra fivavahana fanta-daza iray mba hiarovany ny tanindrazany : «Tsy maintsy vonoina ny mpampihorohoro mba tsy hamonoany olona intsony.» Inona no soso-kevitra nomeny? «Aringano amin’ny anaran’ny Tompo izy rehetra», hoy izy. Ny Baiboly kosa anefa milaza hoe: «Raha misy manao hoe: ‘Tia an’Andriamanitra aho’, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy.» (1 Jaona 4:20) Nilaza mihitsy aza i Jesosy hoe: «Tiavo foana ny fahavalonareo.» (Matio 5:44) Firifiry anefa ny fivavahana mandray anjara amin’ny ady!
Fa tsy anti-Kristy ve izay manohitra an'izay lazain'i Jesosy?

7. ikaretsaka ( 08/06/2010 13:54)
1) ilay teny hoe " ady" angamba no hitako ho mampifanipaka be ny hevitra eto. Satria ny 1 mihevitra fa ady= herisetra, ankasoparana,gidragidra...moa ny 1 mandika ilay izy hoe ady= tolona tsy maintsy lalovana anehoana sy hahatratrarana tanjona sy cas.

Ao @ baiboly izao mantsy toa betsaka ihany ny resaka "ady" ao... izay miompana @ resaka fiarovana ny "maha anao Anao sy ny tany nampanatenaina sy ny ho avin'ny taranaka" ary misy clash na hery 2 foana ao manomboka hatrany @ genesisy ka hatrany @ pokalipsisy

Ka tsara angamba raha atao mitovy aloha ny diksionera izay vao midita lalina fa ny 1 cle de sol moa ny 1 cle de fa...?
8. soanja ( 09/06/2010 02:58)


[quote]
Tsy mino an'i kristy ho Atra


io aloha angamba hors sujet sady tsy TJ no niteny anao an'io fa mety henonao t@ olona angamba. Nefa raha mahita andinin-teny ahitana an'i Jesosy milaza ny tenany ho Andriamanitra ianao dia mba lazao fa mahaliana.






Izay vao nivaly ny fanontaniako elabe napetrako tamin'ny Mpanazava.

Eto no miseho ny olona ara-baiboly hoe iza no manana ny marina raha ny fotokevitra ara-piangonana no entina inoana?

Mazotoa daholo ary!
9. fijo ( 09/06/2010 21:12)
raha ilay "fanaovana"politika,araka io voalazan'i hery io,dia mety amin'ny mpino,raha ny fijeriko azy.
fa raha ny "fanafangaroana ny finoana sy ny politika"toa ilay hoe tsimaintsy miangona ny alahady,sy hoe tsimaintsy asiana fotoam pivavahana alohann'y fivoriann'y minisitra sns,dia hoy aho hoe ,ndana mamaky boky.
na koa hoe "mamporisika"zazakely handray fahefana,dia mangina tsy heno intsony rehefa avy eo na,misy faty olona aza.aleo mamaky boky
10. Mpanazava ( 10/06/2010 05:34)
Milaza ny baiboly fa natao ho "MODELY" i Jesosy, "MBA HANARAHANTSIKA TSARA NY DIANY" (1Petera 2:21)
Tsy niditra tamin'ny adilahy politika na adin'ny miaramila mihitsy ireo mpianany tamin'ny Taonjato voalohany. Nikomy tamin'ny Kaisara ny jiosy tany Jodia, tamin'ny taona 66. Nanodidina an'i Jerosalema haigana ny tafika romanina. Inona no naton'ireo Kristianina tamin'io tanàna io? Tadidin'izy ireo ilay torohevitr'i Jesosy hoe tokony hiala tao izy ireo. Nandositra izy ireo mba hiampita ny Ony Jordana mba ho any amin'ireo tendrombohitr'i Pela, rehefa niala vetivety ny Romanina.( Lioka 21:20-24) Tsy izany ve no tokony ho modely ho antsika?
Raha misy kistianina ohatra hoe Katolika manao miaramila any amin'ny firenena iray, ary misy toy izany koa any amin'ny firenena hafa. Raha mifanandrina ireo firenena ireo tsy hifamono ve ilay samy Katolika? Izany ve ny baikon'ny Kristy? Mampalahelo fa efa nisy toy izany t@ ady lehibe nifandimby t@ tantara. Mampieritreritra!
11. fijo ( 10/06/2010 21:32)
raha izay indray,dia mijery arina an tava ke tsy mety.olombelona ny mpino,ka mba manana ny anjarany koa izy amin'ny fanatsarana ny fiarahamonina misy azy.ary manana adidy izy amin'izany,saingy le ao amintsika,efa ampidirina tafahoatra ilay finonaa,ka izay no tsy mampety azy
12. Mpanazava ( 11/06/2010 11:08)



.olombelona ny mpino,ka mba manana ny anjarany koa izy amin'ny fanatsarana ny fiarahamonina misy azy.ary manana adidy izy amin'izany


Tsy izay ve lay hoe "Aloavy an'i Kaisara izay an'i Kaisara, ary an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra"?
Fa ny olana dia izao, raha mamporisika ny mpino iray hanao zavatra mifanohitra amin'ny tenin'Andriamanitra ny firenena (Mpitondra, na i Kaisara) iza no homena fankatoavana? dia mipetraka lay hoe

Temoin de Jehovah,ry zareo tsy mandray anjara amin'ny ady
13. Mpanazava ( 11/06/2010 11:27)

tsy manome ra ny fianakaviana fa avelany ho dangy eo

io koa angamba hors sujet. nefa misy ahitsiko kely : Tsy manome ra ny fianakaviany satria MIFADY NY RA. Mitady ny fomba rehetra tsy ampiasaina ra izy ireo. Mahaliana tokoa izay lazain'ny baiboly momba azy io :" Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra entana mavesatra ho anareo afa-tsy izao ZAVATRA TSY MAINTSY HOTANDREMANA izao ihany: dia hifadiananareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny RA sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana... dia ho soa ianareo" (Asa 15:28,29)


manova ny baiboly ho diso ary manao ny baiboliny ho marina.

Mbola hors sujet na MIVONA koa io fehezan-teny io. Efa manana ny technologie avo lenta isika izao ka afaka maka baiboly dika tranainy kokoa @ teny hebreo sy Grika. Ampitovio amin'izay ao ny baibolinao dia araho tsara ny tsipelina.

14. ikaretsaka ( 13/06/2010 11:50)
Ka inona ny "sampy" hidiran'ilay manome ra (transfusions) eto ry mpanazava?
15. Mpanazava ( 14/06/2010 10:41)

Ka inona ny "sampy" hidiran'ilay manome ra (transfusions) eto ry mpanazava?

Miavaka tsara ila sampy sy ny Ra ary fijangajangana eto nefa samy tokony ho fadiana. Mitovy amin'ny mijangajanga sy manompo sampy ihany ny olona tsy mifady Ra eto eo imason'Andriamanitra satria masina ny Ra ary ao amin'ny Ra no misy ny aina. Jereo tsara.

ny hena aterina amin'ny sampy sy ny RA sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana
16. hery ( 14/06/2010 10:58)
Io indrindra nefa ilay izy

rà = aina

Manome rà = manome aina

17. Mpanazava ( 14/06/2010 11:04)

Manome rà = manome aina

Iza no tokony hanome an'izany?
18. hery ( 14/06/2010 11:15)
Izay manana. Iza no manome mofo?
19. Mpanazava ( 15/06/2010 05:43)
Ny mofo azo hohanina ary eken'Andriamanitra ny hihinanatsika azy, na i Jesosy aza nanome izany, ary ny Ra ve mba toy izany? tsy aleo ve nanao vampir raha izany?
20. bor2lais ( 15/06/2010 09:44)
mpanazava:

Voalaza matetika tato ho ato ny fitsabahan'ny mpitondra fivavahana samihafa amin'ny politika. Araka ny hevitrareo tokony hanao izany ve izany ny tena Kristianina?

Ny fiandaniana amin'ny voan'ny tsindry hazo lena sy ny tsy rariny ve midika fanaovana politika sa tsia ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0771