Mamela heloka marina ve A/tra?

1. rakapy ( 28/10/2009 11:26)
Raha ny voalaza ao @ baiboly ny momba ny tantaran'i Adama sy Eva dia napetrak'A/tra teo avovoan'ny sahan'i Edena ilay hazo voarara.
Ilay hazo ahafantarana ny ratsy sy ny tsara, ilay hazo nahatonga fahafatesana .
Voaozona ary ny taranak'olombelona satria nihinana ny voan'io hazo io. Ka lasa nahalala ny ratsy sy ny tsara, nahita fahafatesana, lasa nijaly sns...

Dia mbola ao @ baiboly ihany no nahitana fa nalefan'A/tra ny zanany lahy tokana mba hanavotra ny olombelona.

1/Namela ny helokin'ny zanak'olombelona marina ve A/tra? Raha namela heloka izy dia inona no fiovana nisy teo @ fiainan'ny olombelona hatramin'ny nihinanan'i Adama sy Eva ilay voankazo?
Tsy nahalala ny ratsy sy ny tsara intsony ve isika aty aoriana?
Tsy mety maty intsony toy ny taloha ve isika?
Tsy misy fijaliana intsony ve eto an-tany satria voavela ny heloka?

2/ Ary nahoana no mijaly sy mety maty koa ny biby sy ny zava-maniry? nanota koa ve izy ireny?
novalian'i fijo ny 10/12/2009 23:30
2. rakapy ( 28/10/2009 11:29)
1/Namela ny helokin'ny zanak'olombelona marina ve A/tra? Raha namela heloka izy dia inona no fiovana nisy teo @ fiainan'ny olombelona hatramin'ny niavian'i kristy

Azafady fa ity no tokony fanotaniana nipetraka
3. ikaretsaka ( 28/10/2009 12:52)
tsara faritana angamba aloha ny hoe inona no atao hoe "heloka"...

satria ny "helok' al quaida" sy ny "helok'Amerikanina" dia samy afaka miteny hoe meloka izy na tsy meloka izy fa misy antony ny raha ataony
4. rzakarivola ( 28/10/2009 13:42)
1 - Inona ny antsoin' Andriamanitra hoe : fahafatesana ho an'ny olona ?
==> Andriamanitra dia Fanahy, ary namorona ny olona tahaka ny endriNy, izany hoe fanahy, ny fanahy no olona.
Izao no voasoratra : "Fa amin'ny andro izay hihinanao ny voan'io hazo io dia ho faty tokoa ianao". Ny andro nihinanan'izy ireo ny voankazo no maty izy ireo (satria Andriamanitra tsy mandainga).
Mety ho hoy ianao hoe : "ko maninona no mbola nanjaitra ravin'aviavy ... ?"
Ny antsoin' Andriamanitra hoe maty, dia "tafasaraka amin' Andriamanitra".
"Tsia, tsy fohy ny tanan' Andriamanitra ka tsy mahavonjy, na lalodalovana ny sofiny ka tsy handre anareo; fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin' Andriamanitra"
2- Namela ny helokin'ny zanak'olombelona marina ve A/tra ?
==> Eny, namela ny heloky ny olona tokoa Andriamanitra, izany hoe 'tsy hamaly azy noho ny helony'. Ary ankoatra ny famelan-keloka, dia nampanantena fa "hanangana azy amin'ny maty". Izany hoe, handrava ilay efitra mampisaraka ka ho tafaray aminy indray.
3- Raha namela heloka izy dia inona no fiovana nisy teo @ fiainan'ny olombelona hatramin'ny niavian'i kristy ?
==> Ny niavian'i Jesoa Kristy tamin'ny nofo nampijaliana sy nalatsa-drĂ  no porofon'ilay valin-teny 2-. Ity tenin'i Jesoa ity no mamintina ny tohin'ny fiainan'ny olombelona : "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay mino ahy na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay velona ka mino ahy, dia tsy ho faty mandrakizay"
4 Ary nahoana no mijaly sy mety maty koa ny biby sy ny zava-maniry? nanota koa ve izy ireny?
==> Misy biby anakiray hitako voasoratra ao amin'ny baiboly fa voaheloka, satria avy aminy koa aza no nahatonga ny olona nanota : ny bibilava.

NB : "Ary Andriamanitra nandroaka an'i Adama sy Eva niala ny saha Edena ...". Tsy ao amin'ny saha edena isika izao fa ivelany.
5. cutie ( 28/10/2009 14:30)
Voalaza teo :
1/Namela ny helokin'ny zanak'olombelona marina ve A/tra? Raha namela heloka izy dia inona no fiovana nisy teo @ fiainan'ny olombelona hatramin'ny niavian'i kristy

reny martiora sy ny tariny reny nga tsy fantatry rakapy :)
6. rakapy ( 28/10/2009 16:55)
Rzakarivola> Ilay fomba filazanao azy mihintsy no vao maika maha maizina ny resaka. Teny feno fiolakolahana sy tsy mahintsy no mahatonga ny olona sasany tsy hiraika @ baiboly, dia avy eo tsarainareo fa devoly izy ireny rehefa tsy miraika.

Firy taona ary no nisian'izany Adama sy Eva izany? Ary nahoana no mbola maty foana ny olombelona? efa tonga i jesosy, mbola maty ihany.
Moa tsy midika va izany fa tsy voavela ny heloka?

Ary nahoana moa no tsy lazaina mazava fa rindrina mampisaraka ilay fahafatesana fa arirarira toy izany e. Lasa toa lainga ilay teny voalaza fa tenin'A/tra.

reny martiora sy ny tariny reny nga tsy fantatry rakapy

Maritiora @ ahoana ,tsy azoko?
7. cutie ( 28/10/2009 20:06)
Voalaza teo :

reny martiora sy ny tariny reny nga tsy fantatry rakapy

Maritiora @ ahoana ,tsy azoko?

ry rasalama martiora e
8. rakapy ( 29/10/2009 06:44)
Cutie> Ka tsy hitako mihintsy no hidiran'ny maritiora @ ilay resaka famelan'A/tra heloka. Sa ve heverinao fa voavela heloka ireny maritiora ireny? Tsy misy mahafantatra ny valiny angamba isika eto. Maritiora ,maty nohon'ny anaran'A/tra eo masontsika olombelona izy ireny fa tsy misy mahafantatra izay hevitr'A/tra ny momba azy ireny isika.
Hoy Ika
tsara faritana angamba aloha ny hoe inona no atao hoe "heloka"...

satria ny "helok' al quaida" sy ny "helok'Amerikanina" dia samy afaka miteny hoe meloka izy na tsy meloka izy fa misy antony ny raha ataony

Ka izay mihintsy anie ity resaka ity e! Toa hevitra avy @tsika olombelona no hitondrana ilay finoana fa tsy hevitra avy any @ A/tra tsy akory.
9. rzakarivola ( 29/10/2009 12:52)
rakapy:

Rzakarivola> Ilay fomba filazanao azy mihintsy no vao maika maha maizina ny resaka. Teny feno fiolakolahana sy tsy mahintsy no mahatonga ny olona sasany tsy hiraika @ baiboly, dia avy eo tsarainareo fa devoly izy ireny rehefa tsy miraika.

==> Ny teny hoe "devoly" dia midika hoe : mpiampanga, mpanendrikendrika.
Izaho miteny faran'izay mahitsy sy araka izay heveriko fa azon'izay mihaino, ary izany no ampiarahako fanoharana sy fijoroana vavolombelona azy.

rakapy:
Firy taona ary no nisian'izany Adama sy Eva izany? Ary nahoana no mbola maty foana ny olombelona? efa tonga i jesosy, mbola maty ihany.
Moa tsy midika va izany fa tsy voavela ny heloka?

==> "Izay mino ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray ...". Promesse ilay fananganana amin'ny maty, ary promesse misy garantie, ny garantie dia Izy Jesoa Kristy nitsangana tamin'ny maty, ary velona Izy, raha tsy velona Izy ka nandre ny feoNy aho tsy ho nijoro vavolombelona toy izao aho.
"... ary izay velona ka mino ahy, dia tsy ho faty mandrakizay" Tsy vitan'ny hoe hisy fitsanganana amin'ny maty, fa izay atsangana ho velona dia tsy ho faty intsony, izany hoe tsy hanota intsony mandrakizay, tsy ho tafasaraka amin' Andriamanitra intsony.

[quote=rakapy]Ary nahoana moa no tsy lazaina mazava fa rindrina mampisaraka ilay fahafatesana fa arirarira toy izany e. Lasa toa lainga ilay teny voalaza fa tenin'A/tra.[quote]
==> Efa nilaza aho io, ary tsy izaho fa ny tenin' Andriamanitra, fa inona no azoko atao rehefa tsy hino ny mandre ? Na Andriamanitra aza tsy afaka hanao na inona na inona aminy.
Aza atao iray harona izay milaza tena ho mpitory na kristiana rehetra, fa ny Baiboly afaka vakianao dia ampitahao @ Baiboly ny teniny, ary ny tenin'i Jesoa Kristy no ambony indrindra ao amin'ny Baiboly. Dia afaka ho hitanao mazava izay mitory an'i Kristy sy ny hafa.
10. rzakarivola ( 29/10/2009 13:00)
rakapy:

Cutie> Ka tsy hitako mihintsy no hidiran'ny maritiora @ ilay resaka famelan'A/tra heloka. Sa ve heverinao fa voavela heloka ireny maritiora ireny? Tsy misy mahafantatra ny valiny angamba isika eto. Maritiora ,maty nohon'ny anaran'A/tra eo masontsika olombelona izy ireny fa tsy misy mahafantatra izay hevitr'A/tra ny momba azy ireny isika.
Ka izay mihintsy anie ity resaka ity e! Toa hevitra avy @tsika olombelona no hitondrana ilay finoana fa tsy hevitra avy any @ A/tra tsy akory.

==> Hoy i Jesoa "Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy".
I Jesoa no mahalala ny hevitr' Andriamanitra, satria Izy dia tsy iza fa Andriamanitra no nitafy nofo tahaka ny olombelona, mba hampahafantatra ny tenaNy sy ny heviNy amin'izy ireo. Tsy hoe nilaza fotsiny ny hevitr' Andriamanitra Izy, fa nanome porofo fa tena tenin' Andriamanitra tokoa ny teniNy. Mandraka ankehitriny dia mbola manatanteraka izany Izy, amin'ny alalan'ny Fanahy Masina, izay miasa ao amin'ireo mpianaNy. Rehefa tsy hino ny Fanahy Masina ao amin'ny mpianatra ny olona dia tsy hisy afaka hinoany intsony hahafantarany an' Andriamanitra.
Ny Fanahy tsy hita maso, fa Jesoa nofo hita maso, ary ny mpianatr'i Jesoa dia hita maso, ary i Jesoa dia afaka ho hitan'ny olona eny amin'ireny mpianatra ireny.
Marina fa maro no mpisandoka milaza zavatra maro mampiasa ny anaran'i Jesoa Kristy, saingy ny fisian'ny vola sandoka tsy mahafoana velively ny vola tsy sandoka. Tahaka izany, misy tokoa ny tena mpianatr'i Kristy, afaka ahitanao ny pratique ny tenin'i Jesoa Kristy eo @ fiainany, ary tsy ny teniNy ihany fa ny heriNy miaraka amin'izany teniNy izany.
11. rakapy ( 29/10/2009 13:05)
Hoy Rzakarivola
==> Ny teny hoe "devoly" dia midika hoe : mpiampanga, mpanendrikendrika.
Izaho miteny faran'izay mahitsy sy araka izay heveriko fa azon'izay mihaino, ary izany no ampiarahako fanoharana sy fijoroana vavolombelona azy

Eto ianao dia milaza fa miteny mahintsy nefa dia hita fa feno hevitra ambadika :-D :-D :-D

==> Ny teny hoe "devoly" dia midika hoe : mpiampanga, mpanendrikendrika.

Maninona no tsy tonga dia lazaina hoe miapanga sy manendrikendrika ahy ianao Rakapy, devoly ianao ,fa eo no mody miolakolaka eo???
, raha tsy velona Izy ka nandre ny feoNy aho tsy ho nijoro vavolombelona toy izao aho

Ka aferanao sy izy izany fa tsy natao ho an'ny rehetra. Nahoana no tsy ny rehetra no naheno ny feony toy ny nadrenesanao azy fa ianao irery?
Aza atao iray harona izay milaza tena ho mpitory na kristiana rehetra, fa ny Baiboly afaka vakianao dia ampitahao @ Baiboly ny teniny

Tsy manao iray harona ireo mitono tena ho mpitory na ny xana rehetra aho fa teny atsipy ka samy mandray izay tandrify azy ny tsy1/1.
12. cutie ( 29/10/2009 13:14)
Voalaza teo :
Voalaza teo :
1/Namela ny helokin'ny zanak'olombelona marina ve A/tra? Raha namela heloka izy dia inona no fiovana nisy teo @ fiainan'ny olombelona hatramin'ny niavian'i kristy

reny martiora sy ny tariny reny nga tsy fantatry rakapy
. Mpandefa : rakapy [ Valio ] 29-10-2009 07:44:47
Lohateny : Re : Mamela heloka marina ve A/tra?
Cutie> Ka tsy hitako mihintsy no hidiran'ny maritiora @ ilay resaka famelan'A/tra heloka. Sa ve heverinao fa voavela heloka ireny maritiora ireny? Tsy misy mahafantatra ny valiny angamba isika eto. Maritiora ,maty nohon'ny anaran'A/tra eo masontsika olombelona izy ireny fa tsy misy mahafantatra izay hevitr'A/tra ny momba azy ireny isika

le fiovana hatramin'ny niavin'i Kristy lazain'i rakapy ery ambony no nilazako an'io martiora io fa tsy misy we famelana heloka akory ka :lol:

ataonao ahona moa ny hahalala raha tena namela heloka atra refa enao tsy mino fa efa namelany heloka lol


13. cutie ( 29/10/2009 13:16)
7. Mpandefa : rakapy [ Valio ] 29-10-2009 07:44:47
Lohateny : Re : Mamela heloka marina ve A/tra?
Cutie> Ka tsy hitako mihintsy no hidiran'ny maritiora @ ilay resaka famelan'A/tra heloka. Sa ve heverinao fa voavela heloka ireny maritiora ireny? Tsy misy mahafantatra ny valiny angamba isika eto. Maritiora ,maty nohon'ny anaran'A/tra eo masontsika olombelona izy ireny fa tsy misy mahafantatra izay hevitr'A/tra ny momba azy ireny isika

zay indrindra manko ry rakapy tsy misy mahafantatra zay hevitr'atra tsika ka manin aza rakapy no manontany raha mamela heloka Atra na tsia lol
14. rakapy ( 29/10/2009 13:27)
Hoy Cutie
ataonao ahona moa ny hahalala raha tena namela heloka atra refa enao tsy mino fa efa namelany heloka lol

Ka ny heloko dia hozakaiko satria ahy. Hamela moa izy tsara tsy amela izy dia eto aho izaka izay nataoko e! Sa???
Fa ny mety ho zava-doza sy handiso fanantenana ny maro dia ireo izay mihevi-tena fa voavela heloka nefa tsia :{ :{ :{ :{ :{
15. cutie ( 29/10/2009 13:30)
[quote]Ka ny heloko dia hozakaiko satria ahy. Hamela moa izy tsara tsy amela izy dia eto aho izaka izay nataoko e! Sa???
Fa ny mety ho zava-doza sy handiso fanantenana ny maro dia ireo izay mihevi-tena fa voavela heloka nefa tsia [/quote
ka refa mety aminao sy mazava aminao ny momba an'le heloka zakaina in no mbola manahirana @ le we mamela heloka marina ve atra :-D
16. rakapy ( 29/10/2009 13:32)

zay indrindra manko ry rakapy tsy misy mahafantatra zay hevitr'atra tsika ka manin aza rakapy no manontany raha mamela heloka Atra na tsia lo

Ka misy milaza sy miteny ary mahafantatra ny hevitr'A/tra sy efa niresaka t@ jesosy anie ato e! ka ho azy ireny ny fanotaniana.
17. cutie ( 29/10/2009 13:43)
hay ve e lol
tara ndray za :-D
18. rakapy ( 29/10/2009 14:26)
Ity ohatra iray
Voalaza teo :
Nitomany sy nilela-paladia azy ilay rangahy ny iverenany ary dia manontany antsika izy (ilay ramatoa io) raha mbola hiverina aminy na tsia,mba asio tsimpona kely izay afaka mizara tsimpona azafady e

==> Raha nanontany ny Tompo izy dia inoako fa ho ireto no valiny homen'ny Tompo azy :
1- Matio 28:18-20
2- I Korintiana 7:10-14
19. cutie ( 29/10/2009 14:43)
:-D :-D :-D :-D
20. soanja ( 29/10/2009 20:43)
Ny meloka eo anatrehan'ny samy olombelona/ fiarahamonina/ ny tenanao/ ny zavaboary dia misy tokoa. Fa ny heloka eo anoloan'Andriamanitra dia zava-tsy fantatra tokoa.

N'inona n'inona izay ataonao dia Andriamanitra manam-pitiavana anao ary ho anao mandrakizay. Isika no mila mahalala hoe ny fitiavany dia mitambatra lalandava amin'ny fitiavany ny hafa. Koa anjarantsika ny mahalala ny tokony atao sy manova ny tsy mety eo imasontsika sy ny hafa mba hisian'ny fiasan'Andriamanitra maharitra eo anivontsika.

Asa ao anaty Herim-pitia Andriamanitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0965