katolika ihany no voatonitonina

21. Mirananirina ( 26/02/2010 07:34)
Hoy i ikaretsaka:

Rehefa tena mandinika le 2 eme partie nolazain'i mandefitra tokoa dia hita fa le rafitra kay no tena tsy matiny lolo, satria raha jerena tokoa ny voasorany ary ambadika dia nihaiky izy fa hoe somary tsy milamina sy tsy voarafitra tsara noho le rafitra kato ny fiangonana hafa tsy kato. Fa natao sasindresaka fotsiny ny mahaveta
aoka woa e,izay ve no tena antony.izany hoe raha izahay no mihira dia vorondolo fa raha ika no mihira dia voromanga an.
na iza diso na iza dia diso izay fa adalan'izay manenjika ny fiangonana lava ary rehefa voatohana ny fiangonana marary ery ika kanefa raha misy mitoriteny mikasika an'i kristy toa toherinao ? izay no mba mahavariana ahy eto
Ny rehetra mihitsy no manao io nyrina an!na izaho na ianao na ika na ny hafa samy manatsara ny azy sy ny finoany dia hany ka ny an'ny hafa ratsy foana.Fa ilay fanenjehana no tsy mitovy ny fanazavana azy.ao ny manenjika be fahatany,ao kosa ny manenjika ny tsy aradalana,efa hita fa tsy mety .
miombokevitra aminao aho ary ny olona ao anatin'ny fahazavana no ahita ny jiro ka ireo mangetaheta ny jiro no itady hazavana ihany koa,raha ao anatin'ny maizina izy dia tsy mahita azavana raha tsy mitady izany ka avy amin'ny fametrahana ny fiainana eo ampelantanan'ilay Zanany Malalany ,ilay fahazavan'izao tontolo izao no lalana ahitana izany ka ahafahany mifandray amin'ilay Rainy naniraka Azy
efa mazava ve nyrina mbola asiana jiro ihany :) tsy tokony ny ao anaty maizina ve no ahita jiro mirehitra mba hazava!
Tsy azontsika tapenana anefa ny vavan'ny mpanenjika fiangonana,samy fantatsika ihany koa fa moramora ho an'ny olona no miandry kendritokana ireny olon'Atra ireny ka raha misy mahazo azy dia sakory izay kanefa ny harina eo amin'ny andrintsika dia saromantsika tsy ho fantatry ny hafa .
indrisy izay raha olombelona: ny ratsy no mibahana maro ao antsaina noho ny zava-tsara vitan'ny hafa .

Soa ihany fa misy ilay kristy mpamela heloka ka na inona fahotana ataontsika ,tafiditra amin'izany ireo olona nanao ratsy rehetra dia ho dioviny toy ny orampanalana izany raha toa ka hifandahatra aminy(mifona sy mangataka famelankeloka Aminy irery ihany) Avy hifandahatra amiko hoy ny Tompo fa na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny orampanala
Mahereza ! Tadiavo izy fa izay rehetra mitady azy dia ahita ary izay mandona ny varavaran'ny fony dia ho avy anatona ao ampony tokoa ilay kristy Tompo
marina mihitsy aloha izany,rehefa olompantatra toy ireny matetika dia henjehina sy tadiavina ,na zavatra tsy misy aza foronina hanaratsiana azy ireny.
Nahoana no hitady azy isika e,tsy hahita azy mandrakizay mihitsy raha tsy efa maty :) amiko izy tsy mila tadiavina fa efa eto akaikiko mandrakariva.
22. ikaretsaka ( 26/02/2010 13:36)
Nahoana no hitady azy isika e,tsy hahita azy mandrakizay mihitsy raha tsy efa maty .... amiko izy tsy mila tadiavina fa efa eto akaikiko mandrakariva.

IO koa anisan'ny maha samihafa ny Kristianina mino ny Eokaristia sy ny tsy mino:

Ny mino ny Eokaristia de EO i Kristy ( ny Teny Tonga nofo.. ny Nofo tonga Mofo, ary ny Fanahy eo aminy mandrakariva...)

ny tsy mino dia mbola.. sasatry ny mitady Azy ao @ Teny dia mamerina izay tiatiany momban'ny Teny ao anaty boky karaha boloky de na zavatra tsary mifanandrify aza terena hifanandrify @ ze teny kely voatahiry ao anaty boky indraindray
23. Mirananirina ( 26/02/2010 14:12)

ka mahagaga ahy mihitsy hoe tadiavina izy???tadiavina ahona ary ,nefa izy hiresahana sy hivavahana,donc efa eo izy.Ka hitady hahita azy toa tsy hisy raha tsy maty.
Za moa taloha tia jerijery izay ka efa tapitra nidirako daholo ny antokom-pinoana rehetra.Nisy mpitarika fivavahana izay ,andao isika hiaraka hitady an'i Jesosy hoy izy ...,aiza no misy azy hoa...dia gaga daholo ny olona nijery ahy.Ka aiza ary izy no tadiavina hoa ,nefa ianareo miantso azy foana isan'andro,izany hoe tsy reny ny feonare izany fa tsy hita izy.
24. ikaretsaka ( 26/02/2010 21:59)
izay mantsy..
za koa efa nanao ohatran'io nataonao io de aleoko niala fa hafahafa... nareo kay mbola mitady hoa.. za efa nahita
25. fijo ( 26/02/2010 22:10)
ka amiko ny fiangonana dia tokony hiezaka hampivoatra ny lalanany ,hifanaraka amin'izay zavamisy amin'ny vaninandro misy azy sy hiainany
26. ikaretsaka ( 26/02/2010 22:28)
ka izay io ny litorjia izao ohatra efa ela ny kanto no nandihy tany am-piangonana izoa ohatra sns...
fa raha vao ny sasany de lasa tena izao vo malaza
27. fijo ( 27/02/2010 22:34)
asa aloha,fa matetika mantsy,toa tara foana le fomba fijerin'ny mpitondra fivavahana rehetra
28. ikaretsaka ( 28/02/2010 01:18)
ka io rehefa le coince no misokatra tampoka de misy choc kely foana e
29. niryna ( 28/02/2010 04:26)
Mirananirina:

Za moa taloha tia jerijery izay ka efa tapitra nidirako daholo ny antokom-pinoana rehetra.Nisy mpitarika fivavahana izay ,andao isika hiaraka hitady an'i Jesosy hoy izy ...,aiza no misy azy hoa...dia gaga daholo ny olona nijery ahy.Ka aiza ary izy no tadiavina hoa ,nefa ianareo miantso azy foana isan'andro,izany hoe tsy reny ny feonare izany fa tsy hita izy.
hii.hi, aiza tokony hono no tadiaviny Izy? tsy lavitra izy fa ny fontsika no tadiaviny na hivoha ny varavarana na hikombona.Tsy ny rehetra no mitady azy ka ,ka izany no mahatonga ny fomba fiteny hoe tadiavo izy,search him,seek him,and you will find .
Tsimpona Matio 7

7 Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo.

8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandòndòna no hovohana.

7 Demandez, et l`on vous donnera; cherchez, et vous trouverez; frappez, et l`on vous ouvrira.

8 Car quiconque demande reçoit, celui qui cherche trouve, et l`on ouvre à celui qui frappe.

7 "Ask, and it will be given you. Seek, and you will find. Knock, and it will be opened to you.

8 For everyone who asks receives. He who seeks finds. To him who knocks it will be opened.

30. ikaretsaka ( 28/02/2010 05:22)
Efa hoe tsy mila tadiavina Izy hoy I mirananirina..fa eo amintsika mandrakariva fa niryna koa ohatran jamba,
Izany no tian'ny mpanoratra ambara eto
31. fijo ( 02/03/2010 22:42)
misy tsy mahazo resaka indray ato izany?????
32. ikaretsaka ( 03/03/2010 12:40)
Fombany io
33. Mirananirina ( 04/03/2010 14:36)
Efa hoe tsy mila tadiavina Izy hoy I mirananirina..fa eo amintsika mandrakariva fa niryna koa ohatran jamba,
Izany no tian'ny mpanoratra ambara eto
raha mbola hitady azy dia aleo tsy mino,satria tsy hita maso ity hinoana fa mbola tadiavina.ho hita aiza... :?: :roll: :roll:
ka izay io ny litorjia izao ohatra efa ela ny kanto no nandihy tany am-piangonana izoa ohatra sns...
fa raha vao ny sasany de lasa tena izao vo malaza
Ie marina mihitsy izany,misy aza miteny fa tsy mahazo mandihy ny kato fa voarara,nefa efa hatrizay no nandihy,na masera sy mopera aza mandihy fa dihy milamina araka ny hira.
asa aloha,fa matetika mantsy,toa tara foana le fomba fijerin'ny mpitondra fivavahana rehetra
misy tokoa aloha ny tsy mankasitraka azy io.Araka ny hatsikan'i Turbo hoe:
aiza ihany Andriamanitra,rehefa mivavaka ny sasany mitsongolika,ny sasany mitraka ny sasany miondrika sns..nefa fomba fotsiny izy io dia hifanenjehana ohatra ny inona,na ny tanana manao aminy anaran'ny ray sy ny zanaka sy ny fanahimasina ,amen aza voatsikera :)
34. ikaretsaka ( 04/03/2010 22:07)
ny tokony htao @ le lazain" i francis Turbo io (ary marina ny azy) dia mitady ny hoe fa maninona ireny olona manao ireny no manao izany au lieu de mitsikera be fahatany... au moins mba fantany hoe inona no tsikerainy..
izay rahateo ange no antony nanomezana saina sy talenta e.. natao hikaroka... na hoe fa avy aiza tokoa aza ny hoe 'aleloia sy ny amen" fa tsy heo tenenina any ampiangonana de manao ny olona rehetra zay fotsiny
35. fijo ( 04/03/2010 22:11)
indrisy anefa fa ny 91% ny mpino dia io manao boloky io
36. Mirananirina ( 05/03/2010 07:00)
ny tokony htao @ le lazain" i francis Turbo io (ary marina ny azy) dia mitady ny hoe fa maninona ireny olona manao ireny no manao izany au lieu de mitsikera be fahatany... au moins mba fantany hoe inona no tsikerainy..
izay rahateo ange no antony nanomezana saina sy talenta e.. natao hikaroka... na hoe fa avy aiza tokoa aza ny hoe 'aleloia sy ny amen" fa tsy heo tenenina any ampiangonana de manao ny olona rehetra zay fotsiny
ka izay mihitsy no atao amin'izao,mamaky baiboly dia arahina be fahatany ny ao,fa ny mahagaga dia ny testamenta vaovao no tena hivavahan'ny olona fa ny taloha eo ho eo..satria io no tena milaza ny fiainan'ny taloha ary tsikerana be ankehitriny.Tena samy manana ny finoany sy ny fandraisany marina ny rehetra.
indrisy anefa fa ny 91% ny mpino dia io manao boloky io
ary niafarany dia lasa tsy mpino.Manana namana izay aho taloha,mpivavaka be mahery fo tokoa,nivavaka mafy hoany zanany marary izy tontolo andro mihitsy,indrisy anefa fa maty ilay zanany dia iny no nahatonga azy tsy hino intsony avy eo.mampalahelo.
37. ikaretsaka ( 05/03/2010 15:19)
Ka izay le mino fahatany de heveriny fa recitation an reo zavatra rehetra ireo ny finoana
38. Ratoa ( 05/03/2010 23:43)
iny no nahatonga azy tsy hino intsony avy eo
dia tsy tena nino izy izany. fa raha nino izy dia ho fanany fa hatreo ihany ny fiainana nomen'Atra azy tety an-tany. Nahafantatra olona aho, lehilahy bikaina sy tsara tarehy. Narary anefa izy ka lasa nalemy am-pandriana. Enjana be daholo ny articulation-ny, naha tongotra izany na tanana. nahay niharina sy nipetraka amoron'ny fandrianany izy fa tsy hafa - nandeha intsony. Dia tsy mba nandre azy nitaraina na nanome tsiny an'Andriamanitra aho. Fa izay foana no lazainy hoe:" misaora n'i Jehovah ry fanahiko ary aza misy adinoinao ny fahasoavany rehetra3. Ary raha mivavaka izy dia izay foana no nihatombohan'ny vavaka ataony.
39. fijo ( 05/03/2010 23:44)
izao fotsiny hitsapana azy e,

misy fiangonana iray eo,de misy doany iray,te hipipy le (kristianina)iray.asaivo misafidy iray amin'ireo izy hipipizany,fa aleony mipipy eo ambody fiangonana fa tsy sahiny ny hipipy eo amin'ilay doany.
40. Ratoa ( 05/03/2010 23:44)
fanany
fantany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6457