Tsy handalo fahafatesana mihitsy.

1. Mpanazava ( 29/04/2010 12:03)
Raha ny tantara no jerena dia efa nisy olona tsy nandalo fahafatesana niditra toa amin'ny tontolo vaovao iray, anisan'izany ry Noa tamin'ny safo-drano sy ry Lota tao sodoma, nahita ny nandringanana ny ratsy fanahy koa izy ireo. Tsy ela dia hisy fisehoan-javatra tahaka izany hitranga. Betsaka ireo tsy handalo fafafatesana mihitsy, hahita ny handringanana ny ratsy fanahy tsy mety miova ary hahita ny olona atsangana @ maty.
Raha tonga amin'ny ora tsy ampoizina io fotoana io, Efa mba niomana an'izany ve isika malagasy? Inona izao no tena asa ilaina ato mba hanavotana olona faran'izay betsaka?
2. ikaretsaka ( 29/04/2010 12:18)
Na ianao io aza...tsisy garanti...
3. soanja ( 30/04/2010 01:06)
Mpanazava:

Tsy ela dia hisy fisehoan-javatra tahaka izany hitranga. Betsaka ireo tsy handalo fafafatesana mihitsy, hahita ny handringanana ny ratsy fanahy tsy mety miova ary hahita ny olona atsangana @ maty.

Mampihomehy mampalahelo ilay tantara foronina.

4. rijadolly ( 30/04/2010 04:50)
Misaotra Mpanazava a! Izao ataonao izao dia iray amin' ireo asa fanavotana ho an' izay mana- maso ka mahiratra( miambina ao am- po ny voa tsara ) eny fa na dia ianao aza satria tsy ianao ny miteny fa fitaovana mety ho lo ihany. Enga anie ka tsy amin' andro ririnina @tsika ny hatongavan' izany andro izany, Amen!
http://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/izay-ilay-fotoana
5. Mpanazava ( 30/04/2010 06:02)
Hoy i Soanja:
Hoy i Mpanazava:

Tsy ela dia hisy fisehoan-javatra tahaka izany hitranga. Betsaka ireo tsy handalo fafafatesana mihitsy, hahita ny handringanana ny ratsy fanahy tsy mety miova ary hahita ny olona atsangana @ maty.

Mampihomehy mampalahelo ilay tantara foronina.

Hay ve namorina ry daholo Lioka, ry Matio,sy ry Petera indrindra moa fa i Jesosy Kristy raha nilaza hoe :"Ary toy ny tamin'ny andron'i Noa, dia toy izany koa amin'ny andron'ny zanak'olona (...) Dia toy ny tamin'ny Andron'i Lota koa: (...) Dia toy izany koa ny andro ampiharihariana ny zanak'olona. (Lioka 17: 26-30)

Soa de manaradrenirano izay lovatsofina kosa ary i Soanja fa tsy mandinika :?:. Fa inona no mijery ny andry ry Soanja 8O

Hoy i rijadolly :
Misaotra Mpanazava a! Izao ataonao izao dia iray amin' ireo asa fanavotana ho an' izay mana- maso ka mahiratra

Tsisy fisaorana. Tsy mahakivy satria betsaka ny olona manantanteraka ny voalazan'ny faminaniana toy ny hoe :'Eo amin'izy ireny ny Andriamanitr'ity tontolo ity, izay MANAJAMBA ny sain'ny tsy mino (...)" (2Kor 4:4)
6. ikaretsaka ( 30/04/2010 11:25)
Tsy ry lioka sy ry matio sns... no mamorona fa ianao...@ le hoe "tsy ela"...
Nefa na ny Zanaka aza tsy mahafantatra....

Ny ho avy=tsy misy manda...
Fa ny "tsy ho ela" lazainao no....
7. xxx ( 30/04/2010 12:08)
Raha jerena aloha ny tena izy dia tsara raha manaraka ny fiainan'i Jesoa izay natao ohatra. Zanak'Andriamanitra daholo isika ka hiverina Aminy ihany araka ny teniny hoe Izy ao amin'ny Ray ary ny Ray ao Aminy ary isika koa iray ao Aminy sy ao amin'ny Ray. Izay ihany ialy hafatra dia tsy mandalo fahafatesana izany. Ny vata-be mety lo io fotsiny no tsy miaina intsony fa ny Fofon'ain'Andriamanitra izay Fanahy nomeny antsika tsirtairay velona ao Aminy hatrany.
8. soanja ( 30/04/2010 12:53)
Mpanazava:

Soa de manaradrenirano izay lovatsofina kosa ary i Soanja fa tsy mandinika :?:.

Azoko lazaina fa ny Mpino izany no manara-drenirano. Ny fandinihana indrindra no mahatonga ny fisainako mihevitra fa angano angano arira arira ny ahitanareo olona haripaka fa izay tsara eo imasonareo ihany no hiakatra velona.

Andriamanitra dia Fitiavana. Fantany isika rehetra sy ny momba antsika. Tsy misy ho aripany velively fa izay momba antsika dia hisy toerana hatokany ho an'izany avokoa ary ampitiavana no handraisany antsika amin'izay toerana izay. Ny toerana rehetra MISY dia an'Andriamanitra avokoa. Sady voalohany Izy no Farany. Tsy manam-petra Izy sy ny Fitiavany.

9. AndriambyII ( 30/04/2010 19:46)
Ny fe-potoana hisian' ny tany araka ny lahatra napetraky ireo A/tra marobe hinoan' ny zanak' olombelona angamba no tokony hapetrakao ry mpanazava ,raha tena hisy tokoa ny 2012 na 2035 ? izay petra-kevitra novinavinain' ireo milaza azy ho lalintsaina eto @ ity tany ity fa ho faran' ny tany , dia mahaliana ny hahafantatra ny hevitrao momba ny làlana hodiavin' ireo fanahy marobe misy eto @ natiora terrestre !!
10. soanja ( 01/05/2010 22:12)
Mpanazava:
Tsy ela dia hisy fisehoan-javatra tahaka izany hitranga. Betsaka ireo tsy handalo fafafatesana mihitsy, hahita ny handringanana ny ratsy fanahy tsy mety miova ary hahita ny olona atsangana @ maty.

Eto izany no tsy hahaXtianina mihitsy e dia ny tsy hitiavako ahita ny fahavaloko na ireo heverina ho ratsy fanahy haringana. Tsy zakako ny ahita izany. Tiako raha mahita hevitra hafa Andriamanitra fa tsy ny fandringanana akory. Tsy ho zakako ny ahita ny hafa hijaly ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy na dia eny fa nanao diso aza izy ireo. Tsy ho zakako ny handinika hoe ilay Andriamanitra heveriko ho fitiavana kay tena revengeful/ mpamalifaty be koa.

Inoako tokoa fa tsy io ilay Andriamanitra inoako. Ka raha io no inoan'i Xtianina dia aoka aho tsy ho Xtianina intsony! Saingy manantena aho fa Jesoa Kristy dia FITIAVANA ary tiany aho matoa mbola mitoetra eo akaikiny ka mahita ilay nampianariny dia ny fitiavana ny rehetra amin'ny mahasarotra sy mahamora azy.
11. xxx ( 02/05/2010 13:19)

Raha tsy mandalo fahafatesana dia tsy hisy ny fitsanganan-ko velona. Donc diso fijery ianao ry Mpanazava. I Jesoa aza maty vao nitsangan-ko velona. Izy anefa no lalana sady mpitari-dalana arahin'ny kristiana koa ahoana no lazaina fa hisy ny tsy handalo an'izany fahafatesana izany?

Raha tsy maty ny voa nafafy hoy izy dia hitoetra eo foana ary tsy hahavokatra, fa raha maty kosa izy dia hahavokatra be!

Tsy maintsy maty ilay olona tranainy ao amintsika mba ho velona ilay olom-baovao.

tsy maintsy mandalo fahafatesana ny kristiana vao ho tonga amin'ny fitsanganan-ko velona. Izay matahotra tafahoatra an'izany fahafatesana izany, dia tsy ampy fahatokisana an'ilay Arahiny sy Itokiany, tsy iza fa i Kristy.

12. soanja ( 02/05/2010 13:45)
xxx:

Ny Rapture - angamba no tian'i Mpanazava resahana eto ry xxx

1 Thess 4:17

17 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.

13. Mpanazava ( 03/05/2010 05:58)
Hoy i AndriambyII
Ny fe-potoana hisian' ny tany araka ny lahatra napetraky ireo A/tra marobe hinoan' ny zanak' olombelona angamba no tokony hapetrakao ry mpanazava ,raha tena hisy tokoa ny 2012 na 2035 ? izay petra-kevitra novinavinain' ireo milaza azy ho lalintsaina eto @ ity tany ity fa ho faran' ny tany , dia mahaliana ny hahafantatra ny hevitrao momba ny làlana hodiavin' ireo fanahy marobe misy eto @ natiora terrestre !!

Na ireo mpanamboatra yaourt sy fanafody aza mahay manisy hoe amin'izao ity no lany daty vao mainka ve ilay Mpamorona.
Tsy indray ihany izy no nanome an'izany fa ibetsaka. Raha ity ary no jerena, rahovina re e! " Maharitra hatramin'ny taranaka fara-mandimby ny tsy fivadihanao. NATAONAO MAFY ORINA NY TANY MBA HO EO FOANA" (Salamo 119:89)
14. Mpanazava ( 03/05/2010 06:48)
Hoy i xxx:
Raha tsy mandalo fahafatesana dia tsy hisy ny fitsanganan-ko velona.

Mila fantarina tsara ny zavatra hitranga mba tsy hilazana lainga. Raha tsy hokitiana ary ny Tany araka io voalaza io inona ary no hitranga? Mamaly izany ny tenin'Andriamanitra hoe "Ny mpanao ratsy horinganina fa izay manantena an'i Jehovah no handova ny tany" (Salamo 37:9) Aiza marina moa no misy ny mpanao ratsy, ity tany ity ve sa misy tany hafa, Koa raha tsy ho eo intsony ary ny ratsy fanahy rehetra , izany hoe ho faty izy ireo, iza sisa no tavela eto ary maharitra hafiriana no hipetrahany eto? hoy ihany ny tenin'Andriamanitra :" Ny Marina no handova ny tany ka honina eo aminy MANDRAKIZAY" (Salamo 37 :29)

Hoy i Soanja:
Eto izany no tsy hahaXtianina mihitsy e dia ny tsy hitiavako ahita ny fahavaloko na ireo heverina ho ratsy fanahy haringana. Tsy zakako ny ahita izany.

F'angaha ny bokin'ny Silamo ohatra tsy miresaka ny tantaran'i Noa sy Sodoma? jereo tsara aloha.
Tsy foin'ny satana haringana koa ny zanany ry Soaja, misy itovizana ianareo.
Ny dokotera malina ry Soanja sahy manapaka singam-batana iray raha tsy hahafaty ilay vatana manontolo izany. Raha sanatria voan'ny Cancer ny tanana iray, alehon'ny dokotera sy ilay marary iny no tapahana mba tsy hanenika ny vatana manontolo ilay aretina toy izay avela eo foana ka ho faty ilay olona amin'ny farany na dia MAHARIKORIKO aza ny fanaovana izay. Misy fiala-nenina anefa atao alohan'izany, ary izany fiala-nenina izany no mahatonga antsika mbola miara-miaina amin'ny ratsy fanahy hatramin'izao.

Hoy i ikaretsaka:
Tsy ry lioka sy ry matio sns... no mamorona fa ianao...@ le hoe "tsy ela"...
Nefa na ny Zanaka aza tsy mahafantatra....

Tsara aloha rehefa tsy nandainga ry Lioka sy ..., fa izao hoy i Jesosy " Hotoriana maneran-tany ity vaovao tsaran'ILAY FANJAKANA ity mba ho vavolom-belona amin'ny firenenan rehetra vao ho tonga ny farany" (Matio 24:14)
Tsy efa atao maneran-tany ve izany an-kehitriny, raha eto an-tananarivo manonkana, tsy trano vaovao ve sisa no mbola tsy nisy nitory? tsy efa atao amin'ny radio sy tele ve izany? Ary ny faharatsiana amin'izao, mihamihena ve sa miha-mitombo, ary ny olana iraisam-pirenana (ady, loza voa-janahary, toe-karena...)?
ity manko no tsy tatin'ny sasany nefa fampanantenana mampahery " Rehefa mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, ary miroborobo ny mpanao ratsy rehetra, Dia midika izany fa ho ringana mandrakizay izy ireo" (Salamo 92: 7) Iza sisa no tavela eto? ha faty izy ireo?

15. ikaretsaka ( 03/05/2010 14:23)
Tsy efa atao maneran-tany ve izany an-kehitriny, raha eto an-tananarivo manonkana, tsy trano vaovao ve sisa no mbola tsy nisy nitory? tsy efa atao amin'ny radio sy tele ve izany? Ary ny faharatsiana amin'izao, mihamihena ve sa miha-mitombo, ary ny olana iraisam-pirenana (ady, loza voa-janahary, toe-karena...)?

ny tranonay aloha efa mba ela ihany ny naha trano azy fa tsy mbola nisy nitory tao e:wink: asa matahotra ireo aloka angamba le mandeha tsi 22 ireny?

Raha ao Antananarivo dia atao tokoa .. fa exploitena le izy atao bizna ary hananararaotana ireo mahantra sy miraviravy tanana ...
ohatra tsotra fotsiny: maninona no eny @ Bas quartiers no feno azy fa ery @ le quartier feno tananam-bazaha sy villa milay tsy misy?

Ny faharatsiana @ zao hoy ianao? nga moa tsy efa nisy ny ady hatr@ izay? nga moa tsy efa nisy ny loza voajanahary hatr@ izay ? toekarena: nga moa tsy efa nisy ny mosary hatr@ izay?
fa zao le izy vokatr'ity media media ity de lasa nalaza tampoka!

misy koa ao @ baiboly ao le hoe nandeha ny rivotra... nandeha ny afo... fa tsy tao ny tompo....
tsimpony ao fa za tsy mpitsimpona

dia aoka hazava aminao ry "mpanazava" fa Andriamanitra dia fitiavana, fa tsy justicier, ary tsy anao irery
16. Mpanazava ( 04/05/2010 06:22)
dia aoka hazava aminao ry \"mpanazava\" fa Andriamanitra dia fitiavana, fa tsy justicier, ary tsy anao irery

Marina izany, fa ny olona na ray manam-pitiavana ve tsy hanafoana ny faharatsiana misy eo aminy sy ny mahatonga izany raha manana hery hanaovana izany izy? ary raha ataony ara-drariny izany?
Mario tsara ny fitiavan\'Andriamanitra an\'izao tontolo izao :\" Nomeny ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra maneho finoana azy fa hanana fiainana mandrakizay\" (Jaona 3:16)
Ny olona rehetra ve eto no hahazo fiainana mandrakizay sa izay maneho finoana azy ihany? justicier ve izy raha very ireo tsy maneho finoana azy? Ampahafantariny mialoha ao amin\'ny teniny ny zavatra hitranga amin\'ny safidin\'ny tsirairay ka isika no mijinja izay nafafintsika na tsara na ratsy.
Saintsaino ange ny tombotsoa azon\'ireo manao ny marina handova ny tany tsy handalo fahafatesana sy ireo hatsangana amin\'ny maty e! \"Tsy hisy fahafatesana intsony, na ny halahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana fa efa lasa ny zavatra taloha\" (Apo 21:4)
- Tsy hisy faharatsiana, ady, heloka bevava ary herisetra
- Tsy hanana ahiahy izy ireo
-Tsy hisy mosary
-Ho paradisa ny tany manontolo
-Hihavana ny olona sy ny biby
-Hofoanana ny aretina
-Hatsangana ireo havantsika efa maty, ary afaka ny tsy ho faty intsony

17. ikaretsaka ( 04/05/2010 18:08)

Marina izany, fa ny olona na ray manam-pitiavana ve tsy hanafoana ny faharatsiana misy eo aminy sy ny mahatonga izany raha manana hery hanaovana izany izy? ary raha ataony ara-drariny izany?
tsy voatery! Izay no maha Ray tsy miangatra ny Ray: satria ny rariny dia samy manana ny definition sy ny famaritana ny \"rariny\" ny tsirairay!

Ny olona rehetra ve eto no hahazo fiainana mandrakizay sa izay maneho finoana azy ihany? justicier ve izy raha very ireo tsy maneho finoana azy?

Moa va tsy ho an\'izao tontolo izao no nahatongavan\'ilay zanaka?

Saintsaino ange ny tombotsoa azon\'ireo manao ny marina handova ny tany tsy handalo fahafatesana sy ireo hatsangana amin\'ny maty e!

afaka faritanao ve le hoe \"manao ny marina\"?
satria ange na olona atao heo any @ zoulou sy amazony tany very tsy mahalala an\'Atra any ka manao ny marina koa e! ary tsy baikoan\'ny boky sy ze soratra irery olona ireny fa dia mandeha ho azy eny

- Tsy hisy faharatsiana, ady, heloka bevava ary herisetra
- Tsy hanana ahiahy izy ireo
-Tsy hisy mosary
-Ho paradisa ny tany manontolo
-Hihavana ny olona sy ny biby
-Hofoanana ny aretina
-Hatsangana ireo havantsika efa maty, ary afaka ny tsy ho faty intsony

dia aminao, vokatry ny maha \"justicier\" Azy ve no hampisy an ireo sa vokatry ny maha fitiavana Azy?
18. niryna ( 04/05/2010 20:00)
Mpanazava:

" Nomeny ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra maneho finoana azy fa hanana fiainana mandrakizay" (Jaona 3:16)
Ny olona rehetra ve eto no hahazo fiainana mandrakizay sa izay maneho finoana azy ihany? justicier ve izy raha very ireo tsy maneho finoana azy?

efa nomena antsika rehetra ilay izy ka,efa nohazavaina sy nozaraina ka izay naheno kanefa manamafy ny fony dia azy ho azy ilay izy,raha toa ka tsy naheno kosa izy dia Atra hitsara aza amin'ny asa izay nataony. sa ahoana hoy mpanazava?

Ampahafantariny mialoha ao amin'ny teniny ny zavatra hitranga amin'ny safidin'ny tsirairay ka isika no mijinja izay nafafintsika na tsara na ratsy.
mitovy hevitra aminao koa aho
Saintsaino ange ny tombotsoa azon'ireo manao ny marina handova ny tany tsy handalo fahafatesana sy ireo hatsangana amin'ny maty e! "Tsy hisy fahafatesana intsony, na ny halahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana fa efa lasa ny zavatra taloha" (Apo 21:4)
- Tsy hisy faharatsiana, ady, heloka bevava ary herisetra
- Tsy hanana ahiahy izy ireo
-Tsy hisy mosary
-Ho paradisa ny tany manontolo
-Hihavana ny olona sy ny biby
-Hofoanana ny aretina
-Hatsangana ireo havantsika efa maty, ary afaka ny tsy ho faty intsony
izay no tadiavintsika ary hiriantsika
misaotra nizara e
Ary ho fiainambaovao tokoa

19. soanja ( 07/05/2010 16:06)
Mpanazava:

dia aoka hazava aminao ry \"mpanazava\" fa Andriamanitra dia fitiavana, fa tsy justicier, ary tsy anao irery

Marina izany, fa ny olona na ray manam-pitiavana ve tsy hanafoana ny faharatsiana misy eo aminy sy ny mahatonga izany raha manana hery hanaovana izany izy? ary raha ataony ara-drariny izany?
Mario tsara ny fitiavan\'Andriamanitra an\'izao tontolo izao :\" Nomeny ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra maneho finoana azy fa hanana fiainana mandrakizay\" (Jaona 3:16)
Ny olona rehetra ve eto no hahazo fiainana mandrakizay sa izay maneho finoana azy ihany? justicier ve izy raha very ireo tsy maneho finoana azy? Ampahafantariny mialoha ao amin\'ny teniny ny zavatra hitranga amin\'ny safidin\'ny tsirairay ka isika no mijinja izay nafafintsika na tsara na ratsy.
Saintsaino ange ny tombotsoa azon\'ireo manao ny marina handova ny tany tsy handalo fahafatesana sy ireo hatsangana amin\'ny maty e! \"Tsy hisy fahafatesana intsony, na ny halahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana fa efa lasa ny zavatra taloha\" (Apo 21:4)
- Tsy hisy faharatsiana, ady, heloka bevava ary herisetra
- Tsy hanana ahiahy izy ireo
-Tsy hisy mosary
-Ho paradisa ny tany manontolo
-Hihavana ny olona sy ny biby
-Hofoanana ny aretina
-Hatsangana ireo havantsika efa maty, ary afaka ny tsy ho faty intsony

Io dia azoko lazaina fa mitovy amin'ilay hoe hisy virijiny roambifitopolo (72) ihany izany rehefa tonga any am-paradisa.

Ny faniriantsika eto an-tany no heverina fa hisy any. Izay ilay harato entina hitiavanao ny any satria raha tsy izay dia tsy te ho any ianao. Sa tsy izay? Ny hahatongavana any hiaina izany no tanjona. Dia hoy aho hoe ny fahafahana hanao zavatra miaraka amin'ny hafa sy ifanatsarana sy ifanabeazana ary ny ifampivelarana no hitako tanjona tsara indrindra amin'ny fisian;ny finoana eo amin'ny fianako. Inoako ny fisian'Andriamanitra ao amintsika rehetra ary efa eto ny Paradisa raha tiantsika ny hiaina izany. Fa izay ankoatran'ny fahafatesana dia aoka ho an'Andriamanitra ny hatsarany. Inoako fa tsy misy itovizany amin'izay tiako atao aty an-tany akory. Lavitra loatra ka tsy takatro.

20. ikaretsaka ( 07/05/2010 16:31)

Namaste!
io no saika hamaliako ilay resak'i soanja atsy (le resaka paradisa)
hoe ny zaza ankibo tsy mieritreritra ivelan'ny kibo any aloha fa ze hampilay ny fiainany ao anaty kibo sy ny hahaterahany no tanjony... rehefa tonga ny fotoana hahaterahany dia ny ho lehibe sy ny hanatanteraka ny andraikiny eto an-tany no tanjony, dia rehefa vita ny eto dia hafa indray
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0612