MITONIA TSARA ISIKA RANKIZY FA TSY AHAVITANJAVATRA NY FO

1. antimpanahy ( 03/12/2009 13:02)
--mbola hiditra eo amin'ny resaka fangoronankarena amin'ny fomba tena haingana nataon DRAVALOMANANA aho fa tiako ho tony tsara daholo aloha ny mpisera amin'izao voalohany hiboran'ny resaka izao ,
-ka rehefa tony tsara afaka ny hiaino ahy hianareo dia ho tohizako androany ny famaranana ny chapitre 1 satria efa vitako boky kely izany.

'-Misy ny fangoronankarena haingana nefa be vidiny, toy ny vatosoa ,volamena, bois de rose,mercure
-Misy kosa ny fangoronankarena mizizotra miadana toy ny fivarotana entana ataon'olontokana ,fanerena ny tantsaha hivarotra mora ny vokany


miandry anreo ho tony tsara aho izany dia hitohy ny tantarako ,


misaotra tompoko
2. pikatti ( 03/12/2009 13:07)
angano angano arira arira :-D :-D
3. antimpanahy ( 03/12/2009 13:08)
fantatro tsara ny afera ratsy nataon'i Ravalomanana ,fa ny isan'ny tena lehibe indrindra dia ireny taxes sy haba Impots isankarazany izay tsy aloan'ny orinasa TIKO sy MAGRO antaona marobe ireny ,tombotsoam-pirenena tsy nefainy ireny ,
tadidio tsara fa miakatra amina miliara maro dia maro isantaona izy ireny nefa tsy nandoa izy hatramin'ny Nitondrany teo ,eo koa ny harena ankibon'ny tany isankarazany izay haondrana antsokosoko
4. antimpanahy ( 03/12/2009 13:10)
pikatti

tsy tsara ve anaka ny mifanaja noho ny mifanadrohadro , mino aho fa lehilahy lehibe ianao ary afaka mandanjalanja tsara ny zavatra izay ho lazaina ,raha tsy mety aminao ilay hevitra marina navoakako teto dia afaka mamaky fotsiny isika fa tsy manao tsy fifanajàna ,

misaotra anao
5. pikatti ( 03/12/2009 13:17)
Ny anelah resaka tsisy mitombina fa tantara valamaty daholo de ahoana lesy no hinoana resaka dadarabe lavaeto lé, elah mitsy no manazimbazimba ny mpisera rehetra eto zao , heverin'elah fa kondrana hotran'elah daholo ve leity ny olona eto no fahanan'elah lalitra klé :-D :-D :-D
6. antimpanahy ( 03/12/2009 13:21)
Raha izay no hevitrao irery fantatrao fa marina dia tazony ho anao izany ,
-fa tsy hanao "ialahy" anao aho na dia fantatro tsara aza fa zandriko amampolo taonany ianao tompokolahy ,raha nanana ray amandreny ianao tsy hanevateva ahy toy izao ,


misaotra anao lehibe ihany aho
7. pikatti ( 03/12/2009 13:24)
Be moral elah nefa manevateva izao olona lehibe tanisanao ao @ io angano be io :-D :-D
8. antimpanahy ( 03/12/2009 13:29)
na ompainao aza aho pikatti na ataonao ialahy dia tsy hamaly anao aho noho ny maha fa fotsy volo ahy fa hanaja tsara foana


misaotra
9. pikatti ( 03/12/2009 13:34)
Tsy fombako izany manompa olona izany fa ny resak'elah io amiko de fanompana mpisera , ary tsy eto @ politika no tokony ho hisy an'io na satria tsy mpiresaka politika elah teto , eny fa na mpiresaka politika aza ka raha nanoratra mikasika ny fitiavana ahy ohatra dia nalefako any ny dinika nataoko , ary marina ny tenin'ny namana raha tary @ finoana na hatsikana na eritreritra mandalo ny resaka dadarabe fa tsy eto
10. antimpanahy ( 03/12/2009 13:37)
Tsy dadarabe no resahiko eto fa Ravalomanana sy ny odilahy fanaony ary ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harempirenena sy ny fomba fanangoleny ny tantsaha aminkery na aminkafetsena

misaotra anao
11. pikatti ( 03/12/2009 13:42)
Fika n'antitra lesy zany a, resaka Rajoelina bedoika zao no malaza fa aza manodin-dresaka
12. Noue ( 03/12/2009 13:46)
sady resaKé :evil: :evil: :evil: :evil:
13. pikatti ( 03/12/2009 13:48)
Noue :-* :-* :-*
angano be , eny ary klou e a+
14. antimpanahy ( 03/12/2009 13:53)
tsy tsara ve anaka ny mifanaja noho ny mifanadrohadro , mino aho fa lehilahy lehibe ianareo ary afaka mandanjalanja tsara ny zavatra izay ho lazaina ,raha tsy mety aminao ilay hevitra marina navoakako teto dia afaka mamaky fotsiny isika fa tsy manao tsy fifanajàna ,fa ny resako dia marina ary natrehako

misaotra anao
15. Rajakoo ( 03/12/2009 14:10)
Resaka devoly e, dadarabe é, inona raha tsy resak'olona midelira fotsiny =)) =)) =))
16. antimpanahy ( 03/12/2009 14:15)
Raha izay no hevitrao irery fantatrao fa marina dia tazony ho anao izany ,fa ny zavaboalaza dia marina tsisy kianina daholo


misaotra anao !
17. pikatti ( 03/12/2009 14:47)
Resaka devoly e, dadarabe é, inona raha tsy resak'olona midelira fotsiny

nanamaina rawix de tsy nahazaka ny dôziny,ajanony leisy refa tsy zakan'elaha a :-D :-D :-D
18. antimpanahy ( 03/12/2009 14:55)
mbola mangataka anao ihany aho anaka, azafady mba afaka manao resaka mifanaja ve raha azo hatao ?
Ny marina no holazaiko eto ka raha tsy zakanao ny resaka marina dia mamakia fotsiny ianao fa aza mamaly satria betsaka ireo namantsika liana eto


misaotra anao !
19. Mirananirina ( 03/12/2009 15:07)
Fika n'antitra lesy zany a, resaka Rajoelina bedoika zao no malaza fa aza manodin-dresaka
zany mihitsy
sady resaKé
salut noue
Tsy dadarabe no resahiko eto fa Ravalomanana sy ny odilahy fanaony ary ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harempirenena sy ny fomba fanangoleny ny tantsaha aminkery na aminkafetsena
raha nanao ody izany izy ,toa tsy tafala mandrapahafatiny teo aminy fitondrana koa.Sa tena mahery ny odin'i tgv nanala azy teo :x
20. antimpanahy ( 03/12/2009 15:14)
miranirina____

vakio tsara ny dinika nandeha rehetra dia mieritrereta lalina vao mamaly fa betsaka zavatra ahaliana anao ao , aza misendaotra mihitsy fa politika ilaina valiny ity ary aza misalasala mamaly na manontany ianao


misaotra anao !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0417