niady sy namono t@ anarany
21. rijadolly
(
18/01/2010 18:28)
Amiko rakapy rehefa Mpamorina izao Tontolo izao dia tokana, tsy misy anakiroa izany fa iray ihany dia Andriamanitr' Jakoba Sy ry Isaka,..ka na Andriamanitra na Dieu na God na...tsy haiko izay fanononan' Afrikanina sy izay hafa Firenena Azy any dia efa masaka an- tsaiko ny ahy; ary fantatro izay inoako.
22. itaramasoandro
(
19/01/2010 04:01)
misy hery, feon'ny fieritreretana ao @ tsirairay mandrara ny tena hamingavinga, handratra na hampiseo herisetra @ hafa sy ny tontolo manodidina.
tsy misy olon-kafa ankoatran'ny tena no azo didiana hitondra ny andraikitry ny tena. tsy misy andriamanitra mitsapa raha tia na tsy tia azy ny zanany, tsy misy ny mandefa ny zanany hibaby ny entan'ny sasany izay, nohon'ny akamoana sy ny fitiavan-tena, dia tsy manaiky hitondra ny entany.
@ fomba ahoana ny hanekena fa olona iray tokana no hotononina tsy araky ny safidiny hitondra ny entan'ny sasany maro anisa ? io fifanilahana io ihany no tsy mampandroso ny sain'olombelona ka hiadiany sy hifamonoany hatr@ ny naha tany ny tany.
raha samy mandray ny andraikitra sahaza azy anefa ny tsirairay dia ho fongana izany fifanilihana izany ka fiainana mirindra ny fiainan-draolombelona.
8)

23. rakapy
(
19/01/2010 04:34)
Hoy Rijadoly
Ka nefa nahoana no lazain'ny xana fa Sampy ny Zanahary sy ny razana izay A/try ny Ntaolo razantsika? Satria ve izy ireo tsy nanonona ny anaran'i jakoba sy isaka?
Amiko rakapy rehefa Mpamorina izao Tontolo izao dia tokana, tsy misy anakiroa izany fa iray ihany dia Andriamanitr' Jakoba Sy ry Isaka,..ka na Andriamanitra na Dieu na God na...tsy haiko izay fanononan' Afrikanina sy izay hafa Firenena Azy any dia efa masaka an- tsaiko ny ahy; ary fantatro izay inoako
Ka nefa nahoana no lazain'ny xana fa Sampy ny Zanahary sy ny razana izay A/try ny Ntaolo razantsika? Satria ve izy ireo tsy nanonona ny anaran'i jakoba sy isaka?
24. xxx
(
19/01/2010 11:46)
rakapy:
Ka nefa nahoana no lazain'ny xana fa Sampy ny Zanahary sy ny razana izay A/try ny Ntaolo razantsika? Satria ve izy ireo tsy nanonona ny anaran'i jakoba sy isaka?
Aza afangaro ny zavatra rakapy eh!
Ny kristiana dia tsy nilaza fa sampy i Zanahary, porofon'izany ilay hira hoe: "Zanahary ò tahio ny tanindrazanay..." Hira noforonin'ny Xna io, ary hiraina any am-piangonana.
Ny Xna koa tsy nanao tsinotsinona ny finoan'ny razana fa nanitsy izay mety ho diso. Porofon'izany ilay hira hoe: "Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihana..." hira hiraina any am-piangonana koa io.
Ny razana tompoina toy ny andriamanitra kely (maka ny toeran'Andriamanitra) no sampy. Ohatra amin'izany ny Andrenamponimerina, ravalomanjaka, sns... Ary raha miantso an'ireo ny Ntaolo dia tsy miantso azy mihitsy hoe: Zanahary satria ekeny fa tokana ihany no Zanahary.
25. rakapy
(
19/01/2010 12:00)
Ny razana tompoina toy ny andriamanitra kely (maka ny toeran'Andriamanitra) no sampy. Ohatra amin'izany ny Andrenamponimerina, ravalomanjaka, sns... Ary raha miantso an'ireo ny Ntaolo dia tsy miantso azy mihitsy hoe: Zanahary satria ekeny fa tokana ihany no Zanahary.
Tsy hoe afangaroko io raxxx 23 fa zava misy.
Raha voalazanao fa Zanahary dia tsy sampy fa Adrianampionimerina sy ny razana dia sampy.
Tsy Zanahary no fiantson'ny Ntaolo Malagasy an'Andrianampoinimerina sns... azy ireny fa razana. izay mitovy tsy misy valaka @ olomasina na saints @ katolika, mpanelanelana ny olombelona sy Zanahary mampita vavaka any @ Zanahary . Ka nefa dia nolazaina fa sampy .
Satria ve anaran-Gasy fa tsy vazaha.
26. Mirananirina
(
19/01/2010 14:00)
Ny razana tompoina toy ny andriamanitra kely (maka ny toeran'Andriamanitra) no sampy. Ohatra amin'izany ny Andrenamponimerina, ravalomanjaka, sns... Ary raha miantso an'ireo ny Ntaolo dia tsy miantso azy mihitsy hoe: Zanahary satria ekeny fa tokana ihany no Zanahary.nanitikitika ahy tokoa io.Nahoana tokoa no antsoina mon seigneur ireo mon seigneur eh?????nefa dia tokana tokoa Andriamanitra.sa seigneur tsy andriamanitra?sa inona no tena dikany seigneur?
27. rakapy
(
19/01/2010 14:08)
Ilay teny hoe Andriamanitra ary no tena mahatsikaiky! Andriana+Manitra!
Fa angaha misy andriana maimbo na masiso ry tony e ?
Toa mitory fanambaniana sy fankahalana ny andriana hafa ilay teny. Io teny io mantsy dia niforona tao aoriana kelin'ny nidiran'ny misionera teto M/car asa mety ho filaza netina nankahala an'i Ranavalona I izay nasiaka t@ ireo misionera angamba.
. Tsy aleo ihany ve Zanahary , avy @ teny hoe "Izay Nahary"

28. rijadolly
(
19/01/2010 15:50)
xxx23:Misaotra an\' se aho fa tena manaraka ilay resaka tsara se no sady nanampy ny valimpanotaniana nampetraka ahy , tsy amaly an\' in tsony aho fa efa voavaly iny.
Aza afangaro ny zavatra rakapy eh!
Ny kristiana dia tsy nilaza fa sampy i Zanahary, porofon\'izany ilay hira hoe: \"Zanahary ò tahio ny tanindrazanay...\" Hira noforonin\'ny Xna io, ary hiraina any am-piangonana.
Ny Xna koa tsy nanao tsinotsinona ny finoan\'ny razana fa nanitsy izay mety ho diso. Porofon\'izany ilay hira hoe: \"Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihana...\" hira hiraina any am-piangonana koa io.
Ny razana tompoina toy ny andriamanitra kely (maka ny toeran\'Andriamanitra) no sampy. Ohatra amin\'izany ny Andrenamponimerina, ravalomanjaka, sns... Ary raha miantso an\'ireo ny Ntaolo dia tsy miantso azy mihitsy hoe: Zanahary satria ekeny fa tokana ihany no Zanahary.
Rakapy >>>> raha ny Mpanjaka dia tokony apetra amin\' maha Ray Aman-dReny azy oh ry Davida , Solomona,...raha ny ao anaty Baiboly no angalana référence, tsy misy mihitsy hoe Mpanalalana ireny mpanjaka ireny. Fa kosa namela mamy ny Fahendrena nananany.
Mirananirina>>>>> seigneur = tompo, Misy anefa ny Tompo ny tompo, Misy ny Mpanjaka ny mpanjaka.
Rakapy:mety hisy fahamarinanany ny ten\' se. Nefa kosa Raha tena nino sy tena nanaja ilay Zanahary fa ambony noho izy dia tokony nanetritena tokoa(raha araka ny heritreritr\' se fa tsy ny an\' ilay Mpanjaka Ranavalona I an )
Ilay teny hoe Andriamanitra ary no tena mahatsikaiky! Andriana+Manitra!
Fa angaha misy andriana maimbo na masiso ry tony e ?
Toa mitory fanambaniana sy fankahalana ny andriana hafa ilay teny. Io teny io mantsy dia niforona tao aoriana kelin\'ny nidiran\'ny misionera teto M/car asa mety ho filaza netina nankahala an\'i Ranavalona I izay nasiaka t@ ireo misionera angamba.
. Tsy aleo ihany ve Zanahary , avy @ teny hoe \"Izay Nahary\"
29. xxx
(
19/01/2010 15:51)
rakapy: Ny olo-masina amin'ny katolika r'ise dia tsy hivavahana velively, fa diso fihevitra tanteraka ise, ary tsy mandray ny toeran'andriamanitra mihitsy, eny fa na dia i Masina Maria aza.
Ho an'ny finoana malagasy kosa, raha mba nandalina kely ise, dia ireo razana ireo mihitsy no hivavahana: angatahana zanaka, angatahana harena, sns... Raha ohatra ka tsy mino ise, na tsy tsy mahalala an'izany, dia mandehana eny Analamanga, na eny ambohidratrimo; eny Andralanitra koa misy toerana iray izay. Tsy mila resa-be io fa araho fotsiny ny zavatra lazain-dry zareo de ampy hahitan'ise ny maha samihafa azy. Tsy misy resaka hoe: vazaha sy gasy io. Tsoriko entona fa misy vazaha tonga mangatam-pitahina sy zanaka eny amin'ireo toerana ireo.
Ny teny hoe: Andriamanitra koa dia tsy misy resaka fanilihana na fanambanina ny hafa. Ny voambolana hoe "manitra" dia entina hanomezam-boninahitra, fa tsy mifono hevitra hafa akoatra an'izay.
30. rakapy
(
19/01/2010 19:02)
xxx28> Izaho aloha dia tsy mpanaraka firy ny eny Analamanga na Ambohidratrimo fa ny faha fantarako azy dia mpanelanelana ihany ny razana eny fa na dia ny anaran'izy ireo aza no antsoina @ ilay fanamasina sns.... fa ny hafatra dia hoe " Mba ampitaho any @ zanahary any re ny fangatahanay". Ilay zanahary mantsy @ Malagasy dia saro-takarina no sady lavitra be no tsy dia tsara raha kotabain'olombelona. Noho izany dia ny fanahin'ny razana no ampitana ny fangatahana sns.
Efa lasa toa mahazatra antsika mantsy ilay teny hoe Andriana manitra ka tsy hita intsony ilay hevitra fonosony. Fa raha manao fanadihadiana kely fotsiny ianao dia hahita ilay nolazaiko.
Ny teny hoe: Andriamanitra koa dia tsy misy resaka fanilihana na fanambanina ny hafa. Ny voambolana hoe "manitra" dia entina hanomezam-boninahitra, fa tsy mifono hevitra hafa akoatra an'izay
Efa lasa toa mahazatra antsika mantsy ilay teny hoe Andriana manitra ka tsy hita intsony ilay hevitra fonosony. Fa raha manao fanadihadiana kely fotsiny ianao dia hahita ilay nolazaiko.
31. xxx
(
19/01/2010 20:22)
Ny voalohany aloha dia efa hita fa tsy mifototra amin'ny zava-misy marina ny zavatra lazain'ise fa misavoana be ihany, ka tsy hidirako lalina intsony.
Raha ohatra ka mbola tsy mino ise fa ireo razana ireo, no nangatahin'ny malagasy mivanta izay tadiaviny dia izao: Nantsoin'ny malagasy hoe: vazimba koa ny razana, ka izy ireo no nangatahiny zaza sy harena. Inoako fa fantatr'ise fa misy ny zaza voalaza fa azo avy amin'ny vazimba, sy ny harena azo avy aminy. Rehefa tsy mahatanteraka ny sitrapon'ilay vazimba ilay mpangataka de matetika alain'ny vazimba ny zanany.
manaraka an'izay ny resaka voambolana hoe: "Andriamanitra". Ny sain'ise no efa voaloton'ny hevitra tsy dia tsara loatra dia lazain'ise fa ny hafa no tsy mandinika. Raha alan'ise ny prejugé ao an-tsain'ise ao, dia hanaiky ny marina ise fa tsy misy hevitra fanambanina ao anatin'io na kely aza.

32. fijo
(
19/01/2010 20:49)
marina mihintsy io voalazan'i rapaky io,mpanelanelana toa ny masina rehetra ny razana
33. rakapy
(
19/01/2010 23:55)
xxx30> Fantaro tsara aloha ny atao hoe vazimba sy razana fa lasa resa-jaza ilay izy.
34. rzakarivola
(
20/01/2010 07:41)
Fa izao aloha e, hay moa ka resaka kristiana sy tsy kristiana foana ilay ifamelezana eto.
Tsy aleo ve ny marina no katsahina dia miseho ho azy ny diso rehetra, izay diso anie efa diso fa tsy mila disoina e.
Izaho aloha kristiana, fa tsy ny anarana kristiana isalorana mihitsy no itokiako, fa i Jesoa Kristy izay ambaran'ny Baiboly sy ireo vavolombelony no inoako, sady izaho no nandre Azy, ary fantatro fa izay fanontaniana rehetra tiana apetraka amiNy dia valiaNy, eny fa na dia ny mpamandrika aza dia haiNy koa ny mamaly azy.

35. rakapy
(
20/01/2010 07:49)
Hoy Rzakarivola
Fahamarina inona indray ary no tianao aseho eto. Izaho aloha dia efa milaza izay hitako fa marina amiko ka tsy hitako izay ambara aminao mihoatra izany. Tsy afaka ny handainga na hiatsara velatsihy kosa aho na dia tsy mitono-tena ho xana aza.
Ary olom-bitsy koa anie no mitono-tena fa tsy xana eto, 2 na 3 angamba farafaha betsany fa ny sisa dia xana avokoa.
Tsy aleo ve ny marina no katsahina dia miseho ho azy ny diso rehetra, izay diso anie efa diso fa tsy mila disoina e
Fahamarina inona indray ary no tianao aseho eto. Izaho aloha dia efa milaza izay hitako fa marina amiko ka tsy hitako izay ambara aminao mihoatra izany. Tsy afaka ny handainga na hiatsara velatsihy kosa aho na dia tsy mitono-tena ho xana aza.
Ary olom-bitsy koa anie no mitono-tena fa tsy xana eto, 2 na 3 angamba farafaha betsany fa ny sisa dia xana avokoa.
36. rzakarivola
(
20/01/2010 07:53)
itaramasoandro:
ny andriamanitra hinoako dia hery faratampony mandrindra ny saiko @ foko hifanaraka @ tontolo hiainako sy ny mpiara-belona amiko. hery namela izao tontolo izao hiforona.
hery tsy mamela ahy hanozona na hanavaka. hery tsy mamporisika ahy hikapoka na hampiasa fahamaizana na herisetra na @ tena na @ mpiara-belona @iko, indrindra anie ka @ taranako.
fa kosa hery manafàna ahy raha tratry ny hatsiaka na alaelo aho, ary hery manome ahy rivodrivotra raha tratry ny hafanambe laotra na hatezerana.
hery manosika ahy hiaro sy hanaja ny manondidina ahy, hery mitondra fifanankalozana mirindra.
nampahatsiahy ity ohabolan-drazantsika ity ianao ry fidinirina izay milaza hoe tsy misy mamy ohatry ny zanaka, fa raha manaikitra ny nono akifika
mazava ny teny: akifika hoy izy fa tsy faizina na hozonona na kapohana na vonoina.
tsy anjaran-tsika ny mikasika na volon-dohan'ny zanaka na olon-kafa iray monja aza ka ho entina hanafahy azy.
tsy anjarantsika ny mampiseo herisetra an'izan'iza izay indrisy fa fomba fanao hatr@ fahagolan-tany teo @ finoana taloha, eo @ finoana kristianina, na finoana hafa.
azo hahatsaraina izany, azo esorina sy hendahana @ fanabeazana satria tsy mendrika izany na ireo zanaka na ny ray aman-dreny, na iza na iza.
hery fitiavana sy fifanajana ny manondidina ahy ny hery manosika ny saiko, fanahiko sy foko, hery farantampony tsy manavakavaka satria velona anatin'ny tsirairay.
an'ny tsirairay no mandray azy ho toy izany ka mikatsaka ny hivelarany isan'andro mba hibaliaka eo @ manondidina azy.
8)
==> Averinao foana (satria maharesy lahatra anao tanteraka ?) ilay hoe "hery faran-tampony, ary itanisanao domaines d'action vitsivitsy ilay hery. Ny teninao ihany dia mamaly ny tsikeranao etsy ambony, satria raha hery faran-tampony (ka tsy misy ambony noho izy) io Andriamanitra io, ary raha nomena azy io ny tsirairay, nahoana ary no mbola misy ihany ireo zavatra tsikerainao fa tsy misaina tahaka anao daholo ny olona rehetra, ary ny zavatra tsikerainao dia io ataonao io (mitsikera ny mpitsikera ianao).
Roa kosa no fanamarihako, voalohany, inoanao fa misy Andriamanitra saingy tsy fantatrao, ary izany no ambaran'ny Baiboly, izany no tenin'i Jesoa : "Tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka". Inona no tombony ho anao hoarina @ireo tsy mino ny fisian' Andriamanitra ?
Hevero fa maro ny Malagasy mino fa misy izao Ravalomanana izao, fa tsy izay rehetra mino izany akory no mahazo sombin-tsombiny t@ harenan-dravalomanana.
Maro ny Malagasy mino fa misy izao Andry Rajoelina izao, fa tsy izy rehetra no mahazo sombin-tsombiny amin'ny fananan-dRajoelina Andry.
Maro ny mino fa misy Andriamanitra fa tsy mahafantatra Azy ary tsy mifandray amiNy, ny Baiboly kristiana manambara an'i Jesoa Kristy, ilay Zanaka Lahitokan' Andriamanitra, izay tonga hanambara sy hampahafantatra an' Andriamanitra amin'ny olombelona, izao no lazaiNy : "Tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka, sy izay tian'ny Zanaka anehoana Azy"
Faharoa, Ny Baiboly koa dia manambara fa ilay Andriamanitra tokana sady marina dia tompon'ny hery rehetra, loharanon'ny fiainana, ary ny heriNy dia miseho be indrindra amin'izay fanomezaNy fiainana izay. Ka eo @ izay maty no asiany fiainana.
Mora ny mitsikera sy mitifitra ny faharatsiana rehetra, fa ny herin' Andriamanitra dia miseho @ fanovana ho tsara izay ratsy.
Mora ny manasitrana aretina, fa ny herin' Andriamanitra dia miseho betsaka amin'ny famelana heloka.
37. rakapy
(
20/01/2010 08:05)
Hoy Rzakarivola
Ny fisian'i R8 sy Rajoelina kosa aloha tsy finoana fa fahamarinana e! Ary ataoko angamba fa tsy hoe hitatatra ny sombin-karenan'izy roa lahy no tanjona fa ny hoe mba mitaky ny hampandroson'izy ireo ny fiainan'ny tsy 1/1 satria izy no mpitarika.
Mitovy @ izay koe angamba ny momba an'A/tra. Tsy hoe mitatatra na koa te ahazo ny fahefany ny olombelona fa mba te hiaina am-piadanana eto @ ity tany fandalovana ity.
Hevero fa maro ny Malagasy mino fa misy izao Ravalomanana izao, fa tsy izay rehetra mino izany akory no mahazo sombin-tsombiny t@ harenan-dravalomanana.
Maro ny Malagasy mino fa misy izao Andry Rajoelina izao, fa tsy izy rehetra no mahazo sombin-tsombiny amin'ny fananan-dRajoelina Andry
Ny fisian'i R8 sy Rajoelina kosa aloha tsy finoana fa fahamarinana e! Ary ataoko angamba fa tsy hoe hitatatra ny sombin-karenan'izy roa lahy no tanjona fa ny hoe mba mitaky ny hampandroson'izy ireo ny fiainan'ny tsy 1/1 satria izy no mpitarika.
Mitovy @ izay koe angamba ny momba an'A/tra. Tsy hoe mitatatra na koa te ahazo ny fahefany ny olombelona fa mba te hiaina am-piadanana eto @ ity tany fandalovana ity.
38. rzakarivola
(
20/01/2010 08:15)
itaramasoandro:
inona no ahafahan'ny finoana kristianina milaza fa ny azy irery no marina sy tonga lafatra ka anome azy fahefàna sy zo "hanantanteraka" toy ny voalazanao, eo ambonin'ny finoan'ny mponina iray sy ny fireneny izay nandaitra hatr@izay?
nahoana no izy no ho tsy maintsy arahan'ny be sy ny maro ka hanariany sy andàvany ny finoan-drazany?
==> Tsotra, ny marina dia heveriko fa tahaka ny vola taratasy misy numéro tokana hamantarana azy, kanefa tsy maintsy miaraka hita @ toerana anakiroa samihafa io numéro io, ny iray eo ambony ankavia ary ny iray eo ambany havanana.
Tahaka izany, ny fahamarinana dia abstrait (any an-danitra), manavia ny olona, saingy tsy maintsy miseho ety an-tany, dia @ domaine izay manavanana antsika nofo aman-drà! Zavatra roa no hanaporofoanao fa marina ny théorie iray : iainanao ny zavatra ambaran'ilay théorie, raha feno ny condition(s) apetrak'ilay théorie.
Ny tsirairay samy manana ny antony inoany, fa ho ahy manokana, zavatra niainako no ilazako fa i Jesoa Kristy no tenin' Andriamanitra velona, izany hoe Velona Izy ary miteny amin'ny olona amin'ny alalany Andriamanitra, ary iainako sady hitako @ fiainana tokoa ny teniNy, raha misy tsy azoko dia mbola anontaniako Azy, ary Izy mamaly fa tsy mangina. Ianao koa afaka manontany Azy dia vérifeo ny teniNy rehetra.
itaramasoandro:
samy manana ny finoany ny mponina tsirairay ary anjarany no miaro izany. tsy anjarany kosa ny manery ny hafa, na mponina izany na firenena, hanaraka ny finoany.
==> I Jesoa Kristy dia niteny foana hoe : "minoa", tsy tsaroako Izy mbola nilaza t@ olona hoe "diso ny finoanareo", fa hoy Izy hoe "minoa". Tsy nilaza koa Izy hoe "marina ny anareo", fa izao, izay finoana inoanao dia tena inoy tokoa, testeo ny fahamarinany @ rehetra fa tsy hoe rehefa marina t@ domaine kely iray, na dia hitanao fa tsy mety izao aza @ domaine sasany dia mbola izingizininao fa marina ihany.
Ny théorie rehetra dia toy ny voankazo, manana choix ianao hihinana, hano (izay ny dikan'ny hoe minoa), ka rehefa hitanao fa lo, misy biby, tsy laitra atelina, dia meteza hanary, fa mikatsaha izay mahavelona.
Jesoa niteny t@ Jiosy hoe : "Izaho no mofo midina avy any an-danitra", niteny Izy hoe "Izaho no fahamarinana", fa tsy nanery na iza na iza Izy hanaiky izany, fa nilaza ny marina Izy ho an'izay nangetaheta ny fahamarinana, ary mbola toy izany mandraka ankehitriny.
Izaho koa tsy notereNy hino Azy, ka tsy hanery anao na ny hafa hino Azy, saingy iza no hanery ahy hilaza fa tsy i Jesoa ilay reko, mba hilazako fa velona Izy ary miteny ? Ary ny mino Azy dia mino ny teniNy fa tsy mijanona @ nofoNy ?
Raha milaza aho fa tsy mahafantatra, dia mba mandainga koa! Saingy izaho no nandre ary manambara fa marina izay anambaran'ny Baiboly Azy.
39. rzakarivola
(
20/01/2010 08:34)
rakapy >>> Toa ny tsy marina sy ny diso no arangaranganao eto ko, miampy fanontaniana sy fisalasalana.
Ny fizika dia miresaka référentiel absolu sy référentiel relatif. Relativement marina daholo ny zava-drehetra. Ohatra iray ity, ny olona talohan'i Galillée dia nanizingizina ny univers géocentrique, izay notoherin'ity mpikaroka ary namonoana azy. Rehefa manao fizika anefa, raha ny Terre no raisina ho centre ny référentiel, dia azo lazaina ho marina ihany ilay géocentrique.
Ny mpandinika ankehitriny nametraka référentiel absolu anakiray ao @ univers hoe ny centre dia ny masoandro ary ny axes anakitelo dia ifandraisan'io centre io @ kintana anakitelo hafa.
Ireo visions anakiroa ireo dia toa mampiseho fandinika spirituel, ny monde matériel hoariko @ tany ary Andriamanitra hoariko @ masoandro.
Firifiry ny olona mi-centrer ny univers spirituel @ monde matériel ? Mitsara araka ny fisainan'olombelona, maka référence @ fiainan'ny olona rehetra e. Ilazana fa ny olona no tompon' andraikitra etsy sy eroa, ny olona ihany ... ny olona hatrany.
Fa misy vision hafa ambaran'ny Baiboly, dia Andriamanitra no référentiel absolu, ka ny hitsarana ny rehetra dia ny fitsaràn' Andriamanitra.
Mora ny manenjika ny Fiangonana t@ fotoan'andro satria novonoiny ilay nilaza fa tsy géocentrique ny univers ... fa toy ny ahoana ny fanenjehana sy fitifirana izay mampiseho fa Andriamanitra no référentiel absolu @ fiainana ?
Tahaka ny ilàna télescope ahitana ilay marina astronomique @ science, mila télescope spirituel tahaka izany hahafahana mandinika ny marina mikasika ny domaine spirituel, ary i Jesoa Kristy izany, izay itenenan' Andriamanitra @ olona.
Koa valiako ny fanontanianao, fahamarinana absolue no ilaina fa tsy fahamarinana relatives kely be dia be.
Izay relativement marina dia mety ho diso, fa izay absolument marina dia marina hatrany.

40. rakapy
(
20/01/2010 09:10)
Hoy Rzakarivola
Tsy maninona raha izay no fahitanao azy sy handraisanao azy. Fa amiko kosa dia fitady ny marina ary tsy misy mahadiso ny fitadadiavana azy na absolue na tsy mbola absolue.
Matahotra mafy mantsy ianareo xana fa sao dia voa-demasquer ilay jesosy kristy ka manohitra mafy ireo izay mitady sy mampiasa ny saina @ maha olombelona azy. Efa betsaka ihany mantsy ireo voalaza fa mistery no voaporofo fa tsy mistery kay lojikan'ny siansan'olombelona dia nahitana azy.
Ny UFO t@ andron'i Mosesy dia noheverina fa anjely ary mbola raiky tampisaka hatramin'izao satria dia mbola maro no mamaky sy mino ilay baiboly izay efa mila fanavaozana. Ohatra iray ity
Na stylo fanoratana aza mbola sarotra t@ zany andro izany.
rakapy >>> Toa ny tsy marina sy ny diso no arangaranganao eto ko, miampy fanontaniana sy fisalasalana.
Tsy maninona raha izay no fahitanao azy sy handraisanao azy. Fa amiko kosa dia fitady ny marina ary tsy misy mahadiso ny fitadadiavana azy na absolue na tsy mbola absolue.
Matahotra mafy mantsy ianareo xana fa sao dia voa-demasquer ilay jesosy kristy ka manohitra mafy ireo izay mitady sy mampiasa ny saina @ maha olombelona azy. Efa betsaka ihany mantsy ireo voalaza fa mistery no voaporofo fa tsy mistery kay lojikan'ny siansan'olombelona dia nahitana azy.
Ny UFO t@ andron'i Mosesy dia noheverina fa anjely ary mbola raiky tampisaka hatramin'izao satria dia mbola maro no mamaky sy mino ilay baiboly izay efa mila fanavaozana. Ohatra iray ity
Ohatra iray ity, ny olona talohan'i Galillée dia nanizingizina ny univers géocentrique, izay notoherin'ity mpikaroka ary namonoana azy.
Na stylo fanoratana aza mbola sarotra t@ zany andro izany.