Mangata bavaka tompoko

1. roxanaha ( 13/11/2009 20:21)
Miarahaba antsika rehetra,

Izaho dia efa nanoratra dinika teto @ forum fa manana olana @ tsy fanana anaka. Natao anefa ny analyse isankarazany dia salama daholo izahay mivady.
@ alahady zao aho no hanomboka hinana fanafody pour stimulation ovarienne. Fanafody hoanina mandritra ny 23 jours/cycle mandritra ny 3 cyles. Miala tsiny @ détail sy ny teny vary @ anana.
Tao anatin'ny herintaona zay ranomaso no nangrakotra ny fiainako.
Noho izany dia mangataka anareo zay afaka hivavaka ho ahy mba hanao izany satria mino aho fa ny vavaka dia afaka hanao zava dehibe ho an'ny tsirairay. Mba hisy ny herin'i Jesosy ny fanafody zay hoaniko ka tsy ho ela aho dia hanananaka.
Ampanetretena no angatahako izao fanirina hitondra am bavaka zao
Misaotra mialoha tompoko
novalian'i niryna ny 16/12/2009 10:47
2. ni81 ( 13/11/2009 20:27)

Mirary soa tokoa ary dia hivavaka ho anareo mba ho tojo ny tanjona hiriana e! :-*
3. tywa68 ( 14/11/2009 12:57)
Roxanaha sy ni81 > Ho ekeny anie ny vavaka atolontsika, amen :-* :wink:
4. xxx ( 15/11/2009 11:34)
Hataovy mafy ny finoanao dia hamaly anao izy ,fa any no tena sarotra a@fivavahana ilay mora kivy dia mihena ny finoana ny fahatanterahan'ilay zavatra hangatahina ,asio finoana hoy i mamanay izay na dia efa maty aza izy fa hataovy ohatra izay dia ho tanteraka ,mirary soa anao.
5. cutie ( 16/11/2009 14:57)
: roxanaha [ Valio ] 13-11-2009 21:21:52
Lohateny : Mangata bavaka tompoko
Miarahaba antsika rehetra,

Izaho dia efa nanoratra dinika teto @ forum fa manana olana @ tsy fanana anaka. Natao anefa ny analyse isankarazany dia salama daholo izahay mivady.
@ alahady zao aho no hanomboka hinana fanafody pour stimulation ovarienne. Fanafody hoanina mandritra ny 23 jours/cycle mandritra ny 3 cyles. Miala tsiny @ détail sy ny teny vary @ anana.
Tao anatin'ny herintaona zay ranomaso no nangrakotra ny fiainako.
Noho izany dia mangataka anareo zay afaka hivavaka ho ahy mba hanao izany satria mino aho fa ny vavaka dia afaka hanao zava dehibe ho an'ny tsirairay. Mba hisy ny herin'i Jesosy ny fanafody zay hoaniko ka tsy ho ela aho dia hanananaka.
Ampanetretena no angatahako izao fanirina hitondra am bavaka zao
Misaotra mialoha tompoko

enga anie ka homba anao jeso: "Raha mitolona ady sarotra, Matokia fa tsy ho irery, Homba anao jeso mahery , Homba anao tsy miady varotra "
6. bichette ( 17/11/2009 07:15)
Mivavaka ho anao !
7. xxx ( 17/11/2009 10:01)
Raha tena mpino an'i Kristy ianao dia tsy tokony hivaky loha amin'izany tsy fiterahana izany.
SitrapoNY no tsy hanomezaNY zanaka anao ary tsarovy fa maro BE ireo zaza tsy ampy fivelomana mila sy miandry ny famonjena avy any aminao.
8. roxanaha ( 17/11/2009 18:25)
xxx:

Raha tena mpino an'i Kristy ianao dia tsy tokony hivaky loha amin'izany tsy fiterahana izany.
SitrapoNY no tsy hanomezaNY zanaka anao ary tsarovy fa maro BE ireo zaza tsy ampy fivelomana mila sy miandry ny famonjena avy any aminao.

Misaotra betsaka anareo mahatsiaro am bavaka, ny Tompo anie hamaly soa anareo.

XXX
Azafady juste pour connaissance, mba omeo anarana vehivavy, raha misy ,ao @ baiboly nangataka zanaka ka novalin'Andriamanitra hoe mety aminao zao momba zao, zao no sitrapoKO, ka dia nijanona ho momba mandrapahafatiny.

Izaho kosa dia mino zay voalaza ao @ Matio 7:7-13. Noho izany dia hangataka aho satria ny Raitsika any an danitra no nampanantena valim bavaka.
Gen 21 :2Sarah
Gen 25 :21 Rebecca
Gen 30 : 21-22 Rachel
1 sam 1 :27 Hana
Mpitsara13 :2-3,24 momba ny renin'i Samson
Rota 4 :13 Rota
Luc 1 :7,24,25 tantaran'i Elizabeta

9. Ratoa ( 17/11/2009 18:36)
roxanaha: tsara ny mivavaka fa "Andriamnitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany", fitenin'i mamanay. Tsara koa ny fandehanana eny amin'ny dokotera. Fa tsy misy maha ratsy azy ny mijery reninjaza, indrindra raha ao M/car no misy anareo. Mahay izy ireny, ary misy hainy tsy hain'ny dokotera vazaha na ireo nianatra tenyamin' fac.
Indraindray horina fotsiny ianao sady mivavaka izy dia mipetraka ny zaza.
10. ni81 ( 17/11/2009 18:50)
Raha tena mpino an'i Kristy ianao dia tsy tokony hivaky loha amin'izany tsy fiterahana izany.
SitrapoNY no tsy hanomezaNY zanaka anao ary tsarovy fa maro BE ireo zaza tsy ampy fivelomana mila sy miandry ny famonjena avy any aminao.
Mety ho azo ekena ny tenin'i xxx6 fa hoe tsy tokony hivaky loha @ zany tsy fiterahana izany sns i roxanaha raha toa izy ka :
- efa tsisy ovaires sy utérus intsony

Fa raha toa ka mbola misy zavatra hafa azony atao kosa moa maninona izy no tonga dia hianona @ zao fotsiny?
Asa aloha fa mba hevitro iny a!
11. fahamarinana ( 17/11/2009 18:52)
:arrow: Ratoa : tsy hoe hiaro any Roxanaha aho tsy akory,izy rahateo angamba tsy mila izay !Fa kosa efa maromaro ihany ny dinika napetrany teto raha nahatsikaritra ise mikasika io tsy fananay anaka io ary maro koa ny toro-hevitra efa nalefa teto,isan'izany ny otra,renin-jaza sns sns ....vavaka koa nisy nitondra hevitra ,ary io no etape manaraka dia mba entina am-bavaka tsotra fa izay no mba iriny ! Tsy hoe hanao morale sy toro-hevitra intsony isika fa vavaka monja e ! Mampaninona antsika moa manohana azy amin'izay ?
Roxanaha : Dia mahereza rahavako fa mbola betsaka no lalovana ,atao ambony hatrany ny morale !Mirary soa ! :D (l)
12. roxanaha ( 18/11/2009 17:08)
Ratoa, merci @ torohevitra. Zaho moa dia aty ivelany ary misy dokotera efa manaraka ahy. Rehefa manao vacances ngamba no hanararaotra hijery reninjaza, nefa manantena aho fa alohan'ny vacances @ heritaona dia hamaly vavaka ny Tompo :D :D :D

Fahamarinana: misaotra betsaka fa azonao tsara ny tiko hatongavana. :-* :-* :-*

Mirary soa ho antsika rehetra
13. ikaretsaka ( 19/11/2009 11:59)
Avelao fotsiny ho tanteraka ny sitrapon'Atra e. Ny fanekenao izay no vavaka manan-danja indrindra: izany hoe raha tiany ny hiterahanao de zay zany...raha tsy tiany de zay zany...
14. roxanaha ( 20/11/2009 09:04)
ikaretsaka:

Avelao fotsiny ho tanteraka ny sitrapon'Atra e. Ny fanekenao izay no vavaka manan-danja indrindra: izany hoe raha tiany ny hiterahanao de zay zany...raha tsy tiany de zay zany...

ka afaka hanao inona kou moa eo anatrehan'ny fitondran'Andriamanitra????
nefa ny Tompo misy antony matoa miteny hoe: "mankanesa aty amiko ianareo zay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no hanome fitsaharana ho anareo".Matio 11:28
"N'inoninona angatahinareo @ anarako dia ataoko izany mba hankalazana ny Ray eo @ Zanaka.
Raha mangataka zavatra @ anarako ianareo ,dia ataoko izany" Jaona 14:13,14
Entiko eto ihany ny valin'ny fangatahatsika tsirairay refa tonga ilay andro malaza hiarahana mifalifaly.....
15. ikaretsaka ( 20/11/2009 18:14)
Fa aza adino fa ligne faha 3 any @ vavaka nampianarin'ny Tompo ny fanekena ny sitrapon'Atra ho tanteraka ao aminao fa tsy ny fanerenao an'Atra hanatanteraka izay revinao fotsiny
16. roxanaha ( 21/11/2009 09:29)
ikaretsaka:

Fa aza adino fa ligne faha 3 any @ vavaka nampianarin'ny Tompo ny fanekena ny sitrapon'Atra ho tanteraka ao aminao fa tsy ny fanerenao an'Atra hanatanteraka izay revinao fotsiny

Ny sujet-ko dia fangatahambavaka, fa tsy hoe tokony hanaiky ny sitrapon'Andriamanitra ve aho sa tsia? Noho izany raha nivavaka ho ahy ianao dia misaotra anao, raha tsy nivavaka misaotra anao ihany koa. Ny Tompo hitahy anao hatrany.
17. ni81 ( 22/11/2009 21:07)
ka afaka hanao inona kou moa eo anatrehan'ny fitondran'Andriamanitra????
nefa ny Tompo misy antony matoa miteny hoe: "mankanesa aty amiko ianareo zay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no hanome fitsaharana ho anareo".Matio 11:28
"N'inoninona angatahinareo @ anarako dia ataoko izany mba hankalazana ny Ray eo @ Zanaka.
Raha mangataka zavatra @ anarako ianareo ,dia ataoko izany" Jaona 14:13,14
Entiko eto ihany ny valin'ny fangatahatsika tsirairay refa tonga ilay andro malaza hiarahana mifalifaly.....
:? aza mitsahatra mangataka fa mahazo raha toa mahasoa e! :-*
18. rzakarivola ( 25/11/2009 12:45)
roxanha ... ndeha hiara-hivavaka aza isika e.
Rainay izay any an-danitra ô!
Ianao no Tompon'izao rehetra izao, mpamorona, ary amin'ny maha-Ray anao dia hainao tanteraka ny mahatanteraka ny impossible, fa tahaka ny nahatanteraka ny fahaterahan'i Jesoa Kristy tao amin'ny tovovavy virjiny, dia hainao ny mahatonga zanaka ao amin'izay momba, na ny efa antitra.
Fantatray ny amin'ireo vehivavy voatanisa ao amin'ny Baiboly.
Fantatray koa, satria efa nampianarin'i Jesoa fa "vao tsy mangataka akory izahay dia efa hainao izay tokony ho anay.
Fantatrao noho izany, raha tokony ho an'i roxanha ny hiteraka.
Ny teninao ihany no milaza, fa "tamby ny ateraky ny kibo", ary "sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipikany amin'ireny, fa tsy ho menatra raha hifamaly ami'nny fahavalo eo am-bavahady".
Inoanay, fa fahasambarana no tianao ho anay, ary tianao indrindra ho an'i roxanha izany. Koa ampianaro izahay hahalala ny fihevitrao hahatanteraka izany ao amin'i Jesoa Kristy, fa ho anay, y zavatra rehetra dia omenao amin'ny anaran'i Jesoa Kristy, ary ny anaraNy dia "Jehovah no Mpamonjy", omenao izany ho famonjena anay, ho famonjena an'i roxanha.
Misaotra anao ry Tompo fa tsy i roxanha irery no hahazo fampaherezana, fa izahay izay mino anao, ary matoky fa ianao no efa miteny aminay amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Lahitokana, mba hahatonga anay koa ho zanakao.
Amen!
19. ikaretsaka ( 25/11/2009 13:48)
"Mon Dieu, donnez-moi la sérénité d'accepter ce que je ne peux changer, le courage de changer les choses que je peux changer et la sagesse d’en connaître la différence. De vivre un jour à la fois, d’apprécier un moment à la fois, d’accepter les épreuves comme le chemin vers la paix, d’accepter, comme Jésus l’a fait, ce monde comme il est, et non comme je voudrais qu’il soit"
20. ravonjison ( 25/11/2009 17:13)
Raha efa fantatra fa salama ianareo roa dia izay no manandanja. Na ho ela na ho aingana dia ho avy ny zaza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2184