Mahatsara: maso,fo...hoditra ity. Andramo anie e !
1. niryna
(
22/03/2010 03:34)
Maro ny torohevitra izay mahasoa antsika.Mahatsara maso ity fa andramo,inona avy ary izany fa tena tiako andramana! mahatsara fo koa hono ny manao izao :aleo hoe andramako ........:D
Raha misy olona manoro hevitra antsika ka miteny hoe ity indray hono no mahatsara maso e,mety tsy miteny an'iny olona iny isika hoe nanao fanandramana a,fa matetika manao fanandramana tokoa isika fa manafina satria nino ilay tenenin'ny olona.
Raha miteny kosa anefa isika hoe kristy dia Atra fitiavana,izy no namonjy antsika teo ambonin'ny hazo fijaliana,ny diakampony no nanasitranana antsika.Isika rehetra izao dia mbola hody vovoka avokoa fa ny fanahintsika kosa dia hiverina any amin'ilay Atra nanao azy,raha tsy mino an'ilay kristy kosa anefa isika dia hisy ny fitsarana ary dia hijaly isika satria tsy manana an'ilay mpanavotra antsika. Hino izany ve isika e ? Enga anie
Tsy aleo ve mino azy ary antsoy tokoa Izy :ataovy ny fanandramana .
Raha efa manana Azy hianao dia tafio ny satroboninahiny.Ampio ny finoana ary zarao an'ireo izay mbola tsy manana sy tsy mahatsampa izany fahasoavana izany, izay kely nomeny anao no zarao fa ho ankasitrahany tokoa ary ho ampiany hianao hizara izany satria Izy tsy amela anao irery.
Raha mbola tsy manana Azy na tsy mbola mino Azy dia tsy misy vola aloha ary tsy misy fatiantoka satria finoana ao anatintsika io ka ataovy ary ny fanandramana e
(l) niryna

novalian'i ikaretsaka ny 19/04/2010 22:28
2. hery
(
22/03/2010 07:36)
Izaho koa d'accord amin'ilay hoe asaivo manandrana ny olona.
Tokony avela hanandrana ny olona, dia avy eo tsy terena. Raha mahatsara azy iny dia handray hatrany izy. Fa raha tsy te hanao intsony izy dia mety hitany hoe tsy mahatsara azy.
Raha mbola tsy nanandrana dia manandrama aloha, mahazo mijanona rehefa avy eo. Mety hoe tsy mbola zakan'ny vavoninao ilay fanafody... fa tsy ny fanafody no ratsy.
Misy olona ohatra, na dia omena fanafody vavony aza dia tsy mihinana (na dia fantany fa mahatsara azy ilay izy) satria izy mbola te hisotro toaka. Tsy ny fanafody izany no ratsy fa izy no tsy te hihinana.
Toa izany koa, misy olona mbola tsy te hino, manana ny antony izy. Fantany fa tsara ilay finoana, fa mangataka andro izy. Manana zo sy safidy ho amin'izany izy, ny anjaran'ny mpino fotsiny dia mampahafantatra azy hoe tsara io fanafody iray io fa rehefa nanandrana ilay olona dia vita ny adidin'ny mpitory.

3. ikaretsaka
(
22/03/2010 11:58)
misy koa ny olona ohatra hoe efa tambavy no hitany fa nahasitrana azy sy naharesy lahatra , hany ka na niverina aza ilay aretim-bavony ka a gravy noho ilay teo, ka omen'ny dokotera fanafody mety hahatsara azy bebe kokoa izy, sy tsy mbola hanahiana azy ny hitanika fa tonga dia atelina fotsiny ohatra: dia tsy mety resy lahatra afa tsy le tambavy ihany hono dia ampy!
ireny olona ireny aza no manahirana kokoa ny mitsabo azy

4. ravonjison
(
22/03/2010 12:20)
Ary raha ilay possibilité iray no miseho : ilay olona efa mahalala fa tsy mahatsara azy sy tsy mandaitra aminy ilay fanafody , satria efa nandramany tany aloha tany ( fantany ilay izy ary efa manana experince @ iny izy). Ka izay no tsy tiany hanandramana azy intsony ( fandaniana andro izany aminy).
Dia mbola hoezahinao resena lahatra foana ve izy ?
Ny fihezahana handresy lahatra azy @ izay fotoana izay mantsy dia midika fa ambanianao izy ary tsinontsinoavinao ny fahalalany sy ny experience ananany.
Diniho ihany.

5. ikaretsaka
(
22/03/2010 12:26)
izay koa possibilite mihitsy ry ravonjy...
fa matetika koa, indrindra ny ankamaroan"ny gasy, dia mihonona @ le "kely hany mba fantany" de tsa te hahalala ny hafa intsony (na matetika matahotra...) ka na mihombo aza ny aretiny de eeee "le tambavy ihany eee"

6. rakapy
(
22/03/2010 17:20)
:-D :-D :-D Ilay filazan'i Niryna azy koa mariana toy ilay Publicite-na vovo-tsavony MADIO t@ 1987 ireny :-D :-D :-D
Hoy Ravonjison
Ka @ mpanaraka baiboly anie dia izay ihany no option e! Asa angaha matahotra ny ho irery any am-paradisa izy ireo dia mitady namana.
Hoy Ravonjison
Ny fihezahana handresy lahatra azy @ izay fotoana izay mantsy dia midika fa ambanianao izy ary tsinontsinoavinao ny fahalalany sy ny experience ananany
Ka @ mpanaraka baiboly anie dia izay ihany no option e! Asa angaha matahotra ny ho irery any am-paradisa izy ireo dia mitady namana.
9. naritsimba
(
23/03/2010 04:36)
Miarahaba ny namana rehetra e!
Raha jerena ny hevitra mivoaka dia avy amin'ny hoe: ANDRANA
Hoy ny Soratra masina:
Andramo ka izahao fa tsara jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.Salamo 34:8
Ny manahirana mantsy ry niryna dia izao, misy ange ny manandranandra-poana e! efa hita fa tsy mety dia andramana ihany. Maro ny olona amin'izao fotoana no manao an'Andriamanitra ho tsy misy, mihevitra fa atao fitaovana fotsiny Andriamanitra ka rehefa tratra ny tanjona dia adinoina. Aleo anefa ho tsapan'ny olona : Fa tsara jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany. Salamo 100:5
Ankehitriny dia maro no mampiasa ny anaran'Andriamanitra sy Jesoa ho fitaovana ho amin'ny fitiavan-tena, nefa aoka ho tsaroantsika fa tia antsika izy ireo, firifiry akory moa no minia mikipy eo anatrehan'ny fitiavan'Andriamanitra ny olona izay nohariany tahaka azy? Misy ireo mody mampiasa ny Soratra Masina rehefa mety aminy, fa rehefa tsy mety aminy dia odiany tsy fantatra.
Anjarantsika no mandray fa tsy misy azo adika vilana ny teny voasoratra na dia kely aza. Iza no efa nanandrana dia tsy nankafy izay voalaza?
Ho ahy dia mazava tsy nanandrana aho fa nihinana ary dia nankafy toa an'i Joba, satria na ratsy na tsara dia avy aminy izay, ary fitsapana ho antsika olombelona ny zava-misy.
Ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana. IIJaona 1:3

10. ikaretsaka
(
23/03/2010 11:48)
ka samy manana ny mety aminy ny olona.. ny mety amin'i Naritsimba tsary voatery ho mety amiko na i nitryna na i rakapy 100%
raha tsy izany efa lasa sanatria "Lego" isika hoe atsofoka atsy na atsy..
na afaka nifanakalo fananana ...vady....kiraro, sns...
satria mety amiko de mety aminao?
noooo!

11. fijo
(
25/03/2010 22:02)
aza terena hoe tsara ka ity no mety kokoa:
"Tokony avela hanandrana ny olona, dia avy eo tsy terena. Raha mahatsara azy iny dia handray hatrany izy. Fa raha tsy te hanao intsony izy dia mety hitany hoe tsy mahatsara azy."
io ihany no fomba mety sy malalaka,fa rah avao manery dia ratsy be ny vokany

12. niryna
(
31/03/2010 18:49)
hery:marina izany ary Atra tokoa no anova ny fony fa tsy isika,anjarantsika fotsiny no mizara dia izay e
Izaho koa d'accord amin'ilay hoe asaivo manandrana ny olona.
Tokony avela hanandrana ny olona, dia avy eo tsy terena. Raha mahatsara azy iny dia handray hatrany izy. Fa raha tsy te hanao intsony izy dia mety hitany hoe tsy mahatsara azy.
Raha mbola tsy nanandrana dia manandrama aloha, mahazo mijanona rehefa avy eo. Mety hoe tsy mbola zakan'ny vavoninao ilay fanafody... fa tsy ny fanafody no ratsy.
Misy olona ohatra, na dia omena fanafody vavony aza dia tsy mihinana (na dia fantany fa mahatsara azy ilay izy) satria izy mbola te hisotro toaka. Tsy ny fanafody izany no ratsy fa izy no tsy te hihinana.
Toa izany koa, misy olona mbola tsy te hino, manana ny antony izy. Fantany fa tsara ilay finoana, fa mangataka andro izy. Manana zo sy safidy ho amin'izany izy, ny anjaran'ny mpino fotsiny dia mampahafantatra azy hoe tsara io fanafody iray io fa rehefa nanandrana ilay olona dia vita ny adidin'ny mpitory.
:-*
13. niryna
(
31/03/2010 18:53)
ikaretsaka:misy tokoa ka indrindra rehefa be loatra ny fanafody nohaniny dia tsy mety ihinana intsony izy satria tsy mino intsony kanefa rehefa miezaka izy hoe aleo aho aloha anandrana fa sao mba mahasitrana ity dia io fa mety mihatsara ilay aretina
misy koa ny olona ohatra hoe efa tambavy no hitany fa nahasitrana azy sy naharesy lahatra , hany ka na niverina aza ilay aretim-bavony ka a gravy noho ilay teo, ka omen'ny dokotera fanafody mety hahatsara azy bebe kokoa izy, sy tsy mbola hanahiana azy ny hitanika fa tonga dia atelina fotsiny ohatra: dia tsy mety resy lahatra afa tsy le tambavy ihany hono dia ampy!
ireny olona ireny aza no manahirana kokoa ny mitsabo azy
Dia toy izany koa ny finoana ry ika a,rehefa misy mijoro vavolombelona ny fahasoavana nomen'Atra azy izy dia mahavariana antsika tokoa ary dia mangetaheta koa isika ny hitady ilay Atra resahiny eo ary rehefa nahazo fahasoavana dia tonga mizara eo ihany koa
14. niryna
(
01/04/2010 03:43)
naritsimba:izay ny tiako lazaina
Miarahaba ny namana rehetra e!
Raha jerena ny hevitra mivoaka dia avy amin'ny hoe: ANDRANA
Hoy ny Soratra masina:
Andramo ka izahao fa tsara jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.Salamo 34:8
marina izany fa raha resaka hoe nanandrana nitady an'Atra aho dia tsy nahita aloha dia kely ny finoako e,na tsy nitady azy aho na niantehitra tamin'ny zavatra hafa ka nametraka azy tao anaty vata fotsiny.Mahery ny teniny,marina ny teniny ary izay rehetra mitady azy dia ahita avokoa.Raha nitady ny iray dia ahita koa fa ny fotoana ahalalana azy no tsy mety hitovy ary ny antso omeny ny tsi11 no tsy hitovy fa ny fantatro fotsiny aloha na inona na inona mitranga ka apetraka eo ampelantanany dia hainy foana ny mamaha ny olana e
Ny manahirana mantsy ry niryna dia izao, misy ange ny manandranandra-poana e! efa hita fa tsy mety dia andramana ihany. Maro ny olona amin'izao fotoana no manao an'Andriamanitra ho tsy misy, mihevitra fa atao fitaovana fotsiny Andriamanitra ka rehefa tratra ny tanjona dia adinoina. Aleo anefa ho tsapan'ny olona : Fa tsara jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany. Salamo 100:5
marina izany ,tadidiko indray andro izay teo analakely aho ,iny nisy ramatoa mikatringa izay,tsy misy izay tsy mahafantatra azy ny mpianatra manodidina eo.Tonga izy miaraka ny baiboliny ary nangataka vola izy ka ny teniny dia hoe omena vola hono izy hoy kristy. Maro ny zavatra noteneniny ary tsy nisy nifanaraka ny baiboly.?Tsy nampaninona ahy ny anome azy vola fa ilay fomba fiteniny manery olona no nahatonga saina ahy,rehefa noroahiko tamin'ny anaran'i kristy izy dia nivadika menabe ny masony ary niteny ratsy variraraka izy.
Ankehitriny dia maro no mampiasa ny anaran'Andriamanitra sy Jesoa ho fitaovana ho amin'ny fitiavan-tena, nefa aoka ho tsaroantsika fa tia antsika izy ireo, firifiry akory moa no minia mikipy eo anatrehan'ny fitiavan'Andriamanitra ny olona izay nohariany tahaka azy? Misy ireo mody mampiasa ny Soratra Masina rehefa mety aminy, fa rehefa tsy mety aminy dia odiany tsy fantatra.
MItombona ny teninao fa misy na mpivavaka izao aza dia ny anaran'i kristy no ampiasainy anaovana toetra ratsy.
tsy misy takona izay tsy ho hita anefa
Anjarantsika no mandray fa tsy misy azo adika vilana ny teny voasoratra na dia kely aza. Iza no efa nanandrana dia tsy nankafy izay voalaza?
Ho ahy dia mazava tsy nanandrana aho fa nihinana ary dia nankafy toa an'i Joba, satria na ratsy na tsara dia avy aminy izay, ary fitsapana ho antsika olombelona ny zava-misy.
Ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana. IIJaona 1:3
misaotra anao nizara
15. ikaretsaka
(
01/04/2010 16:15)
fijo:
aza terena hoe tsara ka ity no mety kokoa:
"Tokony avela hanandrana ny olona, dia avy eo tsy terena. Raha mahatsara azy iny dia handray hatrany izy. Fa raha tsy te hanao intsony izy dia mety hitany hoe tsy mahatsara azy."
io ihany no fomba mety sy malalaka,fa rah avao manery dia ratsy be ny vokany
izay...
16. niryna
(
02/04/2010 18:09)
ravonjison:ndrooo
Ary raha ilay possibilité iray no miseho : ilay olona efa mahalala fa tsy mahatsara azy sy tsy mandaitra aminy ilay fanafody , satria efa nandramany tany aloha tany ( fantany ilay izy ary efa manana experince @ iny izy). Ka izay no tsy tiany hanandramana azy intsony ( fandaniana andro izany aminy).
Dia mbola hoezahinao resena lahatra foana ve izy ?
fa inona no nitranga tamin'i ravo ? sa nisy olona fantatrao fa tsy nino an'Atra intsony satria kely sy tsy dia nino Azy izy dia lasa nandositra Azy ?
ka raha omenao fanafody izy ohatra kanefa tsy mety ihinana ,tsy izaho no ampiditra ny fanafody any am-bavany ka,izy tenany ihany.Toy izany koa ny resaka finoana,mizara,mampiseho ny fahasoavano nomen'Atra azy ny olona iray,noho ny experiences marobe nandalovany tamin'ny fiainana ary dia tsy reraka izy mizara Fa tsara Jehovah ka zahao(andramo anie raha mbola tsy nitady azy isika no heviny ) ary mandrakizay ny fitiavany (ho hitanao sy tsampanao izany fiainana vaovao miaraka aminy izany ary tsy androany ihany fa mandrakizay .safidy anefa io fa tsy an-tery velively
Ny fihezahana handresy lahatra azy @ izay fotoana izay mantsy dia midika fa ambanianao izy ary tsinontsinoavinao ny fahalalany sy ny experience ananany.
Diniho ihany.
17. ikaretsaka
(
02/04/2010 18:41)
Niryna an>
1) sambihafa aloha ny olombelona:izany no hilazako foana hoe tsy hinoako io fijoroana vavolombelona io, satria ny mety aminao tsary ho mety amiko na ho mety @ ravonjy na oviana na oviana na ny mety amin-dravonjy tsy ho mety amikosy ianao... satria ohatra izao de tsy afaka nifanakalo vady sy zanaka sy asa sns, nareo sy ravonji sy rakapy satria ny vadinao izao mety aminao nefa tsy mety aminy.... azonao, na hijoro vavolombelona faha 100 amberivo aza ianao fa tena nety taminao rangahy vadinao... tsy ho hety amiko sy ry zalahy mihitsy ...
2)Ny fihezahana handresy lahatra azy @ izay fotoana izay mantsy dia midika fa ambanianao izy ary tsinontsinoavinao ny fahalalany sy ny experience ananany
Le fanafody eto tsy midika hoe nety taminao de ho mety taminy... mety ny fanafodiny no nandaitra bebe kokoa taminy nohon'ny anao! ary raha ity no niseho hoe tena natanjaka be kokoa noho'ny anao ny fanafodiny ka na ianao aza lasa sitrany....de ahoana?

18. ravonjison
(
03/04/2010 13:30)
ikaretsaka:

Mba ho fanampiako ilay hevitr ' i Ika dia averiko eto ny vaovao voalazan' ny France 24 omaly : be dia be ny kristianina ni-convertir ho silamo ao Bresil, ary tena miroborobo be ny fivavahana silamo any izao, tao anatin' ny fotoana fohy. Ireo olona niova finoana ho silamo ireo moa dia matetika olona mahantra sy olona mafy ady avy @ itony quartier mahantra itony izy ireo.
Dia fanafodin' iza tokoa ary no mahery ao ? Araka io tendance io dia toa ny fanafodin' ny silamo no lasa nahery noho ny fanafodin' ny kristianina ao Bresil ( na farafaharatsiny lefy ilay fanafody kristianina ).
De ahoana io ry Nyrina ?