Mahaiza mamafy II

21. soanja ( 23/04/2010 00:05)
rijadolly:

Mba misy maro kosa anie ny Fisaorana izay nalefa ho an\' se izay noho ny Fitorin\' se e! Ary misy no niadin- kevitra. Aiza ho aiza am\' io tenin\' se io ireny?


Rija> Tsy ny fisaorana no ilaiko, fa misaotra anao na izany aza, fa isika hanomboka handinin-tena amin'ny zavatra inoantsika no faniriako. Faniriako io fa tsy misy ankoatr'izay akory.

Raha tsy mahatsapa tena fa mivaralila i Rija dia tsy ao anatin'io tiako resahina io ianao izany. Tsy milaza ny Xtinina rehetra velively aho fa manondro kosa ireo izay voalaza etsy ambony fa anisany nampiditra an-davaka ny firenentsika ary nitondra tamin'ny fahorian'ny mandandy harona.

Mbola afaka hilaza ve i Rija fa tsy isan'ny olana na koa hoe fototr'olana ny fivavahana izay manjaka ao Madagasikara ao ka zary tsy mahita izay ambony ambany ireo izay milaza azy ho mpino. Bold text

Raha tsy izay dia ndao ary hojerena ny statisitika hoe firy ny Xtianina ary firy ny isany nandray anjara tamin'ny fifandiran'ny raharaham-pirenena amin'izao ve izy ireo? Iza no mpifidy ny olom-boafidy fa tsy isika ihany. Isika iza io?

Azoko lazaina aminareo marimarina fa sarotra ny mampifidy na mandefa ireo vahoaka hifidy any ambanivohitra any. Milaza izy ireo fa tsy misy idirany izay raharaham-pirenena. Ny sakafo hohaniny no manahirana azy. Vitsiana no taitaitra amin'izany nefa dia firy moa ny isantsika Malagasy ary firy ny any ambanivohitra?

Tsy ireo izay manompo ny Razana no hisahirana amin'izany fifidianana izany fa isika izay nilaza ny tenantsika fa nahita fivoarana ary mahalala izay mety sy mahiratra momba ny firenentsika. Aiza anefa izao i Madagasikara?

Aoka handinin-tena daholo ary isan'izany ny tenako. Raha mampiasa ny finoako aho hatraiza ny hampiharako azy amin'ny hafa ka tsy isonenahako amin'ny fitiavan-tena be loatra?
22. rijadolly ( 23/04/2010 02:56)
Ekeko Soanja fa, fa misy ilay tsy inoan\' se izay mampiasa ny Tenin\' Andriamanitra ho Fitaovana handravana ny vahoakan\' Andriamanitra.Eny fa na dia ny olom- boafidy aza ho fitahiny. Amiko manokana dia tsy afaka manome tsiny ireo mpitory aho satria na dia izireo aza dia ho voafitaka raha tsy mi- test ny fanahy izay miasa ao aminy, na ireo Fiangonana zokiny izany na ireo Fiangonana zandriny.

Ra mikasika ny Firenetsika indray dia miray fo sy saina amin\' se aho, ary afaka miteny eto Rakapy raha tsy izay ny hevitro; fa nolazaiko dia marina ny tenin-dRakapy koa; fa saingy manosika ny Mpitory tsy hiasa hoy aho.Ra izay ny nanjo ny Firenentsika dia ny fandikana lalana tsotra izao ireo didy izay nampetraka, izay ekeko fa Kristianina ny 90/100n\' ireo nandroba.Aiza ho aiza izany ny toerana nisy antsika raha toa ka tsy no toriana ireny, satria samy tsy hanaiky na ny ilany itsy na ny ilany zaroa. Ra ny fahavalon \'ty Firenentsika ity dia ny ady an- trano no iriany hatramin\' izay (1883==>2010), Fa naninona no tsy tanteraka izany hatramin\' izao, maninona no mbola misy ireo izay miatsoantso ny firaisam- pirenena, fandeferana marina; maninona no mbola misy ireo izay miantso fifamelan- keloka; maninona no mbola misy ireo izay miatsoatso ny hisian\' fahamarinana ??? (hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, ohatra); satria mino izireo fa betsaka noho ireo izay nania ( 99 ) no tsy namaly faty sy tsy voatarika nanao ireny zavatra mahamenatra ireny, ary mino koa izireo fa ho betsaka ireo izay nanao ireny no hiverin- dalana ( 1 ), ary dia hisy fifaliambe any andanitra.

Eo no tsy ekeko ny fanomezana soketa ny Mpitory, satria raha namafy Jesoa tamin\' boka folo lahy, firy tamin\' ireny moa no niverina nisaotra azy? 1/10. Raha namafy Jesoa ka nilaza hosana hosana ny Zanak\' Israely, naninona no niova ho homboy, homboy; raha nanome tsara indrindra tany andanitra Andriamanitra, firy tamin\' izy ireo no nania 1/3? Iza no sahy hitsara AZY ?
23. rakapy ( 23/04/2010 05:51)
Soanja> Misaotra fa voafintinao sy voazavanao ny tiako ho lazaina.

hoy i Rijadoly
IEo no tsy ekeko ny fanomezana soketa ny Mpitory, satria raha namafy Jesoa tamin' boka folo lahy, firy tamin' ireny moa no niverina nisaotra azy? 1/10. Raha namafy Jesoa ka nilaza hosana hosana ny Zanak' Israely, naninona no niova ho homboy, homboy; raha nanome tsara indrindra tany andanitra Andriamanitra, firy tamin' izy ireo no nania 1/3? Iza no sahy hitsara AZY ?

Ka raha mbola fanasoketana no handraisanareo ilay filazana ny zavatra tsapa sy hita dia mbola tsy hiisy fiovana ny olana eto M/car e!
24. bor2lais ( 23/04/2010 09:02)
rakapy:

100 taona mahery aty aoriana ...

-> Mbola tsy mitsahatra ny mamafy isika ... :D
rakapy:

Manao ahoana ny vokatra?

-> Heveriko fa mbola tsy any angamba isika izao fa mbola eo amin'ny famafazana (II hoy ianao) hatrany aloha ... :D

-> Fomba fijery manokana : ny hazo hono raha tiana handrobona sy hamoa dia tsy maintsy rantsanana dia lasa ratsy endrika (toa tsy misy ilàna azy indraindray) amin'ny voalohany : mino aho fa eo am-panamboarana ny Firenentsika Izy ! :D

Fomba fijeriko ihany anefa io an ! :D
25. rakapy ( 23/04/2010 09:40)
Hoy i Bor2lais
Mbola tsy mitsahatra ny mamafy isika ...

Hatramin'izao ve? dia raoviana izany vao hioty ny vokatra nefa toa efa ambara etsy sy eroa hoe hirafarana hono ity fiainana ity?
Sa ve ilay any @ fianan-tsihita ihany no tena tanjona fa ny eto an-tany tsy dia ivakisana loha loatra na ho ratsy sy feno fahoriana aza?
Raha izay mantsy no izy dia hoy aho hoe: Tsy adalana ihany ve izany satria raha ny fiainanao eto aza tsy vitanao tsara, dia mihevitra e ianao fa lafatra ny any an-koatra? Asa aloha fa fomba fijeriko ihany koa io?
Hoy i Bor2lais
Heveriko fa mbola tsy any angamba isika izao fa mbola eo amin'ny famafazana (II hoy ianao) hatrany aloha ..

Amiko , ilay voa dia efa nafafy sy afafy ary mbola hafafy. Ary vokatra dia efa tokony nisy nojinjaina sy jinjaina ary hojinjaina ihany koa.
26. ikaretsaka ( 23/04/2010 11:45)
Mbola tsy mitsahatra ny mamafy isika ...

O ra bord a .. tsy mamafy isika fa manondraka sy mpikarakara ny tany ary mpijinja: ny Ray no Mpamafy!

Ny hafatra aza dia hoe "be ny vokatra, vitsy ny mpijinja, ka mangataha any @ rahy handefa sany mpijinja" ///Ilaina toko io fijinjana io hanaovana "Evaluation" sy examination indraindray: hoe aiza ho aiza no mbola mila hasaina , sy tondrahana...

Kapy:
Sa ve ilay any @ fianan-tsihita ihany no tena tanjona fa ny eto an-tany tsy dia ivakisana loha loatra na ho ratsy sy feno fahoriana aza?
Raha izay mantsy no izy dia hoy aho hoe: Tsy adalana ihany ve izany satria raha ny fiainanao eto aza tsy vitanao tsara, dia mihevitra e ianao fa lafatra ny any an-koatra? Asa aloha fa fomba fijeriko ihany koa io?

raha mijery ny filozofian-drabord sy ny namana mitovy fihevitra aminy koa ahako fia mitovy amin'io voalazan'ialahy io mihitsy ny conclusion azo tsoahina
27. soanja ( 23/04/2010 12:18)
rijadolly:

fa saingy manosika ny Mpitory tsy hiasa hoy aho.Ra izay ny nanjo ny Firenentsika dia ny fandikana lalana tsotra izao ireo didy izay nampetraka, izay ekeko fa Kristianina ny 90/100n\' ireo nandroba.Aiza ho aiza izany ny toerana nisy antsika raha toa ka tsy no toriana ireny, satria samy tsy hanaiky na ny ilany itsy na ny ilany zaroa. Ra ny fahavalon \'ty Firenentsika ity dia ny ady an- trano no iriany hatramin\' izay (1883==>2010), Fa naninona no tsy tanteraka izany hatramin\' izao, maninona no mbola misy ireo izay miatsoantso ny firaisam- pirenena, fandeferana marina; maninona no mbola misy ireo izay miantso fifamelan- keloka; maninona no mbola misy ireo izay miatsoatso ny hisian\' fahamarinana ??? (hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, ohatra); satria mino izireo fa betsaka noho ireo izay nania ( 99 ) no tsy namaly faty sy tsy voatarika nanao ireny zavatra mahamenatra ireny, ary mino koa izireo fa ho betsaka ireo izay nanao ireny no hiverin- dalana ( 1 ), ary dia hisy fifaliambe any andanitra.

Eo no tsy ekeko ny fanomezana soketa ny Mpitory, satria raha namafy Jesoa tamin\' boka folo lahy, firy tamin\' ireny moa no niverina nisaotra azy? 1/10. Raha namafy Jesoa ka nilaza hosana hosana ny Zanak\' Israely, naninona no niova ho homboy, homboy; raha nanome tsara indrindra tany andanitra Andriamanitra, firy tamin\' izy ireo no nania 1/3? Iza no sahy hitsara AZY ?



28. soanja ( 23/04/2010 12:39)
Azafady fa lasa tsy nahy ilay izy.


Ny ahiko dia tsy misy miteny hoe " aza avela hitory ny Mpitory" fa hoy aho hoe "Izay mitory dia aoka izy no ho modely voalohany amin'izay toriany."

Ohatra iray velona no omeko anao.

Misy fiangonana Protestanta izay nitsangana teo akaikinay. Tsotsotra be izy mivady pasitera tamin'ny voalohany. Nitarika ireo ankizy hihira sy hanao kilalao sns sns rehefa alahady. Eny an-tsefatsefany eny ny toriteny sy fananarana mahasoa. iRoe mahantra teo akaiky no nantsoina tamin'izany mba hivavaka. Indray mandeha anefa dia nahazo fanampiana avy taty ivelany ilay fiangonana kely ary lasa fiangonana goavana be ary niala teo akaikinay moa izany. Inona no nitranga, nividy trano goavana be, fiara mirijiraja sy fananana tsy misy ohatr'izany ary nirobaroba izy mivady. Farany moa dia nisaraka izy mivady fa lasa nanary vady rapela fa soa loatra nony nihaingo tsy misy ohatr'izany, ka nanaraka zatovolahy mila vola. Tsy fantatro loatra izay niafaran'ilay fiangonana fa ireo Mpamatsy vola mihitsy no nitaraina momba ilay olana. Ireo mahantra anefa dia nahantra tsy nisy fiovana. Aiza isika Mpitory amin'izany? Firy ny ondrintsika dia vitanao ny hanao izany nefa ny "NY TENIN'ANDRIAMANITRA" notoriana teny ihany.

Tsy misy hafan'izay koa ilay finagonana iray tao Tana nalehan'ny namako. Fahafolon-karena mankany daholo. Ilay pasitera amin'izany ravaka volamena eny ambozonana matevina tokoa, ny rantsan-tanany iny efa ho feno peratra mamiratra. Ny fiara mirijarija. Izy mianakavy, moava tsy mampatsiahy ahy ireo Amerikanina aty US ilay mpanao rap ireny. Ny vahoaka hitoriana anefa dia mahantra velona tokoa. Mampalahelo! Aiza ianao sy ny fitoriana?

Ny olan'ireo fiangonana goavana miady olona satria goavana be ny rakitra azo isan-taona ary tsy menatra mihitsy ny misaraka noho izany resa-bola izany fotsiny.

Aoka Tompoko! Raha hitory dia aoka ho modely! Iza no heverinareo fa hanaraka ny toriteny raha isika mpitory aza manao ny atao.

Aleoko aza tsy nisy nitory toy izay nitory nefa tsy mahajery ny tena.

Raha nandroba ny olona dia satria mahantra izy ireo tsy manan-kohanina. Tsy hitany izay tokony ataony fa izay no momba azy. Noana, mahantra, sahirana. Tsy noraharahaina ireo olona ireo aman-taonany maro. Nolazaina fa avy amin'i Kartie feno jiolahy. Nahoana no be jiolahy ao??? Nisy nijery ve ny zanak'ireo???? Iza no mba ndeha hijery sy hiatrika ary hanome azy ireo fiononana sy fanantenana. Tsy nisy??? Nefa firifiry ny fiangonana miorina tsy lavitra akory ireo olona mahantra tsy manana fahalalana ireo. Tsy ireo no fototr'olana ka. Isika tia tena no fototr'olana tsy mahalala ny hafa. Notsinotsinoavina tsy nampiasaina ny Finoana hoy aho!

29. bor2lais ( 23/04/2010 12:41)
rakapy:

Sa ve ilay any @ fianan-tsihita ihany no tena tanjona fa ny eto an-tany tsy dia ivakisana loha loatra na ho ratsy sy feno fahoriana aza?

-> Miala tsiny indrindra fa tena tsy mahay manazava aho raha izany ! Ny tiako lazaina matoa ianao mbola mahatsapa fa feno fahoriana sy faharatsiana eto an-tany dia midika izany fa mbola tsy vita ny asa fa mbola ilaina ny famafazana. Averiko indray fa tsy voatery eny amin\'ny pilopitra ihany akory no antsoina hoe famafazana fa na ny fihetsika sy fomba fiaina an-davanandro dia ao anatiny ihany koa. Izay no antsoiko hoe \"miaina feno ny finoana\". Ary tsarovy koa fa ny finoana tsy arahin\'asa dia maty !

Na izao ataon-drakapy izao ange azo raisina ho famafazana ihany e ! :D

Ika > Ny famafazana tiako lazaina dia tsy voatery ilay famafazana lazainao fa ilay nitondran-drakapy azy hatrany am-boalohany : fampitana hafatra na toriteny na fitaizana na fampianarana sns !

Ilay antsoinao hoe \"fijinjana\" na \"famoriana\" eto ohatra dia azo heverina ihany koa amiko fa \"famafazana\" ihany raha eto amin\'ity lohateny ity ! ... :D
30. ikaretsaka ( 23/04/2010 12:52)
hitondra fanamarihina kely ho an'i RD aza

.Ra izay ny nanjo ny Firenentsika dia ny fandikana lalana tsotra izao ireo didy izay nampetraka,

fa naninona no nodikaina tsotra izao? satria napetrakafotsiny ilay lalana fa tsy nampihatraina, sy tsy fantatry ny olona akory hoe inona no antony nampisy ilay lalana...
tadidio fa dimy venty sy telonjato monja ny lalana taloha saingy kosa fantatry ny olona hoe napetraka izao lalana izao satria izao no antony... dia azony de najainy, fa ity na ny nametraka ilay lalana aza tsy mahay ny votoatiny akory ny ankamaroany!

Eo no tsy ekeko ny fanomezana soketa ny Mpitory, satria raha namafy Jesoa tamin' boka folo lahy, firy tamin' ireny moa no niverina nisaotra azy? 1/10.

-Tsy namafy Jesoa fa nanasitrana aloha...
- Amiko tsy ny fisaorana Azy loatra ihany no tena ilain'i Jesoa..Na tsy nisaotra Azy aza ange ireo olona ireo ka nandeha tany @ ze nalehany tany ka anontanian'ny olona hoe iza no nanasitrana azy dia tsy maintsy hiteny hoe ilay Rangahy ohatran'izao e... amiko izay no nilain'i Jesoa fa ho an'ilay mpanoratra ilay evanjily moa ny point -ny t@ io dia hoe natao ho an'ny olona rehetra i Jesoa (samaritanina ilay bandy niverina raha tsy diso ahako)

Fa naninona no tsy tanteraka izany hatramin' izao, maninona no mbola misy ireo izay miatsoantso ny firaisam- pirenena, fandeferana marina; maninona no mbola misy ireo izay miantso fifamelan- keloka; maninona no mbola misy ireo izay miatsoatso ny hisian' fahamarinana ??? (hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, ohatra); satria mino izireo fa betsaka noho ireo izay nania ( 99 ) no tsy namaly faty sy tsy voatarika nanao ireny zavatra mahamenatra ireny, ary mino koa izireo fa ho betsaka ireo izay nanao ireny no hiverin- dalana ( 1 ), ary dia hisy fifaliambe any andanitra.


Miala tsiny raha somary manindrona an!
Satria le izy antsointsoina fotsiny fa tsy nasiana asa nampanarahina azy!

Andrianampoinimerina sy ry Radama ange raha nilazasy nanao tarigetra ny "firaisam-pirenena".. tsy vitan'ny nampivory ambaniandro vitsivitsy teny Andohalo na nikabary teo ambony Vatomasina fotsiny fa lasa tany @ lafy valon'ny Nosy mihitsy e nampiasainy izay azo nampiasaina!

Izay no lazaiko foana amin'i RD sy ny namana ato hoe io vavaka io nge ry zareo ka "Tolona fa tsy sento" e
31. rakapy ( 23/04/2010 13:13)
Hoy i Rijadoly

Na izao ataon-drakapy izao ange azo raisina ho famafazana ihany e !

Angamba mety diso fijery ianao fa tsy namafy aho fa miava voly angamba! Satria dia tsy nisy teny tao @ baiboly nafafiko teto hatr'izay.
32. rakapy ( 23/04/2010 13:15)
N 30>Hoy Bor2lais fa azafady aminao ry Rija :wink:
33. bor2lais ( 23/04/2010 13:25)
rakapy:

Angamba mety diso fijery ianao fa tsy namafy aho fa miava voly angamba!

-> Ny ahi-dratsy moa no esorina rehefa miava voly ? :D
34. ikaretsaka ( 23/04/2010 13:28)
ny bibikely, ny vatokely. ny ratsana tsy mamoa , ny parasites, sy ny voa nafafifafy foana ka tsy namokatra esorina aby rehefa miava voly ka... fa tsy ny ahidratsy ihany :-D
35. rakapy ( 23/04/2010 13:30)
Hoy i Bor2lais
Ny ahi-dratsy moa no esorina rehefa miava voly

Arakaraky ny voly, mety manala ahi-dratsy, mety mamadika bainga koa indraindray. Eny mety mila mandratsana koa aza raha ilaina.
36. bor2lais ( 23/04/2010 13:34)
Ao anatin'ny fikolokolona daholo izany ! :D
37. rakapy ( 23/04/2010 13:43)
Hoy i Bor2lais
Ao anatin'ny fikolokolona daholo izany !

Azonao ny tiana ambara.
Tsy ampy ary tsy ho tsara ny vokatra raha toa famafazana ihany no imasoana. Ny voly dia ilana fikarakarana vao mamoha tsara.
Raha tsy hoe voly tavy angaha no tinao atao. Raha io dia tsotra , sady tsy dia manahirana nefa tsy mahavokatra firy ary manimba tany koa.
38. bor2lais ( 23/04/2010 14:13)
rakapy:

Tsy ampy ary tsy ho tsara ny vokatra raha toa famafazana ihany no imasoana. Ny voly dia ilana fikarakarana vao mamoha tsara.
Raha tsy hoe voly tavy angaha no tinao atao. Raha io dia tsotra , sady tsy dia manahirana nefa tsy mahavokatra firy ary manimba tany koa.

------
Eto no tsy dia mampitovy hevitra antsika : eo amin'ny izay mety ho vokatra !
Amiko dia tsy ahy intsony ny tohiny : ho tsara ve sa ho ratsy ny vokatra ?
39. rakapy ( 23/04/2010 14:25)
Hoy i Bor2lais
Eto no tsy dia mampitovy hevitra antsika : eo amin'ny izay mety ho vokatra !
Amiko dia tsy ahy intsony ny tohiny : ho tsara ve sa ho ratsy ny vokatra ?


Mety tsy ho anao intsony hoy ianao ny vokatra, nefa raha ny fijeriko dia tokony efa fantatrao ,ara tombatombana ny vokatra mety hiakatra na dia mbola tsy matoa aza vokatra. Eo dia ho fantatrao ny tohiny.
==>Ny avandra koa anefa mbola mety hamely ka ilana fahamalinana ny fijerena ny voly mandra-pinjinja.

40. xxx ( 23/04/2010 14:36)
rakapy:

Hoy i Bor2lais
Eto no tsy dia mampitovy hevitra antsika : eo amin'ny izay mety ho vokatra !
Amiko dia tsy ahy intsony ny tohiny : ho tsara ve sa ho ratsy ny vokatra ?


Mety tsy ho anao intsony hoy ianao ny vokatra, nefa raha ny fijeriko dia tokony efa fantatrao ,ara tombatombana ny vokatra mety hiakatra na dia mbola tsy matoa aza vokatra. Eo dia ho fantatrao ny tohiny.
==>Ny avandra koa anefa mbola mety hamely ka ilana fahamalinana ny fijerena ny voly mandra-pinjinja.



Ny vokatra @ fitoriana dia tsy voatery ho fantatrao mpitory. Marina tanteraka ny an'i Bordelais fa tsy azy ny vokatra fa an'ny Tompony.

Ny antony koa dia tsy ho anao no hitorianao fa ho an'ilay olona , tsy izay tombony hiverina aminao no zava-dehibe satria tsy hisy io . Ny famonjena efa azonao no efa anjaranao

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.058