Ahoana marina itý fivavahana silamo itý e ?

41. ravonjison ( 13/05/2010 10:36)
Salut Ratoa !

Tsy fantatro na namaky tsara izay nosoratako ianao na tsia.
Tsy milaza aho fa tsy misy zavatra azo tsikeraina ao @ baiboly. Misy tokoa , ary raha mba nanaraka ny hevitro sasany tany aloha tany ianao dia hitanao tsara.
Ny zavatra lazaiko eto dia ny antony tsy mahasarika ahy @ finoana silamo, ary nasiako porofo ilay izy, ary nampitahaiko t@ finoana jiosy sy kristianina.

Ka rehefa hita fa ratsy izao ilay izy Ratoa ( tsy miankina @ ilay finoana mihitsy ), dia aoka lazaina fa ratsy , aza tohanana @ hevitra tsy marim-pototra.

Voalaza teo :

\"......Nalazako koa fa ny Baiboly koa dia feno teny manambany vhv. Teny kely ao anaty Baiboly no notsongaiko satria averin’I pasitera (protesta aho ka izay no itenenako an’I pasitera) foana io rehefa manamasina mariazy: ‘.. fa ny lahy no lohan’ny vavy…sns» Ary ireo an-dalana be dia be nostongain’I soanja dia manafy ihany ny hevitro: aza manao bango tokana fa ny Xtiana koa dia manana zavatra betsaka azo tsikeraina.
Aiza moa ianao io no mipetraka?.....\"

Ilay tsipon\' i Soanaja : I Korintiana 11:2-7. Io dia mila fanazavana en conexte , fa tsy midika velively fa ambany ny vehivay , ka azo karavasiana na kapohana ao antrano. Izay ilay lazaiko atsy ambony fa ny ao @ baiboly dia mila \" inetrpretation \" foana ( ny Corana dia tsy mila fa tonga dia \" execution\" avy hatrany , voir :.... Nisy reportage t@ TV frantsay , dia anontaniana ilay bandy hoe fa maninona ianao no manao an\'io , dia hoe izay no voalazan\'ny Coran ... tsy misy tohiny ......).
Ary aza hadinonao fa ny zon\" olombelona mitovy izay efa normal be atý Eoropa aty dia avy ao @ filozofia kristianina no nipoirany : ny olona rehetra dia mitovy eo anatrehan\' Andriamanitra.
Taloha izy ireo dia tsy nitovy, fa nisy ny fivoarana sy ny fanitsiana , ka araka ny fampanarana kristianina @ izao fotoana izay dia manana zo mitovy daholo ny olona.

Voalaza teo :
\".......2° Raha tsy araky ny nampoizina sy izay nifanarahana ny zava mitranga, na vhv frantsay na amerikana na vhv silamo na vhv inona dia samy mahazo manao divorce raha mahatsiaro fa voafitaka na dia mahalala tsara aza fa silamo ity novadiana; ary afaka mihaina irery tsara amin\'ilay tany na manambady silamo hafa indray raha tiany. Donc miankina amin’ny tsirairay ny fialana na fiharetana rehefa tsaroana fa tsy mety amin’ny tena ity afitsony.
3° ny tsy vitovianjo an’ny vhv sy lhl dia samy misy na ny baiboly na ny coran na ny thora. Fa EFA MIVAOTRA hoy aho ny OLONA. Ny lalàna ( la loin a constitution) dia efa manome zo mitovy an’ny lahy sy ny vavy amin’ny tany silamo maro. Jereo fotsiny I Maroc izay tsy silamo fotsiny fa ROYAUME CHERIFIEN;

Ny zava mahagaga sy mampiomehy aminao dia ny tsy hanekenao fa na ny coran aza dia efa kianina sy sarahana tanteraka amin’ny fitondrana fanjakana, raha tsy hoe angaha any Arabie Saoudite izay mpiambina ny fivavahana silamo sy loharanony. ....\"

Ireo voalazanao ireo aloha dia toa nofy ihany. Raha any iveny ireo silamo ireo dia misy ny fiovana eo aminy. Fa mandehana ianao ao Soudan dia ho hitanao ny mahasarotra ny raharaha.

Misy tokoa ireo pays sasany miezaka manova ny toe-javatra ka mampitovy ny zo eo @ lehilahy sy vehivay. Izany dia mahafaly ahy tokoa. Saingy raha mbola ao foana ilay : ny lehilahy mazaho mamipirafy, ny vehivavy kosa tsia, ny vehivavy dia tsy mbola mahazo mitondra fiara, sns... dia mbola lavitra ny lalana.
Ireo pays izay mba miezaka manova izany dia matetika miady natrano foana , satria ao foana ireo mbola mitazona ilay fomba tranainy.

Voalaza teo :
\"......Ny zava mahagaga sy mampiomehy aminao dia ny tsy hanekenao fa na ny coran aza dia efa kianina sy sarahana tanteraka amin’ny fitondrana fanjakana, raha tsy hoe angaha any Arabie Saoudite izay mpiambina ny fivavahana silamo sy loharanony.

Ireo pays izay mba miezaka hanasaraka ny coran sy ny fitondrana dia ady antrano foana no miseho, satria hono ny Coran dia mahavita ny zavatra rehetra ka tsy mila lalána hafa na fomba ara-demotratika hafa hitondrana firenena.

Ianao moa milaza fa ny Coran dia efa kianina. Mandehana ianao any Soudan dia teneno en public hoe misy zavatra tsy tianao sy toherinao ao @ Coran dia ho hitanao....Tadidio ilay vehivavy mpanao mgazety tao Soudan izay mba nilaza ny heviny mikasika ny fiakanjoana .......

\".....Porofo io fa tsy mbola nihaina tany amin’ny tany silamo na à majorité silamo ianao ka manao bango tokana, raha misy dia misy dia ny tany be intégriste na sendra nisy fitodihan-doha mihatrika ny fototra silamo no efa nalehanao, satria tsy nahita na nahatsapa ny fivoarana ianao.
Mbola misaotra an\'i soanja nanamafy ny voalazako sy misarika ny saina mba tsy hanaratsy ny hafa fa ny an\'ny tena aza tsy fantatra tanteraka......

Enga anie ka mba hisy tokoa ilay fivoarana, io anefa dia tsy tonga raha tsy miala ao @ Corana mihitsy ireo fehezanteny , na omena \" inerpretation araka ny zava-misy izy ireo.
Misy zavatra betsaka tena tsara azo atao ohatra misy ao @ finoana silamo.Azoko raisina tsara., fa ireto valeur ireto : zo hifidy izay finoana tiany, fitoviana eo @ lehilahy sy vehivavy, ny zazavavy kely dia tokony ho vadivadiana mbola kely izany.......sns... dia inegociable amiko.
42. ravonjison ( 13/05/2010 12:42)
ravonjison:

[quote=soanja]
Indro koa ny ao amin\'ny baiboly. Hazavao ary

Deot. 13:7-12

7 Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao),

8 dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin\'ny faran\'ny tany rehetra),

9 dia aza manaiky azy na mihaino azy hianao; ary aza mba iantran\'ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao;

10 fa vonoy ho faty izy; ny tànanao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tànan\'ny vahoaka rehetra.

11 Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin\'i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin\'ny tany Egypta, tamin\'ny trano nahandevozana.

12 Ary ny Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao.

Misaotra an\' i Soanja aloha nanoratra ireo izay voalaza ao anaty baiboly . Tiako ho marihina anefa fa tsy hanatsara ny kristianisma mihitsy no tanjoko eto ( misy zavatra betsaka tena tsy tiako ao @ finoana kristianina), fa kosa hilaza ny zavatra tsy azoko ekena @ fivavahana silamo. Ary ao anatin\' izany ny fampitahana azy @ kristianisma na ny jodaisma, satria eo no ahitana avy hatrany ilay \" difference \"

Ka raha hiverenako ireo tsimponao etsy ambony, dia ho feheziko ao anaty fehezanteny iray hoe : herisetra.

Io resaka herisetra io dia \" point \" iray ( voalazako atsy abony) tsy hitiavako ny silamo, ary koa azoko hilazana fa efa nivoatra lavitra ny kristianisma sy ny jodaisma mikasika izany.

Ao @ testamenta taloha dia betsaka ny voasoratra mikasika herisertra, ady ,jereo Josoa ohatra.
Ny sasany amin\'izy ireny moa dia efa nahitsin\' I Jesosy araka ny fampianarana vaovao nataony ao testamenta vaovao ( izany moa no nahatonga azy ho tsy tian\' ny jiosy sasany , satria toa miseho mahay be !!!).
@ izao fotoana izao , ny fampianarana jiosy sy kristianina dia mandray ireo herisetra voalaza ao @ testamenta taloha ho \" metaphores \" sy tantara , fa tsy ohatra azo ampiharina direct velively.
Tsy misy kristianina mitora-bato na mamono olona izany, lavin\' ny fampianarana kristianina tanteraka izany.......

Ohatra :
Jaona 8 :3- 11

3 Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ary rehefa napetrany teo afovoany izy,

4 dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tànana nijangajanga.

5 Ary ao amin'ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22.22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao?

6 Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangana Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny ratsan-tànany.

7 Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.

8 Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny ratsan-tànany.

9 Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin'ny zokinjokiny ka hatramin'ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo.

10 Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?

11 Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony.
43. soanja ( 13/05/2010 13:59)

Raha metaforo sy tantara ve ny TT dia inona no idiran'ny fahabokana sy ny aretina amin'ny resaka ota eto amin'izao?

Diso aloha ianao mihevitra fa tsy mahery fihetsika ny Xtianina sasany e. Taty aminay izao vao tamin'ny taona lasa, toerana tsy lavitra ny misy anay , nisy namono ilay dokotera malaza mpanalazaza ary may tanteraka ny toeram-pitsaboana rehetra nanodidina teo. Ry zareo milaza Xtianina mpiaro ny aina no nilaza nanao izany.

Taty afara kelin'io koa dia nisy miaramila maty avy any Irak ka namoaka ny razana tany ampiangonana ny olona. Teo ampamohana izany dia sady nahazo toraka izahay no nahazo tabataba satria hoe tezitra Andriamanitra satria Gay ilay bandy maty. Mampalahelo izany toe-tsaina izany. Nefa dia razana no mivoaka ary io olona io no miady ho an'ny tanindrazana nefa izay no fihetsika ka asa na mahery izany na malemy. Xtianina hafa indray ireto.

Ary tsy ela tamin'ny fidiran'ny mpianatra teo dia nisy zaza iray zanaky ny olona Gay, ecole elementaire Xtianina ary nesorina tsy ho mpianatra ilay zaza sady voaroaka eo no ho eo noho izany. Heloky ny Ray aman-dreny heloky ny zanaka?

Aoka re! Aza mitsaratsara olona fotsiny hoy aho fa voalaza ao anaty baiboly izay!

44. Ratoa ( 14/05/2010 00:21)
slt ravonjison
Ekena fa milaza ny tsy mahasarika anao ianao. Ka izany koa no anaovana ady hevitra. Misy diso anefa ireo antony entinao anie é!
Ny tsimpon’I soanja dia be dia be sy milaza zavatra be dia be izay fantatro ka tsy averiko.
Ny tsy ekeko dia ny tsimpona ataonao: firenena na fietsika tsirairay foana no tongainao atao ohatra, izay efa fantatra fa intégriste.
Mbola betsaka ny tsy fitovian-jo any Eropa sy any Amerika ka, misy aza nivadika rasa.
Tsy ny fampianarana Xtiana mihitsy no nipoiran’ny fitovianjo fa ny fitakiana nataon’ny vhv hatrin’ny ela ary izay tena nisongadina nanomboka tamin’ny taona 1968. Ary mbola mandringa. Fanontaniana apetrako aminao: «hatry ny oviana ny vhv eropeana no mizaka madiodio ny zo mamela azy hiasa tsy misy alalana (autorisation) avy amin’ny vadiny?». Ary hatramin’ny androany dia tsy mahazo mivaoka an’I Lafrantsa irery ny vhv frantsay raha tsy manana autorisation avy amin’ny vadiny.
Nandritry ny elabe, ary mbola hirain’ny lhl sasany, dia zavatra telo no natao ho sahan’ny vhv Xtiana eropeana:
1° mikarakara tokatrano sy vady amanjanaka ary mankatoa ny vadiny (« Fa ny vehivavy Hendry dia lova avy amin’I Jehovah»)
2° mahandro sakafo sy manjaitra
3° miangona sy mitaona ny mpianakvy hiangona.

Amin’ny silamo koa dia mitovy zo ny olona rehetra satria ny ilazany azy dia «andevon’Atra daholo ny olombelona».

Ireo voalazanao ireo aloha dia toa nofy ihany
.
Tsia, tsy nofy ireo. Izaho manoratra aminao dia mipetraka amina firenena izay 94% silamo, 4% Xtiana 2° autres religions, efa nandia firenena silamo betsaka ary miasa, manao pataloha, manao zipo fohy (hatreo amin’ny lohalika), mitaingina bisikilety ets…manjaka tokoa ny lalàna eto sy eny amin’ny firenena manodidina

Misy tokoa ireo pays sasany miezaka manova ny toe-javatra ka mampitovy
ny
Tsy «sasany ihany» fa be lavitra noho izay eritreretinao.

dia ady antrano foana
tsy misy izany ny firenena ipetrahako sy ny firenena silamo manodidina.

: zo hifidy izay finoana tiany
, hoy ny Coran hoe « point de contrainte en religion» . Ny olombelona no manondrana

Inty ary fenintra iray izay mametraka ny vhv amin’ny toerana ambony tokoa ao amin’ny fivavahana silamo:
Ny lehilahy silamo rehetra, tsy an-kanavaka, dia maniry ho faty alohan’ny vadiny. Ny antony dia tsotra. Satria raha maty izy ka tia azy ravhv, dia hivavaka ho azy ravhv mba hitoetra finaritra any amin’ny paradise rangahy. Mino tanteraka ny silamo fa tsy tafiditra any mihitsy ny lhl raha tsy misy io vavaka ataon-ravhv io. Antony lehibe hanambadiany vhv silamo io. Ny vhv kosa anefa tsy mila ny vadiny hivavaka ho azy mba hitoerany finaritra any amin’ny paradisa.
45. ravonjison ( 14/05/2010 11:48)

Voalaza teo :

"....Raha metaforo sy tantara ve ny TT dia inona no idiran'ny fahabokana sy ny aretina amin'ny resaka ota eto amin'izao?

Diso aloha ianao mihevitra fa tsy mahery fihetsika ny Xtianina sasany e. Taty aminay izao vao tamin'ny taona lasa, toerana tsy lavitra ny misy anay , nisy namono ilay dokotera malaza mpanalazaza ary may tanteraka ny toeram-pitsaboana rehetra nanodidina teo. Ry zareo milaza Xtianina mpiaro ny aina no nilaza nanao izany.

Taty afara kelin'io koa dia nisy miaramila maty avy any Irak ka namoaka ny razana tany ampiangonana ny olona. Teo ampamohana izany dia sady nahazo toraka izahay no nahazo tabataba satria hoe tezitra Andriamanitra satria Gay ilay bandy maty. Mampalahelo izany toe-tsaina izany. Nefa dia razana no mivoaka ary io olona io no miady ho an'ny tanindrazana nefa izay no fihetsika ka asa na mahery izany na malemy. Xtianina hafa indray ireto.

Ary tsy ela tamin'ny fidiran'ny mpianatra teo dia nisy zaza iray zanaky ny olona Gay, ecole elementaire Xtianina ary nesorina tsy ho mpianatra ilay zaza sady voaroaka eo no ho eo noho izany. Heloky ny Ray aman-dreny heloky ny zanaka?

Aoka re! Aza mitsaratsara olona fotsiny hoy aho fa voalaza ao anaty baiboly izay!......"

Ny tiako lazaina @ io ohatra io oanaj dia itý a: araka ao @ testameta taloha dia notorahim-bato tokoa ny vehivavy rehefa tratra nijangajanga, fatao tokoa izany araka ny Jiosy. Fa rehefa tonga Jesosy dia nahitsiny ilay izy , ary nevela nandeha fa tsy notorahina io vehivavy voalaza io. Io ilay fivoarana lazaiko .

Ny hoe nisy an' izao sy izao tary dia izao : ny herisetra dia misy etsy sy eroa, samy mitady hevitra hanohanana izany herisetra izany ny tsirairay izay mpanao izany. Fa ilay mahasamihafa azy lazaiko eto dia ity : raha manontany mikasika pastera na mopera ianao mikasika an' io , dia tsy misy manohana izany herisetra izany, ary lavin' ny fampianarana kristianina izany, raha manontany olona mpahay ny fivavahana silamo kosa ianao dia lazainy fa ao tokoa io fa voasoratra, ary ampiharina araka ny zava-misy : io ilay diference.

Fa tsy izay antokon' olona etsy sy eroa no anaovana faobe mikasika ny fampianarana kristianina.

Ary impliqué avy @ io voalazako io : ireo olona kristianina lazainao fa nanao ireo herisetra tany aminareo dia ho tsaraina araka ny lalána.
Fa ireo olona nikaravasy ( olona voafidy hanao izany ) ilay tovolahy sy tovovavy tratra nampiharaka ampahibemaso tao Indonesia , kosa dia nisaorana satria nanao ny asany araka ny lalána misy eo fiarahamonina silamo izy ireo.

Samihafa izany Soanja a .
46. ravonjison ( 14/05/2010 12:24)
Ratoa:

Araka ny mahazatra dia manahirana ny miady hevitra aminao satria tsy ny sujet no aborder -nao.

Ny resaka eto dia hoe : inona no mahatonga ny olona sasany tsy voatarika ho silamo ? Dia nolazaiko ny hevitro sy izay fantatro avy @ olona sasany manana ilay " experience ".
Fa tsy miresaka mihitsy aho heo : izao no ataon' ny eoropena na ny frantsay. Betsaka ny zavatra azo kianina ao frantsa na eto Eoropa. Fa saingy tsy izay aloha no ady hevitra. Azonao atao no mametraka lohahevitra mikasika izany dia ho lazaiko eo ny hevitro.
Ny fampitahana @ kristianina nataoko dia ny hampisongadina ilay hevitra tiana ilazaina :
- raha nangalatra omby Rakoto, dia hoy aho hoe : jereo ange fa Rakoto nangalatra e, i Rabe anefa tsy mba mangalatra, ary hita mihitsy ny " mahasamihafa azy roalahy ( ny iray manana omby nangalarina , ny iray tsy manana).
Dia avy ianao ka milaza hoe : e e e e , nangalatra omby ve Rakoto, maninona moa, i Razafy ary nangalatra akoho koa.

Tsy ilay " difference entre Rakoto sy Rabe no jerenao ( izy mantsy no tokony hatao ohatra ho an' ny olona), fa kosa i Razafy nangalatra akoho, mba ahazoanao milaza fa tsy maninona raha nangalatra omby i Rakoto, satria i Razafy koa aza mba mangalatra akoho koa.

-Ny ahy ny hamafisiko dia itý : i Rabe no tokony hangalana ohatra satria tsy nangalatra.
-Ny anao indray dia itý : tsy maninona raha nangalatra omby Rakoto, satria i Razafy koa mba ngalatra akoho.

Aiza re izany .

47. ravonjison ( 14/05/2010 12:34)

Voalaza teo :
".......Tsia, tsy nofy ireo. Izaho manoratra aminao dia mipetraka amina firenena izay 94% silamo, 4% Xtiana 2° autres religions, efa nandia firenena silamo betsaka ary miasa, manao pataloha, manao zipo fohy (hatreo amin’ny lohalika), mitaingina bisikilety ets…manjaka tokoa ny lalàna eto sy eny amin’ny firenena manodidina......"

Io aloha Ratoa dia tokony asianao porofo mazava sy hita maso e, satria tsy azoko inoana velively.

48. ikaretsaka ( 14/05/2010 13:55)
Ka nen ravonji no centren ravonjy @ na fijery 1 fa tsy ni considerer an'io nolazain'i ratoa io ravonji... tsyy hs io fa points tsy nojerenao; nuances
Satria possible koa ho an'ny olona misalasala anie (na hiditra silamo na hiditra kristianina) ny hoe ary itony toa manao akanjo ambony lohalika na hoe. Ary itony toa manao miasa ny vhv?
Na ohatra hoe mormons no hitany @ kristianisma de hoe oh ary @ kristianisma izany manao zipo lava sy mahazo manambady maro ny lehilahy...
Contraire tanteraka @ raha hitany tanisainao eto.

Za efa nandalo tany @ tany sillamo a 90% koa fa tsy izy rehetra no manao bourka sy foulard...
De efa nandeha t@ na tany kristianina tsy manaja ny zon ny vevavy koa (tsy mahazo mianatra sns..ny amish sy ny maronites ohatra)
49. soanja ( 14/05/2010 15:24)
ravonjison:

Voalaza teo :

"....Raha metaforo sy tantara ve ny TT dia inona no idiran'ny fahabokana sy ny aretina amin'ny resaka ota eto amin'izao?

Diso aloha ianao mihevitra fa tsy mahery fihetsika ny Xtianina sasany e. Taty aminay izao vao tamin'ny taona lasa, toerana tsy lavitra ny misy anay , nisy namono ilay dokotera malaza mpanalazaza ary may tanteraka ny toeram-pitsaboana rehetra nanodidina teo. Ry zareo milaza Xtianina mpiaro ny aina no nilaza nanao izany.

Taty afara kelin'io koa dia nisy miaramila maty avy any Irak ka namoaka ny razana tany ampiangonana ny olona. Teo ampamohana izany dia sady nahazo toraka izahay no nahazo tabataba satria hoe tezitra Andriamanitra satria Gay ilay bandy maty. Mampalahelo izany toe-tsaina izany. Nefa dia razana no mivoaka ary io olona io no miady ho an'ny tanindrazana nefa izay no fihetsika ka asa na mahery izany na malemy. Xtianina hafa indray ireto.

Ary tsy ela tamin'ny fidiran'ny mpianatra teo dia nisy zaza iray zanaky ny olona Gay, ecole elementaire Xtianina ary nesorina tsy ho mpianatra ilay zaza sady voaroaka eo no ho eo noho izany. Heloky ny Ray aman-dreny heloky ny zanaka?

Aoka re! Aza mitsaratsara olona fotsiny hoy aho fa voalaza ao anaty baiboly izay!......"

Ny tiako lazaina @ io ohatra io oanaj dia itý a: araka ao @ testameta taloha dia notorahim-bato tokoa ny vehivavy rehefa tratra nijangajanga, fatao tokoa izany araka ny Jiosy. Fa rehefa tonga Jesosy dia nahitsiny ilay izy , ary nevela nandeha fa tsy notorahina io vehivavy voalaza io. Io ilay fivoarana lazaiko .

Ny hoe nisy an' izao sy izao tary dia izao : ny herisetra dia misy etsy sy eroa, samy mitady hevitra hanohanana izany herisetra izany ny tsirairay izay mpanao izany. Fa ilay mahasamihafa azy lazaiko eto dia ity : raha manontany mikasika pastera na mopera ianao mikasika an' io , dia tsy misy manohana izany herisetra izany, ary lavin' ny fampianarana kristianina izany, raha manontany olona mpahay ny fivavahana silamo kosa ianao dia lazainy fa ao tokoa io fa voasoratra, ary ampiharina araka ny zava-misy : io ilay diference.

Fa tsy izay antokon' olona etsy sy eroa no anaovana faobe mikasika ny fampianarana kristianina.

Ary impliqué avy @ io voalazako io : ireo olona kristianina lazainao fa nanao ireo herisetra tany aminareo dia ho tsaraina araka ny lalána.
Fa ireo olona nikaravasy ( olona voafidy hanao izany ) ilay tovolahy sy tovovavy tratra nampiharaka ampahibemaso tao Indonesia , kosa dia nisaorana satria nanao ny asany araka ny lalána misy eo fiarahamonina silamo izy ireo.

Samihafa izany Soanja a .

Tsy hitako ilay valinteninao momban'ny lehilahy lohan'ny vehivavy. Sa tsy novalianao io?

Raha mankany ampiangonana be dia be ianao na Mada na aty US ka hanontany hoe iza no lohan'ny fianakaviana ary iza no mandidy ny tokatrano dia hilaza aminao ny ao hoe NY LAHY.

Mbola azoko alaina eto ny tsipona fanambaniana vehivavy ao anaty bible saingy tsy mitondra ahy mankaiza izany satria amiko tsy ny tsipona no zavadehibe ary tsy ny tapatapaka fa ny ankapoben'ny finoako an'Andriamanitra izay voalaza ao anaty Baiboly ary mitohy hatramin'izao.

Ny hoe manaiky ny herisetra ve ny Imam be dia be dia miankina amin'ny toerana isian'ilay finoana io. Misy firenena mbola tena tery ny sainy ary tena manaraka ara-bakiteny ny atao hoe Jihad. Fa firifiry moa ny boky aty aminay sy documentaires milaza ny hoe tsy ny herisetra mihitsy no takian'i Allah amin'ny fampitana ny teniny sy ny momba azy fa ny olona no mandika vilana araka io lazainao ihany hoe antokonolona sns sns... ka raha ilaina izany die entiko eto ny boky manazava an'ireo araky ny volazan'i Imam isankarazany.

Nisy ny croisade taloha, nisy ny famonoana, famaizana isankarazany teo amin'ny tantaran'ny finoana Xtianina. Ireo aza no tiako tsindriana lava hoe DORY fa manelingelina ny maso IREO RESAKA MANDRERAKA IREO ao anaty baiboly satria misy mandray vilana an'ireo ary tena misy mampihatra tokoa. Ny KKK izao dia isan'ny nampiasa ireo teny ireo tamin'ny famonoana ny mainty taty aminay.

Ny tiako ambara dia raha ny herisetra misy dia tsy hoe satria voalaza ao anaty coran velively no mahatonga izany fa POLITIKA ratsy misy eo amin'ny firenena. Araho akaiky ny tantaran'ny fifandraisan'ny tandrefana sy tantsinana. Inona ny fomba nataon'ny tandrefana hanambakana ny maro hafa. Toy isika mankahala Frantsay amin'izao ihany (izaho tsy isany) no fahitako ny herisetra amin'izao.

Ny zava-drehetra amin'ny rehetra matetika, indrindra ny mahery fihetsika, dia mihevitra sy atao izay mampifandray amin'ny finoana ny zava-misy satria io no mora anentanana olona tokoa fa saingy politika maloto no betsaka. Ny te hanjakazaka izay tsy mahagaga fa tarazon'olombelona hatrany amboalohany na tao anaty finoana na tsia.

50. Ratoa ( 14/05/2010 18:19)
hoy ravonjison
Ny anao indray dia itý : tsy maninona raha nangalatra omby Rakoto, satria i Razafy koa mba ngalatra akoho.
Mandika vilana ianao, ravonjison, satria tsy mandray na mihaino hafa tsy ny feonao ihany ianao, izay taratry ny santionambaovao na reportage hitanao etsy sy eroa fa tsy mandinika ny hoe « mba ahoana ny any amintny tany silamo hafa maro be noho i Indonésie, Soudan, intégriste, Arabie Saoudite loharano nipoirana sy mpiandry vavahadin’ny Islam na olon-tokana interviewé.
Ny ohatra ambarako dia manohitra tanteraka io lazainao io satria santionany vitsy dia vitsy ireo lazainao ireo kanefa bangoanao sy ataonao ho fanaon’ny rehetra.
Ny tiako tenenina ary mbola averiko : « aza manao bango tokana » fa tsy manao izany voalazanao izany daholo ny silamo rehetra , ireo hafa izay tena maro be tsy manao izany.
Aza manao bango tokana fa ny Xtiana dia tsy malemy paika daholo fa betsaka tokoa ny mahery setra, ary ny herisetra lehibe indrindra dia ny fanjanahantany izay natao amin’ny anranan’ny Baiboly ary izay nikendry ny hana foana ny mahizy azy ireo olona voazanaka. "Mission civilisatrice" hono no ataony !
Ny anonononako ny amerikana sy frantsay sy eropean, dia satria 1° ianao nanonona azy ireo; 2° izy no miseho ho tompon'ny fitovian-jo anefa sady vokatry ny ezaky ny vhv izany no vao haingana foana ary mbola mandringa ka tsy tokony halaina ho filamatra na modely ho arahana na arovana tahaka ny ataonao.
Ny fahamarinanana no ezahako harovana fa tsy mamela ny mahery setra mihitsy aho ka nanao hoe «tsy maninona!». Ianao no mandika vilana; ohatra ny isan’andro satria tsy azoazonao ilay fandavako ny bango tokanao (generalisation sans pieces à conviction) ataonao mazàna.

Hoy ravonjison
Io aloha Ratoa dia tokony asianao porofo mazava sy hita maso e, satria tsy azoko inoana velively
.
Manana fahalalahana ianao tsy hino izay lazaiko. Io koa anefa Ikaretsaka fa milaza zava nihainany izay mitovitovy amin’ny ahy. Aty koa tsy ny rehetra no manao burqa ( salovana intégral) na misaron-doha (voile na turban hoy ry zareo.
Izaho aloha dia tsy hitaky porofo aminao momba izay lazainao. Namaky na mihainanao aho dia mametraka ny hevitro na manohitra fotsiny; satria samy olon-dehibe isika. Anisan’ny tsy fanajana ny hafa ny fitakiana porofo, satria isika tsy eo anoloan’ny fitsarana (tribunal) fa mampiady hevitra sy milaza izay hitany sy fantany ka «ataovy to any voankazo an’ala: raha mamy atelomy, raha mangidy, aloavy» fa aza mitaky porofo fa tonga ho porofoina foana izay lazaina isaky ny iray minitra dia hivilana tanteraka ny resaka.
51. ravonjison ( 15/05/2010 13:16)
[quote=Ratoa]
hoy ravonjison
Ny anao indray dia itý : tsy maninona raha nangalatra omby Rakoto, satria i Razafy koa mba ngalatra akoho.
Mandika vilana ianao, ravonjison, satria tsy mandray na mihaino hafa tsy ny feonao ihany ianao, izay taratry ny santionambaovao na reportage hitanao etsy sy eroa fa tsy mandinika ny hoe « mba ahoana ny any amintny tany silamo hafa maro be noho i Indonésie, Soudan, intégriste, Arabie Saoudite loharano nipoirana sy mpiandry vavahadin’ny Islam na olon-tokana interviewé.
Ny ohatra ambarako dia manohitra tanteraka io lazainao io satria santionany vitsy dia vitsy ireo lazainao ireo kanefa bangoanao sy ataonao ho fanaon’ny rehetra.
Ny tiako tenenina ary mbola averiko : « aza manao bango tokana » fa tsy manao izany voalazanao izany daholo ny silamo rehetra , ireo hafa izay tena maro be tsy manao izany.
Aza manao bango tokana fa ny Xtiana dia tsy malemy paika daholo fa betsaka tokoa ny mahery setra, ary ny herisetra lehibe indrindra dia ny fanjanahantany izay natao amin’ny anranan’ny Baiboly ary izay nikendry ny hana foana ny mahizy azy ireo olona voazanaka. \"Mission civilisatrice\" hono no ataony !
Ny anonononako ny amerikana sy frantsay sy eropean, dia satria 1° ianao nanonona azy ireo; 2° izy no miseho ho tompon\'ny fitovian-jo anefa sady vokatry ny ezaky ny vhv izany no vao haingana foana ary mbola mandringa ka tsy tokony halaina ho filamatra na modely ho arahana na arovana tahaka ny ataonao.

Itý izany sady valinenteny ho an\' i Soanja , Ratoa sy Ika koa.
Tsy fantatro na hitanareo ilay diffence na tsia fa mbola averiko indray:
Tsy milaza mihitsy aho fa ny silamo rehetra dia mpanao hery setra ( ankoatr\' izany dia : ohatra ilay fikaravasiana, tsy ny olona rehetra no afaka manao izany fa mpiasa manokana voafidin\' ny autorité eo antoerana ). Misy tokoa ny silamo tsotra sy tsy manao herisetra. Misy koa ny kristianina tena ratsy loha sy mpanao herisetra. D
Donc tsy misy resaka bango tokana izany mihitsy eto, hitako tsara ilay nuance hoe , ary @ pays iray arý toy izao ilay silamo, ary @ pays iray indray dia toy izao...

Tsy any mihitsy ilay olana , fa ny hitako tena probeleme dia itý :
- ny herisetra eo @ fivavahana silamo dia mivoaka direct avy @ voasoratra ao @ Coran, izay novolavolaina tany @ taonjato faha 7, ary tsy nisy fanitsiana fa mbola ampiasaina @ izao fotoana izao, ary eken\' ny fampianarana silamo araka ny zava-misy.
- ny herisetra eo @ fivavahana kristianina dia nisy tokoa taloha , ao @ testamenta taloha, saingy efa nahitsin\' ny Jesosy ny ankamaroany, ary nandalo fanitsiana ny \" inerpretation \", ka lavin\' ny fampianarana kristianina tanteraka izany @ izao fotoana izao. Misy ihany anefa antokon\' olona miverina any @ taonjato faha 3 any ka miezaka mampiatra ilay izy.

Ny olana izany dia tsy eo @ olona tsirairay izay manao ilay herisetra , fa ao @ ilay filozofie de base mihitsy. Toy izany koa ny resaka zo sns...

Ankoatr\' izany dia valable foana ilay ohatra nataoko etsy ambony: i Rabe amiko dia azo atao filamatra raha seraka fangalarana. Fa @ zavatra hafa kosa mety tsy azo atao filamatra intsony izy.

I Eoropa dia misy tokoa ohatra tsara azoko alaina avy aminy....
Raha seraka zo, ny toeran\' ny vehivavy eo @ fiaraha-monina dia tsy azoko atao filamatra velively ny fivavahana silamo. Raha zavatra hafa kosa dia mety azo atao.

52. ikaretsaka ( 15/05/2010 16:40)
Tsy any mihitsy ilay olana , fa ny hitako tena probeleme dia itý :
- ny herisetra eo @ fivavahana silamo dia mivoaka direct avy @ voasoratra ao @ Coran, izay novolavolaina tany @ taonjato faha 7, ary tsy nisy fanitsiana fa mbola ampiasaina @ izao fotoana izao, ary eken' ny fampianarana silamo araka ny zava-misy.
- ny herisetra eo @ fivavahana kristianina dia nisy tokoa taloha , ao @ testamenta taloha, saingy efa nahitsin' ny Jesosy ny ankamaroany, ary nandalo fanitsiana ny " inerpretation ", ka lavin' ny fampianarana kristianina tanteraka izany @ izao fotoana izao. Misy ihany anefa antokon' olona miverina any @ taonjato faha 3 any ka miezaka mampiatra ilay izy.

amiko le izy Ravonjy dia rehefa religion an'ny Boky dia samy voasoratra sy niteny aby hoe ratsy sy setrao ny olona tsy mitovy @ ny ao anaty bokinao ny arahiny sy ny voasoratra ao anaty bokiny!

ny fomba filaza azy no mody samihafa ho'a (io arakaraka ilay taonjato sy vanim-potoana nanoratana azy sy nivoizana azy) ... fa ny tanjona 1 ihany!
Porofo tsotra dia ny hoe nony tsy tao anaty ziogan'ny Romanina intsony ny Xtianina dia nisetrasetra t@ tsy nitovy aminy koa (jereo ny Dark Ages fa io no herisetran'ny kristianisme: nefa "Dark: maizina no niantsoana azy" ! f
53. Mirananirina ( 19/05/2010 13:33)
Ny votoatin'ny finoana Silamo raha ny fiheverako sy nianarako nefa mety diso dia ny fametrahana ny fiainana iray manontolo amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fihetsika, fisainana, fitondran-tena, fomba ary fiahiana ny ho avy, ka ireo dia voasoratra ao anaty Coran ho lalan'Andriamanitra mazava.

Ny mahasamihafa azy amin'i Xtinina dia ny tsy fanekena an'ISA na Jesoa ho Andriamanitra na zanak'Andriamanitra. I Jesoa dia Mpaminany lehibe tokoa amin'ny Silamo. Ny fitohizan'ny faminaniana taty afara izay nataon'i Mpaminany Mahometa. Amin'ny Silamo dia nifandimby ny faminaniana ary nifarana teo amin'i Mahometa. Andriamanitra dia tokana tokoa amin'izy ireo , tsy misy zanaka na hoe fanahy sns sns fa dia Andriamanitra izay.
voalzanao Soanja no tena izy.
- Ny boky : Ny baiboly sy ny Coran dia samihafa tanetraka : ny baiboly dia manome ny olona fomba fisainana hafakafaka sy handinika, ary hanao inerpretation.
Ny Coran koa dia mametraka ny olona hanatanteraka avy hatrany izay voalaza ao anatiny. Noho izany , na ratsy io na tsara ( ho an' iza anefa ? ) dia tanetrahina avy hatrany tsy misy ady hevitra
misy tokoa ny teny itovizany sy tsy itovizany ao,fa laviko tanteraka ny lazainao hoe samihafa;fa matoa mamaky coran na baiboly dia nasaina hanantateraka sy hino izay voalaza ao ny olona rehetra.ka aty aoriana vao mahita hoe diso na marina na mino na tsy mino izay voalaza.Kristianina sady musulman aho ,mahita sy mahay tsara izany.
Herisetra hoy ianao????ny betsaka ao aminy Coran???Ary tsy hitanao angaha ireo vono olona ao amin'ny baiboly???Misy lasa vongatsira izany avy sns...,fa samy hafa ny anarana dia mifankahala de izay,indrindra moa ny Juif izay tena mampiady ireo finoana 2 ireo.
54. ravonjison ( 20/05/2010 12:40)
Voalazan' i Mirananirina teo .
".....Kristianina sady musulman aho ,mahita sy mahay tsara izany...."

Mba azavao aloha Mirananirina izany hoe sady kristianina no musilman izany a ?
Iza aloha Jesosy aminao ? Zanak' Andriamanitra maty dia nitsangana ve sa mpaminany toy ny rehetra ihany ?.....
55. xxx ( 20/05/2010 16:12)
double nationalite izany i Mirananirina ko!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1205