Toy ny trondro ...Toy ny paoma

1. niryna ( 17/03/2010 19:00)
Alohan'ny anombohako ny tantara dia misy fanontaniana kely mba tiako ho fantatra ity

Inona no fahafantaranaoo izany hoe olona malemy ara-panahy ? mitovy ny olona mahantra ve izany na ireny olona ambakain'ny olona ireny sa olon'Atra ,olona malefa ,tsy fantatro izay mba mahafantatra e
Misaotra mialoha

Taloha izany aho namaky baiboly ary teo aho ka notsipihako izay nahafinaritra ahy ary feno soratsoratra be ilay baibolinay.Fa maninona no simbana toa izao io baiboly io hoy ny tato an-trano ,tsy namaly aho fa noheveriko fa ny hanipihiko azy no nahafantarako ny tao anatiny.
Taty aoriana aho dia norasiko toy ny trondro ny famakiana ny baiboly: nohaniko aloha izay fantatro fa azoko ho hanina sy matsiro ka ahavoky ahy -ny nofon-trondro no hiantsoko azy io- izay amelombelona ny vatako ary navelako teo amin'ny sisiny kosa izay tsy azoko ho hanina ary io no nantsoiko hoe taolan-trondro.
Mbola azoko hiverenana anefa io taolan-trondro io fa mety ahitako otrik'aina ihany avy eo .

Toy izany koa ny paoma: nahotsakotsako aloha ny hazo hianjera ilay paoma dia avy eo aho manintsana tsikelikely ny fotony ,dia makeo amin'ny rantsany indray ary ary farany aho mijery sao mbola misy paoma miafinafina any ambadikin'ny ravinkazo any. :D

Toa izay no nianarako namaky ilay baiboly ary dia nangataka ny fanahy masina aho mba anampy ahy ka ho azoko ny teny ao sy ho azoko zaraina ny hafa ary hoentiko miatrika ity fiainana ity ihany koa ny teny mamy ao .

Ahoana no fanoharana omenareo ny fomba nandraisana ny tenin'Atra ?

Hianareo ve tonga dia nahazo ny teny tao anatin'ny baiboly sa ahoana no fomba nahaizanareo nahafantatra ilay teny tao sy ny hevitra tiana ampitaina ?
misaotra betsaka


(l) niryna
novalian'i niryna ny 15/04/2010 18:16
2. ikaretsaka ( 17/03/2010 19:25)
ny ahy ny nataoko taloha de nojereko aloha hoe inona le trondro: be taolana ve sa malemy taolana.. taiza no nanjonoina azy (sao tao Anosy na marais Masay ohatra), sao atsantsa vao avy nihinana raha tsy fihinana tany... sns... izay aho vao mikepoka

Aminay any Vakinankaratra any moa feno paoma rahateo koa, fa nojerena toy izany koa ny paoma. sao paoman'olona, sao misy kalo,sy ny sisa , nilaina noeritreretina hoe mahahitsana ilay tena izy ve ny fanotsakontsanana azy eo, sao manotsakotsam-poana eo koa ka ny paoma mbola tsy tokony hohanina sy tokony hitombo no mihintsana...


Ny baiboly indray tena tsy hoe nila nahay namaky teny aho vao nahay , mbola tsy nahay nanambatra teny akory ahako de efa mba nahalala an-drazezo... feno kisarisary moa ny rava-piangonana sy ny trano @ kanto, t@ izany aho mbola nandray 2 (sady kanto no prot) dia ireny sary ireny no nahalalako voalohany izany hoe noely izany ohatra... tonga dia tranon'omby no nojereko fa tsy nila namaky ilay andininy be tarokatra akory dia haiko ny hoe tany an-tranon'omby sns...
Lalan'ny hazo fijaliana dia arako hoe izao no nitranga momban'ny fijalian'i Jesoa....
Tao an-trano fihinanana koa nisy ilay sary malazan'i Da vinci (last supper) iny dia efa tonga de hoe izao izany no nitranga t@ alakamisy masina sns sns....
MIjery an'ilay "creation" an'i Michelange dia tonga de hoe ohatran zao zany no nahariana izao tontolo izao...
3. vale ( 17/03/2010 20:16)
Ny ahy indray dia tahaka ny nataon'i Niryna tamin'ny voalohany hoe tsiptsipihako izay teny nanaitra sy tiako hotadidiana, lol, fa asa noho ilay fanirina tato anatiko dia nisy namako izay lasa mpandalina ny baiboly no nampianatra ahy, efa tsy dia nisy fifandraisana intsony izay sy ilay namako io (antony manokana) fa ohatry ny tsapan'Atra angamba ny faniriako hianatra ny teniny dia lasa nanantona ahy ho azy ilay olona io, (izy koa moa efa niova rahateo) ka dia izy sy ny namany no mampianatra ahy baiboly, ka mahaliana ahy aloha hatramin'izao, fa marina fa rehefa tena mandinika ny teny voalazan'ny baiboly sy mahatakatra ny dikany izay tiana hambara ianao dia manka voasarika hianatra kokoa hatrany, na dia TSY mora aza ny mitandrina ny teny rehetra voalaza ao! hihihi :)
4. ikaretsaka ( 17/03/2010 21:05)
Raha dinihina tsara izany de efa nandalo garabola sy nahay namaky teny aby nareo vo nahalala an-drazezo
5. fijo ( 17/03/2010 21:58)
namaky baiboly ary teo aho ka notsipihako izay nahafinaritra ahy "

izay ilay fomba ratsy indrindra famakiana azy.rah aizay mahafinaritra fotsiny no alainaaaaaa;hummmitako hafahafa firesaka an
6. vony501 ( 18/03/2010 06:04)
Ny fanipihina ny teny na ny fehezan-teny ao anaty baiboly dia efa fomba nahazatra ny ankabeazan'ny olona. Fomba izay tsy dia mety loatra satria midika ho fanamarinan-tena ; izay metimety sy mifandraindraika aminao sy ny toetranao sy izay tianao atao ihany matetika no voatsipikao ary tadidinao tsara ny toko sy andininy ka entinao hiarovan-tena matetika rehefa misy ny adi-hevitra.
Ny fanontaniana nipetraka tany am-boalohany dia hoe inona izany hoe olona malemy ara-panahy izany izany ? Misy dingana telo ny fitomboana ara-panahy :
1- ny fahaterahana indray : manaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy
2- ny fahazazana ara-panahy : mbola minono (rononom-panahy), mbola mila fahanana, mbola mila fampianarana
3- fahalebiazana ara-panahy : efa matotra, efa azo atao maodely, efa afaka mizara
7. Mirananirina ( 18/03/2010 12:01)
Ny ahy indray tsy ataoko toy ny hanina fa ataoko toy ny volamena na vatosoa,dia tahiriziko sy ambesako tsara :)
satria amiko raha hanina manko dia tsy maintsy havoaka avy eo,surtout raha voky be :)
Inona no fahafantaranaoo izany hoe olona malemy ara-panahy
olona tsotra,tia manome,tia fihavanana,manampy ny hafa.
,mamindra fo,madio fo,mahantra ampanahy sns....raha dinihina firy % ny olombelona re no mety mahavita ireo eh??Raha tsy izany ve tsy ho tafiditra ny fanjakan'ny lanitra
8. ikaretsaka ( 18/03/2010 15:10)
raha vao oharina @ zavatra hafa le izy na kaly io na volamena sy vatosoa dia misy tsininy kely foana ko..

afaka lazaina koa mantsy hoe avela haniry tranonkala ao koa le volamena sy vatosoa fa tsy hanaovana mihitsy sao very na misy mangalatra na rehefa mikata ihany vao iny fa hanaovana.. nefa tsy tokony ho izay loatra ... inona no hividianana azy lafo raha atao haingona -tirroir sy coffre?

ny kaly moa dia io efa noresahinao io ny voka-dratsiny, ary marina tokoa...


fa kaly moa no nitondran'ilay mpanokatra sobjektra ny lohahevitra ka de...
9. soanja ( 18/03/2010 16:05)
niryna:

Alohan'ny anombohako ny tantara dia misy fanontaniana kely mba tiako ho fantatra ity

Inona no fahafantaranaoo izany hoe olona malemy ara-panahy ? mitovy ny olona mahantra ve izany na ireny olona ambakain'ny olona ireny sa olon'Atra ,olona malefa ,tsy fantatro izay mba mahafantatra e
Misaotra mialoha

Taloha izany aho namaky baiboly ary teo aho ka notsipihako izay nahafinaritra ahy ary feno soratsoratra be ilay baibolinay.Fa maninona no simbana toa izao io baiboly io hoy ny tato an-trano ,tsy namaly aho fa noheveriko fa ny hanipihiko azy no nahafantarako ny tao anatiny.
Taty aoriana aho dia norasiko toy ny trondro ny famakiana ny baiboly: nohaniko aloha izay fantatro fa azoko ho hanina sy matsiro ka ahavoky ahy -ny nofon-trondro no hiantsoko azy io- izay amelombelona ny vatako ary navelako teo amin'ny sisiny kosa izay tsy azoko ho hanina ary io no nantsoiko hoe taolan-trondro.
Mbola azoko hiverenana anefa io taolan-trondro io fa mety ahitako otrik'aina ihany avy eo .

Toy izany koa ny paoma: nahotsakotsako aloha ny hazo hianjera ilay paoma dia avy eo aho manintsana tsikelikely ny fotony ,dia makeo amin'ny rantsany indray ary ary farany aho mijery sao mbola misy paoma miafinafina any ambadikin'ny ravinkazo any. :D

Toa izay no nianarako namaky ilay baiboly ary dia nangataka ny fanahy masina aho mba anampy ahy ka ho azoko ny teny ao sy ho azoko zaraina ny hafa ary hoentiko miatrika ity fiainana ity ihany koa ny teny mamy ao .

Ahoana no fanoharana omenareo ny fomba nandraisana ny tenin'Atra ?

Hianareo ve tonga dia nahazo ny teny tao anatin'ny baiboly sa ahoana no fomba nahaizanareo nahafantatra ilay teny tao sy ny hevitra tiana ampitaina ?
misaotra betsaka


(l) niryna



Izany tenin'Andriamanitra izany dia tsy misy fisalasalana ny fandraisan'ny fanahintsika mikatsaka azy lalandava ao anatintsika.

Izay no ilazako fa tsy tenin'Andriamanitra daholo akory ny ao anaty baiboly fa mbola misy betsaka hevitr'olombelona mitovy amintsika ao ary ao natao ho fampahalalana fotsiny ny tantara na zavanisy sns sns...

Amiko dia toy ny boky rehetra ny baiboly. Misy azo raisina ny ao ary tena misy natao hovakiana fotsiny.

Tsy manana fanoharana momba ny fandraisana ny tenin''Andriamanitra aho satria tapitrohatra ny momba azy raha ny amiko. Tsy misy itovizany ary tsy misy ampitahana aminy velively fa dia Izy no Haneho ny Voninahiny amin'ny maha Iray tsy misy ankoatra Azy.


10. fijo ( 18/03/2010 21:37)
izao koa e,aza hadino,fa ny baiboly(indrindra ny testamenta taloha)dia tantara.na rakitantara jiosy.
noho izay mah arakitantara azy izay,dia mila lanjalanjaina ny zavatra raisina ao,satria ny voalaza ao,na ny lesona azo tsoahina avy ao,dia lesona mifandraika amin'izay vaninadro niainany.
tsy midika anefa izany,fa tsy misy hifandraisany amin'izao intsony ny resaka ao,tsia,satroa na fahiny na ankehitriny,dia mbola ao anaty fiarahamonina isika,ary mbola misy fahendrena fototra mila kajiana ao anatin'izay.ka izay no mila jerena tsara hoe iza amin'ireto voalaza ireto,no mety amin'izao vaninadro hiainako izao.
rah atsy izay,dia io itantsika ataon'ny silamo mahery fihetsika io,ny vokany.ny sasany efa milalao ordinatera,ry zalahy mbola te hiverina hitovy amin'ny vaninandron'ny ralava volombava
11. vale ( 19/03/2010 12:53)
[ikaretsaka]
Raha dinihina tsara izany de efa nandalo garabola sy nahay namaky teny aby nareo vo nahalala an-drazezo
__________
Ika: a,a, ny rainay ze any andanitra sns, iny efa hatrany am garabola no hay tsenjery knoh, fa ny fahatakarana ny teny faminaniana miintsy ny ahy ra tsy nisy nampianatra tsy azoko, lol, mba namaky baiboly h@ 1] oà za lol fa ra vao sendra teny tsy azoko dia mi-abandonne , hihih! hafa bbe le izy misy mapianatra, mahalina be, na tsy fantatro na lay fomba fampianaran'ile ol no hafa, fa tamin'y talo nianatra katesizy ohatry ny atao tsenjery maimbo be fotsiny lay izy, :lol: ny ahy alo a, fa zao za ndray no mitady anjy zareo rehefa tsy afaka izy, ohatry ny ny hoe manaraka tantara @ radio ireny mintsy ny ampianarany azy, na mamaky boky roman! :lol:, mahalna ahy alo a, fa za klo de trorina fa tsy mahavita manaraka ny didy voalaza ao e!


:{


Fijo: ahahahahaha! :)
12. ikaretsaka ( 19/03/2010 12:57)
fa le tantara sasany no tiako lazaina ka... ohatra hoe le izy nofantsihina na lery teraka sns...
nena lo tsoriko fa t@ sary tany ampengonana sy tany an-trano e... ny Vitraux an katedral tonga de voakozy aby ny testamenta ko
13. vale ( 19/03/2010 13:02)
eny e, a,a, ny testameta taloha k!!
14. rakapy ( 19/03/2010 13:07)
Io voalazan'i Fijo io no hitako fa marina. Angano sy filozofia no tena betsaka ao anaty baiboly.
15. ikaretsaka ( 19/03/2010 13:58)
filozofiam-pinoana koa no andraisako azy aloha .. fa izaho indray tsy mandray azy hoe angano fa hoe tantara... misy niseho manko ilay izy misy tsy niseho ary misy noforonina..
de mety hisy ny faminaniana mbola hiseho..
fa hoe io ve Atra? tsia
fa hoe manampy ahalalana izany Atra iznay ve io? Eny!
16. vale ( 19/03/2010 14:30)
[quote=rakapy]
Io voalazan'i Fijo io no hitako fa marina. Angano sy filozofia no tena betsaka ao anaty baiboly.
___________
diso be ianao, ny baiboly dia tenin'ny faminaniana, TSY MISY AO na dia IRAY aza zavatra nofofronna fa na zavatra EFA niseho avokoa, na zavatra MBOLA hiseho, verset taiza ho aiza hoe no milaza fa nisy tantara nofofronina tao eee???


17. niryna ( 19/03/2010 16:48)
ikaretsaka:

ny ahy ny nataoko taloha de nojereko aloha hoe inona le trondro: be taolana ve sa malemy taolana.. taiza no nanjonoina azy (sao tao Anosy na marais Masay ohatra), sao atsantsa vao avy nihinana raha tsy fihinana tany... sns... izay aho vao mikepoka
hay va e

Aminay any Vakinankaratra any moa feno paoma rahateo koa, fa nojerena toy izany koa ny paoma. sao paoman'olona, sao misy kalo,sy ny sisa , nilaina noeritreretina hoe mahahitsana ilay tena izy ve ny fanotsakontsanana azy eo, sao manotsakotsam-poana eo koa ka ny paoma mbola tsy tokony hohanina sy tokony hitombo no mihintsana...
hi,hi inona koa no idiran'ny vakinankaratra amin'izany ?



Ny baiboly indray tena tsy hoe nila nahay namaky teny aho vao nahay , mbola tsy nahay nanambatra teny akory ahako de efa mba nahalala an-drazezo... feno kisarisary moa ny rava-piangonana sy ny trano @ kanto, t@ izany aho mbola nandray 2 (sady kanto no prot) dia ireny sary ireny no nahalalako voalohany izany hoe noely izany ohatra... tonga dia tranon'omby no nojereko fa tsy nila namaky ilay andininy be tarokatra akory dia haiko ny hoe tany an-tranon'omby sns...
Lalan'ny hazo fijaliana dia arako hoe izao no nitranga momban'ny fijalian'i Jesoa....
Tao an-trano fihinanana koa nisy ilay sary malazan'i Da vinci (last supper) iny dia efa tonga de hoe izao izany no nitranga t@ alakamisy masina sns sns....
MIjery an'ilay "creation" an'i Michelange dia tonga de hoe ohatran zao zany no nahariana izao tontolo izao...
hmm koa nahoana no toherina foana izay mizara eto ,izany ve tsy hafahafa be ooops
[/quote]


18. niryna ( 19/03/2010 16:52)
vale:

Ny ahy indray dia tahaka ny nataon'i Niryna tamin'ny voalohany hoe tsiptsipihako izay teny nanaitra sy tiako hotadidiana, lol, fa asa noho ilay fanirina tato anatiko dia nisy namako izay lasa mpandalina ny baiboly no nampianatra ahy, efa tsy dia nisy fifandraisana intsony izay sy ilay namako io (antony manokana) fa ohatry ny tsapan'Atra angamba ny faniriako hianatra ny teniny dia lasa nanantona ahy ho azy ilay olona io, (izy koa moa efa niova rahateo) ka dia izy sy ny namany no mampianatra ahy baiboly, ka mahaliana ahy aloha hatramin'izao, fa marina fa rehefa tena mandinika ny teny voalazan'ny baiboly sy mahatakatra ny dikany izay tiana hambara ianao dia manka voasarika hianatra kokoa hatrany, na dia TSY mora aza ny mitandrina ny teny rehetra voalaza ao! hihihi :)
izay mihitsy ka,faniriana nipoitra tao anaty io fa raha mbola tsy nandray azy tokoa isika dia na feno menamena aza ilay baiboly( ny tena naha loza azy dia baiboly fahatsiarovana -nomena tao am-piangonana ) fa e.Raha tsy ny tena mihitsy no mangetaheta dia toy ny mamaky boky rehetra ireny misy ahazoana tsirony dia tohizana misy tsy misy tsirony dia avela.
Nisy olona izay nilaza izy fa nahavaky ny baiboly in-efatra hono kanefa dia e,e


19. niryna ( 19/03/2010 16:56)
ikaretsaka:

Raha dinihina tsara izany de efa nandalo garabola sy nahay namaky teny aby nareo vo nahalala an-drazezo

Tsia tsy voatery ,na namaky ny tenin'ATra im-polo aza raha mbola tsy vonona anaraka azy dia tsy mahazo ny teny ao,eny na izao miteny izao aza isika ka manohitra ny tenin'Atra foana dia hoe andeha amaky baiboly na teny gasy aza tsy ho azontsika ny teny ao ka,mino izany ve ika ?

20. niryna ( 19/03/2010 17:00)
fijo:

namaky baiboly ary teo aho ka notsipihako izay nahafinaritra ahy "
tsy ny baiboly ihany io ra fijo a,izay zavatra interressant ao anatin'ny boky dia maro no manao izany.Inona no lafi-tsarany ary e,tonga dia fantatra na ny toerana misy ilay teny na ery amin'ny havia na havanana na tt na tv

izay ilay fomba ratsy indrindra famakiana azy.rah aizay mahafinaritra fotsiny no alainaaaaaa;hummmitako hafahafa firesaka an

ok ratsy amin'i fijo fa tsara sy nety tamiko oops
inona no mahatsara azy? hitady teny fampaherezana hianao ? tonga dia fantatra ny toerana misy azy,
andresy lahatra ny olona fa indraindray toa misalasala ? fantatra ilay toerana misy ilay teny ka dia omena azy fotsiny
itanao amin'izany fa samy manana ny zavatra mety mahatsara azy avy ny rehetra ,ratsy aminao fa tsara tamiko tokoa

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 2.738