ka raha tsy inona koa.....

21. coco15 ( 31/03/2010 11:30)
isaky ny manao firaisana za de vetivety kely dia tonga ny ahy,ahoan ny vahaolana mba hahaela vao tonga amzay mahay filinina tsara zahay roa
:(
22. soanja ( 31/03/2010 11:46)
rakapy:

ekeko raha hoe resaka sex no tadiaviny fa tsy fitiavana .

Araka ny volazako tetsy ambony hoe mi-jouer role matanjaka ny sex eo @ fitiavana.


Tena izay mihitsy , indrindra amin'ny lehilahy!

Raha toy ny trondro maty ohatra ny iray eny ambony fandriana dia mazava fa na nisy aza ny firaisana dia hifarana tsy ho ela izany fiarahana izany.

Misy koa anefa olona iray fantatra fa tsotsotra ety ivelany fa saingy raha vao io resaka sex io ohatra dia lasa brutal izy na hoe mandrangotra na sns sns dia miova koa ny fomba fijery ny fiarahana eo!

Isan'ny zavadehibe ny fijerena ny tarehy, ny vatana sns sns eo ampifandraisana ny vatana eo.

23. soanja ( 31/03/2010 11:52)
xxx:

Ny rehetra leoko ihany fa rehefa mba avy nanao zavatra tahaka izany kosa dia aza miteny amiko intsony hoe namana fotsiny no nandraisanao ahy. Fa rehefa vita iny tsy mpinamana tsotra intsony izany amiko. Nisy ny fanindroany sy fanintelony avy eo. Fa nitsahatra tampoka indray... fa bon, amin ity manaraka ity angamba anabavy indray ny fandraisany ahy???


Ka ianao anie izany mila matanjaka koa milaza ny hevitrao e!

Raha naharary ilay teny hoe " mpinamana madio fotsiny " dia mitsotra koa ianao rehefa hisy ny manaraka hoe " ny namana amiko tsy mba fanao firaisana" dia sady tohizanao ny dianao. Fa tsy hoe hivelatra aminy indray.

Sady aza mba mivelabelatra amin'ny bandy tsy miresaka fitiavana izany mihitsy, ny mpamitaka aza eo efa be tsy andraofana.


24. soanja ( 31/03/2010 11:55)
Ratoa:


aiza angaha no misy izany namana miray ara-nofo izany? Mba hafa indray izany. ary maha zendana.



Betsaka ny olona amin'izao fotoana no manao an'io, indrindra ny tanora vao miana mamindra amin'ny fitiavana. Ny namany ihany no asiany, dia mihevitra izy ireo fa mpinamana ihany fa rehefa aty aoriana amin'izay vao tonga saina, rehefa mahita fa mihasarotra ny raharaha!


25. ravonjison ( 31/03/2010 11:58)
soanja:

[quote=rakapy]
ekeko raha hoe resaka sex no tadiaviny fa tsy fitiavana .

Araka ny volazako tetsy ambony hoe mi-jouer role matanjaka ny sex eo @ fitiavana.


Tena izay mihitsy , indrindra amin'ny lehilahy!

Raha toy ny trondro maty ohatra ny iray eny ambony fandriana dia mazava fa na nisy aza ny firaisana dia hifarana tsy ho ela izany fiarahana izany.



Ha ha ha ha ha, tena mahery ilay fomba filaza azy hoe : toy ny trondro maty.
Ny atý aminay indray ny filaza azy dia hoe : toy ny tapakazo... Raha azo velona mantsy ilay izy, dia mety ho possible ihany, rehefa tsotsofin' ny rivotra izy dia mety hietsika ihany. Fa ilay tapa-kazo ( azo efa maty) , tena tsisy hevitra intsony. Na ho raisinao, atsipitsipinao, batabatainao aza ilay izy, ianao fotsiny no reraka eo, fa tsy hisy miracle hiseho akory eo.


26. soanja ( 31/03/2010 12:06)
ravonjison:

xxx:

Rehefa avy nanaovan ilay bandy aho dia izay lery vao miteny hoe \" madio be hono ny eritreriny fa namana fotsiny no andraisany ahy\" koa raha tsy inona koa!!!



Marina daholo izay voalazan ny namana etsy ambony e, fa itý indray no mba hitako. Raha ilay phrase hoe \" madio be ny eritrerirny \" no raisiko dia fanazavana roa no azoko ilazana ny antony nahatonga azy hilaza izany : ny iray avy @ ilay sipa , ny iray indray avy @ ilay bandy:

1- avy @ ilay sipa : mety nieritreritra ilay bandy hoe rehefa miaraka , na mahapezy sipa, na mifampisary zoro @ sipa izy dia manana andraikitra hameno ny faninrian\' ilay sipa @ lafiny rehetra ( ara-nofo sy ara-panahy) . Na dia tsy sur dieny mialoha aza izy @ ilay fiarahana. Izany hoe mety naheno izay lazain\' ny olona ( na nisy nampirisika : dadabe, nenibe , namana...), na voasoratra etsy sy eroa izy hoe : rehefa mba miaraka , hirampoko hitam-pirenena dia mba tanteraho antsakany sy andavany ( = manaova firaisana ara-nofo @ izay). Mety hoe tovovavy mendrika mantsy ilay sipa ka tsy tokony hijanona ho fifampitantana eny andalam-be fotsiny ilay fiarahana.
Noho izany dia notanterahiny antsakany sy andavany tokoa ilay andraikiny. Io dia araka ilay filazanay samy bandy hoe : s s s s s , ianareo ve efa ela no niarakaraka, lemo @ izany fa ela e, roahy fa harive e, inona ary no mampihanahana anareo ? sipa tsara be io )

2- avy @ ilay bandy : mety izy mihitsy no efa nanana doute t@ ilay fiarahana , kanefa mbola te hialanenina ihany izy, sao dia sahaza azy ihany ilay sipa . Noho izany tsy maintsy notsapainy @ lafiny rehetra ilay sipa. Hitany avy hatrany anefa avy eo ( taorian\' ilay firaisana) fa tena sipa tsy sahaza azy tokoa ilay sipa ( @ iny fotoana \" intime \" iny dia matetika hita tokoa ny tena toetran \' ilay olona , tsy ilay fahaizna manao sexe ihany a, fa ilay toetra en complexe mihitsy !!!) . Noho izany dia tapa-kevitra izy hanapaka ilay fiarahana. Ary madio toko any eritreriny ( hoa azy ) satria afa- nenina izy.

Raha ilay antony voalohany no jereko dia disoako ihany ilay bandy satria tokony nanontany sy niresaka ilay firaisana ara-nofo t@ ilay sipa izy, ny fahavononan\' ilay sipa , ny fahazoany ny dikan\' izany, ny fiantraikany !!! Fa tsy izay ao antsainy fotsiny sy izay henony tany hoany no narosony.

Raha ilay antony faharoa indray kosa dia tsy hitako izay mahadiso azy. Strategie toy ny fataon\' ny rehetra ihany no nataony ( ny vehivavy koa dia manao toy izany !!!! ). Tsy maintsy niala nenina izy , ary tsy maintsy nanapa-kevitra.

Taty aoriana anefa dia toa mbola nanao indray ry zareo. Ny fahitako izany ataony fakana saosy fotsiny ilay sipa.


Ny torohevitrako hoan \' i XXX izany dia : tsy tsara hoanao ilay bandy, ary koa nisy zavatra tsy azoazony taminao tao.
Adaboy any izy , eritrereto hoe inona no tokony mba hatsarainao @ tenanao sy ny toetranao. Hatsarao izay tsy mety dia mitadiava olon-kafa avy eo.


Possible tokoa ireo.

Misy fomba fisainan'ny bandy any Mada koa indraindray hoe rehefa avy nanaovanao firaisana ilay sipa dia mihevitra izy ireo perte ilay sipa. Dia hoy ny fiteny hoe "efa voako " iny. Dia voa be tokoa ny moral ny sipakely amin'izany.
Hany ka raha te hamparary fo an'ily tovovavikely izy dia raha vao vita ny firaisana dia asiany ilay teny maharary amin'ny vavikely hoe "tsy mpisipa akory isika".

Fa ny sipakely amiko mila matanjaka ara-tsaina koa miteny hoe " sady ianao mbola mianatra manao sex fa mbola tsy ao tsara izy izany!" amin'ny fomba isan-karazany no itenenana izany dia hita eo izay hevin'ilay bandy raha bandy mitady handatsaka moral.

Raha sipa iray tokoa somary mamilafila amin'ny fitiavana sy fiarahana eo ampikotiana na hoe efa miaraka dia matetika ireo ambony ireo no setriny satria mihevitra ny bandikely fa trophy iny firaisana iny.

Ny zavavy no mila mahalala hatrany hoe n'inona n'inona zavamisy dia tsy latsa-danja ianao! Afa tsy ny hoe angaha ka bevohoka. Izay indray dia hafa!



27. rakapy ( 31/03/2010 13:57)
Hoy i Soanja
Ny zavavy no mila mahalala hatrany hoe n'inona n'inona zavamisy dia tsy latsa-danja ianao! Afa tsy ny hoe angaha ka bevohoka. Izay indray dia hafa!

Hoy Rakapy
Ho an'ny vhv: Aza raisina sentiment be ilay firaisana na koa heverina fa victime foana ny vhv rehefa misy ny firaisana. Afatsy ny hoe viole na bevohoka na zavatra toy izany... Rehefa nanaiky antsitra-po ny hiray t@ lhl iray ianao dia mahaiza mankafy ilay zava-bita na hiaraka aminy na tsia

Ny mampalahelo dia , matetika ny vhv dia mihevitra fa victim foana rehefa manao firaisana, eny fa na dia teny nierana izao aza ilay firaisana. Nahoana angaha?
28. Mirananirina ( 31/03/2010 14:38)
Ny mampalahelo dia , matetika ny vhv dia mihevitra fa victim foana rehefa manao firaisana, eny fa na dia teny nierana izao aza ilay firaisana. Nahoana angaha?
mampalahelo kosa aloha raha tanora kely iny no tratran'io fa raha toa ahy aloha na efa lebe...hihihi.tsisy olana :)
29. rakapy ( 31/03/2010 17:14)
mampalahelo kosa aloha raha tanora kely iny no tratran'io fa raha toa ahy aloha na efa lebe...hihihi.tsisy olana

Jereo anie raha lhl sy vhv samy 16 taona no tratra nanao firaisana dia ilay lhl no tsy maintsy voasazy e! eny na dia ilay vhv aza no nitarika ny lalao. Mbola misy tsy fitovian-jo eo @ io sehatra io.
30. soanja ( 31/03/2010 19:13)
rakapy:


Ny mampalahelo dia , matetika ny vhv dia mihevitra fa victim foana rehefa manao firaisana, eny fa na dia teny nierana izao aza ilay firaisana. Nahoana angaha?



Ka io vokatry ny toe-tsain'ny fiarahamonina. Samy lehibe naka fanapaha-kevitra (matoa efa miray) izao, dia ny iray mihevitra foana hoe izy no nahavoa ary ny iray voa. Moa ny iray manaiky tokoa fa "voa" izy. Ny tsy fahampiana fanabeazana ny soatoavina eo amin'ny tanora lahy sy vavy no olana amin'io.

Samy naka tsirony teo ary hinoako fa samy nahazo ve dia inona no andraisana fa "voa" ianao??? Izay toe-tsaina izany mihitsy no mila ialana. Mila mitandrina lalandava ny zavatra atao ary am-pandinihana.

Rehefa nandray fanapahan-kevitra dia samy mandray andraikitra manoloana izany. Tsy misy hoe " Ialahy ratsy fa za tsara fa nosimbanao "na hoe " nofitahanao" fa io dia izay teny nierana tany amboalohany ihany no mitondra an'io. Ka raha tsy nisy ny teny niarana dia azoko lazaina fa mbola mila matomatotra kokoa vao miroso amin'izany firaisana ara-nofo izany na ny lahy na ny vavy mba tsy ho simbasimba fotsiny any aoriana (psy tafiditra amin'io)!




31. Ratoa ( 31/03/2010 23:42)
hoy ravonjison
Ny fahitako izany ataony fakana saosy fotsiny ilay sipa.
= fanarian-drano hoe!!!!!!!!!!
Trondro maty hoe, tapa-kazo hoe, hazo efa maty koa?

Mampalahelo ilay fiteny sy ilay fijery (amiko)

Ka raha tsy nampianarina ho trondro velona ary izy...Ary raha tsy nambolena haniry ho hazo velona ary izy? ? ?

Hoy aho hoe fianarana daholo ny fiainana. Ilaina ianarana koa ny miray ara nofo aman'olona.
Firy isan-jaton'ny tanora malagasy ( na isan'arivony akory aza) anefa no nitaizana hiatrika ny firaisana ara-nofo? Ary ianao: ianareo mahay io/ireo, iza moa no nampianatra anareo?

Samy votsa na ny lahy na ny vavy teo ampian-dohana fa dia niha nahalala hoe mankatsy na mankaroa no izy izy kokoa rehefa nahita traikefa vitsivitsy.
Ary raha misy havanana kokoa amin'izy roaroa mifandray, anajran'io ny mampianatra ilay iray, sa moa ny valala tsara endy ihany no ifanapahana fa ilay manta mohaka avela eo ho an'ilay nahandro azy?

Ary olona manao teny maharary sy mandratra izany ve dia mbola iverenana indray anefa ny firaisana ara nofo dia mila firaisana ara-tsaina koa araky ny voalazan'ny namana etsy ambony na dia tsy iresaka fitiavana ianareo; satria tsy fahaizana fotsiny io fa fandraisany, fangalany ary fizaranao sy fiombonanao izay tena anao aminy( farany izay intime sy tena fananao farany izay lalina ary maha ianao anao?)
32. soanja ( 01/04/2010 07:07)
Ratoa:

hoy ravonjison
Ny fahitako izany ataony fakana saosy fotsiny ilay sipa.
= fanarian-drano hoe!!!!!!!!!!
Trondro maty hoe, tapa-kazo hoe, hazo efa maty koa?

Mampalahelo ilay fiteny sy ilay fijery (amiko)

Ka raha tsy nampianarina ho trondro velona ary izy...Ary raha tsy nambolena haniry ho hazo velona ary izy? ? ?



Izy iza io??? Tsy i xxx no lazaina eto amiko fa misokatra ny fomba fijerena ny resaka sex ka ny fijerin'isan'ny ambaratongany avy no ampisehoana, amin'izay tsy very ny olona raha sendra ka mianjady aminy ny zavamisy.

Hoy ianao hoe: "Ka raha tsy nampianarina ho trondro velona ary izy...?" dia hoy aho eto izany izy (izay olona heverinao) no tokony hahalala fa misy io fomba fisainana io amin'ny olombelona, eny fa na tsy mety sy mampalahelo anao aza. Ny fahalalana ny zavamisy ihany no hanafaka antsika amin'ny tebiteby amiko.

Isika manantena foana fa izay mifandray sy mifanaraka amin'ny fijerintsika no tokony hiseho saingy tsy izay ny fiainana raha hianatra momba ny fiainana tokoa amin'ity fiainana ity. Raha mihevitra ianao fa tsy misy mpinamana mifanao firaisana izany dia hoy aho hoe tena misy io fa karohy ny ao amin'ny fiarahamonina ao na ao Mada fotsiny aza. Indrindra ny samy tanora. Mifanao hoe namako ranina nefa rehefa any amin'ny takona lasa ihany ny fifanjevoana taovam-panananahana. Misy aza milaza hoe cousine-ko io nefa inona no mitranga???

Amiko aloha dia tsy misy ifanomezan-tsiny izany mihitsy eto raha ny momba ny xxx sy izay niaraka taminy nilaza azy fa namana ihany no mety aminy, raha tsy efa manazava izy ka milaza hoe izao no zavanisy talohan'ny fiarahana ary izao no nahatonga ny firaisana , ary izao no nitranga teo ampanaovana sns sns ...

Ankoatr'izay dia fampisehoana hoe tandremo fa misy an'izao sy izao ny fiainana. Na ny eto aza dia ahafahana tokoa mijery sy mianatra ny fiainana, tsy voatery eny ampanaovana azy eny ihany.


33. rakapy ( 01/04/2010 07:49)
Hoy i Soanja
Ka io vokatry ny toe-tsain'ny fiarahamonina. Samy lehibe naka fanapaha-kevitra (matoa efa miray) izao, dia ny iray mihevitra foana hoe izy no nahavoa ary ny iray voa. Moa ny iray manaiky tokoa fa "voa" izy. Ny tsy fahampiana fanabeazana ny soatoavina eo amin'ny tanora lahy sy vavy no olana amin'io.

Samy naka tsirony teo ary hinoako fa samy nahazo ve dia inona no andraisana fa "voa" ianao??? Izay toe-tsaina izany mihitsy no mila ialana. Mila mitandrina lalandava ny zavatra atao ary am-pandinihana.

Rehefa nandray fanapahan-kevitra dia samy mandray andraikitra manoloana izany. Tsy misy hoe " Ialahy ratsy fa za tsara fa nosimbanao "na hoe " nofitahanao" fa io dia izay teny nierana tany amboalohany ihany no mitondra an'io. Ka raha tsy nisy ny teny niarana dia azoko lazaina fa mbola mila matomatotra kokoa vao miroso amin'izany firaisana ara-nofo izany na ny lahy na ny vavy mba tsy ho simbasimba fotsiny any aoriana (psy tafiditra amin'io)

Itovizako fijery koa ny hevitrao io
34. Ratoa ( 02/04/2010 19:45)
Soanja

Tsy azonao ny tiako ho lazaina ka averiko amin'ny teny indrai-mbava.

Olona roa no miaraka na miray; izay mahay mba mahareta kely ary dia ampianaro ilay tsy mahay na entano ny "trondro maty" ietsika.

Izay . Satria fianarana ny fiainana. Hatrany ambohoka ka hatrany ampasana. Ny hitako hatrizao aloha dia mijanona eo amin'ny fahafatesana ny fiainan'ny olona.
35. soanja ( 02/04/2010 22:51)
Ratoa:



Olona roa no miaraka na miray; izay mahay mba mahareta kely ary dia ampianaro ilay tsy mahay na entano ny "trondro maty" ietsika.



ok mazava,

Izay no lafatra, indrindra raha misy fifankatiavana ao, saingy tsy voatery ho izay no zavamisy satria isika olombelona samy manana ny fiheviny sy ny fomba fisainany.
Ny fifankatiavana dia mitarika ny fitsinjovana ny ho avy mba ho tsaratsara kokoa, saingy raha ny fahitako matetika ny zavamisy indrindra ao Dago dia lavitra an'izany ny fisainan'ny zazalahy. Ny androany no fantany, raha tsy mahafapo azy dia miala izy. Izay tena mampalahelo saingy izay no misy. Ny ankizy vavy no mila mailo lalanadava hoe iza moa ity lehilahy hiarahako ka hizarako mihitsy ny vatako ity! Hatraiza no atokisako ny ho fanantenana aminy. Ny androany ve ity fotoana androany ity sa ny ho mandrakizay!


36. ravonjison ( 03/04/2010 12:47)
[quote=Ratoa]
hoy ravonjison
Ny fahitako izany ataony fakana saosy fotsiny ilay sipa.
= fanarian-drano hoe!!!!!!!!!!
Trondro maty hoe, tapa-kazo hoe, hazo efa maty koa?

Mampalahelo ilay fiteny sy ilay fijery (amiko)

Ka raha tsy nampianarina ho trondro velona ary izy...Ary raha tsy nambolena haniry ho hazo velona ary izy? ? ?

Hoy aho hoe fianarana daholo ny fiainana. Ilaina ianarana koa ny miray ara nofo aman\'olona.
Firy isan-jaton\'ny tanora malagasy ( na isan\'arivony akory aza) anefa no nitaizana hiatrika ny firaisana ara-nofo? Ary ianao: ianareo mahay io/ireo, iza moa no nampianatra anareo?

Samy votsa na ny lahy na ny vavy teo ampian-dohana fa dia niha nahalala hoe mankatsy na mankaroa no izy izy kokoa rehefa nahita traikefa vitsivitsy.
Ary raha misy havanana kokoa amin\'izy roaroa mifandray, anajran\'io ny mampianatra ilay iray, sa moa ny valala tsara endy ihany no ifanapahana fa ilay manta mohaka avela eo ho an\'ilay nahandro azy?



Salut Ratoa ! Araka ny efa mahazatra dia afangaronao ny zavatra roa samihafa : ny hoe trondro maty na tapa-kazo dia \" description \" - na hypozthese iray mety hiseho. Izany hoe : filazalazana ny zava-misy ( izay mety hiseho na niseho ) fa tsy fomba fijery velively ( na hevitra ).
Io dia zava-misy , tsy fananana experience eo @ lahy na vavy, misy daholo io na @ olona, na @ alika , na saka na omby ...ary tsy miankina @ hevitro velively , na ny hevitrao , na ny hevitr\'i Soanja.
Ny filazana izany zava-misy mety niseho izany no nihezana teo , alohan\' ny hanomezana vahaolana.
Ka raha ratsy ilay fiteny azy ( ilay desrciption ) dia asakasak\' izay handray izany. Amiko dia hita fa ilay \" trondro maty, tapa-kazo \" dia milaza tsara ilay zavatra tiana hampitana. Ka izay no manandanja amiko. Mino aho fa ny mpamaky sasany dia nahazo tsara ny tiana ho lazaina.

Ianao moa milaza hoe : \" Ka raha tsy nampianarina ho trondro velona ary izy...Ary raha tsy nambolena haniry ho hazo velona ary izy? ? ? \"

Marina dia marina izany, fa tsy nisy nahay zavatra hatrany ankibon-dreniny.
Saingy diso adiresy ianao satria izaho sy Soanja no resahinao eto.
Ilay tovolahy anefa no tokony nanehoanao ny hevitrao hoe : \" Tsy tokony tonga dia nitsoaka izy nony nahita ilay \" trondro maty \" fa tokony mba nila faharetana kely \" . Fa tsy izaho , na Soanja velively.

Hevitra ihany anefa izany hoe mila faharetana kely izany, satria araka ny efa voalazako etsy ambony dia : mandritra ny fiomanana, mandritra ny fanaovana, rehefa vita ny fanaovana, dia tsy ny fahaizana ilay sex ihany ( ilay resaka trondro maty ) no hita taratra @ izany fa ny caractere n\' ilay olona @ ankapobeny mihitsy. Noho izany, matoa nanapak\' evitra ilay bandy fa tsy hiaraka aminy dia mazava fa tsy ilay resaka tsy fahaizana sex fotsiny no hitany tao fa resaka toetra hafa @ ankapobeny mihitsy. Ka tsy omeko tsiny velively izy.
Ka raha hoy ianao hoe : tokony hampianatra ilay zazavavy izany izy mikasika ilay tsy fahaizana sex sy hanala ilay toetra ratsy hafa, dia zavatra hafa indray izany. Misy ny olona te hampianatra ny olon-tiany, misy ny tsy te-handany andro @ izany, aleony mitady izay mifanaraka amin\' eritreriny avy hatrany.

Noho izany averiko ihany ny conseil @ \' i xxx : dinidiniho izay tsy mety @ endrikao sy ny toetranao, hovao sy hatsarao izay tsy mety , avy eo dia mitadiava olon-kafa.


37. ikaretsaka ( 03/04/2010 13:51)
Mirananirina:

Ny mampalahelo dia , matetika ny vhv dia mihevitra fa victim foana rehefa manao firaisana, eny fa na dia teny nierana izao aza ilay firaisana. Nahoana angaha?
mampalahelo kosa aloha raha tanora kely iny no tratran'io fa raha toa ahy aloha na efa lebe...hihihi.tsisy olana :)


izaho koa tsy mety mahazo an'io.. raha hoe naolana ilay zavavy de manaiky ahako.. fa raha samy d'acc hoe tairo @ izay nefa avy ny andaniny milaza fa izy foana no victim .... efa sitrapo sy nifanekena kosa e


38. soanja ( 03/04/2010 14:16)
Misaotra Ravonjison fa tena manohana ny hevitrao aho.
39. soanja ( 03/04/2010 14:28)
ikaretsaka:

Mirananirina:

Ny mampalahelo dia , matetika ny vhv dia mihevitra fa victim foana rehefa manao firaisana, eny fa na dia teny nierana izao aza ilay firaisana. Nahoana angaha?
mampalahelo kosa aloha raha tanora kely iny no tratran'io fa raha toa ahy aloha na efa lebe...hihihi.tsisy olana :)


izaho koa tsy mety mahazo an'io.. raha hoe naolana ilay zavavy de manaiky ahako.. fa raha samy d'acc hoe tairo @ izay nefa avy ny andaniny milaza fa izy foana no victim .... efa sitrapo sy nifanekena kosa e





Izay no hitako tsy ampy amin'ny fitaizana/ Fanabeazana any Mada satria taratra izany amin'ny fiainana andavanandro fa tsy amin'ny resaka sex fotsiny dia ny hoe izay zavatra nekenao ka nataonao dia andraikitrao izay ipetrahan'iny zavatra natao iny fa tsy hanomezana tsiny ny hafa.

Izany akory tsy misakana ny aretim-po mianjady sy izay marary aminao, saingy araka ny voalazan'i Ravonjison ery ambony adikako amin'ny fehezanteniko hoe mila miverina jerenao manokana indray ny momba anao ary miezaka manao izay hahatsara izany mba tsy ho tratra intsony amin'ny hadisoam-panantenana any aoriana.

Raha mbola mahatsapa fa sipakely ny sipakely dia ampianaro izy , beazo izy , ampalalao izy ho asanareo ray aman-dreniny mba tsy hivelatra etsy sy eroa satria isika lehibe dia mahalala tsara fa ny bandikely dia tsy misaina matetika afa tsy ny handrobaka an'io telolafy kely io no antsainy aloha fa izy tsy hiraharaha izay fitiavana mandrakizay any aloha.

Manana ny soatovina ny vatantsika olombelona ary izay atao amin'io ka nifanarahana dia tsy hadisoan'ny hafa fa ny tena ihany satria ianao no tompotena fa tsy ny hafa akory. Io no volamenanao, io no diamondranao, io no harenao androany ka rahatrizay!


40. ikaretsaka ( 03/04/2010 15:16)
mazava izany ny an'i soanja sy ravonji
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1158