Tsy handalo fahafatesana mihitsy.

21. soanja ( 08/05/2010 02:32)
ikaretsaka:

Ny faniriantsika eto an-tany no heverina fa hisy any. Izay ilay harato entina hitiavanao ny any satria raha tsy izay dia tsy te ho any ianao. Sa tsy izay? Ny hahatongavana any hiaina izany no tanjona. Dia hoy aho hoe ny fahafahana hanao zavatra miaraka amin'ny hafa sy ifanatsarana sy ifanabeazana ary ny ifampivelarana no hitako tanjona tsara indrindra amin'ny fisian;ny finoana eo amin'ny fianako. Inoako ny fisian'Andriamanitra ao amintsika rehetra ary efa eto ny Paradisa raha tiantsika ny hiaina izany. Fa izay ankoatran'ny fahafatesana dia aoka ho an'Andriamanitra ny hatsarany. Inoako fa tsy misy itovizany amin'izay tiako atao aty an-tany akory. Lavitra loatra ka tsy takatro.

Namaste!
io no saika hamaliako ilay resak'i soanja atsy (le resaka paradisa)
hoe ny zaza ankibo tsy mieritreritra ivelan'ny kibo any aloha fa ze hampilay ny fiainany ao anaty kibo sy ny hahaterahany no tanjony... rehefa tonga ny fotoana hahaterahany dia ny ho lehibe sy ny hanatanteraka ny andraikiny eto an-tany no tanjony, dia rehefa vita ny eto dia hafa indray

Namaste

22. Mpanazava ( 12/05/2010 11:43)
afaka faritanao ve le hoe "manao ny marina"?
satria ange na olona atao heo any @ zoulou sy amazony tany very tsy mahalala an'Atra any ka manao ny marina koa e! ary tsy baikoan'ny boky sy ze soratra irery olona ireny fa dia mandeha ho azy eny

Satria ny soratra masina na tenin'Andriamanitra no aseho eto, ataoko angamba fa tsy misy marina mihoatra izany ary amin'ny lafiny rehetra (fomba amam-panao, fitondra-tena, fiainana, fomba fihevitra...). Raha atao bango tokana dia fiaina mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra.
Hoy ianao ny Zoulou sy amazone. hoy i Jesosy "Fa hahazo hery ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina ka ho vavolombeloko any jerosalema sy eran'ny Jodia sy Samaria ary ANY AMIN'NY FARITRA LAVITRA INDRINDRA AMIN'NY TANY" (Asa 1:8 ) Tateraka amin'ny androtsika izao io teny io
23. ikaretsaka ( 12/05/2010 12:51)
Ka ze manao ny voasoratra ao ihany ve izany no manao ny marina...ohatra hoe I lota niray t@ zanany vavy : voalaza ao izany
Dia nanao ny marina (fitondrantena sy fomba fihevitra izy) izy satria voalaza ao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0068