Fivavahana @ satana .

1. xxx ( 01/04/2010 21:05)
Raha mangatam-pitahiana @ satana hamotika ny fahavalon' ny tena ve dia fahotana ? Efa betsaka ireo mpanao politika nanao izany eran' izao tontolo izao ! Ahoana ny hevitrareo ? Rehefa tonga @ toerana tsy misy safidy intsony afatsy ny fandringanana ny mpanao ratsy @ tena , ka mety hahafongotra ny aina tokana ananana , avy aiza ny tsiny mety hianjady ? avy @ n' A/tra sa avy @ demony ?
novalian'i bichette ny 08/07/2010 07:38
2. Mirananirina ( 02/04/2010 09:22)
zany ary hoe satana
3. ikaretsaka ( 02/04/2010 18:30)
amiko manokana tsy hoe miankina iza loatra no ivavahana fa hoe inona no tanjona kendrena @ ilay vavaka asandratra @ le ivavahana...

Misy izao ohatra mivavaka @ Andriamanitra de ny vavaka ataony de hoe "ataovy ripaka ny tsy ohatra azy"
na le misy concours na ady baolina na fifaninanana dia nby vavaka asandrany dia hoe ataovy ho ny ekipa tohanany no haharesy
Izany ange de "famotehana ny fahavalon'ny tena" aby e

Dia ny tsy azoko koa @ ity satana satana anareo ity dia lasa izy no inoana sy hatahorana fatratra sy andefasanareo ny eritreritr'ireo milaza Mino an Atra lavitra noho i Atra.

Nefa ny tokony ho izy raha hoe manana Atra inoana ianao tsy tokony ho Izay de ampy sy hoe tokony ho Izy no ahatahorana?
4. soanja ( 03/04/2010 00:27)
xxx:

Raha mangatam-pitahiana @ satana hamotika ny fahavalon' ny tena ve dia fahotana ? Efa betsaka ireo mpanao politika nanao izany eran' izao tontolo izao ! Ahoana ny hevitrareo ? Rehefa tonga @ toerana tsy misy safidy intsony afatsy ny fandringanana ny mpanao ratsy @ tena , ka mety hahafongotra ny aina tokana ananana , avy aiza ny tsiny mety hianjady ? avy @ n' A/tra sa avy @ demony ?


Ny tenako moa tsy mino ny satana koa dia tsy misy azo ambara amin'ny fanagataham-pitahiana amin'ny zavatra tsy misy.

Saingy azoko lazaina kosa dia afaka mangataka fitahiana amin'Andriamanitra ianao. Teneno aminy izay zava-manahirana anao rehetra. Tadidio lalandava fa mihaino izy. Be sofina Andriamanitra ary lalina ny fitiavany.

Ny fitahiana dia natao hanatsarana lalandava zavatra iray- zavatra iray hitondra filaminana ho an'ny rehetra. Tsy voatery hangataka ny ratsy ianao fa hangataka ny tsara ka ny tsara aminao dia hino aho fa ho hitan'Andriamanitra tokoa raha amin'ny fonao no anaovana izany: marina sy mitombina!

Mahereza. Tsy ilaozan'ny tsininy ny tany. Izay no mahatsara ny fiainana eto an-tany satria ny tsara sy ny ratsy no miaramiasa no hahatonga antsika ho hanana fahafahana kokoa hivelatra sy handrombona asa mety hahatratra aza fahasambarana indray andro any!


5. rijadolly ( 03/04/2010 16:29)
Marina ny tenin' Mirana Nirina, Lalana roa samy hafa ireo, afaka manome anao izay ilainao na Andriamanitra na ny satana, fa iny lalana iny no safidinao dia any ianao zany.
6. ikaretsaka ( 03/04/2010 20:11)
rijadolly:

Marina ny tenin' Mirana Nirina, Lalana roa samy hafa ireo, afaka manome anao izay ilainao na Andriamanitra na ny satana, fa iny lalana iny no safidinao dia any ianao zany.



arakaraky ny votoatin'ilay vavaka koa io..
raha @ Atra ve ianao no mangataka hoe "ataovy vokatra tsara ny voliko ry Atra fa aoka ny an'i Lefijo ataovy ketsan'ny havandra any ohatra"
amiko izay aza no manoatra nohon'ny mivavaka @ satana satananareo izao kle
7. Ratoa ( 04/04/2010 21:12)
raha @ Atra ve ianao no mangataka hoe "ataovy vokatra tsara ny voliko ry Atra fa aoka ny an'i Lefijo ataovy ketsan'ny havandra any ohatra"

araky ny hevitro dia tsy Andriaminitra no ivavahan'ilay olona manonona io teny io ka. Andriamanitra tsara sy fitiavana ka dia tsy mahay manome na angatahana ny ratsy.
Iza moa i satana? anjely mpanompon'Andriamanitra izay maninana Azy sy nivadika taminy.
8. ikaretsaka ( 05/04/2010 00:15)
voly mo no noraisiko ohatra eto mba hampidirakony sainareo any @ le ironie somary blagy fa mandeha aby io @ resaka seho isan'andro
na resaka fanadinana misy hoe ny voalohany ihany no raisina ohatra de firifiry no mivavaka hoe "Atra o... aoka mba ho ny tena no voalohany fa lery atao faha2"
na resaka fanatanjahantena: "Atra o aoka mba ny ekipanay na ny ekipa tohanako no haharesy"
9. soanja ( 05/04/2010 13:30)
Marina izany Ika.

Araka ny voalazako ery ambony moa hoe : Ny fangatahana dia ho fantatr'Andriamanitra tokoa raha marina sy mitombina. Satria mitovy isika rehetra na ny mpanao ratsy na ny mpanao tsara eo imason'Andriamanitra amiko. Tsy Andriamanitra akory no mpanasazy fa ny ataontsika ho mitarika antsika amin'ny sazy. Ny ataontsika no hitondra antsika amin'ny soa. Ary indraindray dia tsy hoe izay ataontsika no mahatonga antsika ho toy izao (tsara na ratsy eo amintsika) fa izay ilay hoe Anjara.
Fitahian'Andriamanitra daholo izany rehetra izany mba ahitantsika ny marina.
10. ikaretsaka ( 07/04/2010 16:25)
Izay manko...mitovy fijery
11. Ratoa ( 07/04/2010 16:42)
fa izay ilay hoe Anjara
aiza izany fatalisme be izany. Fa izao é!
Mino ve ianao ry saonja fa Atra dia tonga lafatra sy fitiavana?
12. ikaretsaka ( 07/04/2010 23:20)
Tsy resaka fatalisme loatra angamba no mahafaritra izany ratoa fa constatation de faits tsotra
13. rakapy ( 08/04/2010 09:34)
Hoy i xxx 1
Raha mangatam-pitahiana @ satana hamotika ny fahavalon' ny tena ve dia fahotana ?


Aleo mangataka @ satana raha fandringanana fahavalo no fikasana ataonao.
A/tra mantsy hono (hoy ny xana) dia tsy mpamono olona fa be famindra-po ary tsy mandringana (Tiavo ny fahavalonao) :-D Nefa hono toa nandringana an'i sodoma sy gomoro izay voalaza ao @ baiboly fa fahavalon'A/tra? Tsy fantatra intsony ilay marina fa toa samy mandika @ saim-patany avokoa ny olona.
Ka raha tsy misy afatsy fandringanana no vahaolana hitanao atao @ fahavalonao dia aleo mangata @ satana mba tsy ahamaty hasina an'ilay A/tra.
14. soanja ( 08/04/2010 11:44)
Ratoa:

fa izay ilay hoe Anjara
aiza izany fatalisme be izany. Fa izao é!
Mino ve ianao ry saonja fa Atra dia tonga lafatra sy fitiavana?


Fatalisme ahoana e. Raha io no fahitanao azy dia raiso ho izay zany koo.

Inona moa no antony hinoako Azy raha tsy lafatra sy tsy be fitiavana Izy?


15. ikaretsaka ( 08/04/2010 11:48)
Ka io ne ny tsy azoko @ le voanjo alika ity e... eo milaza fa Atra hono fitiavana de avy eo "mpanohitra ny tenin'atra hono ranona sy ranona fa hivavaka @ 'Atra hono zareo handringanana ireny mpanohitra ireny" raha vao injay fa tsay mitovy hevitra aminy ny tena...
Ka fitiavana sa fankahalana? Tonga hoa de tsory!
16. rakapy ( 08/04/2010 12:36)
Hoy iKaretsaka
Ka io ne ny tsy azoko @ le voanjo alika ity e... eo milaza fa Atra hono fitiavana de avy eo "mpanohitra ny tenin'atra hono ranona sy ranona fa hivavaka @ 'Atra hono zareo handringanana ireny mpanohitra ireny" raha vao injay fa tsay mitovy hevitra aminy ny tena...
Ka fitiavana sa fankahalana? Tonga hoa de tsory!


Tsy fantany letsy ilay hinoany a! :-D :-D :-D
17. rijadolly ( 11/04/2010 19:01)
Ty ry ika mba soloy amin' izay fa tena mahasorena na ny mamaky azy aza.
le voanjo alika ity e...
rakapy:
Aleo mangataka @ satana raha fandringanana fahavalo no fikasana ataonao.
aty aho vao tongasaina kay ve ka hoe hanatanteraka ny fanirihanao HAMOTIKA NY FAHAVALONAO e! Jamba le hoe "Raha mangatam-pitahiana @ satana" sy "Fivavahana @ satana" aho ,hihihihi! Mamandrika koa ry xxx1 izany.Nefa na dia izany aza mitana ny hevitro aho.
18. ikaretsaka ( 11/04/2010 19:21)
Rd> ko hita fa voanjo alika na @ atao na @ toetra ko soloina ahoana ary? Soloiko rehefa miova sy tonga saina nareo e...
19. ikaretsaka ( 11/04/2010 19:26)
Rd> ny remark sy fanontaniako ao @ 2 sy 7 ange miandry an'ianona e fa odian'ianona fanina e
20. rijadolly ( 11/04/2010 20:18)
aiza zany ry M' IKA a?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6474