ka raha tsy inona koa.....

1. xxx ( 28/03/2010 18:25)
Rehefa avy nanaovan ilay bandy aho dia izay lery vao miteny hoe " madio be hono ny eritreriny fa namana fotsiny no andraisany ahy" koa raha tsy inona koa!!!
novalian'i RAJOTIANA ny 13/05/2010 14:50
2. sakaizakely ( 29/03/2010 09:10)
:-D :-D :-D :-D
3. mamis ( 29/03/2010 09:18)
Ka mety tsy nahafa-po azy angamba le natao dia kivy izy raha mbola hisy otrizay @manaraka ka dia naleony nofaranana teo ny resaka fa dia mpinamana fotsiny ihany. Mitotoa koba hatave e!!!
4. 3188 ( 29/03/2010 14:20)
kozy ve!voa ndray enao zany t@ iny,aza misosoka alaelo tsony tompoko :( :( :(
5. soanja ( 29/03/2010 22:43)
xxx:

Rehefa avy nanaovan ilay bandy aho dia izay lery vao miteny hoe " madio be hono ny eritreriny fa namana fotsiny no andraisany ahy" koa raha tsy inona koa!!!


Miankina lalandava hoe inona no nisy talohan'ny firaisana no zava-dehibe. Raha nifankatia ianareo , ka niresaka izany sy nifanao voady na hoe hiara hiombom-pitiavana sns sns dia sarotra tokoa ny zavamisy fa namitaka izy. Fa raha tsy nisy io fa nikoty fotsiny na hoe ninamana ianareo dia avy eo nisy ny firaisana na nanaiky indry dia mazava ho azy fa mbola tsy vonona hiroso amin'ny fifankatiavana izy fa mbola tsy ampy azy ny zavamisy.

Betsaka ny olona no tsy dia miraharaha loatra ny atao hoe firaisana fa mihevitra an'io toy ny mihinam-bary sy mandro sns sns... isika Malagasy mbola tena hafa anefa ny fisainantsika momba an'io saingy efa be koa no manana toetsaina hafa.

Aty Amerika dia misy ny "dating" ka raha samy mbola mifampikoty sy mampiaraka fotsiny fa tsy misy resaka fitiavana fa mifampitsapa hoe iza ity olona inamako ity dia efa misy ny firaisana amin'ny fihaonana faha-4 eo. Izany anefa tsy midika hoe mpisipa izy ireo raha mbola tsy niresaka akaiky hoe mpifankatia tokoa ary manana tanjona iombonana amin'ilay fiarahana. Ka na aorian'io aza dia mbola lazaina fa mpinamana fotsiny izy ireo, ary mitranga matetika ny firaisana fa ny fo mifankatia mbola tsy ao tsara. Amin'io fotoana io dia efa samy mahalala hoe tsy misy ny fifamitahana fa izay no fomba fiarahana aty Amerika. Tsy zava-dehibe ny firaisana fa isan'ny tafiditra amin'ny fijerena ilay olona raha ao na tsy ao rehefa hisy ny fiarahana rahatrizay!

Mahereza !


6. maryline ( 29/03/2010 23:30)
hihihihhi loza koa izany
7. Mirananirina ( 30/03/2010 14:01)
madio be hono ny eritreriny fa namana fotsiny no andraisany ahy" koa raha tsy inona koa!!!
grave ndray iny ,raha tsy inona marina ko.ireny ilay tsy nateram-behivavy aky an.
8. rakapy ( 30/03/2010 14:34)
Voalaza teo :
madio be hono ny eritreriny fa namana fotsiny no andraisany ahy" koa raha tsy inona koa!!!
grave ndray iny ,raha tsy inona marina ko.ireny ilay tsy nateram-behivavy aky an

Ko raha tsapany sy hitany fa tsy tao @ ilay nitiavany azy kosa aza ilay vhv tao aorian'ny firaisana dia tsy mantsy miaraka ihany ve? Tsy aleho aza izy nitsotra ny marina.
Hoy i Soanja
sika Malagasy mbola tena hafa anefa ny fisainantsika momba an'io saingy efa be koa no manana toetsaina hafa.

Angamba tsy hoe ny Malagasy irery fa vokatr'ilay fitaizana kristianina.
Amiko aloha dia tsy tokony hisy maha-diso ny lhl na vhv iray hanapa-kevitra ny tsy ho mpisipa na hivady ao aorian'ny firaisana raha toa ka tsy nahafam-po na tsy tao @ ilay notadiaviny ilay firaisana.
Ny firaisana mantsy dia andry iray ijoroan'ny fitiavana( fanambadina, sipa) ka raha tsy mafy ilay andry dia mazava ho azy fa dia tsy hateza ny fiarahana. Na koa lasa fiatsaram-belatsihy ka lasa hivadika fampirafesana any aoriana.

Ho an'ny vhv: Aza raisina sentiment be ilay firaisana na koa heverina fa victime foana ny vhv rehefa misy ny firaisana. Afatsy ny hoe viole na bevohoka na zavatra toy izany... Rehefa nanaiky antsitra-po ny hiray t@ lhl iray ianao dia mahaiza mankafy ilay zava-bita na hiaraka aminy na tsia.
9. Mirananirina ( 30/03/2010 14:38)
Voalaza teo :
Voalaza teo :
madio be hono ny eritreriny fa namana fotsiny no andraisany ahy" koa raha tsy inona koa!!!
grave ndray iny ,raha tsy inona marina ko.ireny ilay tsy nateram-behivavy aky an

Ko raha tsapany sy hitany fa tsy tao @ ilay nitiavany azy kosa aza ilay vhv tao aorian'ny firaisana dia tsy mantsy miaraka ihany ve? Tsy aleho aza izy nitsotra ny marina.
Hoy i Soanja
Rakapy,raha tsapany sy hitany tokoa fa tsy tianay ilay olona 1 dia aloha ny firaisana fa tsy aoriana,vao vita ny natao dia nandao.
10. rakapy ( 30/03/2010 14:40)
Raha sendra ny vhv mitady bandy be fika ireny ary, kanjo kely fika ilay bandy sady tsy mahay mampirevy de ahoana? hiaraka ihany ve?
11. Mirananirina ( 30/03/2010 14:58)
Raha sendra ny vhv mitady bandy be fika ireny ary, kanjo kely fika ilay bandy sady tsy mahay mampirevy de ahoana? hiaraka ihany ve?
ekeko raha hoe resaka sex no tadiaviny fa tsy fitiavana .
12. rakapy ( 30/03/2010 15:02)
ekeko raha hoe resaka sex no tadiaviny fa tsy fitiavana .

Araka ny volazako tetsy ambony hoe mi-jouer role matanjaka ny sex eo @ fitiavana.
13. Mirananirina ( 30/03/2010 15:09)
Araka ny volazako tetsy ambony hoe mi-jouer role matanjaka ny sex eo @ fitiavana
sao kosa ary izy nitady vhv vierge dia vao nigorobaka dia ....hihihi,niala avy eo.
14. rakapy ( 30/03/2010 15:12)
sao kosa ary izy nitady vhv vierge dia vao nigorobaka dia ....hihihi,niala avy eo

Izay aloha tsy fantatro fa mety mitombina koa izay. Ohatra hoe noheveriny fa vierge na nandainga ilay vhv fa vierge dia teo izy no tonga saina???
15. ikaretsaka ( 30/03/2010 19:16)
samby miala zanako ho'zy mompera raha io voalazan-drakapy io no nampadio eritreritra an lery
fa samy voa ko... match nul
16. xxx ( 30/03/2010 22:03)
Ny rehetra leoko ihany fa rehefa mba avy nanao zavatra tahaka izany kosa dia aza miteny amiko intsony hoe namana fotsiny no nandraisanao ahy. Fa rehefa vita iny tsy mpinamana tsotra intsony izany amiko. Nisy ny fanindroany sy fanintelony avy eo. Fa nitsahatra tampoka indray... fa bon, amin ity manaraka ity angamba anabavy indray ny fandraisany ahy???
17. Ratoa ( 30/03/2010 22:09)
manao ahoana daholo

Mahavariana ahy be ny vinavina ataonareo eto.
aiza angaha no misy izany namana miray ara-nofo izany? Mba hafa indray izany. ary maha zendana.
Raha samy olondehibe mantsy dia efa samy afaka manazava ny zavakinendriny avokoa sy ny tsy mampiety ny fitohizan'ny fiarahana.
Tsy nahazo fafiny na tsy nilay? Fianarana ny fiainana, amin'ny lafiny rehetra.
Tsy nilaza ny marina ny iray (raha tsy virjiny intsony) sa nandainga? Nisy fanontaniana izany ve talohan'ny firaisana? (tsy voalaza io)
Mba anontanio aloha ra-xxxx hoe inona vy ny tranga taloha - nadritry- ary taorian'ilay firaisana, izay vao haminany hoe izao angamba no tsy nety sns...
18. ravonjison ( 31/03/2010 07:38)
xxx:

Rehefa avy nanaovan ilay bandy aho dia izay lery vao miteny hoe \" madio be hono ny eritreriny fa namana fotsiny no andraisany ahy\" koa raha tsy inona koa!!!



Marina daholo izay voalazan ny namana etsy ambony e, fa itý indray no mba hitako. Raha ilay phrase hoe \" madio be ny eritrerirny \" no raisiko dia fanazavana roa no azoko ilazana ny antony nahatonga azy hilaza izany : ny iray avy @ ilay sipa , ny iray indray avy @ ilay bandy:

1- avy @ ilay sipa : mety nieritreritra ilay bandy hoe rehefa miaraka , na mahapezy sipa, na mifampisary zoro @ sipa izy dia manana andraikitra hameno ny faninrian\' ilay sipa @ lafiny rehetra ( ara-nofo sy ara-panahy) . Na dia tsy sur dieny mialoha aza izy @ ilay fiarahana. Izany hoe mety naheno izay lazain\' ny olona ( na nisy nampirisika : dadabe, nenibe , namana...), na voasoratra etsy sy eroa izy hoe : rehefa mba miaraka , hirampoko hitam-pirenena dia mba tanteraho antsakany sy andavany ( = manaova firaisana ara-nofo @ izay). Mety hoe tovovavy mendrika mantsy ilay sipa ka tsy tokony hijanona ho fifampitantana eny andalam-be fotsiny ilay fiarahana.
Noho izany dia notanterahiny antsakany sy andavany tokoa ilay andraikiny. Io dia araka ilay filazanay samy bandy hoe : s s s s s , ianareo ve efa ela no niarakaraka, lemo @ izany fa ela e, roahy fa harive e, inona ary no mampihanahana anareo ? sipa tsara be io )

2- avy @ ilay bandy : mety izy mihitsy no efa nanana doute t@ ilay fiarahana , kanefa mbola te hialanenina ihany izy, sao dia sahaza azy ihany ilay sipa . Noho izany tsy maintsy notsapainy @ lafiny rehetra ilay sipa. Hitany avy hatrany anefa avy eo ( taorian\' ilay firaisana) fa tena sipa tsy sahaza azy tokoa ilay sipa ( @ iny fotoana \" intime \" iny dia matetika hita tokoa ny tena toetran \' ilay olona , tsy ilay fahaizna manao sexe ihany a, fa ilay toetra en complexe mihitsy !!!) . Noho izany dia tapa-kevitra izy hanapaka ilay fiarahana. Ary madio toko any eritreriny ( hoa azy ) satria afa- nenina izy.

Raha ilay antony voalohany no jereko dia disoako ihany ilay bandy satria tokony nanontany sy niresaka ilay firaisana ara-nofo t@ ilay sipa izy, ny fahavononan\' ilay sipa , ny fahazoany ny dikan\' izany, ny fiantraikany !!! Fa tsy izay ao antsainy fotsiny sy izay henony tany hoany no narosony.

Raha ilay antony faharoa indray kosa dia tsy hitako izay mahadiso azy. Strategie toy ny fataon\' ny rehetra ihany no nataony ( ny vehivavy koa dia manao toy izany !!!! ). Tsy maintsy niala nenina izy , ary tsy maintsy nanapa-kevitra.

Taty aoriana anefa dia toa mbola nanao indray ry zareo. Ny fahitako izany ataony fakana saosy fotsiny ilay sipa.


Ny torohevitrako hoan \' i XXX izany dia : tsy tsara hoanao ilay bandy, ary koa nisy zavatra tsy azoazony taminao tao.
Adaboy any izy , eritrereto hoe inona no tokony mba hatsarainao @ tenanao sy ny toetranao. Hatsarao izay tsy mety dia mitadiava olon-kafa avy eo.
19. xxx ( 31/03/2010 08:22)
Mahavariana ahy be ny vinavina ataonareo eto.
aiza angaha no misy izany namana miray ara-nofo izany? Mba hafa indray izany. ary maha zendana.
Raha samy olondehibe mantsy dia efa samy afaka manazava ny zavakinendriny avokoa sy ny tsy mampiety ny fitohizan'ny fiarahana.
Tsy nahazo fafiny na tsy nilay? Fianarana ny fiainana, amin'ny lafiny rehetra.
Tsy nilaza ny marina ny iray (raha tsy virjiny intsony) sa nandainga? Nisy fanontaniana izany ve talohan'ny firaisana? (tsy voalaza io)
Mba anontanio aloha ra-xxxx hoe inona vy ny tranga taloha - nadritry- ary taorian'ilay firaisana, izay vao haminany hoe izao angamba no tsy nety sns...
dia hafahafa tokoa ity tantara Ratoa
20. rakapy ( 31/03/2010 08:29)
Rehefa avy nanaovan ilay bandy aho dia izay lery vao miteny hoe " madio be hono ny eritreriny fa namana fotsiny no andraisany ahy" koa raha tsy inona koa!!!

Ka mba tantarao misimisy ilay tantara fa fohy loatra nefa ianao mila toro-hevitra avy @ mpisera. Lasa maminany fotsiny izahay satria tsy ampy ilay tantara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3487