Mamela heloka marina ve A/tra?

21. rzakarivola ( 30/10/2009 09:13)
rakapy:

Eto ianao dia milaza fa miteny mahintsy nefa dia hita fa feno hevitra ambadika :-D :-D :-D

==> Tsy hitako izay atao anao rakapy, miezaka manazava aminao faran'izay tsotra aho. Ary tena milaza mahitsy, satria ny tanjoko tsy ny hampandositra anao, nefa koa tsy ny handokadoka, fa ny hahatonga anao ao amin'ny fahamarinana izay inoako fa an' Andriamanitra.

rakapy:

==> Ny teny hoe "devoly" dia midika hoe : mpiampanga, mpanendrikendrika.

Maninona no tsy tonga dia lazaina hoe miapanga sy manendrikendrika ahy ianao Rakapy, devoly ianao ,fa eo no mody miolakolaka eo???

==> Satria tsy nieritreritra an'izany mihitsy aho. Milaza ny marina aho, dia izay ihany. Na dia te hitaona anao hiray feo amiko aza aho, tsy afaka ny handainga. "Ny devoly dia mpandainga sady rain'ny lainga, izy dia mpamono olona hatramin'ny voalohany". Ny tenin'i Jesoa no inoako fa marina satria tenin' Andriamanitra, dia averiko eto, tsy amin'ny saina hitsara na iza na iza akory, ary na dia mety ho mitsara aza, raha mbola ny tenin'i Jesoa no ambarako dia tsy fitsarako izany, tsy teny na lalàna foroniko fa ny an'i Jesoa, ka raha diso dia Izy no diso, nefa fantatro fa Marina Izy.

rakapy:
, raha tsy velona Izy ka nandre ny feoNy aho tsy ho nijoro vavolombelona toy izao aho

Ka aferanao sy izy izany fa tsy natao ho an'ny rehetra. Nahoana no tsy ny rehetra no naheno ny feony toy ny nadrenesanao azy fa ianao irery?

==> Raha toa ka hiandry teny manokana avy amin'ny Président ny République ny olona tsirairay vao hanaiky ny fandaminana ao amin'ny Fokontany dia tsy ilaina ny président ny fokontany na ny prefecture na tahaka izany, tsy ilaina koa ny polisy sy ny mpitsara sns.
Raha misy olona tonga ao aminao milaza ny tenany fa polisy na zandary ka tonga hanao fisavana (ohatra)fa nahazo alalana tamin'ny fitsarana, ataoko fa tsy hitaky ianao hoe ny président ny tribonaly no tsy maintsy ho tonga ao aminao, fa rehefa manana porofo hanamarinana izay lazainy izy ireo, ary afaka hekenao ny porofo dia ampy izay.
Ny teny lazaiko koa azo porofoina raha izay lazain'i Jesoa na tsia! Ary i Jesoa koa afaka anontanianao manokana mihitsy. Moa tsy efa nilaza aho fa Andriamanitra dia miresaka amin'ny olona tsirairay avy amin'ny alalan'i Jesoa, saingy ny olona no tsy mandre ?
"Indro izaho, mitsangana eo am-baravarana mandondona. Raha misy mandre ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy aho ary hiara-misakafo aminy".
Tsy niteny aho fa izaho irery no nitenenany, fa mijoro vavolombelona aho fa miteny amin'ny rehetra Izy, dia izay no ilazako fa nandrenesako ny feony.

[quote=rakapy]
Aza atao iray harona izay milaza tena ho mpitory na kristiana rehetra, fa ny Baiboly afaka vakianao dia ampitahao @ Baiboly ny teniny

Tsy manao iray harona ireo mitono tena ho mpitory na ny xana rehetra aho fa teny atsipy ka samy mandray izay tandrify azy ny tsy1/1.

==> Eny ary e! Nefa tadidio, fa rehefa raikitra ny alerte hoe misy pandémie H1N1 ... tsy ny filazanao fa manely tsaho ny sasany no maha marina na maha diso ny fisian'ny pandémie, fa raha misy tokoa ny valan'aretina dia tandondomin-doza ianao. Ataoko fa ny zavatra mila fantarina aloha dia ny hoe "marina ve i Jesoa Kristy sa tsia", mialoha ny hijerenao izay tsi-fahamarinan'ny olona.
22. rzakarivola ( 30/10/2009 09:42)
rakapy:

Hoy Cutie
ataonao ahona moa ny hahalala raha tena namela heloka atra refa enao tsy mino fa efa namelany heloka lol

Ka ny heloko dia hozakaiko satria ahy. Hamela moa izy tsara tsy amela izy dia eto aho izaka izay nataoko e! Sa???

==> Ouz le oul anakiray izay : "Your sins are, either on Jesus, or, on you". Hoy i Jesoa Kristy : "Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana, izay tsy mety mino kosa, tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran' Andriamanitra no mitoetra eo aminy"

rakapy:

Fa ny mety ho zava-doza sy handiso fanantenana ny maro dia ireo izay mihevi-tena fa voavela heloka nefa tsia :{ :{ :{ :{ :{

==> Marina ihany ny anao raha toa ka tsy misy ny garantie. Omeko ohatra ianao :
Nisy lehilahy mpanakarem-be anakiray, findraman'ny olona vola, nisy anakitelo nindrana, ny anakiray 30,000,000 €, ny iray 1,500€, ny anakiray 250€. Tokony haverina anatin'ny taona maromaro ireo vola ireo miaraka amin'ny zana-bola.
Samy nandeha nanao ny aferany aby izy rehetra, ary samy tafiditra fatiantoka. Nandritra izany, ilay mpanan-karena nahita ny fandehan'ny raharaha rehetra, ary onena ireto nindram-bola taminy ka nanaiky hanafoana ny trosan'izy ireo, ary izao no fomba nataony tamin'izany : naniraka mpiasany anakiray izy hankeo amin'ny mpitaky trosa, handoa ireo trosa rehetra. Ny trosa naloha dia tsy maintsy anomezana quittance misy ny anaran'ilay mpandoa ny trosa, ka izay mitondra io quittance io amin'ny andro fitakiana trosa, na ohatrinona na ohatrinona trosany dia ao amin'ny compten'ilay mpanefa trosa. Rehefa voalohan'io ny trosa dia lasa izy nanatona olona sasany tamin'ireo mpitrosa, nomeny azy ireo ny quittance-ny avy ary ankoatra izay, nozarainy tamin'ireo koa ny quittancen'ireo mpitrosa hafa rehetra mba hozaraina amin'izy rehetra. Izao no nitranga :
1- Nisy tamin'ireo nizaran'ilay mpanompo mahatoky no tsy nino fa tena voaloha ny trosany, ary tsy nandray ny quittance-ny
2- Nisy ny tsy nino nefa mody nandray ny quittance, fa avy eo nariany ny quittance
3-Nisy ireo nino dia nandray ihany, saingy tsy dia nivaky loha loatra fa variana ka nampiriminy soa aman-tsara ireo quittances tokony hozarainy, ary ny azy dia natokany toerana nokolokoloiny araka izay azony natao.
4- Nisy kosa ireo nino ary nanatanteraka izay nampanaovina azy : nandeha nizara ny quittance ho an'ny tsirairay. Tamin'ireo nizaran'ireto koa dia nisy tahaka ireo ihany : tsy nino ary tsy nandray, mody nandray nefa tsy nino ka tsy niraharaha, nino ihany saingy tsy nizara ho an'ny hafa, nino dia nandray am-po ary nizara ho an'ny hafa.

Amin'ny andro fitakiana ny trosa, ireo izay tsy nanana ny quittance dia hahazo ny fanamelohana mandra-pandohany ny trosa rehetra. Ireo izay nanana ihany kanefa tsy nizara ho an'izay tokony nizarany, dia hiharan'ny fahatezeran'ilay nandoa ny trosa satria tia tena. Ireo izay nanana ny quittance ary nahavita ny anjarany dia afa-trosa amin'ny lafiny rehetra.

Ny heloka dia trosa eo anatrehan' Andriamanitra izay tsy maintsy haloha, i Jesoa Kristy no nandoa ny trosa rehetra, ny mpianatr'i Kristy marina dia ireo izay nandray ny quittance (finoana an'i Jesoa) ary mizara izany amin'ireo mpitrosa hafa. Amin'ny andro fitsarana, dia ho toy izany, hisy ireo tsy hanana porofo fa voaloa ny trosany, koa ho tahaka ny tsy voaloha ihany ny trosany, tsy ho sahy hanatona ny paradisa izy noho ny fieritreretany ny trosany tsy voaloha, hisy ireo izay nanana quittance ihany, saingy adinina aminy ny ran'ireo izay anjara nomena azy nefa tsy nozarainy. Hisy kosa ireo handre hoe "ry mpanompo tsara sady mahatoky, midira amin'ny fifalian'ny Tomponao".

NY fijalian'i Jesoa Kristy sy ny fahafatesaNy no nandoavan' Andriamanitra ny trosan'ny fahotana rehetra.
Ny fitsanganan'i Jesoa Kristy tamin'ny maty no quittance, manaporofo an'izay fandoavana trosa izay.
I Jesoa Kristy velona no quittance eny amin'ny olona izay nandray Azy.
23. rzakarivola ( 30/10/2009 11:56)
Tsy azoko ilay hoe meloka eo anatrehan\'ny samy olombelona/fiarahamonina/ ny tenanao/ ny zavaboahary, izay noforonin\' Andriamanitra, kanefa tsy meloka eo anatrehan\' Andriamanitra.
24. soanja ( 30/10/2009 16:07)
rzakarivola:

Tsy azoko ilay hoe meloka eo anatrehan\'ny samy olombelona/fiarahamonina/ ny tenanao/ ny zavaboahary, izay noforonin\' Andriamanitra, kanefa tsy meloka eo anatrehan\' Andriamanitra.

Satria Andriamanitra dia tsy manana sentimaka toy ny olombelona amiko fa tokana ny azy ny momba azy dia ny FITIAVANA. Tsy olona tsinona Andriamanitra fa HERY miavaka.

25. ikaretsaka ( 30/10/2009 16:49)
soanja:

namaste

26. soanja ( 30/10/2009 23:32)
ikaretsaka:

soanja:

Tsy azoko ilay hoe meloka eo anatrehan\'ny samy olombelona/fiarahamonina/ ny tenanao/ ny zavaboahary, izay noforonin\' Andriamanitra, kanefa tsy meloka eo anatrehan\' Andriamanitra.

Satria Andriamanitra dia tsy manana sentimaka toy ny olombelona amiko fa tokana ny azy ny momba azy dia ny FITIAVANA. Tsy olona tsinona Andriamanitra fa HERY miavaka.

namaste

Happy Halloween !!!!!

:-* :-* (l) (l)
27. cutie ( 31/10/2009 01:57)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 31-10-2009 00:32:50
Lohateny : Re : Mamela heloka marina ve A/tra?
Hoy i ikaretsaka:

soanja:

Voalaza teo :

Tsy azoko ilay hoe meloka eo anatrehan'ny samy olombelona/fiarahamonina/ ny tenanao/ ny zavaboahary, izay noforonin' Andriamanitra, kanefa tsy meloka eo anatrehan' Andriamanitra.

Satria Andriamanitra dia tsy manana sentimaka toy ny olombelona amiko fa tokana ny azy ny momba azy dia ny FITIAVANA. Tsy olona tsinona Andriamanitra fa HERY miavaka.

namaste

Happy Halloween !!!!!

hizara bonbon ve njy radem ry soanja :)
28. niryna ( 01/11/2009 04:43)
rakapy:

Raha ny voalaza ao @ baiboly ny momba ny tantaran'i Adama sy Eva dia napetrak'A/tra teo avovoan'ny sahan'i Edena ilay hazo voarara.
Ilay hazo ahafantarana ny ratsy sy ny tsara, ilay hazo nahatonga fahafatesana .
Voaozona ary ny taranak'olombelona satria nihinana ny voan'io hazo io. Ka lasa nahalala ny ratsy sy ny tsara, nahita fahafatesana, lasa nijaly sns...

Dia mbola ao @ baiboly ihany no nahitana fa nalefan'A/tra ny zanany lahy tokana mba hanavotra ny olombelona.
aleloia,io fa miverina ny tenin'Atra ao am-pon'i rakapy

1/Namela ny helokin'ny zanak'olombelona marina ve A/tra? Raha namela heloka izy dia inona no fiovana nisy teo @ fiainan'ny olombelona hatramin'ny nihinanan'i Adama sy Eva ilay voankazo?
Tsy nahalala ny ratsy sy ny tsara intsony ve isika aty aoriana?
Tsy mety maty intsony toy ny taloha ve isika?
Tsy misy fijaliana intsony ve eto an-tany satria voavela ny heloka?

2/ Ary nahoana no mijaly sy mety maty koa ny biby sy ny zava-maniry? nanota koa ve izy ireny?

ahoana ny eritreritrao,avereno valiana hoe ireo ?

29. rakapy ( 01/11/2009 07:11)
Hoy Niryna
aleloia,io fa miverina ny tenin'Atra ao am-pon'i rakapy

Fa sao dia ataon'i Nirina fa tsy mbola namaky na mahatadidy ny teny voalaza ao @ baiboly ary aho ity?
Tsy tenin'A/tra fahitako ny voalaza ao fa hevitra avy tamin'olombelona.
30. xxx ( 01/11/2009 07:21)
Tsy tenin'A/tra fahitako ny voalaza ao fa hevitra avy tamin'olombelona.
fa inona no tenin'Atra fahitanao izany hoe mba hazavao kely?
31. rakapy ( 01/11/2009 07:35)
Tsy misy mahafantatra ny tenin'A/tra ny olombelona e!
32. rakapy ( 01/11/2009 07:39)
Tenin'ny biby miara-miaina @ tsika eto an-tany izay miresaka ary hita maso aza tsy haintsika koa izany hoe tenin'A/tra tsy hita maso???
heritreritra hampitoniana ny sain-draolombelona izany fa tsy ho takatrao ny tena mariana.
33. xxx ( 01/11/2009 07:45)
Ka ny teny nosoratan'ireo olombelona ireo ao anaty baiboly dia avy @ tsindrimandrin'Andriamanitra. Mazava ho azy fa rehefa misy ao anatinao ilay finoana dia inoanao izy, fa raha tsy anananao kosa izany finoana izany dia tsy hisy dikany aminao na dia pitiny aza.
34. rakapy ( 01/11/2009 09:10)
xxx
Ka ny teny nosoratan'ireo olombelona ireo ao anaty baiboly dia avy @ tsindrimandrin'Andriamanitra. Mazava ho azy fa rehefa misy ao anatinao ilay finoana dia inoanao izy, fa raha tsy anananao kosa izany finoana izany dia tsy hisy dikany aminao na dia pitiny aza

Ka izay mihintsy anie izy ity e. Ny zavatra rehetra rehefa hinonao dia toa mamirapiratra daholo (Izay tiana mitombo tarehy hoy ny fitenenana) .Eny fa na dia tsy hita sy tsapan'ny hafa aza izany.
35. xxx ( 01/11/2009 09:59)
Ka izay mihintsy anie izy ity e. Ny zavatra rehetra rehefa hinonao dia toa mamirapiratra daholo (Izay tiana mitombo tarehy hoy ny fitenenana) .Eny fa na dia tsy hita sy tsapan'ny hafa aza izany.
ny zava-dehibe dia efa nandre ny fahamarinan'ilay Baiboly ilay olona ka dia anjarany sisa no manaiky na handà. Andriamanitra tsy manao an-tery fa manaiky ny sitrapon'ny tsirairay.

Hoy ny fiteny hoe:"nandroso kitay tsy nirehitra ka afaka adidy @ fatana"!
36. niryna ( 02/11/2009 05:12)

Ka izay mihintsy anie izy ity e. Ny zavatra rehetra rehefa hinonao dia toa mamirapiratra daholo (Izay tiana mitombo tarehy hoy ny fitenenana) .Eny fa na dia tsy hita sy tsapan'ny hafa aza izany.
xxx:
ny zava-dehibe dia efa nandre ny fahamarinan'ilay Baiboly ilay olona ka dia anjarany sisa no manaiky na handà. Andriamanitra tsy manao an-tery fa manaiky ny sitrapon'ny tsirairay.

Hoy ny fiteny hoe:"nandroso kitay tsy nirehitra ka afaka adidy @ fatana"!

=D>
37. ikaretsaka ( 02/11/2009 13:01)
Sao tsy mazava sy mibririoka fa averiko indray:
Ny baiboly dia tsy Atra ary Atra dia tsy baiboly!
Atra no marina fa tsy ny baiboly
Fitaovana toy ny fitaovana masina (sapile, jiro masina, sary masina, fihirana...) rehetra ihany. Izany hoe natao hanampy anao haka inspiraka @ fifantohanao @ le Atra izy.
Fa tsy hoe iny akory no tompoina
38. rzakarivola ( 02/11/2009 13:35)
soanja:

[quote=rzakarivola]
Tsy azoko ilay hoe meloka eo anatrehan\'ny samy olombelona/fiarahamonina/ ny tenanao/ ny zavaboahary, izay noforonin\' Andriamanitra, kanefa tsy meloka eo anatrehan\' Andriamanitra.

Satria Andriamanitra dia tsy manana sentimaka toy ny olombelona amiko fa tokana ny azy ny momba azy dia ny FITIAVANA. Tsy olona tsinona Andriamanitra fa HERY miavaka.

==> Aminao izany tsy marina ny hoe "Andriamanitra namorona ny olona tahaka ny endriny" ?
Inona izany FITIAVANA tsy misy santimaka izany ?
Androany aho vao lasa saina hoe, ny teny hoe "Fanahy" (esprit) tokoa dia tena nolavin'ny siantifika, fa tiany ny nampiasa ny hoe : force, énergie, puissance. Marina daholo ihany izany, saingy ny tena fiainana tsy ny mouvement akory (izay avy amin'ny hery), fa ny "étre", ilay sentiment sy ressentiment ahafahanao misafidy sy ahatsapanao fijaliana na fifaliana. Koa amiko dia marina ny tenin'i Md. Paoly hoe : "C'est en Lui que nous avons le mouvement et l'étre". Raha tsy nisy afa-tsy HERY fotsiny Andriamanitra, ahoana no ahafahany manao zavatra?
Hoy aho hoe : à quoi sert d'étre puissant si nous ne savons pas comment utiliser notre puissance ?
Tsia, Andriamanitra dia Fanahy, ary Velona Izy, ka ankoatra ny maha Tsitoha (tout-puissant) Azy, dia tena Etre Izy, Il est celui qui EST (YAHAVEH)
39. rzakarivola ( 02/11/2009 13:47)
rakapy:

Tenin'ny biby miara-miaina @ tsika eto an-tany izay miresaka ary hita maso aza tsy haintsika koa izany hoe tenin'A/tra tsy hita maso???
heritreritra hampitoniana ny sain-draolombelona izany fa tsy ho takatrao ny tena mariana.

==> Ary ny biby ve mahay ny tenintsika? Na dia tsy mahay miteny tahaka antsika aza ny biby, isika kosa mahay mibaiko azy ireny.
Andriamanitra kosa manoatra lavitra. Izy mihitsy no tonga nofo ka natao hoe : "Zanaka", mba hitenenana amintsika, hampahafantarana amintsika ny momba Azy sy ny heviNy. Izany hoe, raha mahafantatra ny hevitr' Andriamanitra na ny tenin' Andriamanitra ny olona, tsy hoe satria hainy ny langage-n' Andriamanitra, fa Andriamanitra no mahay ny langagen'ny olona ka mampianatra ny olona amin'ny langage-ny, ary voasoratra ao amin'ny Baibly izany fahalalana izany.
"Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy." [Jaona 1:18]

Raha marina fa "tsy ho takatra na oviana na oviana Andriamanitra", na dia io fehezan-teny (nataoko anaty farango sosona) io aza dia tsy tokony ho nisy akory satria efa fanambarana sahady momba an' Andriamanitra io.
Marina ihany fa Andriamanitra dia avo ka tsy takatry ny olona, kanefa Izy nanetry tena, nidina tety mba hahatakaran'ny olona Azy. Satria izany no fitiavaNy ny olona. Ary ity fanoharana nataon'i Jesoa Kristy ity dia mamaly ny teninao, amin'ny fanoharana nataonao ihany :
"Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy?
Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona?
"
40. ikaretsaka ( 02/11/2009 13:53)

==> Aminao izany tsy marina ny hoe "Andriamanitra namorona ny olona tahaka ny endriny" ?

samihafa kosa angamba ny hoe "tahaka ny endriny" sy ny hoe "tahaka ny fanahiny" sa ahoana razaka?

Inona izany FITIAVANA tsy misy santimaka izany ?

Misy de misy izany.. fa io ilay lazaiko hoe isika olombelona dia miainao ao anaty zavatra voafaritra: donc isika mila famaritana foana vao afaka mahazoo satria namboarina ho izay ny saintsika: amintsika de @ alalan'ny ny santimaka no anisan' ny "famaritana" ny hoe fitiavana

ny tena fiainana tsy ny mouvement akory (izay avy amin'ny hery), fa ny "étre", ilay sentiment sy ressentiment ahafahanao misafidy sy

Io no Yin Yang na havia sy havanana amin'ny fiainana ry zaka an: action (movement) avy @ (sentiment.. na zavatra tsapa) tsy misy mandeha ila ireo

Koa amiko dia marina ny tenin'i Md. Paoly hoe : "C'est en Lui que nous avons le mouvement et l'étre". Raha tsy nisy afa-tsy HERY fotsiny Andriamanitra, ahoana no ahafahany manao zavatra?

izay no maha Atra azy: Tadidio fa tsy misy tsy vitan'Atra!

Hoy aho hoe : à quoi sert d'étre puissant si nous ne savons pas comment utiliser notre puissance ?

nga moa voatery hampiasaina sy aderadera io raha io?

Tsia, Andriamanitra dia Fanahy, ary Velona Izy, ka ankoatra ny maha Tsitoha (tout-puissant) Azy, dia tena Etre Izy, Il est celui qui EST (YAHAVEH)

fanahy , hery ,velona, Etre , avoir, amour.. sy ze tianao ..... "Izy aby izany"Hoy i Md Thomas D'Aquin!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0912