niady sy namono t@ anarany

1. itaramasoandro ( 15/01/2010 14:34)
ireo milaza fa mino ny andriamanitra kristianina (indrindrindrindra) sy silamo dia namono nandringana mponina maro maneran-tany izay nitondrany ny teniny nolazainy ho soa . dia nambarany fa hoe \"amin\'ny anaran\'ny tompony\" no nanaovany izany !

nifamono ihany koa ny antokom-pinoana mino andriamanitra tokana nohon\'ny tsy fitovian-kevitra. dia nolazainy koa fa [i]amin\'ny anaran\'ny tompony no niadivany.

mbola mitohy ankehitriny ny tsy fanajàna ny finoan\'ny sasany ka dia lazain\'ny fiangonana kristianina fa izy irery ihany no manana ny fahamarinana !! any ka tadiaviny hovaina daholo ny finoana sy sain\'olombelona.

anefa anie izy ireo no nandrara sy namono nahafaty ireo manampahaizana nikaroka sy nivelatra t@ hevitra vaovao ka nanokatra ny masom-panahin\'ny olombelona t@ tontolo\'ny habakabaka e! dia hoe amin\'ny anarany koa !

rehefa mahatsapa anefa ny olombelona fa kely bititika anaty ny tontolo goavana tsy hitam-pahataperana ka mahatsapa fa manana anjara hitandrovana izany tontolo izany dia ampy izany handrindra ny fiainany, hivelaran\'ny sainy, hifanajàny, hifankatiavany.

8)

répondu par soanja le 05/02/2010 23:39
2. niryna ( 15/01/2010 19:12)
itaramasoandro:

ireo milaza fa mino ny andriamanitra kristianina (indrindrindrindra) sy silamo dia namono nandringana mponina maro maneran-tany izay nitondrany ny teniny nolazainy ho soa . dia nambarany fa hoe "amin'ny anaran'ny tompony" no nanaovany izany !

misaotra anao nizara
ireo milaza fa mino an'Atra ? Atra iza aloha ,Jehovah ?
na ny baiboly aza dia manambara fa misy fotoana Atra miteny mivantana fa ho aringany ny firenena izay miala aminy,ireo firenena izay mamohafady .Ohatra Sodoma sy Gomora,izy no naniraka an'i Lota hiala tao ary tsy hierikerika.
Inona no anatra azontsika ho tsoahana,aza miherikerika kanjo niherikerika ny vadin'i lota dia nivadika ho vovotsira .Talohan'izany dia naseho ny mpino an'Atra ,Jehovah , fa saika ho vadian'ireo lehilahy ny lehilahy mpivahiny tao amin'i lota ary tsy nanaiky i lota ,ireo hiraka ireo no niteny taminy mba hiala ny tanana faingana ,hay irak'Atra ireo mpivahiny tao aminy .hmm
Atra tsy azo vazivaziana,ary izay maningazinga ny anarany dia ho faty avokoa,soa ihany fa nalefany ny zanany lahy mba hamonjy izay rehetra manomboka mino ny anarany na inona finoany na inona hivavahany ka manatona sy mino azy dia ho vonjeny avokoa.
Amin'ny anarany hoe ? anaran'ilay kristy mahery sa anaran'iza ?
Jehovah no niresaka an'i Noa fa ho aringany ny olona satria nanamafy ny fony,nasehony isan'andro izany hatramin'izao fa izay manamafy ny fony tokoa dia ho faty ny fanahiny,fitiavana no ilazana izany fandrao hisy ilaza indray hoe mampatahotra,mino moa dia izy no ahazo famonjena,manamafy ny fony moa dia efa vita ny adidy fa asakasan'izay mandray na tsia

nifamono ihany koa ny antokom-pinoana mino andriamanitra tokana nohon'ny tsy fitovian-kevitra. dia nolazainy koa fa [i]amin'ny anaran'ny tompony no niadivany.
raha finoana iray no itovizana,Atra iray no hivavahana dia tsy tokony hifanipaka fa mifanohitra no tokony hitranga,hifampivavaka, hifampizara ny tenin'Atra ary satria mbola misy ny fitiavantena ary misy ny mitady kil mba ho any aminy dia mety ho hitranga tokoa izany,ho an'ny olona tena vonona anaradia an'Atra anefa dia tsy ny isan'ny olona no mikaonty fa ny fizarana ny tenin'Atra ka na dia iray fotsiny aza no efa voavonjinao ny fanahiny ao anatin'ny androm-piainanao dia efa zava-dehibe izay,tsy ny anaran'ny fiangonana no ho deraina fa ilay Atra nahatoa izao ahy sy anao,ilay Atra ve fitiavana sy be famindram-po ary mivavaha ho an'izay tsy mahalala ny atao hoe Atra mahery manafaka amin'ny fahotana sy ny fitiavantena ary ny fizahozahoana.Atra be fitiavana no toriana,Atra mahery mamindrafo,Atra mihaino izay mitaraina aminy.,Atra tia ny olon-drehetra fa mankahala ny fahotana sy ny ota,mpanota avokoa isika fa ny fo manatona azy no tadiavina ka raha izay no ataontsika dia ho feno fahendrena,fifaliana,fiadanana ny fiainantsika fa tsy mila mitady kil ho ao amin'ny fiangonana na finoana izany .Atra no katsaho

mbola mitohy ankehitriny ny tsy fanajàna ny finoan'ny sasany ka dia lazain'ny fiangonana kristianina fa izy irery ihany no manana ny fahamarinana !! any ka tadiaviny hovaina daholo ny finoana sy sain'olombelona.
aha, izay vao mazava fa tsy kristiana izany hianao io an;itako eto
ireo hindou izay nidian'ireo silamo tao an-trano ary nasiany seza ny varavarana ka nodorany ny toerana nivavahany ary maty daholo ireo mpino tsy nitovy azy ireo izany dia mba ahoana?
Rehefa ny fitiavantena hoy aho no miboiboika fa tsy ilay ATra be fitiavana no tadiavina dia mifamono avokoa na inona finoana na inona no ilazaina fa Atra hivavahany.
Tsara ho fantatra fa vao avy nihaino ity pasitera iray izay izahay raha nianatra soratra masina ,finoana hafa no nisy azy efa ho 15 taona izy io no nivadika ho kristiana ary nanambara fa fantan'ny finoana izay nianarany fa ainy avokoa ny baiboly rehetra ary fantany avokoa ny didy folo rehetra saingy vonoiny ireo antoko fivavahana izay tsy mno an'Atra kristiana izay rehetra mivadika aminy ary maty hatramin'ny fianakaviany ,enjehina,vonoina dorana velona,come on


anefa anie izy ireo no nandrara sy namono nahafaty ireo manampahaizana nikaroka sy nivelatra t@ hevitra vaovao ka nanokatra ny masom-panahin'ny olombelona t@ tontolo'ny habakabaka e! dia hoe amin'ny anarany koa !
olona iray no nangalatra akoha ka alasora iray vohitra no lazaina fa mpangalatra akoho o

rehefa mahatsapa anefa ny olombelona fa kely bititika anaty ny tontolo goavana tsy hitam-pahataperana ka mahatsapa fa manana anjara hitandrovana izany tontolo izany dia ampy izany handrindra ny fiainany, hivelaran'ny sainy, hifanajàny, hifankatiavany.

8)
iza aloha no nanao ity tontolo goavana lazainao ity e,tongatonga ho azy teo ve,sa nisy manampahaizana nametraka ny masoandro sy ny kintana ary ny volana teny ambony teny,izy ihany koa izany no manodikodika ny tany sa hery avy aiza no nahatonga ny masoandro milentika sy ny volana mibalika,hery avy any amin'ireo manampahaizana

Andramo ka zahao fa tsara Jehovah ary mandrakizay ny famindrampony.
Izay rehetra mitady azy dia ahita avokoa,izay mikatsaka ny fitiavany dia asehony azy avokoa ary izay mamoha ny varavaran'ny fony dia hiditra ao am-pony izy amin'izao andro anoratako izao .Andramo ary ataovy ny fanandramana fa tsy ho maty antoka akory hianao

niryna

3. itaramasoandro ( 16/01/2010 03:43)
lava dia lava ny valinkevitrao ka misaotra anao nanokana fotoana t@ izany.

indro ary ny fanontaniana hapetrako @ao niryna: raha andriamanitra namorina izao tontolo izao sy ny olombelona miaina ao no hajaina sy hivavahana, moa va re takatry ny sainao ary ekenin'ny fonao fa izy ihany koa no afaka manaisotra izay nomeny satria tsy mendrika ny fitiavany sy ny famindram-pony ny olona, firenena na mponina iray?

hoy ianao hoe
ary izay maningazinga ny anarany dia ho faty avokoa

raha nanome ny fiainana va re izy dia ekena koa fa afaka manaisotra izany fiainana izany ka mandefa mpamonjy anafaka ny fahotan'ny olona?

andao ampidinina araka ny fo sy sain-draolombelona ny resaka: satria va re ny ray-aman-dreny nanome masoandro ny zanany ka dia azo leferina raha toa ka mamono mahafaty ny zanany izy ireo satria tsy nankatoa na nivilivily làlana ity taranaka'?

hanaiky hanolo-bato mafana, hamono, handratra, hanozona ny zanakao va re ianao satria tsy nihaino ny teninao izy'??

aoka re, ataoko fa tsy ho sahy hanao izany ianao satria sarobidy ny fiainana, ny taranaka, ny tany nipoirana, ka harovana atrany.

8)

4. fidinirina ( 16/01/2010 07:27)
Tsy misy zanaka tiana ka tsy ho faizana rehefa maditra.

Na tiana sy mamy aza hono ny zanaka, rehefa manaiki-nono akifika.

Andriamanitra efa nitia antsika taloha fa isika no tsy mety ho tia azy. Ka rehefa ianao ve no manao izay tianao atao (zanaka adala) dia Andriamanitra no omen-tsiny.

Andriamanitra ve no namorona ny basy sy tafondro, niteny ve izy hoe miadia avokoa ianareo mianakavy. Tsia, fa hoy indrindra Izy : Didy lehibe no omeko anareo dia ny mba hifanakatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.

Raha tsapanao fa sarobidy ny taranaka, sarobidy amin'Andriamanitra koa ianao izany satria noforonin'ny tànany sy nanahirana Azy. Inona anefa no avalinao azy ?
5. itaramasoandro ( 16/01/2010 17:40)
ny andriamanitra hinoako dia hery faratampony mandrindra ny saiko @ foko hifanaraka @ tontolo hiainako sy ny mpiara-belona amiko. hery namela izao tontolo izao hiforona.

hery tsy mamela ahy hanozona na hanavaka. hery tsy mamporisika ahy hikapoka na hampiasa fahamaizana na herisetra na @ tena na @ mpiara-belona @iko, indrindra anie ka @ taranako.

fa kosa hery manafàna ahy raha tratry ny hatsiaka na alaelo aho, ary hery manome ahy rivodrivotra raha tratry ny hafanambe laotra na hatezerana.
hery manosika ahy hiaro sy hanaja ny manondidina ahy, hery mitondra fifanankalozana mirindra.

nampahatsiahy ity ohabolan-drazantsika ity ianao ry fidinirina izay milaza hoe tsy misy mamy ohatry ny zanaka, fa raha manaikitra ny nono akifika

mazava ny teny: akifika hoy izy fa tsy faizina na hozonona na kapohana na vonoina.
tsy anjaran-tsika ny mikasika na volon-dohan'ny zanaka na olon-kafa iray monja aza ka ho entina hanafahy azy.

tsy anjarantsika ny mampiseo herisetra an'izan'iza izay indrisy fa fomba fanao hatr@ fahagolan-tany teo @ finoana taloha, eo @ finoana kristianina, na finoana hafa.
azo hahatsaraina izany, azo esorina sy hendahana @ fanabeazana satria tsy mendrika izany na ireo zanaka na ny ray aman-dreny, na iza na iza.

hery fitiavana sy fifanajana ny manondidina ahy ny hery manosika ny saiko, fanahiko sy foko, hery farantampony tsy manavakavaka satria velona anatin'ny tsirairay.
an'ny tsirairay no mandray azy ho toy izany ka mikatsaka ny hivelarany isan'andro mba hibaliaka eo @ manondidina azy.

8)
6. niryna ( 17/01/2010 01:29)
fidinirina:

Tsy misy zanaka tiana ka tsy ho faizana rehefa maditra.
izaho mba gaga

Na tiana sy mamy aza hono ny zanaka, rehefa manaiki-nono akifika.[quote] itakou
[quote]

Andriamanitra efa nitia antsika taloha fa isika no tsy mety ho tia azy. Ka rehefa ianao ve no manao izay tianao atao (zanaka adala) dia Andriamanitra no omen-tsiny.
marina izany

izany foana no filazan'izay tsy mino azy ry fidy a


Raha tsapanao fa sarobidy ny taranaka, sarobidy amin'Andriamanitra koa ianao izany satria noforonin'ny tànany sy nanahirana Azy. Inona anefa no avalinao azy ?

miombonkevitra aminao koa aho.

Rehefa tsara ny fiainana dia adino Atra ,rehefa misy ny manjo dia manome tsiny an'Atra ka na fantatra izao aza fa ny fiainana tsy miaraka amin'Atra dia tsy ahitana fifaliana dia mbola maro no minia tsy mahita izany ary ankehitriny dia maro no mihemotra amiNy noho ny amafin'ny fiainana sy noho ny fitaka ataon'ireo mpilaza fa mpanara-dia azy kanefa manohitra ny hafany


7. niryna ( 17/01/2010 02:28)
itaramasoandro:

ny andriamanitra hinoako dia hery faratampony mandrindra ny saiko @ foko hifanaraka @ tontolo hiainako sy ny mpiara-belona amiko. hery namela izao tontolo izao hiforona.
iza izany .Ny ahy aloha no fantatro dia tsy manana hery aho raha tsy ny hery avy amin'ilay ATra hinoako no manampy ahy ka ahafahako mizara ny tenin'Atra ho an'ireo izay mangetaheta izany sy mbola tsy mahalala izany hoy mantsy ny teny voasoratra ao anatin'ny teny masina manambara hoe Matokia an'i Jehovah Atrao amin'ny fonao rehetra, ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.
Aza mihatehitra amin'ny herin'ny sainao na ny fahalalanao ankino aminNy lalanao fa ataony lavorary sy tanteraka avokoa izany rehetra ataonao



hery tsy mamela ahy hanozona na hanavaka. hery tsy mamporisika ahy hikapoka na hampiasa fahamaizana na herisetra na @ tena na @ mpiara-belona @iko, indrindra anie ka @ taranako.
hay ve e
heverinao izany fa ireo izay rehetra manao ny tsy marina rehetra dia hoe avy amin'Atra ? toa afangaronao anie izy izany e,Atra dia fitiavana ary izay rehetra tia aza dia mizara izany fitiavana izany ny manodidina azy avokoa.
fa iza no manavaka,iza no manozona,iza no mamporisika sy anao herisetra ? moa Atra no manao izany ? Aza afangaro fa manjara mahazo vahana ny asan'ny maizina .


fa kosa hery manafàna ahy raha tratry ny hatsiaka na alaelo aho, ary hery manome ahy rivodrivotra raha tratry ny hafanambe laotra na hatezerana.
hery manosika ahy hiaro sy hanaja ny manondidina ahy, hery mitondra fifanankalozana mirindra.
hay va re e misaotra nizara

nampahatsiahy ity ohabolan-drazantsika ity ianao ry fidinirina izay milaza hoe tsy misy mamy ohatry ny zanaka, fa raha manaikitra ny nono akifika

mazava ny teny: akifika hoy izy fa tsy faizina na hozonona na kapohana na vonoina.

Aleo aloha aza fa noho ny fahotantsika no manasaraka antsika amin'Atra ,tsy mino ny Atra hinoanay moa hianao ka ho sarotra aminao ny hino izany,ny mahagaga ahy anefa dia hery eo ambanin'ny fiadidian'ilay Atra indray no lazainao fa hery anananao,izany ve tsy hafahafa be,iza no nanome ilay hery manafana,mampandrivodrivotra, miaro sy manaja ny manodidina ?mba lazao hoe ny anarany ? ny anay mantsy dia ilay Atra manafaka ny rehetra hiala amin'ny ziogan'i satana sy ireo mamatotra azy,ilay Atra manome hery ireo zanany mba hizara ny teniny amin'ireo izay mitady azy,Atra ilay be famonjena ka manafaka ireo fatotry satana ,saingy indrisy ,maro ny hino izany ary mbola maro lavitra koa aza no mitady amitaka ny olony ary mamandrika ireo zanany hiverina hiaraka amin'i satana,ireo miaraka aminy anefa dia tsy ataony inona satria efa fantany fa azy ary tsy andray ny tenin'Atra mihitsy raha tsy ny tenany no mangataka izany na Atra no anova ny fony amin'ny fomba maro samihafa

tsy anjaran-tsika ny mikasika na volon-dohan'ny zanaka na olon-kafa iray monja aza ka ho entina hanafahy azy.
marina izany,tsy anjarantsika ary tsy manana hery anao izany isika ,matoa tonga ny fotoana dia izay no anjarany
hoy ny teny ao amin'ny soratra masina manambara hoe aza matahotra izay mikatsaka ny amono ny tenanareo fa matahora kosa izay afaka mamono ny fanahinareo,na vonoin'ny olona aza ny vatantsika ,ny fanahintsika dia tsy ho azony ary tsy ho fatiny raha tsy Atra irery no ahafaty izany

tsy anjarantsika ny mampiseo herisetra an'izan'iza izay indrisy fa fomba fanao hatr@ fahagolan-tany teo @ finoana taloha, eo @ finoana kristianina, na finoana hafa.
ary vao maika aza mitombo ankehitriny izany noho ny tsy finoana sy noho ny fanalavirana an'ilay Atra namorina izao tontolo izao ka .

azo hahatsaraina izany, azo esorina sy hendahana @ fanabeazana satria tsy mendrika izany na ireo zanaka na ny ray aman-dreny, na iza na iza.

moa ve tsy efa mihezaka ankehitriny ireo tsy mino an'Atra no manendaka ny tenin'ATra ao amin'ny fianarana e,moa ve tsy efa firenena maro no mitady anangana an'i sodoma sy gomora e.Tsara ho fantatrao fa vao maika manalavitra ny fon'Atra ny olona ankehitriny kanefa na izany aza ,ny lanitra no ho levona hoy ny teny masina fa ny teniko tsy ho levona ka na ataon'izao tontolo izao aza ny fitaka analana ny tenin'Atra dia tsy ho afaka izany fa hiala tsikelikely fotsiny mandra-pahatongan'ilay mpamonjy dia i kristy izany saingy izay maharitra hatramin'ny farany no ho vonjena,mila miambina avokoa ny kristiana rehetra ary tsy mora satria efa kely sisa ny fotoana anjakan'i satana ka izay mitady an'Atra dia ataony avokoa izay aminganana azy


hery fitiavana sy fifanajana ny manondidina ahy ny hery manosika ny saiko, fanahiko sy foko, hery farantampony tsy manavakavaka satria velona anatin'ny tsirairay.
avy taiza ilay herinao ,iza no nanome azy ?

ATra dia fitiavana ka raha milaza isika fa hery fitiavana no tadiavintsika dia mangataha amin'ilay Atra be fitiavana fa izy no anafaka antsika amin'ny asan'i satana.

an'ny tsirairay no mandray azy ho toy izany ka mikatsaka ny hivelarany isan'andro mba hibaliaka eo @ manondidina azy.

8)
hery avy amin'iza no anaovana izany ? avy amin'ny tenany irery ihany ve ? iza no nanome saina azy,iza no nanome fofonaina azy ? taiza no nihavian'ny rivotra hiainany isan'andro ? iza no raisin'ny tsirairay ?
Aminay kristiana mantsy dia ny soratra masina no mampianatra anay fa Ankino amin'ATra ny fiainanao,matokia azy ary aza mihatehitra ny herin'ny tenanao fa na inona na inona ataonao dia ankino aminy izany fa izy no itarika ny dianao ary ataony ho lavorary sy tanteraka koa izay rehetra ho kasainao raha manankina ny fiainanao aminy hianao ,ny tsirairay dia tsy manana hery raha tsy ATra no manome azy aminay krisitiana io fa ny finoanao moa izany dia manana hery hianao ka dia isaory ilay nanome hery anao



:-*
8. xxx ( 17/01/2010 09:48)
Aleo aloha aza fa noho ny fahotantsika no manasaraka antsika amin'Atra ,tsy mino ny Atra hinoanay moa hianao ka ho sarotra aminao ny hino izany,ny mahagaga ahy anefa dia hery eo ambanin'ny fiadidian'ilay Atra indray no lazainao fa hery anananao,izany ve tsy hafahafa be

Mba vakio tsara tompokovavy vao mamaly sy mitsara fa tsy nisy nilaza iazany teo.
9. xxx ( 17/01/2010 11:48)

Raha ny tantara no jerena dia samy niezaka nampanjaka izay ninoany ny olona, ary samy namono ny hafa tamin'ny anaran'ny andriamaniny avy. Rehefa mifanafika aza ny firenena roa samihafa taloha dia atao izay hahazoana ny andriamanitr'ilay firenena tafihina, ary rehefa azo izany dia dorana na zimabazimabaina...

Ny finoana teo aloha dia tsy tokony hadino fa "National", eny fa na dia ny finoana an'Andriamanitra tokana aza. Ny vahoaka israely dia nino fa azy Andriamanitra, ary tsy itambarany amin'ny hafa. Niaro azy tamin'ny ady. Namono ny fahavalony. Nitondra sy nitantana azy, sns... Noho izany fomba fijery voafetra be izany, dia nisy ny fiheverana diso momba an'Andriamanitra.

Hamonjy ny olona amin'izay fomba fiheverana diso izany no isany antony iray niavian'i Jesoa teto an-tany. "Tsy tonga handrava aho, hoy izy, fa hanantateraka..." Tsy hanova fa haneho ny tena izy.
10. itaramasoandro ( 17/01/2010 14:59)
oadray, toa nitovy tadin-dokanga lahy isika ranona t@ ity indray mitoraka ity fa hoy ianao hoe
Rehefa mifanafika aza ny firenena roa samihafa taloha dia atao izay hahazoana ny andriamanitr'ilay firenena tafihina, ary rehefa azo izany dia dorana na zimabazimabaina...
:)

hatreo ihany anefa no hitoviantsika hevitra satria ny fiafaran'ny hevitrao dia tsy mifandraika @ ahy.

inona no ahafahan'ny finoana kristianina milaza fa ny azy irery no marina sy tonga lafatra ka anome azy fahefàna sy zo "hanantanteraka" toy ny voalazanao, eo ambonin'ny finoan'ny mponina iray sy ny fireneny izay nandaitra hatr@izay?

nahoana no izy no ho tsy maintsy arahan'ny be sy ny maro ka hanariany sy andàvany ny finoan-drazany?

samy manana ny finoany ny mponina tsirairay ary anjarany no miaro izany. tsy anjarany kosa ny manery ny hafa, na mponina izany na firenena, hanaraka ny finoany.

ampy izay ny ady sy ny fifandirana ary ny fifamonoan'ny samy olombelona nohon'ny finoana tsy hitoviana.
ny tontolo iraisana miaina kosa anefa dia harena tokana itambarana ka mendrika ny ho harovana sy hajaina. @ anaran'ny andriamanitra andriananahary, ny olombelona sy ny zava manan'aina.

8)
11. ikaretsaka ( 17/01/2010 16:34)
Izay angamba no tsary naha sekta ahy ktyyyyy
"Ny Atra inoako de tsy andriamanitra masiaka mpanasazy...fa manarina hatrany ireo maditra eto antany....."
Contraire tanteraka @ voizin ny vanjo alika rehefa maka kil
12. rijadolly ( 17/01/2010 18:43)
ohatrany hitsatsaingoka kely aloha za,tsy hanova loha hevitra fa misy zavatra tsy haritra kely sady tsy azoko.
Mitodika an' Itaramasoandro ny fanotaniako, iza marina ny Andriamanitra topoin' se?
Rehefa mantany olona oh zao moa dia ny an' tena no alefa mialoha mba tsy hiverenan' ilay fanontaniana aty amin' tena.Ny ahy dia ilay Andriamanitra Nahary Izao tontolo izao, Ilay Namorona fa tsy natao.Ary naniraka ny Zanany hanavotra antsika olombelona izay very ka naniraka ny Fanahy Masina ho an'izay Mino Azy.
13. itaramasoandro ( 17/01/2010 22:38)
miala tsiny aho raha miverina eo @ momba ahy fa satria moa rijadolly sy niryna manontany.
ka efa nolazaiko teto ary fa ny andriamanitra hinoako dia hery faratampony namorona sy nandrindra izao tontolo izao ary nametraka ao an-tsaina, fo sy fanahintsika olombelona tsirairay fa fitiavana sy fifanajana ny antompiainan-tsika izay manintona antsika hiaro sy hikolokolo io tontolo io satria tokana sy iombonan'ny mponina rehetra eto an-tany izy io.

ao anatin'ny tsirairay no misy io hery fitiavana sy fifanajana io satria tsy fo vato ny fontsika fa fo mitempo noho io hery nolovaintsika tsirairay fony tao ambohoka.
fitiavana sy fiarovana ny zanany no fihetsehampo sy fihetsehampanahy voalohany aseon'ny reny - olombelona @ zanany. ary fitiavana sy fiarovana ihany koa no fihetsehampo aseon'ny ankamaroan'ny renim-biby @ ireo zanany.
@ fomba ahoana? @ fanomezana hanina, sy fikolokoloina natao hiarovana an'ilay vao niposaka mba hiainany ihany koa araka izany.

noho izany dia mampiverina ny dinika eo @ sehatry ny fiarovana ny tontolo tokana nolovaintsika t@ andriamanitra andriananahary ny hevitra ka manao hoe: mora heverina ary mora saintsainina fa tsy hevitra natao ho saro-baliana na ho sarotra fakafakaina ny maha sarobidy ny tontolo hiainantsika.
tsy hevita sarobaliana toy ny resaka paradisa sy afobe ho entin'ny kristianina.

ny tsirairay dia afaka mieritreritra fa izy samirery ihany no mety ho mpanohitra na fahavalo ho an'ny tenany. mba tsy hahatongavana @ io ambaratonga io dia tsotra ny valinteny: katsaho ilay hery anatinao izay voarainao t@ andriananahary mba andrindra ny fo, saina ary fanahinao @ tontolonao dia tsy hifanohitra @ tenanao intsony ianao ka hiaro sy hiaina mirindra ao @ io tontolo voahary ho anao io.
8)
14. rijadolly ( 18/01/2010 01:31)
itaramasoandro>>>> Misaotra betsaka an' se namaly ny Fanontanianay.
Ra amiko manokana dia mbola mitovy hevitra isika sy i se amin' ankapoben'io fanazavan' se io, Ra io zany no itsarana ny hevitsika dia dia mbola azo lazaina fa ny Andriamanitra inoako dia ilay Andriamanitra inoan' se koa. Koa manontany anao indray ary aho hoe inona amin'ireo fanamarihana lazaiko eo ambony momba an' Andriamanitro ireo no tsy hitovian' ilay Andriamanitry se?
15. itaramasoandro ( 18/01/2010 02:13)
ny finoako, ry rijadolly, dia ny olombelona tsirairay avy no tompon'andraikitra @ zavatra hataony @ manondidina azy. tsy misy @ olon-kafa na hery ankoatra ny azy hahazaony anatsipazana izany andraikitra izany. tsy misy olona voatondro hitondra ny ahadisoan'ny tena fa samy olona manana feon'ny fieritreretana daholo ny tsirairay.

feo mandala ny fitiavana, fihavanana, fifanajana, fikolokoloina/fiarovana, firaisan-kina mba hirindra @ tontolo.
raha izany no katsahan'ny tsirairay dia halaviriny aminy: ny ady, vono, herisetra, fitaka,... sy ireo tsy voatanisa mamotika ny fiainan'olombelona.
tsotra, mora fakafakaina ary mampahadio ny eritreritra. araka ny fihevitro azy aloha e!
8)
16. Mirananirina ( 18/01/2010 14:42)
Izay angamba no tsary naha sekta ahy ktyyyyy
"Ny Atra inoako de tsy andriamanitra masiaka mpanasazy...fa manarina hatrany ireo maditra eto antany....."
Contraire tanteraka @ voizin ny vanjo alika rehefa maka kil
hitovizantsika io hevitrao io.Na adala na hendry na mpanompo sampy na tsia na kristianina na tsia dia zanany daholo,tsy misy havahany,tsy misy faiziny izany.Raha tsy inona Andriamanitra ka hamono olona.Raha marina io dia manana ny rariny daholo koa izany ny mpamono olona satria diso aminy dia vonoiny.
17. xxx ( 18/01/2010 15:22)
resaka tantara no nitondrako ny resaka teo aloha, ary mbola tohiziko amin'izay ihany.

Tsy misy ny olona tena mahalala an'Andriamanitra marina. Ary raha ny tantara no jerena dia niha-nivoatra izay fahalalan'ny olona azy izay. Efa voalazako teo aloha fa tany aloha tany dia " national" ny finoana. Izany hoe: samy nanana ny azy ny isam-pirenena, ary samy nanaiky fa ny azy no marina sy mahery. porofon'izany izay voasoratra ao anaty Baiboly (Testamenta taloha).

Raha ny tantara koa no jerena dia samy namorona ny andriamaniny ny olona. Na koa hoe: samy namaritra ny antsoiny hoe: andriamanitra. Ka tao no nandray ny volana, na ny masoandro, na ny afo, sns... ho andriamanitra. Tao koa no nanao sary vongana sns...

Ny finoana kristiana kosa dia tsy mba noforon'olombelona, fa noraisiny avy amin'Andriamanitra (raha inoanao fa Andriamanitra i Kristy dia tsy hisalasala ianao hanaiky an'io). io finoana io dia mifototra amin'ny Fitiavana, ary manome lanja bdb ny maha olona (Fo, vatana, saina, fanahy). Tsy mamono io, fa mamelona.

Noho ny olobelona tsy nahatakatra ny tena hevitr'Andriamanitra anefa dia nisy ny tsy fahaiza-mandray an'izany finoana izany. Noheverin'ny olombelona (ireo mpino) fa ny fampanjaka ny dogma sy ny doctrine no tena hahafahany mampanjaka an'Andriamanitra eto an-tany. Vokany, nisy ny fifamonona. Teo koa ny fifangaroan'ny resaka politika sy ny resaka fivavahana ka nahatonga ny fisaratsarahana samihafa, mba hananan'ny firenena vitsivitsy tombon-tsoa (na olona vitsivitsy).

Ny finoan'ny olombelona dia toy ny olombelona ihany. Mandalo dinga maro, izay vao tena matotra:
1 - Mandalo fahazazana: mihevitra fa i dada ihany no lehibe indrindra, ary mafy be, tsy misy ohatra azy, ary maharesy ny fahavalo rehetra, sns... Nefa i dada midaroka be raha sendra maditra, izy no tompon'ny teny rehetra ka tsy maintsy ekena... (fahagola)
2 - mandalo fahatanorana: mihevitra fa mahavita tena, ary tsy miankina amin'iza na iza. Te hisidina sy te hanjakazaka amin'ny sehatra samihafa, te ho fedety, tsy te ho resy lahatra fa manana ny marina sns... Vokany mahery setra sy tia tsapatsapa.... (vanim-potoanan'ny fanenjehana ny heresie sy ny finoana hafa)
3 - Mandalo fahalebeazana: manomboka mandinika, sy mandanjalanja ary mitady ny tena marina. Manomboka mihaino ny hafa, ary manao dialogue.
4 - Matotra: mahalala ny marina ary miaina arak'izay.

Raha milaza ianao, fa diso ny hafa fa ny anao kosa no marina, de anjaranao no mijery hoe: stade aiza no misy anao ankehitriny.
18. ikaretsaka ( 18/01/2010 15:35)
Izao karazam pinoana abiaby. izao dia samy afaka niteny aby fa noraisin'izay namorona azy tany @ Atra hono ka.
19. rijadolly ( 18/01/2010 16:29)
itaramasoandro:
ka efa nolazaiko teto ary fa ny andriamanitra hinoako dia hery faratampony namorona sy nandrindra izao tontolo izao ary nametraka ao an-tsaina, fo sy fanahintsika olombelona tsirairay fa fitiavana sy fifanajana ny antompiainan-tsika izay manintona antsika hiaro sy hikolokolo io tontolo io satria tokana sy iombonan'ny mponina rehetra eto an-tany izy io.
Raha ny fahazoako io lazain' se io dia Mino Ilay Mpamorona se.Iraisatsika izay.
any se:
ny finoako, ry rijadolly, dia ny olombelona tsirairay avy no tompon'andraikitra @ zavatra hataony @ manondidina azy.
Iraisatsika koa io, fa ny tiako hazavaina kely dia eo amin' vokatr'ilay nataonao ahoana? sazy ve? gandra ve? sa Fitiavana noho ny fahatsapanao ny fahadisoanao? Ny fahatsapana dia midika fa tsy hamerina intsony. Koa raha Ilay Namorona ahy no hamela ny hadisoako noho ny Zanany, ihazoazo ve za? havelako hanadina ahy isan' andro vaky izao ve ny hadisoako?...????
20. rakapy ( 18/01/2010 18:04)
Hoy i Rijadoly
Raha ny fahazoako io lazain' se io dia Mino Ilay Mpamorona se.Iraisatsika izay.

I Zanahary sy ry Allah sy ry Jah...koa anie ka mpamorona amin'ny mpino azy ireny , iraisanao koa ve izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.096