Silamo nihaiky ny hitany.

1. soanja ( 10/04/2010 16:18)
Nisy namako izay avy any Ejipta tonga taty US. Izy dia ireny Imam ireny. Sambany izy no tonga taty. Ny namanay nifandraisanay taty dia tsy mpino an'Andriamanitra no ankamaroany.

Gaga be tokoa anefa izy nony niresaka tamiko fa hoy izy hoe mahagaga ahy ny olona aty US fa tsy nampoiziko mihitsy. Manao ny fomba takiana ao anaty Coran izy ireo nefa tsy nianatra izany akory sy tsy nilazana izany no sady mety tsy mahalala an'i Allah akory. Ny tiany hambara dia tsara fanahy daholo ny olona nifandray taminy. Manampy azy aminkitsipo izay zavatra tsy hainy ka nilany fanampiana nefa mety tsy mahalala azy akory ireo olona fa dia tampotampoka any amin'izay alehany any. Gaga koa izy fa afaka mamerina entana tsy mifanaraka aminao any amin'ny mangazay raha sanatria ka nividy izany entana izany ianao ka tsy simba na nisy simba avy any ampotony ny entana. Miaina ny fiainana takian'i Allah amin'ny fifandraisana ny aty hoy izy sady nitsiky tamiko. Dia hoy aho taminy, Imam tadidio fa ao anatin'ireo olona rehetra ireo i Allah na dia tsy mino ny fisiany aza izy ireo. Tsy ilay anarana mantsy hoy aho no zavadehibe/ na ilay teny mivoaka ny vavantsika fa ny fisehony eo amin'ny asantsika tsiraidray eo ampifandraisana eo. Moa ve manao izany amin'ny fontsika isika?

Nihomehy kely izy. Nefa anie ny anay any Ejipta sy any ankafa Silamo dia zara raha manao ireo fomba fitiavana takiana ireo ny olona hoy izy. Nefa dia ampianarina isanandro ary lazaina isanandro eo ambava eo.

Ka izay ny olombelona ry Imam hoy aho taminy, ezaka daholo ny antsika hoy aho fa tsy misy tonga lafatra. I Allah irery ihany no lafatra. Ianao izao efa mba nahita ny taty dia mba lazao/ zarao any amin-dry zareo any izay hitanao taty, asa mety mba hanandrana hanao izany ziy. Satria na ianao mahita izany aty aza dia efa marika fa miasa i Allah.

novalian'i soanja ny 21/04/2010 13:20
2. rijadolly ( 11/04/2010 11:27)
Misaotra soanja a!
Izay ilay Boky misokatra ho vakian\' ny manodidina an\' tena.
Ary tsy maintsy manambara isika fa noho ny fiasan\' Andriamanitra ao anatitsika no afahatsika manao izany mba handraisany an \'Andriamanitra raha tsy manana izy. Mba afahan\' ny mpamaky ihany koa fa tsy diso lalana isika raha efa mahalala an\' Andriamanitra izy...
3. ikaretsaka ( 11/04/2010 11:56)
Silamo eo anivona tontolona tsy mpino moa no netin'i soanja teto, fa mety koa io ho an'ny kristianina eo anivon'ny tontolon'ny tsy mpino... na samy kristianina aza (misy tokoa io) rehefa tsy mitovy firehana aminy ianao: zahako dia efa tratran'ny nifanohitra t@ io lazain'i soanja io tao atsimon'i USA tao. Nanampy ahy le olona kristianina (tsy tadidiko intsony na metodista na batista na coc izy izay) fa nony hitany aho hoe tsy kristianina ohatra azy fa kato ary tsy nety voasariny ho any aminy.. dia nialan'ilay communaute moramora...
De ny nanihaniako azy moa t@ izany hoe andeha hilaza @ masindahy paoly hoa zahako fa ny korintianina Moderna ity lasa tsy te hahalala ny kristianina avy any roma :-) somary tonga saina sy menamenatra Zareo avy eo fa efa azoko ny lesona
4. rakapy ( 11/04/2010 13:56)
Misaotra an'i Soanja nilaza ny tantara. Ny ahy indray dia izao no zavatra tsampako sy voasintoko avy tao @ ilay tantara:

-Tsy voatery ahalala sy handalina na koa hitady lavitra ny momba an'A/tra ny olona iray na ny fiaraha-monina iray vao afaka ny hanatanteraka ny sitrapon'A/tra. Efa nasehony sy nomeny antsika ny zavatra rehetra ahafahantsika mitia azy ka anjarantsika no manaja sy mandrindra izany ara-pitiavana. Tsy inona izany fa ny tontolo misy antsika.

Firifiry moa ireo olona izay mivavaka sy mandalina ary mitory isan'andro izay voasoratra ao anatin'io boky io nefa dia tsy mifanaraka @ izany ny zavatra sy fihetsika ataony?

Maro ireo fiaraha-monina izay tsy mahafantatra izany jesosy na allah na Buddha na.... izany nefa dia miaina am-pilaminana tokoa izy ireo. Ary matetika dia ireo izay milaza fa mpino no miady sy mifankahala eto an-tany.
5. soanja ( 11/04/2010 15:03)
rijadolly:

Misaotra soanja a!
Izay ilay Boky misokatra ho vakian\' ny manodidina an\' tena.
Ary tsy maintsy manambara isika fa noho ny fiasan\' Andriamanitra ao anatitsika no afahatsika manao izany mba handraisany an \'Andriamanitra raha tsy manana izy. Mba afahan\' ny mpamaky ihany koa fa tsy diso lalana isika raha efa mahalala an\' Andriamanitra izy...


Tsy misy fisaorana Rija. Hirotsaka amintsika lalandava anie ny fahendren'i Tompo!


6. soanja ( 11/04/2010 15:04)
ikaretsaka:

Silamo eo anivona tontolona tsy mpino moa no netin'i soanja teto, fa mety koa io ho an'ny kristianina eo anivon'ny tontolon'ny tsy mpino... na samy kristianina aza (misy tokoa io) rehefa tsy mitovy firehana aminy ianao: zahako dia efa tratran'ny nifanohitra t@ io lazain'i soanja io tao atsimon'i USA tao. Nanampy ahy le olona kristianina (tsy tadidiko intsony na metodista na batista na coc izy izay) fa nony hitany aho hoe tsy kristianina ohatra azy fa kato ary tsy nety voasariny ho any aminy.. dia nialan'ilay communaute moramora...
De ny nanihaniako azy moa t@ izany hoe andeha hilaza @ masindahy paoly hoa zahako fa ny korintianina Moderna ity lasa tsy te hahalala ny kristianina avy any roma :-) somary tonga saina sy menamenatra Zareo avy eo fa efa azoko ny lesona


Soa fa nanokatra ny masom-panahiny ianao tamin'io! Misaotra koa nizara.


7. soanja ( 11/04/2010 15:10)
rakapy:

Misaotra an'i Soanja nilaza ny tantara. Ny ahy indray dia izao no zavatra tsampako sy voasintoko avy tao @ ilay tantara:

-Tsy voatery ahalala sy handalina na koa hitady lavitra ny momba an'A/tra ny olona iray na ny fiaraha-monina iray vao afaka ny hanatanteraka ny sitrapon'A/tra. Efa nasehony sy nomeny antsika ny zavatra rehetra ahafahantsika mitia azy ka anjarantsika no manaja sy mandrindra izany ara-pitiavana. Tsy inona izany fa ny tontolo misy antsika.

Maro ireo fiaraha-monina izay tsy mahafantatra izany jesosy na allah na Buddha na.... izany nefa dia miaina am-pilaminana tokoa izy ireo. Ary matetika dia ireo izay milaza fa mpino no miady sy mifankahala eto an-tany.


Namaste Rakapy! Mahalaza ny hafatro ireo voalazanao!



8. soanja ( 11/04/2010 15:18)
Isany tiako lazaina eto koa dia hoe inona moa no lazaina sy ampafantarina sy voizina amin'ireo olona ao anaty finoana momba ireo izay tsy mino ilay finoana? Matetika dia mandiso izany fampahalalana izany.

Mila mahita isika, mahatsapa , isika vao hino.

Satria nahoana?

Ny zavatra fahanana ho antsika , indrindra ny media dia manana ny programany sy izay tiany voizina.
Ohatra izany dia io hoe ny fahaizan'i Said an'i Amerika dia olona ratsy fanahy avokoa, tia ady ary mpankahala vahiny. Tsy mahalala izay Andriamanitra ny ankamaroany ary ireo izay mahalala dia manompo Andriamanitra diso fa tsy ilay fantany koa noho izany dia mety ho ratsy ny fifandraisana. Mila mailo izy na dia fantany fa tiany koa ny handrato fianarana aty.

Kanjo, isaorana Andriamanitra fa tsy izay no zavatra tsapany sy hitany. Mino aho fa nody izy any amin'ny misy azy any dia manana fahalalana vaovao indray ireo izay heveriny ho fahavalo na tsy mpino ny inoany.

Aoka ho eo ampelatan'Andriamanitra ny fandaharana!
9. Mirananirina ( 12/04/2010 11:20)
tsy mahalala an'i Allah akory
iza moa ny olona no tsy mahafantatra hoe misy Andriamanitra,fa ao ny tsy mino sy mody tsy mahita izany .ohatra fotsiny:
olona manampahaizana ,kristianina,ankehitriny tsy mino izy fa misy Andriamanitra satria izy no nahavita namboatra ny avion na sambo na ordi sns...Donc izy no Andriamanitra ny tenany.
10. milamm ( 12/04/2010 12:43)
mirananirina >na dia universal aza Andriamanitra de ao tokoa ny tsy mahalala fa hafa ny famaritany azy(araky ny manodidina sy ny nanabeazana azy ara-pinoana io).Ao koa ireo toa an\'i Thomas(testamenta vaovao raha tsy diso aho),tsy mino raha tsy mahita ...misy tantara kely hafa fijoroana vavolombelona olona 1 izay ho zaraiko,nahatonga saina ahy kely avy eo

soanja > ny voalazany rakapy farany ireo dia hevitra itovizako tanteraka aminy,
mamela ahy hilaza ny zv kely notsoahiko t@ ty tantara hafa 1 ty(nosintomina tao @ ilay boky \"taming the tiger\" tony anthony) .
Nisy lhl iray safiotra(sinoa sy italiana ny rar-ny ary U.K no misy azy),vao 4 taona izy io dia nalefa tany atsimony sina @ dadabeany ho tezaina tany.Mpitoka-monina bodista moa izany toerana nanabeazana azy zany,nianatra hai-ady sy fombafombam-piaina tany izy nandritra ny 8 taona ary niverina tao angletera refa nilamina ny fianakaviany(rar).Nihalehibe teny ary izy ary noho ireo talenta hai-ady nananany izay mbola notohizany dia nahazo amboara erantany in-3 nisesy izy @ io taranja io(kung-fu),matihanina izany ranamana ary dia nitety izao tontolo izao(tena mafibe toko lery zany),nanaram-po @ fiainana.Nanaiky izy taty aoriana fa najeninjeny fotsiny ny fiainany 1 manontolo nikaro-javatsoa izay tsy hitany,tany am-ponja no niseho izany rehefa voatana noho ny heloka nataony izy(greece).Anisany ilay miteny izy oe tsy mino raha tsy hitany voamasony izany Andriamanitra izany,nanana fofombady anefa izy io \" eire \"no anarany izay jamba nifankatia tokoa izy ireo,maty tampoka anefa ilay fofombadiny io(lozampiarakodia)tonga saina ary lery tany am-ponja fa io olona akaiky azy io de tena nino sy tia azy na dia tsy nahita maso azy akory aza...teo no nanomboka ny fiovany rehefa novangiany pretra izy nilazany vaovao mahafaly satria tao amponja izy no afaka t@ ireo fahotana nangeja azy rehefa nahatsiaro fisian\'Andriamanitra.Tato amponja aho no nahafahan\'A.tra ,ny tena fonja dia any amintsika tsirairay ireny fahazarandratsy sy fahotana ireny(loka,fahafinaretany nofo,toaka,rongony ,fitiavambola tafahoatra sns..) mamatotra ny fiainany olona 1 .Misy marina betsaka ny voalazan\'io lhl io , ho an\'ireo izay tia sarimihetsika moa dia
http://www.youtube.com/watch?v=R4vQLAZHzOE&NR=1
ialantsiny fa teny vahiny ...


11. ikaretsaka ( 12/04/2010 13:49)
mahafinaritra ny tantaran'i milamm, nefa tsy any loatra angamba ny resaka tian'i soanja hitondrana ny baolina , fa hoe le nisokatra ny masom-panahy rehefa iny nampitaha ny tena @ hafa

ka nahatonga ilay fivolanana hoe "anarany moa zahay no (kristianina, silamo, mpino) nefa izao ny ataon'ny communaute hafa noho izahay anay fa mihoatra lavitra nohon'ny vitanay
12. soanja ( 12/04/2010 14:11)
Mirananirina:

tsy mahalala an'i Allah akory
iza moa ny olona no tsy mahafantatra hoe misy Andriamanitra


Ka ny finoana no mampisy azy na tsia ka. Izay no fiaingany. Mino fa misy dia misy izy. Mino fa tsy tsisy dia tsy misy izany eo amin'ireo tsy mpino. Ny fahalalana dia avy amin'ny fahatsapana ny finoana raha io. Zany hoe tsy mahalala izany tsy mpino matoa tsy mino.

Isika mpino no mitazana dia mahita ny fisian'Andriamanitra amin'ny rehetra manodidina antsika. Raha ny finoako io. Fa mety hafa ny hafa.

Aoka koa anefa tadidiana fa betsaka ny Mpino Xtianina mihevitra fa tsy i Allah mihitsy no Andriamanitra inoany. Dia toy izany koa ny an'i Said raha niresaka tamiko. Izay no nahatonga azy niteny hoe tsy mahalala an'i Allah. Zany hoe na ilay Andriamanitra tompoinao aza tsy Allah no ao an-tsainy raha ny fahafantarako azy.

Izaho no miezaka malaza aminy hoe Andriamanitra= Allah. Raha mahalala an'Andriamanitra izahay, zah mpino, dia mahalala an'i Allah satria iray ihany io. Izay hitako fa nampihaiky azy satria matoa ireto olona ireto manao izao dia miasa tokoa i Allah izany hoy izy aty.

Nisy namako Xtianina izay nanda mafy mihitsy fa tsy io Allah io mihitsy no Andriamanitra tompoiny izay Andriamanitry ny Xtianina. Dia hoy aho hoe Tokana aloha Andriamanitra e! Ka na misy anarana zato aza mitsangana eo, iray no resahina raha ny Xtiana, Judaism, ary ny Silamo no tenenina. Saingy samy manana ny hinoany hoy aho sady samy manatsara sy milaza hoe ny azy ihany no tena izy. Tsy vaovao amin'olombelona izay fisainana izay hoy aho.

Misokatra ny adihevitra momba an'io izay mazoto e!


:)
13. soanja ( 12/04/2010 14:13)
ikaretsaka:

mahafinaritra ny tantaran'i milamm, nefa tsy any loatra angamba ny resaka tian'i soanja hitondrana ny baolina , fa hoe le nisokatra ny masom-panahy rehefa iny nampitaha ny tena @ hafa

ka nahatonga ilay fivolanana hoe "anarany moa zahay no (kristianina, silamo, mpino) nefa izao ny ataon'ny communaute hafa noho izahay anay fa mihoatra lavitra nohon'ny vitanay


Namaste!


14. rakapy ( 12/04/2010 14:24)
Hoy i Soanja

Nisy namako Xtianina izay nanda mafy mihitsy fa tsy io Allah io mihitsy no Andriamanitra tompoiny izay Andriamanitry ny Xtianina. Dia hoy aho hoe Tokana aloha Andriamanitra e! Ka na misy anarana zato aza mitsangana eo, iray no resahina raha ny Xtiana, Judaism, ary ny Silamo no tenenina.


Ka izay mihintsy anie no anisan'ny mahatonga ny olana et ambonin'ny tany eo @ samy mpino e! Blanc, white, fotsy, blanco no tsy ifanarahana.
15. ikaretsaka ( 12/04/2010 14:33)
na samy gasy aza io manahiraka koa...

misy finoana moa milaza fa samihafa hono i God sy Atra sy zanahary sy Andriananahary sy Jehova... sendra henoko ny toritenin'ireo indray mandeha izay tany Toliary (tsy haiko fa le amerikanina mandeha tsi 2 2 ireny zareo) dia nanantonako de fanontaniana hoa:
avy aiza nareo hoa de hoe amerikanina zahay hozizy... de nitenenako teny angalisy hoe eny e, fa amerikanina avy aiza.. de hoe idaho ny 1 de ny 1 avy any El salvador fa naturalise... de tsotra fotsiny no namaliako azy hoe "so God is not your Dios"?
16. rakapy ( 12/04/2010 14:37)
Hoy Ika
"so God is not your Dios"?

Ka tsy tonga de " Adios God ve sana?" :-D :-D :-D
17. ikaretsaka ( 12/04/2010 14:41)
tsy nimpoly teo avao koahy ndate reo ka :-D :-D
18. soanja ( 12/04/2010 14:48)
ikaretsaka:

tsy nimpoly teo avao koahy ndate reo ka :-D :-D





:-D :-D :-D Adios ninos, adios dios, adios todos, Ya me voy!
19. soanja ( 12/04/2010 14:51)
rakapy:

Hoy i Soanja

Nisy namako Xtianina izay nanda mafy mihitsy fa tsy io Allah io mihitsy no Andriamanitra tompoiny izay Andriamanitry ny Xtianina. Dia hoy aho hoe Tokana aloha Andriamanitra e! Ka na misy anarana zato aza mitsangana eo, iray no resahina raha ny Xtiana, Judaism, ary ny Silamo no tenenina.


Ka izay mihintsy anie no anisan'ny mahatonga ny olana et ambonin'ny tany eo @ samy mpino e! Blanc, white, fotsy, blanco no tsy ifanarahana.





:-D Ye tena izay mihitsy ka. Misy namanay izany mipetraka ao Frantsa dia hoy izy hoe " tena mahakamo ahy fa rehefa mivavaka aho dia tsy mandaitra ilay Jesus indrindra rehefa hanala devoly. Ilay Jesosy ihany no tena mandaitra! "

Toran'ny :-D :-D izahay. Aoka re a!!!!!
20. milamm ( 12/04/2010 15:58)
ikaretsaka > tsy iverenako ngamba ilay tantara fa misy fifanohizana sy foto-kevitra miara-voizintsika mitovy ao,raha vakiany ika tsara le izy...

-(nolazaiko etsy ambony io fa)na dia universal aza Andriamanitra de ao tokoa ny tsy mahalala fa hafa ny famaritany azy(araky ny manodidina sy ny nanabeazana azy ara-pinoana io).Ao koa ireo toa an\'i Thomas(testamenta vaovao raha tsy diso aho),tsy mino raha tsy mahita

ny lohahevitry soanja raha ny fahazaoako azy manokana nilazako io tantara io tsy hoe hiseho hampianatra akory na miseho mahay dia namafisiny zoky eto

>
anakiroa no fampitahana niseho t@ ilay fijoroany vavolombelona
1.tonga saina ary lery tany am-ponja fa io olona akaiky azy io de tena nino sy tia azy na dia tsy nahita maso azy akory aza,fitiavana tsy manampetra @ hitany maso sy ny tsapa fa kosa mitarika @ finoana ilay Fitiavana izany,nohariny t@ io ny fitiavan\'Andriamanitra ny rehetra dia fantatsika ny tohiny

2.any amponja izy no manome ohatra ny fonja hafa mpahazo ny rehetra(vola,voninahitra,filana ara-nofo tafahoatra,hery sy tanjaka ireharehany hafa,fahazarandratsy tsy tanisaina),vokatry ny tsy firaharahiana tsy fahafantarana koa ilay fototry ny soa rehetra ,nisy nampianatra azy sy nanoro hanantona an\'Andriamanitra ary indrindra nekeny sainy izay tsy mpinompino foana anefa dia nisokatra ny masompanahiny,farany moa satria ny mpino rehetra dia mahalala fa Andriamanitra dia fitiavana ka tsy azo refesina na tsapaina izany Fitiavana izany na manana endrika,io no nahababo ahy @ ilay tantarany tony anthony,fijery nahafinaritra ahy ilay izy ary inoako fa mifandray tsara @ lohahevitra,raha tsia moa dia hevitra tera-bary io ka samy mamosaka ny eritreriny izay ary fa lava izay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0598