katolika ihany no voatonitonina

41. ikaretsaka ( 05/03/2010 23:45)
tsy hoe tsy nino izy fa tsy fantany hoe fa naninona izy no mino,
sy hoe raha tsy nanao anzao sy tsy nitranga zao de tsy tonga saina
42. Ratoa ( 05/03/2010 23:47)
fa aleony mipipy eo ambody fiangonana fa tsy sahiny ny hipipy eo amin'ilay doany
izany ve? aza manao safo be mantsina
43. ikaretsaka ( 06/03/2010 16:53)
ka izay no nampianarina sy nampitahorina azy ko hoe tsy maninona ialahy raha eo no mipipi ..fa raha arokatra de manao an zao sy zao.
de izay nahay nampianatra, na izay fampianarana tonga aloha no niraikitra sy natahorana, moa ho an'ny tsisy nampianatra de experience perso no nitondra an le izy.. ohatra teo @ le doany hoe nipipi teo de nihonfana ilay zavatra nisy le ran'akoho ohatra de niraraka nitapoka t@ ilay ama... ny ran'akoho de hoe las anisy ra ny pipy!
44. fijo ( 07/03/2010 22:45)
ratoa,mety hisy hanivaka fa vitsy raha gasy.
45. ikaretsaka ( 08/03/2010 02:21)
fijo:

izao fotsiny hitsapana azy e,

misy fiangonana iray eo,de misy doany iray,te hipipy le (kristianina)iray.asaivo misafidy iray amin'ireo izy hipipizany,fa aleony mipipy eo ambody fiangonana fa tsy sahiny ny hipipy eo amin'ilay doany.


Za manokana ry ratoa de nahita tsara an'io tamin'iny RN34 mankany Morondava iny t@ 10 taona lasa.. novaina ny sens an'ny lalana dia nandalo ireny fasana ntaolo efa tsy fantatra intsony hoe iza no tompony ireny ... dia tsy maintsy nafindra koa mazava ho azy ny Razana tao, dia nanaovana famadihana nakotrokotroka sns... dia teo akaikin'ny fiangonana no nanaovan'ny Colas na Touzet na Smatp (tsy tadidiko tsony) fasana vaovao ry zareo

Ny fiangonana any ambanivohitra moa le mateza be ireny ny lamesa dia poritra ny olona de le mivezivezy mandeha mipipi fa tsy misy mandeha mihitsy any akaikin'ny fasana izay 50 m miala eo ampiangonana no sady misy takotakona taretra sy kininina azo hiafenana rehefa mivoaka, fa ny tamboho miharihary be teo @ trano vadim-piangonana no nahita faisana!
46. Mirananirina ( 08/03/2010 09:15)
Ny fiangonana any ambanivohitra moa le mateza be ireny ny lamesa dia poritra ny olona de le mivezivezy mandeha mipipi fa tsy misy mandeha mihitsy any akaikin'ny fasana izay 50 m miala eo ampiangonana no sady misy takotakona taretra sy kininina azo hiafenana rehefa mivoaka, fa ny tamboho miharihary be teo @ trano vadim-piangonana no nahita faisana!
ambody rindrina io hihihi...indrindra ny ankizy no betsaka no manao eo akaiky ny fiangonana fa poritra,matetika moa tsy misy wc ny fiangonana dia ny manodidina no masaka.
izao fotsiny hitsapana azy e,

misy fiangonana iray eo,de misy doany iray,te hipipy le (kristianina)iray.asaivo misafidy iray amin'ireo izy hipipizany,fa aleony mipipy eo ambody fiangonana fa tsy sahiny ny hipipy eo amin'ilay doany.
tsy ratsy indray iny.tena marina izany.
47. Hinagasy ( 09/03/2010 22:45)
Aleo na katolika na protestant rehefa manao ny tsy mety dia aza tezitra ianareo raha voatonitonina e! Aleo ataon'ny olona malaza sy afabaraka any na iza na iza ka surtout mikitika zaza, na ataon'ny olona lilo sofina aza aleo ataony any fa maninona no hangina ny olona? mafy ange ny zavatra entin'ireny zaza voa-violer ireny e!
48. ikaretsaka ( 09/03/2010 22:51)
izay mihitsy no tokony ho izy ry Hinagasy, fa le izy eto manko misy mitady hanamaivana hoe rehefa izao le finoana de tsy tonointonina mihitsy... kapoaka 1 le izy de aleo samy hiharihary...
raha nisy advantista na mormons na patekotista nanondrana koa... avoahay!
raha nisy @ ireo finoana tsy Xtianina koa .. avoahay!
49. fijo ( 10/03/2010 00:24)
le izy anie samy manao e,na isika olon tsotra izao aza,samy biby aby,ka izay no tsy anekeko hoe,iry ihany no tifirina ,na isty ihany no asiana.
50. Mirananirina ( 10/03/2010 11:16)
Aleo na katolika na protestant rehefa manao ny tsy mety dia aza tezitra ianareo raha voatonitonina e! Aleo ataon'ny olona malaza sy afabaraka any na iza na iza ka surtout mikitika zaza, na ataon'ny olona lilo sofina aza aleo ataony any fa maninona no hangina ny olona? mafy ange ny zavatra entin'ireny zaza voa-violer ireny e!
marina tokoa ny anao.
na kato na protest na silamo na inona rehefa manao ny tsy mety dia tsikeraina,saingy izao:ilay olona no tsikeraina fa tsy ny finoany
51. xxx ( 10/03/2010 23:20)
mirananirina, diso be ny fomba fijerinao,fantaro aloha hoe inona no acte vitan'ilay olona,dia mazava hoazy fa tsy maintsy fantarina ny finoany rehefa avy eo.manomboka eo amin'izay ny fifanakalozan-kevitra, ny fepetra ho raisina momba io olona io, fa tsy hoeOLONA no tsikeraina. :roll: :roll: :roll:
52. xxx ( 10/03/2010 23:38)
miombo-kevitra tanteraka @ hinagasy aho ny amin'ny hoavin'ireny zaza voa-violer ireny,tena mamplahelo tokoa stria zà izao no efa nahita ny fandemèna nataon'ny mopera iray zay fata-daza tao Fianarantsoa momba io fandotoana zaza madinika io,misy ny mitaraina @ ireo ray aman-dreniny dia inona hoy ianareo no nanakombonan'ingahy mopera ny vavan'ireo olona ireo! mody omeny an'itony vovo-dronono itony sy ireny fripy ireny dia mangina ilay olona satria mahantra.ny tovovavy kely bevohoka teo an-tanàna moa tamin'izany fotoana izany dia tsy notenenina itsony rhf natao ny ankety dia oe rehefa ry zareo mandeha mianatra an'itony katesizy sy comunion itony no fotoana hanararaotan'dramopera ny hadalàny,ary io ataony coléction mihintsy a.ka raha zà manokana aloha dia tsy afaka ny hangina @ toe-javatra toa ireny fa dia lélalélaiko ampafantariko ny ambany lanitra rehetra mihitsy raha mbola velon'aina ny tenako.TSY EKENA.
53. ikaretsaka ( 11/03/2010 00:03)
samy ataovy i mompera sy pasitera sy i gourou sy i imam sy i meitre sns.. rehefa samy manao e
fa tsy hoe i mompera irery na i pasitera irery ary raha izany
54. Hinagasy ( 11/03/2010 01:22)
Tokony marina ilay tenin'i Miranirina hoe ilay olona no tsikeraina na iza izy na iza fa tsy ny finoany. Tsy ilay finoana (mino an'Andriamanitra) eto no tokony tsikeraina amiko fa ilay fiangonana izay nanampy an'ireny mpitondra fivavahana ireny nanafina ilay izy.
Raisiko ohatra ilay noteneniko ary ambadika ary, nanabevohoka zanak'olona ilay pasitera dia ny fiangonana FJKM en connaissance de cause no namindra azy toerana hafa, dia ahoana moa no tsy hitsikeranao ilay fiangonana? izay amiko niray tsikombakomba tamin'ilay olona, ialako tsiny! fa mbola mamela iny olona iny hahazo victimes hafa.
Tahaka izany koa ny fiangonana katolika, tany Québec, Australie, Irlande, izay namindra ny mopera fotsiny, fa na nisy aza ohatra ny sazy, mety hoe tsy mahazo promotion tsy haiko, dia mbola mamela ilay olona hahazo victimes ihany! Tsy ny finoany hoe tsy marina na hoe lainga na hiteny tahaka ny titre hitako atsy ambadika hoe ny fahavetavetan'ny katolika, ohatra ! fa mitsikera ny zavatra tsy mety nataon'ilay fiangonana tamin'iny zavatra iny! hoe tena tsy rariny, fa fanitsakitsahana ny hasin'ireo zaza ireo fotsiny nefa ny zavtra torin'ny finoana rehetra ireo dia fitiavana etc......

Jereo koa ny ataon'ny gourou amin'ny secte maro, cas David koresh, temple du soleil etc.. fa mody mitaiza olona nefa mi-violer zaza. Mitovy sy sahala amin'ny ireo RAD ampanahy voalazako eo aloha ireo. Dia rariny fa ilay secte mihitsy no voatsikera fa tsy hoe ilay olona fotsiny!

Samy tsy rariny ary mahate-hamono ho faty ireny olona mi-violer zaza ireny, fa ny olon'ny finoana, izay hananan'ny olona fahatokisana, nitaiza ireo zaza ni-violer ara-panahy, sy nitaiza isan'andro ho an'ireo orphelins tamin'ny toerana ireny, dia tena gravy kokoa amiko, ary mino aho fa na ny lalàna azy mahita ny circonstances aggravantes amin'ilay izy satria vulnérables kokoa ny olona victimes-ny manoloana azy.
55. Mirananirina ( 11/03/2010 09:43)
mirananirina, diso be ny fomba fijerinao,fantaro aloha hoe inona no acte vitan'ilay olona,dia mazava hoazy fa tsy maintsy fantarina ny finoany rehefa avy eo.manomboka eo amin'izay ny fifanakalozan-kevitra, ny fepetra ho raisina momba io olona io, fa tsy hoeOLONA no tsikeraina
Fantatra ny finoanay hoe katolika ,fa tsy ny katolika rehetra akory ny mivioler zaza sa tsy izany???????Mopera 1 na 2 ...aoka izy ireo ho tsaraina faran'ny izay mafy indrindra.Ka mazava hoa azy fa io mopera io no tsikeraina fa tsy ny katolika.
samy ataovy i mompera sy pasitera sy i gourou sy i imam sy i meitre sns.. rehefa samy manao e
fa tsy hoe i mompera irery na i pasitera irery ary raha izany
Izay indrindra manko,izay manolana zaza rehetra dia tokony ho vonoina ho faty na iza na iza..na izaho aza.Tsy manakana ary tsy manakina ireny izahay ,fa kosa raha lazaina fa ny Katolika na prost sns....no voantonina...ataoko angamba fa tsy rariny.
Tokony marina ilay tenin'i Miranirina hoe ilay olona no tsikeraina na iza izy na iza fa tsy ny finoany. Tsy ilay finoana (mino an'Andriamanitra) eto no tokony tsikeraina amiko fa ilay fiangonana izay nanampy an'ireny mpitondra fivavahana ireny nanafina ilay izy
Eto kosa dia efa zavadoza,nahoana ny fiangonana no manafina izany,efa hita fa mamoafady sy voarara mbola takonana ihany.Fa kosa ny lehibe an'ny fiangonana ao italie ao dia manameloka hatramin'ny farany izany raha vao henony.Tsy misy hivalozana,efa nomeny ny fanjakana ny raharaha.
56. Ratoa ( 11/03/2010 21:50)
tsy misy mandeha mihitsy any akaikin'ny fasana
amiko aloha izany dia tsy olana mihitsy satria ilay ao anatin'ny fasana efa resin'ny fiainana ary tsy afaka hiaro tena intsony ka dia hiezaka tsy hanisy ratsy azy aho.
Aleo ataon'ny olona malaza sy afabaraka any
iany ve tsy famaliana faty? ( vali-faty?) izany ve ny hanatra navelan'i Kristy? Ny ahy aloha, rehefa voasazy izy dia ampy izay . Tsy hoe esoina izy dia hiova. Vao maika aza izy hitady vali faty hatao.
namindra azy toerana hafa
efasazy izany amiko. Raha tao Analakely na Faravohitra ianao no nitandrina ka voatendry any an-kodahoda any dia tonga amin'ilay tonon-kira hoe: "allez, affecté".

Ianareo ve dia mino fa raha soketaina atsy sy aroa ilay olona dia hiova? Sahala amin'ny ankizy humilier-nao ihany io ; Ao ny mivokona mba hitsambikina ao ny mikasa vali -faty et.... saziana izy dia ampy izay.
Eto kosa dia efa zavadoza,nahoana ny fiangonana no manafina izany,
ka tsy ilaina tanisaina izany. Asa fa tsy kabary. sazy fa tsy progrome
57. ikaretsaka ( 11/03/2010 22:07)
indraindray ratoa misy tsy fantatra raha tsy tenenina an
58. Ratoa ( 11/03/2010 22:21)
misy tsy fantatra
tsy fantatry iza moa izy izay?
59. fijo ( 11/03/2010 23:09)
le izy anie dia izao e,rah avao ny finoany no tsikeraina,dia mivadika krispijo daholo ianareo rehetra ireo,satria,na kanto na pros na jihad,dia samy efa nandrenesana ratsy aby.ny krispijo ihany no mbola tsy nisy lazaratsy,ka rah ahitsikera finoana ,dia ratsy aby izany le anareo,ka mivadia aty aminay,fa aty koa tsara
60. Mirananirina ( 12/03/2010 10:12)
le izy anie dia izao e,rah avao ny finoany no tsikeraina,dia mivadika krispijo daholo ianareo rehetra ireo,satria,na kanto na pros na jihad,dia samy efa nandrenesana ratsy aby.ny krispijo ihany no mbola tsy nisy lazaratsy,ka rah ahitsikera finoana ,dia ratsy aby izany le anareo,ka mivadia aty aminay,fa aty koa tsara
inona ilay anareo Fijo? :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0718