Ahoana marina itý fivavahana silamo itý e ?

21. niryna ( 05/05/2010 19:38)
ravonjison:

Inona no tena votoatin' ilay fivavahana silamo, na ny mahasamihafa azy @ kristianisma ?

Raha ny fantatro dia samy milaza fa Atra tokona na ny silamo(Allah) na ny kristiana(Ray-Zanaka-Fanahy masina na telo izay iray 1x1x1=1)

ny silamo dia Atra iray dia Allah no hiantsony azy ary tsy manana personality na misy hifandraisany amin'ny olona ,na maka toetran'ny olona
ny fampianaran'ny silamo ny olony dia milaza ny kristiana ho manana Atra marobe satria ataony hoe : Ray +Zanaka +Fanahy Masina = Atra telo samy hafa na 1 + 1 + 1 = 3

Ny herisetra dia nisy avokoa na kristiana na silamo
Ny finoana an'i kristy dia misy ihany koa amindry zareo saingy toy ny mpaminany rehetra izy ary amindry zareo dia Mohammed no mpaminany farany
Samy manana ny fomba ampiasainy ny finoana avokoa na ny kristiana na ry zareo ary samy miandry ny fahatongavan'ny fitsarana ihany koa,miandry ny fahatongavan'i kristy ihany koa
Tsy mino kosa anefa ry zareo hoe zanak'Atra i kristy
Amin'ny kristiana dia "ny Fitiavan'Atra nanomezany ny Zanany" no resahina His love
Amindry zareo kosa dia ny Fanatanterahana sy sitrapon'Atra no resahany;His will
Ny an'ny silamo dia ny mpaminany Mohammed no mpaminany farany"seal of prophets" tao anatin'ireo mpaminany maro 120,000 izay nanomboka tany amin'i Adama .{praise one}

Ny an'ny kristiana indray dia kristy no manatanteraka ny didy tany amin'ny andron'i Mosesy ( ny TT izay mbola ita ihany izany ao anin'ny TV)
ny fahaterahan'ilay zazakely ao Betlehema ( ao amin'ny TT -Mika 5:2)
ny reniny izay virijiny ( Isaia 7:14)
ny fahoriana ahazo azy sy ny hitsanganany amin'ny maty (Isaia 53 ) Salamo 16:8-11 )
ny mbola hiverenan'i kristy indray (lioka 24:27 -Asa 3:18

Ny an'ny silamo dia :
mivavaka (prayer ) -- mifona amin'ny ratsy natao(confessing faith)
manao karemy (fasting) - samy miandry ny fitsarana avy (judgement day)

ny an' ny krisitiana dia
-fifonana ary mino an'izany - mivavaka (izay vokatry ny fo )
Tiavina ilay Atra sy ny olona manodidina rehetra na ny fahavalo aza
Atao batisa - Ataovy mpianatra ny olon-drehetra
Mankalaza ny fanasan'ny Tompo
Manome am-pifaliana

22. ikaretsaka ( 05/05/2010 23:14)
tsy ny mi fast ihany no hoe manao karemy ry niryna aloha.. fa na izany aza mazava tsara fa misaotra nizara
23. soanja ( 06/05/2010 04:04)
niryna:

ny reniny izay virijiny ( Isaia 7:14)

Mino an'io koa ny Silamo.

24. moustaraf ( 11/05/2010 13:21)
salam alaikoum wa rahmatoullah wa barakat ou!

betsaka loatra ny zavatra tsy fantatry ny maro , ka mahatonga ireo hevitra mifandrirotra ireo, ny antony??:
tsy fahadisoan'ny Xtianina raha Interprétation sisa no iainany ny Baiboly ,satria fantatrareo ve? hISTORIQUE DE LA BIBLE , izay vao iny izy eny am-pelatantsika iny?? Impiry novaina moa io bible io? misy version firy moa izy io? ARY taiza izy io no nangonina sy notsongaina ary natonta?
TSY misy fahasamihafana ireo boky ireo,fa fotsiny betsaka ny zavatra nesorina ao @ baiboly, ka mahatonga ireo fahasamihafana hitantsika ireo.
Ny silamo, dia manana université maro ,ary betsaka ny Xtianina no mandrato fahalalana @ izy ireny(.....) midika izany fa tena mi-philosofer ny silamo,ary mety ho mihoatra ny an'ny Xtianina mihitsy aza.
tsy manadiso ny Xtianina aho, sanatria, fa misarika antsika hieritreritra lalina.

II- aZA ADINO HIANY KOA fa ny vaovao rehetra miely manerana an'izao tontolo izao anie ka information monopolisée par les occidentaux e! ary isika eto madagascar dia mitrandraka vaovao @ ireo station tandrefana ireny, koa mazava raha version occidentale foana no henontsika:
miezaka ny tandrefana mampifangaro ny ARABO sy ny SILAMO (samy hafa ireo)

III- Tadidio koa anie fa hatramin'izao dia mbola firenena voazanaka anie i ARABIE e, sy i moyen orient noho ny Solitany. ka tsy misy endrika hafa anoherana io néocolonialisation io satria tena goavana loatra ny intérét occident ao. ka io endrika djihad sy kamikaz io no fara hevitra,
alao sary antsaina hoe ,ny Menalamba sy ny Sadiavahy t@ fotoanandro nanaovany ny tolona ho fanafahana ny Firenentsika '!) dia ho sahy ve isika hilaza fa Terroriste ve izy ireo raha nahafoy ny ainy ho an'ny fireneny????
Fantatro fa sarotra amin'ny maro izany zavatra laziko izany ,satria efa tontolo hafa ny aty amintsika,
kanefa , ianao io Xtianina io, raha miverina eto ny vazaha mitroka ny harentsika manontolo tahaka ny taloha, inona no mety ho fihetsikao??? Hamono sa Hihavana???
Dia holazaina ve fa Kristianina mahery fihetsika ve ianao????
aFAKA MIFAMPIRESAKA aminao raha liana inao hahalala bebekokoa
zafjohs@yahoo.fr

Misaotra betsaka daholo
SALAM WA ALAIKOUM : FIADANANA HO AMINAREO
25. soanja ( 11/05/2010 14:44)
moustaraf:

Misaotra anao nanazava ary samy ho tahian'Andriamanitra avy.

26. ravonjison ( 11/05/2010 16:34)

Misaotra an' i Moustaraf nitondra fanazavana, saingy misy zavatra mba tiako valiana kely ao :

Voalaza teo : "....betsaka loatra ny zavatra tsy fantatry ny maro , ka mahatonga ireo hevitra mifandrirotra ireo, ny antony??:....."

Hadinoy avy hatrany ilay eritreritra hoe: ny ankamaroan' ny mparoratra eto dia tsy mahafantatra zavatra loatra.

Voalaza teo : ".....II- aZA ADINO HIANY KOA fa ny vaovao rehetra miely manerana an'izao tontolo izao anie ka information monopolisée par les occidentaux e!......"

Misaotra an' Andriamanitra fa misy ireny mpanao gazety libre occidentaux ireny afaka mba milaza ny zava-misy, ary izy ieny dia tsy monopolisés araka ny filazanao, afaka manoratra izay tiany ho soratana. Satria raha ny information avy any @ pays musilman no andrasana dia ho fotsy volo eo. Ny information mantsy any dia fiktré tanteraka mihitsy !!!
Ny tian' i Moustafart lazaina izany dia i Moustafart no manana ilay version tena marina sy tsara ?

Voalaza teo : ".......III- Tadidio koa anie fa hatramin'izao dia mbola firenena voazanaka anie i ARABIE e, sy i moyen orient noho ny Solitany. ka tsy misy endrika hafa anoherana io néocolonialisation io satria tena goavana loatra ny intérét occident ao. ka io endrika djihad sy kamikaz io no fara hevitra,
alao sary antsaina hoe ,ny Menalamba sy ny Sadiavahy t@ fotoanandro nanaovany ny tolona ho fanafahana ny Firenentsika '!) dia ho sahy ve isika hilaza fa Terroriste ve izy ireo raha nahafoy ny ainy ho an'ny fireneny????...."

Toa afangatronao ilay izy . Ny menalamba sy ny Sadiavahy tsy namono olona t@ anaran' i Jehovah velively !!

Atsy ambony atsy point faha 12, misy zavatra maromaro tsy dia azoazoko loatra mikasika ny finoana silamo. Mba lazao hoe ny hevitr' i Moustafart mikasika an' ireo !!!
27. ikaretsaka ( 11/05/2010 23:52)
Tadidio koa anie fa hatramin'izao dia mbola firenena voazanaka anie i ARABIE e, sy i moyen orient noho ny Solitany.

Tsy Arabie irery ange ny silamo e.. ohatran'ny hoe tsy i Jerosalema sy Israely sy Judah irery ny Jiosy sy Kristianina, ary tsy any Roma irery ny katolika
betsaka ny firenena silamo tsy voazanaka
aza afangaro ny hoe Islam sy ny hoe Arabo
28. Ratoa ( 12/05/2010 00:32)
tsy manaja ny zon\' olombelona
- feno herisetra : ny tsy mpino sy ireo tsy mitovy finoana aminy dia azony vonoina
- tsy mitovy zo ny lehilahy sy vehivavy
- mbola kely ny zazavavy dia efa azo halaina vady.
- kivadivady
- mbola mankasitraka ny fanandevozana

ô ravonjisaona! aza dia manao bango tokana! Tsy azo lazaina mihitsy fa ny silamo rehetra dia manao ireo voalazanao ireo. Ny intégriste na extrémiste no azo lazaina fa manao na mihaina ireo lazainao ireo.
Ny olon-tsotra be dia be dia manaja tokoa ny zon\'olombelona, be fitiavana , mankahala setrasetra tsy mamono namihevitra ny hamono izay tsy mitovy finoana aminy. Ny guerre sainte dia efa lany andro ary ny vono olona dia faizin\'ny lalàna, na silamo na mpanompo sampy na kristiana ny mpamono sy ny vonoina. Manaja ny hafa finoana izy.
Ny fakana vady mbola kely ( na lahy na vavy samy misy daholo) na fanomezana vady mbola kely dia tsy fomba silamo fa fombantany. Be dia be
ny afrikana manaraka fivavahana isankarazany no mifanome toky fa ohatra ny zanaky i Rabe lahy voalohany dia hanambady ny zanaky Rakoto vavy faha... Anefa tsy azo vadiana na ampivadiana ny ankizy raha tsy pubère ka efa nandia ny faha 15 taonany. ( ny coan no milaza io, amin\'ny Xtiana dia ny faha 16 taonany.
Inona no ataonao hoe \"kivadivady\"? Concubinage ataon\'ny vazaha ve? Vady tsy vita soratra ara tsy voati-body ondry ve? tsy manaika fa manameloka ny concubinage ny islam.
Amin\'ny tany aiza no misy fitovian-jo nenti-paharazana na nenti-pivavahana amin\'ny lahy sy ny vavy? Samy manana ny zony araky ny fomban-tany sy fomba-pivavahana ny lahy sy ny vavy amin\'ny firenenan rehetra. Raha dinihina ny silamo sy ny kristianina (ity no akaiky ahy indrindra) dia samy ilazan\'ny boky hoe \" aoka ny lahy hanao ny mety amin\'ny vavy, ary aoka ny vavy hanao ny mety amin\'ny lahy\". Samy milaza ireo boky ireo fa ny lahy no lohan\'ny vavy. Efa nilaozan\'ny tantarana izany anefa mbola samy mampihatra ny roa tonta eo amin\'ny fiainana an-davan\'andro.
Ohatra iray koa: isika malagasy dia mbola be ny animiste, dia manaraka ny Xtiana, dia ny silamo azo atao hoe vitsy an\'isa. kanefa samy fahatelo-tànana no anjaralovan\'ny vhv (raha maty rangahy na misaraka). Ny fomba vaovao izay efa be mpanaraka fa tsy arahan\'ny rehetra no manao 50%~50%, anefa koa mbola misy ary hajaina sy avahana tsara ny harena mainty molaly.
Ny fampirafesana koa dia nisy teto amintsika (asa, angamba koa mbola misy amin\'ny toerana izay tsy dia be mpandeha na mpitsidika matetika) saingy ny vehivavy dia tsy nahazo nampirafy. Fitovian-jo ve izany?
Ny fanandevozana koa dia zava nisy teo aloha fa tsy ankasitrahana intsony
ankehitriny anefa ny tarazo dia mbola misy tafajanona. ( olana vokatry ny fitaizana , ny tsy fahalalàna, tsy fasahiana mitaky na mampihatra ny zon\'ny tena ary vokatry ny fanararaotana koa). Ny taranaky ny andevon-drazanay dia mbola misy hatramin\'izao ary mbola mitondra tena ho andevo eo anatrehanay, ary no velomina io fomba io teo aloha kely teo, vao tsy ela akory teto Antananarivo.

Fehiny : aoka tsy hanao bango tokana fa mivaotra (mihatsara) ny zava-drehetra sy ny olona rehetra, indrindra indrindra ny olom-belona satria izay finiavana ho soa kokoa hatrany izay no manavaka ny olom-belona amin\'ny biby.

Mety hisy fahataràna amin\'ny lafiny sy ny ny toerana samihafa, fa ny totaliny dia miova mihatsara hatrany.
29. moustaraf ( 12/05/2010 13:24)
salam

marina daholo izay voalazanareo rehetra ireo e! fa saingy ny fanontaniako sasAny toa tsy mba misy valiny mihitsy mikasika ny baiboly???
Tamin'ny firenena rehetra nandalovako sy niainako dia izao no zavatra tena mahagaga: rehefa ny silamo no maneho hevitra ampahibe maso (radio io na gazety,...)
miresaka ny finoana kristianina ,avy dia olana be ny fandraisana azy, fa raha ny Xtianina kosa no mametaveta ny silamo na dia isan'andro vaky aza dia ekena foana. Matetika ny fihantsiana dia avy @ xtianina foana:
"olo-mbery ianareo e!
taranako voahozaona ianareo e!
tsy mi pholosofer ianareo e!"
@ haino aman jery aza dia sahin'ny sasany ( eto dago io) ny milaza fa ny mpamosavy, ny alika, ny maloto rehetra ary ny silamo dia tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra...
FA LAZAIKO aminareo marina fa ,ny 70% NY FAHENDRENA MALAGASY dia silamo avokoa (????) Betsaka ny mpikaroka malagasy izay manao recherche à la source no manaporofo an'io (azo iandian kevitra io an!)-

Fanontaniana kely, mahatonga ny silamo koa tsy hiaiky ny baiboly:
iza moa i Paoly apostoly: raha ny fahalalana dia tsy isany 12 lahy io an,
ary tsy niara niaina t@ tompo velively (marina ve??), nefa ny antsasaky ny evanjely dia soratanany sy teniny ary ny fandinihany sy ny fomba fiheviny, anatranatra avy aminy sns...Isan'ny mpaminany lehibe koa ve izy? sa?
Raha tsy izany dia tokony ho azo tohizana sy ampiana foana izany ny baiboly, rehefa misy milaza fa mahita fahitana .... etsetra etsetra....
30. ravonjison ( 12/05/2010 13:35)
Mampihomehy mihitsy ianao itý ry Ratoa, ireo zavatra voalazako ireo dia voasoratra ao any Corana daholo , ary tena hiainan\' ny silamo mihitsy. Tsy ny extremiste fotsiny.
Ianao angaha mbola tsy naheno fa misy ireo vehivavy vazaha nanambady silamo, dia niaraka nipetra taminy tany @ firenena misy ilay lehilahy. Any antoerana any dia : mbola naka na manana vady hafa ilay rangahy, na tsy afaka manao izay tiany hatao ilay vazaha satria amabany ka tsy maintsy mihaino an\' ilay rangahy, ary azo kapohana ....

Ka ho raisiko tsikelikely ilay izy fa betsaka loatra\"

1- ny lehilahy sy ny vehivavy dia tsy mitovy zo, ambany ny vehivavy.

Sura 4:34 : \" Ary ny lehilahy dia ambony noho ny vehivavy ...............\"

2. Ny olona tsy silamo toa azy dia azony vonoina tokoa, feno heisetra, ary tsy mamela ny olona hanana finoana hafa ( zo ) :

Sura 2: 191 : \" Vonoy izy ireo , n\' aiza n\'aiza tratranareo ( ireo tsy silamo)........\"

Raha any antanin\' olona izy ireo dia somary mihaotra , satria misy ny lalána eo antoerana, fa kosa any @ ireny pays misy silamo ireny dia ampiharina tokoa ireo. Na dia efa misy ihany aza ireo izay he hioatra ka te hanajanona @ io fonga \" sovage \" , dia mbola misy foana ny miaina @ io @ izao fotoana izao.
Ary dia matetika ady lava no miseho entre ireo te hijanona sy ireo te hitazona ilay fomba.

Raha tsy miala ao @ Corana mihitsy ireo fehezanteny ireo dia tsy ho fivavahana be fitiavana , manaja ny zon¨olombelona, sy mankahala ny herisetra velively ny fivavahana silamo
31. ravonjison ( 12/05/2010 14:37)
moustaraf:

salam

marina daholo izay voalazanareo rehetra ireo e! fa saingy ny fanontaniako sasAny toa tsy mba misy valiny mihitsy mikasika ny baiboly???
Tamin'ny firenena rehetra nandalovako sy niainako dia izao no zavatra tena mahagaga: rehefa ny silamo no maneho hevitra ampahibe maso (radio io na gazety,...)
miresaka ny finoana kristianina ,avy dia olana be ny fandraisana azy, fa raha ny Xtianina kosa no mametaveta ny silamo na dia isan'andro vaky aza dia ekena foana. Matetika ny fihantsiana dia avy @ xtianina foana:
"olo-mbery ianareo e!
taranako voahozaona ianareo e!
tsy mi pholosofer ianareo e!"
@ haino aman jery aza dia sahin'ny sasany ( eto dago io) ny milaza fa ny mpamosavy, ny alika, ny maloto rehetra ary ny silamo dia tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra...
FA LAZAIKO aminareo marina fa ,ny 70% NY FAHENDRENA MALAGASY dia silamo avokoa (????) Betsaka ny mpikaroka malagasy izay manao recherche à la source no manaporofo an'io (azo iandian kevitra io an!)-

Fanontaniana kely, mahatonga ny silamo koa tsy hiaiky ny baiboly:
iza moa i Paoly apostoly: raha ny fahalalana dia tsy isany 12 lahy io an,
ary tsy niara niaina t@ tompo velively (marina ve??), nefa ny antsasaky ny evanjely dia soratanany sy teniny ary ny fandinihany sy ny fomba fiheviny, anatranatra avy aminy sns...Isan'ny mpaminany lehibe koa ve izy? sa?
Raha tsy izany dia tokony ho azo tohizana sy ampiana foana izany ny baiboly, rehefa misy milaza fa mahita fahitana .... etsetra etsetra....

Salut Moustaraf !

Isika eto aloha dia tsy hiresaka fihanstiana avy avy @ silamo na kristianina e, tsy izay mihitsy ilay ady hevitra.
ny ady hevitra eto dia araka ireo fanontaniana napetrako atsy ambony atsy.
Ka raha misy azonnao lazaina mikasika ny hoe : inona no mahasarika ny olona @ fivavahana silamo dia mba lazalazao eto, hiaraha-mandinika.
Izaho moa efa nilaza ny zavatra hitako fa olana @ izao fotoana izao , mikasika ny finoana silamo.

Ny hoe fa iza i Paoly no nanoratra ny baiboly dia ho fandaniana andro ihany, satria betsaka ny zavatra ao @ baiboly na ao @ Coran no efa lany nilaozan' ny toetrandro. Ka ny hiady hevitra hoe ny an' ny kristianina na ny an' Coran no marina mikasika an' i Paoly dia fandaniana andro amiko.
32. soanja ( 12/05/2010 15:03)
moustaraf:

Raha tsy izany dia tokony ho azo tohizana sy ampiana foana izany ny baiboly, rehefa misy milaza fa mahita fahitana .... etsetra etsetra....

Izay mantsy. Amiko tsy tokony mifarana amin'ny baiboly izay tian'Andriamanitra ampitaina ary tsy tokony ho voasoratra daholo koa satria avo kokoa noho ny soratra ny fisehoan'Andriamanitra amin'ity tontolo misy ity.

33. ikaretsaka ( 12/05/2010 15:09)
Namaste
34. soanja ( 12/05/2010 15:28)
ravonjison:

1- ny lehilahy sy ny vehivavy dia tsy mitovy zo, ambany ny vehivavy.

Sura 4:34 : \" Ary ny lehilahy dia ambony noho ny vehivavy ...............\"

Ao anaty baiboly

1 Kor 11:3

3 Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan'ny vehivavyBold text; ary Andriamanitra no lohan'i Kristy.

Mbola betsaka ny teny ao anaty baiboly milaza fa ambany ny vehivavy noho ny lehilahy..... saingy io aloha no azoko omena.

Ahoana ny hevitr'i Ravonjy?

35. ikaretsaka ( 12/05/2010 15:35)
Hanampiako an I soanja
Ao anaty baiboly koa le hoe ahitsano ny vovoka @ kapanareo

Na tsy famonoana physiquement aza izany .... anisan'ny fifa filaza hoe rehefa tsy ohatranareo de apangao e...karaha ilay hoe ametrahana vato ny varavaran'ny olona apangaina ho mpangalatra sy mpamosavy fahiny alohan'ny hampinomana tangena azy
36. soanja ( 12/05/2010 15:36)
Indro koa ny ao amin'ny baiboly. Hazavao ary

Deot. 13:7-12

7 Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao),

8 dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin'ny faran'ny tany rehetra),

9 dia aza manaiky azy na mihaino azy hianao; ary aza mba iantran'ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao;

10 fa vonoy ho faty izy; ny tànanao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tànan'ny vahoaka rehetra.

11 Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin'i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.

12 Ary ny Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao.
37. soanja ( 12/05/2010 15:40)
Izay ilay lazaiko hoe Aoka tsy hitsikilo sy hanimbazimba izay hinoan'ny hafa fa ny antsika aza dia misy be dia be tsara kianina. Io anefa tsy ekenny ankamaroany eto. :( nefa dia fanilikihana hafa sy fiheverena fa ny tene irery no ho tafita.

Io soratra io hoy aho tandremo!
38. Ratoa ( 12/05/2010 23:57)
Misaotra an'i soanja namaly an-dravonjison.

Tena mampiomehy mihitsy ianao ravonjison: Teny indrai-mbava no navaliko anao : «aza manao bango tokana fa mivaotra daholo izao tontolo izao , indrindra ny olombelona». Odianao fanina sa tena tsy takatrao?
Nalazako koa fa ny Baiboly koa dia feno teny manambany vhv. Teny kely ao anaty Baiboly no notsongaiko satria averin’I pasitera (protesta aho ka izay no itenenako an’I pasitera) foana io rehefa manamasina mariazy: ‘.. fa ny lahy no lohan’ny vavy…sns» Ary ireo an-dalana be dia be nostongain’I soanja dia manafy ihany ny hevitro: aza manao bango tokana fa ny Xtiana koa dia manana zavatra betsaka azo tsikeraina.
Aiza moa ianao io no mipetraka?

Izao fotsiny:
1° rehefa manambady vahiny dia vonona hiaina ny fombany , na lhl ianao na vhv, na sinoa na gasy hafa fiaviana ny ho vadinao.
2° Raha tsy araky ny nampoizina sy izay nifanarahana ny zava mitranga, na vhv frantsay na amerikana na vhv silamo na vhv inona dia samy mahazo manao divorce raha mahatsiaro fa voafitaka na dia mahalala tsara aza fa silamo ity novadiana; ary afaka mihaina irery tsara amin'ilay tany na manambady silamo hafa indray raha tiany. Donc miankina amin’ny tsirairay ny fialana na fiharetana rehefa tsaroana fa tsy mety amin’ny tena ity afitsony.
3° ny tsy vitovianjo an’ny vhv sy lhl dia samy misy na ny baiboly na ny coran na ny thora. Fa EFA MIVAOTRA hoy aho ny OLONA. Ny lalàna ( la loin a constitution) dia efa manome zo mitovy an’ny lahy sy ny vavy amin’ny tany silamo maro. Jereo fotsiny I Maroc izay tsy silamo fotsiny fa ROYAUME CHERIFIEN;

Ny zava mahagaga sy mampiomehy aminao dia ny tsy hanekenao fa na ny coran aza dia efa kianina sy sarahana tanteraka amin’ny fitondrana fanjakana, raha tsy hoe angaha any Arabie Saoudite izay mpiambina ny fivavahana silamo sy loharanony.

Milaza ianao fa «
Raha tsy miala ao @ Corana mihitsy ireo fehezanteny ireo dia tsy ho fivavahana be fitiavana , manaja ny zon¨olombelona, sy mankahala ny herisetra velively ny fivavahana silamo

Porofo io fa tsy mbola nihaina tany amin’ny tany silamo na à majorité silamo ianao ka manao bango tokana, raha misy dia misy dia ny tany be intégriste na sendra nisy fitodihan-doha mihatrika ny fototra silamo no efa nalehanao, satria tsy nahita na nahatsapa ny fivoarana ianao.
Mbola misaotra an'i soanja nanamafy ny voalazako sy misarika ny saina mba tsy hanaratsy ny hafa fa ny an'ny tena aza tsy fantatra tanteraka.
39. soanja ( 13/05/2010 00:23)
Tsy misy fisaorana Ratoa. :-* :-* :-* (l)
40. ravonjison ( 13/05/2010 09:36)
soanja:

Indro koa ny ao amin\'ny baiboly. Hazavao ary

Deot. 13:7-12

7 Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao),

8 dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin\'ny faran\'ny tany rehetra),

9 dia aza manaiky azy na mihaino azy hianao; ary aza mba iantran\'ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao;

10 fa vonoy ho faty izy; ny tànanao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tànan\'ny vahoaka rehetra.

11 Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin\'i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin\'ny tany Egypta, tamin\'ny trano nahandevozana.

12 Ary ny Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao.

Misaotra an\' i Soanja aloha nanoratra ireo izay voalaza ao anaty baiboly . Tiako ho marihina anefa fa tsy hanatsara ny kristianisma mihitsy no tanjoko eto ( misy zavatra betsaka tena tsy tiako ao @ finoana kristianina), fa kosa hilaza ny zavatra tsy azoko ekena @ fivavahana silamo. Ary ao anatin\' izany ny fampitahana azy @ kristianisma na ny jodaisma, satria eo no ahitana avy hatrany ilay \" difference \"

Ka raha hiverenako ireo tsimponao etsy ambony, dia ho feheziko ao anaty fehezanteny iray hoe : herisetra.

Io resaka herisetra io dia \" point \" iray ( voalazako atsy abony) tsy hitiavako ny silamo, ary koa azoko hilazana fa efa nivoatra lavitra ny kristianisma sy ny jodaisma mikasika izany.

Ao @ testamenta taloha dia betsaka ny voasoratra mikasika herisertra, ady ,jereo Josoa ohatra.
Ny sasany amin\'izy ireny moa dia efa nahitsin\' I Jesosy araka ny fampianarana vaovao nataony ao testamenta vaovao ( izany moa no nahatonga azy ho tsy tian\' ny jiosy sasany , satria toa miseho mahay be !!!).
@ izao fotoana izao , ny fampianarana jiosy sy kristianina dia mandray ireo herisetra voalaza ao @ testamenta taloha ho \" metaphores \" sy tantara , fa tsy ohatra azo ampiharina direct velively.
Tsy misy kristianina mitora-bato na mamono olona izany, lavin\' ny fampianarana kristianina tanteraka izany. Indraindray ary tena efa lasa lavitra loatra ilay izy , ka na olona efa marary mafy tsy azo sitranina intsony aza dia mbola lavin\' ny finoana kristianina foana ny fanamaivanana ny azy @ alalan \' ny \" eutanazie \" , satria ny aina hono dia an\' Andriamanitra ka izy ihany no manapaka ny @ izany.
Aty misy silamo, ary mitazona ny finoany izy, betsaka ny olona maneho ny heviny ny @ izany, saingy tsy mamono na maneho herisetra izany ireo kristinina !!!
Ny mifanohitra ny @ izay ny ao @ finioana silamo: ireo voalaza ao anaty Coran sy izay nataon\' i Mohamed dia ohatra azo raisina sy ampiharina avy hatrany. Izany hoe tsy nisy mihitsy ny \" corerection \" araka ny zava-misy fa ireo voalaza ao t@ taon-jato faha 17 dia mbola ampiharina @ izao taon-jato faha 21 izao , tsy misy esorina na ampiana.
Rehefa aty Eoropa izy ireo dia mitandrina satria misy ny lalána mifehy eo an-toerana ( saingy mbola nisy ihany ireo silamo efa manambady any aminy , dia mbola maka vady vaovao indray izy ireo atý Eoropa ). Mandehana anefa ianao any Arabie Saoudite na Soudan, ka asehoy ampahibemaso ny fioanao hafa, fa tena na ho ela na ho aingana dia tsy maintsy voan \' ny herisetra ianao. Izany herisetra izany dia fampiharana avy hatrany izay voalaza ao @ Coran.
Tadidio ilay cas Tao Indonesie vao haingana, tovolahy sy tovovavy nampiaraka en public, dia tena nokaravasiana araka ny ao @ Coran, ilay kalakely no mahazo betsaka.
Izany anefa dia zavatra normal be @ izy ireo, ary tsy herisetra velively no handraisany azy ireo izany, fa kosa fanatanterahana ny tenin \' Andriamanitra.

......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 9.0994