Mivavaha!...

41. rzakarivola ( 27/11/2009 08:35)
ravonjison:

Fa ny ao amintsika, ry zareo lohandohan'ny mpisorona mbola miady seza, niady hevitra tao Maputo, avy eo ao Addis Abebas...
Ny maty maty ihany, ny mahantra mahantra ihany !!!
Misy fomba foteny vazaha izay : " Ny trondro hono maimbo hatrany @ lohany.."
Mampieritreritra mihitsy isika gasy itý .

==> Evident izany izay ny tsy mety! Ny ilaina dia ny vahaolana. Tsy misy manana fahefana ambony indrindra afa-tsy Andriamanitra, ary tsy misy mahalala indrindra ny zava-miafina afa-tsy Andriamanitra ... noho izany, ny vahaolana dia ao amin' Andriamanitra. Ka ilay tenin-drakaroka hatrery ambony no mety, mivavaka mba hahalala ny tokony hatao isika.
"Rainay izay any an-danitra ô!
Hohamasinina anie ny anaranao
.
Raha mba rainay ihany ianao, raha mba Tsitoha ihany ianao, raha mba anao tokoa ny fanjakàna sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Moa ve voasakana raha ianao no miasa mba hamonjy anay? hamonjy an'i Madagasikara, dia izao tontolo izao koa ?
Vao tsy mangataka izahay dia efa hainao avy hatrany fa famonjena no ilainay, koa nahoana moa no tsy omenao izany raha ianao tokoa no Fitiavana?
Izahay olona aza, miaiky fa tsy tanteraka, miaiky fa manana fahalemena, kanefa dia mikajy mafy sy mikatsaka izay hahasoa ny fianakavianay sy ny taninay. Ianao izay inoanay fa mpamorona ve tsy mihoatra lavitra noho izany?
Ianao indray ve no hambakanay ?
Koa raha anao ny fahefana rehetra, ianao fitiavana, nahoana no avelanao mitranga aminay izao ary mbola tsy mivaha foana ny olana ?
Mivavaka ihany izahay hoe : 'ho tonga anie ny fanjakanao', kanefa maro no tsy mahalala akory izany vavaka izany, manao ihany izahay hoe 'hatao anie ny sitraponao', kanefa fantatray am-po ve ny sitraponao ? Irian'ny fonay ve izany ?
Ianao no mahalala ny ao am-pon'ny tsirairay, tsy misy mila ampahafantarina anao fa hainao, satria ianao no namorona anay, ary ianao koa aza efa nandefa ny Zanakao Lahitokana tao anaty nofo aman-drà, hilanja ny hazo fijaliana. Koa tsy misy fijalian'ny nofo izay tsy fantatrao.
Fantatray théoriquement ihany, fa Ianao no Vatolampy famonjena ho an'izay mitoky aminao. Ka moa ve ny antony tsy mahavoavonjy anay dia satria izahay mihitsy no tsy mitoky aminao?
Mivavaka izahay, mivavaka daholo na ny mpitondra na ny entina, na ny mpanohitra na ny mpomba, kanefa ny fiainanay tsy miova. Ianao ve no tsy mpamaly vavaka, sa izahay no tsy mahay mivavaka? Raha Fitiavana ianao, dia manome zava-tsoa na dia tsy angatahina aza, ary na dia ratsy aza no angatahinay aminao, dia ianao koa no mahay manoro anay izay tsara indrindra.
Efa nampianatra anay hivavaka i Jesoa Kristy, ary na dia amin'ireo izay tsy mahalala an'i Jesoa Kristy aza, nampianarin'ireo Ray aman-dReniny sy ny tany aloha nivavaka izy ireo.
Ankehitriny, tianay mba hahomby ny vavakay, araka ny teny hoe : 'fa ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra'.
Koa aoka ho marina izahay, fa ianao Andriamanitra marina, tsy misy fitongilanana aminao, tsy misy fiangarana fa izay diso dia diso eo anatrehanao, ary manana ny sazy ara-drariny mifandraika amin'ny fahadisoany.
Aoka ny fonay Tompo hitady sy hangetaheta ny fahamarinana mandrakariva.
Aoka ny vavakay, mba tsy ho amin'ny fiatsaram-belatsihy, na ny tsi-finoana, fa ho amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. Dia hahery koa izany ka izay hangatahinay rehetra aminao dia ho azonay, ary hifaly izahay noho izany.
Misaotra Tompo ô! Amen"
42. rzakarivola ( 27/11/2009 08:37)
ravonjison:

Izay tokoa ilay lohaevitra e, fa ny ahy raha manana fotoana 1ora aho dia aleko 15min mivavaka, dia 45min mitady vahaolana concret !! na koa 45min hanazavako @ ireo olona mitady asa any andafy hoe inona avy ny risque sy ny avantage azo avy @ izany( ohatra raha possible)

==> I Jesoa niteny hoe : "fa ianao rehefa mivavaka, dia mankanesa ao amin'ny mangingina, ka rehefa voarindrinao ny efitrao mangina, ny Rainao izay mahita ao amin'ny mangingina hamaly anao".
Mety ho tsara ve raha toa ka 15mn mivavaka (mihaino ny Ray), ary 45mn mampihatra (pratique) ny valiny voaray tao amin'ny mangingina?
43. rzakarivola ( 27/11/2009 08:58)
rakaroka:
Ohatra nisy namana gasy izay 'zao
manahy manao "réparation électronique" ireny , dia mahavelona azy izany !
Ny efa noeritreretina koa mi-créer hetsika professionalisé-na . Ary ny manahirana kely ny saiko eto, misy @ lasa ministra eo 'reo no nanana "projet" milay BBbbbbe izay , ary tena possible ilay izy raha toa tafapetraka maharitra any izy satria "tadiavina BBbe izy aty sy saiky maneraka, dia saika hoe any Dago no hanaovana ny "centrale" de ...
dia mbô ny vazaha @ izay no hitady antsika avec ses devises @ izay!
Saingy ity fitondrana moa toa tsy hay Bbbe ihany!...Ka 'zany 'zao efa mise en placen'ny création d'emploi any no kasaina anefa toa voakifik'ity adilahy politika ftsn , dia asa re ...hanao ahoana ???? :roll: :? :x

==> Ity tenin'i Rakaroka ity toa maneho hoe, tsy dia ny plan vita rafitra milay be no mampisy ny réussite fa misy hery hafa mihitsy ao manome consentement izay vao afaka ho tanteraka ny drafitra maty paika. Koa inoako fa izay tompon'ny hery rehetra, fahefana faran-tampony no manome izany fankatoavana (na tsia) izany. Miverina amin'ny lohahevitr'i rakaroka ihany e! Ndeha hivavaka mba hanomezan' Andriamanitra consentement hahatanterahan'ny projets tsara rehetra.
"Rainay izay any an-danitra ô!
Aoka tsy ho reraka ny fonay mivavaka, fa mba hahazo hery aza.
Aoka ho tahaka ny ilàn'ny nofonay ny respiration, no ilàn'ny fanahinay ny vavaka.
Fantatray fa Ray tia anay ianao, ka na dia tsy manao na inona na inona mendrika ny maha zanakao aza izahay, dia ianao no naneho ny fitiavanao handray anay ho zanaka, tamin'ny nandefasanao ny Zanakao Lahitokana tety an-tany, hiharan'ny fanamelohana noho ny fitsaranao marina ny helokay.
Ny fahotanay no manakona ny famirapiratan'ny tavanao aminay, mba hifalianay sy hahomby ny fikasanay rehetra. Ary raha mbola misoratra ihany ny fahotanay, ao anaty fitadidianay, no sady mbola manota ihany izahay eny anivon'ny fiainanay, dia mbola ho sakana hatrany izany tsy hatokisanay ny fitiavanao!
Koa na dia fantatray en théorie aza fa ianao dia Ray, noho izany tia anay, ary Tsitoha, noho izany tsy misy mahasakana raha hanatanteraka; mandrakariva, eo anatrehan'ny olana mitranga, tahaka ity voalazan-drakaroka ity, dia hadinonay ny mitodika aminao hanetsika ny ratsan-tananao hanala ny sakana tsy ahatanterahan'ireny drafitra maty paika, izay heverinay tokoa ho fanasoavana ireny.
Moa ve misy mitady fanasoavana ny olona mihoatra anao?
Koa raha sakananao tsy ho tanteraka ny asa heverinay fa fanasoavana, moa ve izany tsy manana mahasoa bebe kokoa noho izany ianao? Sa tianao ihany ireny ho tanteraka, saingy ny sakana ataonao dia mba ho amin'ny fotoana mendrika no hahatanterahany?
Tsy izahay no mahalala fa ianao, sombintsombiny ny fahalalanay ry Tompo, fa ianao no tanteraka amin'ny zava-drehetra : hery, fahalalana, fitiavana.
Ampianaro ny fonay hitoky amin'ny fahatanterahanao, hino ny herinao! Fa tsy amin'ny tenanay sy ny fahaizanay.
Efa teninao ny hoe : 'ny heriko dia tanterahina amin'ny fahalemenao'. Koa raha tianay ny hahita ny herinao hahatanteraka sy hanasoa, dia aoka ny fonay hanaiky ny fahalemenay.
Amin'izay, na inona na inona tanterahinay, dia tsy izahay no hanatanteraka azy fa Ianao irery ihany, koa tsy ho diso fanantenana izahay, tsy ho menatra fa tena hahazo antoka ny vokatry ny asanay,
Amen"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.007