RAVA HAITI

1. rahery08 ( 18/01/2010 07:35)
Miarahaba ny namana rehetra eto amin'ny serasera

Fifandrifian javatra ve sa inona ? fa izao no zavatra hita : Rava Haiti tamin’iny herinandro lasa iny.

Ary ny Perikopa FJKM tamin’ny Alahady ny JEREMIA 10 : 6-16 , dia manambara fa velona Jehovah ! ary saro-piaro Izy, Ny Sampy dia ho fongorany, Izy no mampihorohoro ny tany amin’ny fahatezerany. Mety ho fampitandremana ho an-tsika Malagasy izany, tsy hoe mampitahotra akory sanatria fa raha mbola mitoky @ sampy isika dia ho ringana miaraka @ sampy.

Ary ny Jaona 6 : 47-51 dia mbola manambara fa Izaho hoy Jesosy no mofon’aina, ny nofoko no omena ho fiainan’izao tontolo izao.
Koa ndao hiala amin’ny sampy ary sao dia ringana eo !
Ndao hino an Jesosy mba hanana fiainana.
novalian'i fijo ny 03/02/2010 20:59
2. rakapy ( 18/01/2010 08:04)
Hoy Rahery08
Ary ny Perikopa FJKM tamin’ny Alahady ny JEREMIA 10 : 6-16 , dia manambara fa velona Jehovah ! ary saro-piaro Izy, Ny Sampy dia ho fongorany, Izy no mampihorohoro ny tany amin’ny fahatezerany. Mety ho fampitandremana ho an-tsika Malagasy izany, tsy hoe mampitahotra akory sanatria fa raha mbola mitoky @ sampy isika dia ho ringana miaraka @ sampy.

Asa koa na fifandrifin-javatra fa vao nanokatra lohahevitra aho talohakelin'ny nanokafanao ity.

Raha jerevana ny salan'isan'ny xana Haitian dia 95% ary 80-85% dia Katolika, 10-15% dia protestanta na secta ary ny ambiny dia voodoo sy finoana hafa.

Raha dinihina araka ny filazanao izany dia toa milaza fa tsy misy dikany @ A/tra ilay 95% xana izay manarka azy ka naleony naringana fa misy mpanompo sampy vitsy an'isa?

Nahoana ary tsy i Afganistan, na i Iran... izay tsy ahitana afatsy 1% xana no naringany fa i Haiti?
3. ikaretsaka ( 18/01/2010 13:39)
io le terena hifandray ny raha tsy mifandray e de hitadiavana tsimpona hifandraika aminy mba hisarihana kil... tssss
4. Mirananirina ( 18/01/2010 14:34)
Ny Sampy dia ho fongorany, Izy no mampihorohoro ny tany amin’ny fahatezerany. Mety ho fampitandremana ho an-tsika Malagasy izany, tsy hoe mampitahotra akory sanatria fa raha mbola mitoky @ sampy isika dia ho ringana miaraka @ sampy
NY Malagasy be mpanompo sampy???? :( Iny faritry Asie iny no be mpanompo samy.
Maninona hoa rehefa misy ny loza dia lazaina fa nofaizin'Andriamanitra foana eh :roll: :roll: amiko Andriamanitra tsy mpamono olona na manompo sampy na tsia.
5. xxx ( 18/01/2010 15:20)
Ka mety mpanompo sampy zany no betsaka ko , mirana a! tena halan'Atra mitsy ireny manompo sampy ireny ka indrindra fa ilay manafangaro ny sampy sy fivavahana kristiana , fa efa fambara koa io e ! tsisy tokony ahagaga fa ny aza voany ihany
6. xxx ( 18/01/2010 15:27)
Tsy ny olona no halan'Andriamanitra fa ny sampy. Donc tsy ny olona no haripany fa ny sampy.

"Tsy ny hafatesan'ny mpanota no tadiavin'Andriamanitra, fa ny hialany amin'ny fahotana ka hahavelona azy".

I kristy tonga olomebolan de tonga hamonjy ny olona mpanota tsy ankanavaka, fa tsy handripaka azy akory.

"Ny voninahitr'Andriamanitra dia ny fahaveloman'ny olona!"
7. ikaretsaka ( 18/01/2010 15:28)
Na ny vazaha aza be mpanompo sampy..... tadidio fa vola= sampy hono a
8. rakapy ( 18/01/2010 18:19)
Ilay horohorotany tany Haiti kosa aloha tsy misy idiran'ny fanompoana sampy sns e! Raha tsy hoe efa noeken'ny xana fa SAMPY koa angamba i JESOSY KRISTY.
Maro mantsy ny fiangonana xana nirodana. Maro be koa ireo xana no maty.
9. diamondra27 ( 18/01/2010 21:09)
tsy resaka finoana toy ny vodoo zany ihany no atao hoe sampy fa rehefa mihoatra lavitra noho ny fitiavana an'Atra ny zavatra 1 dia sampy izay no azo iantsoana azy, ary eo indrindra no tonga ny tenin'Atra milaza hoe izaho jehovah dia saropiaro
koana vola na fananana, na sampy na asana sport na vady na namana rehefa diso be loatra mihoatra noho ny fitiavana an'Atra dia tsy mety eoanatrehan'Atra raha resaka finoana krisitiana no lazaina.
10. rakapy ( 19/01/2010 04:28)
Ka ny SAMPY ve izany no nahatonga ny zava-nitranga tany Haiti izao sa ?
11. niryna ( 19/01/2010 05:24)
diamondra27:

tsy resaka finoana toy ny vodoo zany ihany no atao hoe sampy fa rehefa mihoatra lavitra noho ny fitiavana an'Atra ny zavatra 1 dia sampy izay no azo iantsoana azy, ary eo indrindra no tonga ny tenin'Atra milaza hoe izaho jehovah dia saropiaro
koana vola na fananana, na sampy na asana sport na vady na namana rehefa diso be loatra mihoatra noho ny fitiavana an'Atra dia tsy mety eoanatrehan'Atra raha resaka finoana krisitiana no lazaina.


miombonkevitra amin'izany koa aho
12. rzakarivola ( 19/01/2010 07:24)
Mirananirina:
:roll: :roll: amiko Andriamanitra tsy mpamono olona na manompo sampy na tsia.

==> Tsy Andriamanitra no mpamono olona, fa "ny Devoly dia mpandainga sady rain'ny lainga, izy dia mpamono olona hatramin'ny voalohany". Nolazainy tany am-boalohany fa raha mihinana ny voankazo noraràn' Andriamanitra tsy hohaniny ny olona dia tsy ho faty. Ankehitriny, mihevitra ny tenany ho tahaka ny tsy taranak'izay nihinana ny voankazo ny olona.
Andriamanitra kosa mpamelona ny maty, satria hoy Jesoa : "Izay mino ahy, na dia maty aza dia ho velona indray, ary izay velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay"
13. rzakarivola ( 19/01/2010 07:28)
rakapy:

Ilay horohorotany tany Haiti kosa aloha tsy misy idiran'ny fanompoana sampy sns e! Raha tsy hoe efa noeken'ny xana fa SAMPY koa angamba i JESOSY KRISTY.
Maro mantsy ny fiangonana xana nirodana. Maro be koa ireo xana no maty.

==> Tena sampin'ny kristiana maro tokoa ilay Jesosy Kristy. Izany mantsy anarana fiantso toy ny fiantso rehetra ihany, tahaka ny teny hoe "bala", dia andriamanitra no dikany, fa tsy ilay Andriamanitra mpamorona izao rehetra izao no notompoin'ny olona fa andriamanitra noforonin'izy ireo. Ankehitriny, afaka mamorona jesosy kristy araka izay itiavany azy ny kristiana na tsia, ary namorona tokoa, fa ilay tenin' Andriamanitra velona kosa dia velona ary miteny, ary mitsangana eo am-baravarana Izy mandondona, raha misy mihaino ny feony ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Izy ary hiara-hisakafo aminy.
14. rzakarivola ( 19/01/2010 07:51)
rakapy:

Ka ny SAMPY ve izany no nahatonga ny zava-nitranga tany Haiti izao sa ?

==> "1 Ary tamin'izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin'i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon'i Pilato tamin'ny fanatiny ny rany.

2 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin'izany zavatra izany izy?

3 Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho ringana tahaka azy koa hianareo rehetra.

4 Ary ireny valo ambin'ny folo ireny, izay nianjeran'ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?

5 Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho ringana tahaka azy koa hianareo rehetra.
"
Ny Galiliana dia Jiosy (izany hoe voafidin' Andriamanitra) ihany saingy niaina tao anaty aizina. Jerosalema dia tanàna nisy ny lapan'ny Mpanjaka'ny vahoakan' Andriamanitra no sady toerana nanorenana ny Tempoly.
Izay mana-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino
15. rakapy ( 19/01/2010 09:09)
Lasa contradictoire be ilay famakianao baiboly raha ny fijeriko azy. Voasoratra ao nefa ny hoe "Raha misy roa na telo mijoro @ anarako dia tsy ho rava ny tanana" .Mino ve ianao fa tsy nisy na iray aza olo-marina tao Haiti? New Orleans , Thailand , Sri lanka, Madagasikara....?
16. rahery08 ( 19/01/2010 12:04)
2 taona lasa izay ny fanjakana Haitiana mihintsy no nanao decret fa ny fivavahana offciel any Haity dia ny Vodou.

Dia angamba voamarina ihany ilay Tsimpona tary ambony,
Andriamanitra no manamarina ny teniny, fa handrava ny sampy Izy.

Fa tsy Haity ihany tokoa anie, no hitrangan javatra mahatsiravina eh!
Na ny eto @ tsika aza dia misy io Krizy io, izay mbola tsy hita misy mangirana hatrami\'izao,

Ny loza dia tonga tao Haity, fa ilay olo-marina iray narovan\'ny Tompo,

Mirananirina:
Tsy mpamono olona Andriamanitra hoy ianao:
Masina Adriamanitra ary vokatri\'izany dia mankahala ota Izy!
Tia ny Mpanota Izy, Fa mankahala ota, ny Zanany aza nekeny ho faty teo ambony hazo.
Ireny miaramila Egiptina ireny: iza no namono azy tao anaty ranomasina?
Aza mahatoky hoe tsy mpamono Izy, Fa Masina Izy, ary matahora Azy!


17. rakapy ( 19/01/2010 12:58)
2 taona lasa izay ny fanjakana Haitiana mihintsy no nanao decret fa ny fivavahana offciel any Haity dia ny Vodou.

RELIGION

Haiti Table of Contents
Roman Catholicism is the official religion of Haiti, but voodoo may be considered the country's national religion. The majority of Haitians believe in and practice at least some aspects of voodoo. Most voodooists believe that their religion can coexist with Catholicism. Most Protestants, however, strongly oppose voodoo

Tsy officiel kosa fa national, izay mitovy @ eto M/car na ny toerana maro hafa eto ambonin'ny tany . Na eo aza ny fivavahana vaovao dia tsy atosiboho-tanana na ahilika ny fivavahan-drazana fa samy maka ny tandrify azy ary koa tokony hifanaja. Dia mino ve ianao fa i Isaraely dia tsy hirodana???
18. Mirananirina ( 19/01/2010 13:48)
Tsy Andriamanitra no mpamono olona, fa "ny Devoly dia mpandainga sady rain'ny lainga, izy dia mpamono olona hatramin'ny voalohany". Nolazainy tany am-boalohany fa raha mihinana ny voankazo noraràn' Andriamanitra tsy hohaniny ny olona dia tsy ho faty. Ankehitriny, mihevitra ny tenany ho tahaka ny tsy taranak'izay nihinana ny voankazo ny olona.
Andriamanitra kosa mpamelona ny maty, satria hoy Jesoa : "Izay mino ahy, na dia maty aza dia ho velona indray, ary izay velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay"
raha io dia marina tokoa.
19. ANARIM ( 20/01/2010 08:56)
araraoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa mandalo izao fiainana izao ...
20. rzakarivola ( 20/01/2010 08:58)
Mirananirina:
raha io dia marina tokoa.

==> Hoy i Jesoa indray mandeha izay : "tsy lavitra ny fanjakàn' Andriamanitra ianao"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0382