Mangata bavaka tompoko
21. roxanaha
(
25/11/2009 21:01)
Tsy hitako zay lazaina afa tsy ny misaotra anareo rehetra. Mino aho fa tsy ho ela dia hisy valiny izao vavaka zao.....
22. rzakarivola
(
02/12/2009 11:44)
Hoy i Jesosy hoe : "Raha miray amiko ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo fa hataoko izany".
23. niryna
(
16/12/2009 10:28)
rzakarivola:Misaotra anao nivavaka ho azy
roxanha ... ndeha hiara-hivavaka aza isika e.
Rainay izay any an-danitra รด!
Ianao no Tompon'izao rehetra izao, mpamorona, ary amin'ny maha-Ray anao dia hainao tanteraka ny mahatanteraka ny impossible, fa tahaka ny nahatanteraka ny fahaterahan'i Jesoa Kristy tao amin'ny tovovavy virjiny, dia hainao ny mahatonga zanaka ao amin'izay momba, na ny efa antitra.
Fantatray ny amin'ireo vehivavy voatanisa ao amin'ny Baiboly.
Fantatray koa, satria efa nampianarin'i Jesoa fa "vao tsy mangataka akory izahay dia efa hainao izay tokony ho anay.
Fantatrao noho izany, raha tokony ho an'i roxanha ny hiteraka.
Ny teninao ihany no milaza, fa "tamby ny ateraky ny kibo", ary "sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipikany amin'ireny, fa tsy ho menatra raha hifamaly ami'nny fahavalo eo am-bavahady".
Inoanay, fa fahasambarana no tianao ho anay, ary tianao indrindra ho an'i roxanha izany. Koa ampianaro izahay hahalala ny fihevitrao hahatanteraka izany ao amin'i Jesoa Kristy, fa ho anay, y zavatra rehetra dia omenao amin'ny anaran'i Jesoa Kristy, ary ny anaraNy dia "Jehovah no Mpamonjy", omenao izany ho famonjena anay, ho famonjena an'i roxanha.
Misaotra anao ry Tompo fa tsy i roxanha irery no hahazo fampaherezana, fa izahay izay mino anao, ary matoky fa ianao no efa miteny aminay amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Lahitokana, mba hahatonga anay koa ho zanakao.
Amen!
Ny Tompo anie anome fiadanana ho azy mivady
^:^ =D> ^:^
24. niryna
(
16/12/2009 10:47)
Ho tohiny vavaka nomen'ny namana dia manome hery anao koa aho hitantara ireto zava-misy ireto:
Nisy olona tsy niteraka mihitsy izy mivady ary fotoana fohy kely fotsiny no ahafahany manana anaka ao anatin'ilay fotoana iray isam-bolana izay mety mahabevohoka ny vehivavy,ela be taty aoriana vao itan'ny dokotera izany ary dia narahany akaiky ilay izy ary dia tera-dahy ilay olona izao.
Nisy olona naniry ny hiteraka ihany koa izy mivady saingy maro ireo zaza kamboty niandry azy ireo ary ireo no nomen'Atra azy mivady,dia ny hitaiza zaza-kamboty ao amin'ny fianakaviana,mafy izany kanefa kosa fantatr'Atra fa tsy ho vitan'ireo hafa izany dia izy mivady no nomen'Atra fahasoavana itaiza ireo kamboty ary dia toy ny zanany naterany tokoa ireo zaza.
Nisy olona maty ny anadahiny ary kamboty ireo zaza fa lasa ilay ramatoa nanambady,na dia efa an-taonany maro aza izy mivady no naniry zaza dia noraisin'izy ireo ho toy ny zanany ireo zaza ary nantsangany ho zanany ireo zaza mirahalahy.Tsy nieritreritra ny hiteraka intsony izy mivady kanjo nisy fahagagana fa bevohoka ilay ramatoa ary dia teraka soa amantsara izy izao
Nisy indray tsy te-isaraka izy mivady ary dia noteneniny ny rahalahiny mba anome zanaka ilay vadiny,niaraka izy telo mianadahy nandeha toerana iray ary dia nanao mamo izy ireo satria menatra hono,tsy nipetraka anefa ilay zaza ary dia niverina fanindroany izy mihoatra ary dia niteraka lahy ilay ramatoa,hatreo ihany no niarahan'izy ireo ary lahy tokana ihany koa no zanany dia tsy nisy intsony
Misy iray ihany koa mirahavavy ary nalainy ny zandriny ary izy mianakavy no mitaiza ilay zaza
Ny fahagagana dia misy isan'andro ary miandry izany isika rehetra ary isaorana ihany koa Izy nanome izany antsika amin'ny lafiny maro
Maro,maro no mitranga amin'ny fiainantsika ary misy antony avokoa izany fa aza kivy,apetraho eo am-pelantanaNy mandrakariva ny fiananareo mivady ary misaora azy amin'izay lalana nitondrany anareo,mino ihany koa fa izay rehetra mahasoa antsika no ataony ho tanteraka raha mino azy tokoa isika
Aza mitsahatra ny mivavaka sy manankina ny fiainana amiNy .....enga anie izay mahasoa sy mahatsara anay no ataovy tanteraka araka ny sitrapoNao. Mahereza .Ny fahasoavan'ny Tompo anie ho ao aminareo mivady mandrakariva (l)niryna