Meloka ve izay tsy kristianina?

21. rzakarivola ( 13/10/2009 08:33)
simplex:
ra ny lojika aloha dia ny hoe miankina @ le position de force io e.
Refa deba no mitondra dia alihiny doly izay mpanohana azy. Refa ra8 dia otr'zay ihany. Refa tgv koa...
zany hoe somary maro anisa le krisitianina e...
Moa koa misy krisitianina tena fanatika be loatra... otran'ny hoe tsy mandia tany izany...
fa ny tena marina koa aloha ireo tsy krisitianina koa dia mila ady @ izay ahitana rirany rehetra eee :)
ka hoy aho hoe tsisy ifanomezan-tsiny

==> Tsy ifanomezan-tsiny hoy ny fihevitrao. Ny fihevitr' Andriamanitra dia milaza hoe "Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Kristiana na ny tsy kristiana;
araka ny voasoratra hoe: "Tsy misy marina na dia iray akory aza;
"[Romana 3:9-10]. Izany hoe manan-tsiny daholo. Ary ilay tohin'ny resakao koa milaza an'izany

simplex:
satria ny tsy kristianina mitady rara moa ny kristianina tsy ampy fialam-boly :P
:arrow: fahasoavan'A/tra doly izany

==> "Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana," [Romana 4:16]
22. rzakarivola ( 13/10/2009 08:49)
rakapy:
Nefa raha dinihina ny tantara dia toa afaka ny anambara ihany fa nisetrasetra ny kristianina raha nampiditra ny fivavany t@ ireo tany izay noheveriny fa tsy nahafantatra an'Andriamaniny.
Nodorany sy noravany ary noambaniany ireo izay noheverin'ireny olona ireny fa masina taminy.Ka nosesefana baiboly izy ireny.

==> Nisy tokoa izany ary mbola misy mandraka ankehitriny. Misy tahaka an'ireo mpandroba rehefa nisy ny grevy, izay lazain'ny maro fa mpanararaotra tolom-bahoaka (na t@ tgv na t@ légaliste samy nisy daholo). Tsy midika velively izany fa tsy misy na diso i Jesoa Kristy.
Ity kosa misy porofo, voasoratra ara-tantara, fa na misy aza ny fitaka sy faharatsiana toy izany, i Jesoa Kristy dia velona ary marina.
Ireo kristiana Malagasy voalohany dia nenjehina, nitsoaka izy ireo fa tsy nanotrika fikomiana, rehefa tratra izy ireo tsy nanohitra sady tsy nivadika, fa nijoro teo imason'ny olona ny @ finoany an'i Jesoa.
Diniho tsara fa tsy mitovy amin'izany mihitsy ny kamikaze sy ny ataon'ny mpino sasany mahery fihetsika manao vy very ny ainy. Ary tsy mitovy amin'izany mihitsy koa ny olona mamono tena fotsiny amin'izao.
Nahoana izy ireo no sahy mijoro toy izany ? Tenin'iza no milaza aminy mba tsy hanohitra ? Velona ilay Jesoa Kristy izay nohenoiny sy nankatoaviny ny teniNy.

rakapy:
Ka mety ho izay no mahatonga azy mila ady?

==> Ny tantara ihany dia afaka hanambara fa efa nisy hatry ny ela, talohan'ny nidiran'ny kristiana ny ady teo amin'ny olona (na ny Malagasy io na taiza na taiza). Ny antony mahatonga ny ady kosa dia ambaran'ny Tenin' Andriamanitra hoe : "Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra. ... Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony ... Ny tongony mimaona handatsa-dra ... " [Romana 3:11-15]

rakapy:
Columbus day androany ka mba vakio ny mombamomba azy dia mety hazava aminao ny antony.

==> Samy manome antony sy explications daholo ny olona rehetra (ny fanahy rehetra), fa tsy voatery ho marina daholo ireny. Ho ahy, ny tenin'i Jesoa Kristy no marina, satria ny teniny tsy tenin'olombelona fa Tenin'Andriamanitra, koa na dia natao olona nofo aman-drà aza Izy, dia Andriamanitra no miteny amin'ny olombelona amin'ny alalaNy. Ny Tenin' Andriamanitra no azo antoka fa marina
23. rzakarivola ( 13/10/2009 09:00)
rakapy:
Iza ilay nahilikilikao t@zany?

==> Ireo izay tsy nitovy feeling sy fomba sy couleur (d'opinion io fa zah ndray otran efa notezaina t@ anti-racisme) aloha mazava ho azy, fa ny tena nahakamo ahy indrindra ny niresaka taminy sady nialako sy nahilikiliko dia ireo nantsoiko hoe "masina be". Raha tsotsoriko, raha izaho taloha no nifankahita t@ toetrako izao dia ho nahilikiliko aho ... asa raha niteny mazava ihany aho.

rakapy:
Iza ilay MARO manilikilika anao amin'izao?

==> Ireo izay mitovy @n'ilay izaho taloha. Ny fanilikilihana misy isan-karazany koa, misy ny miariary, misy ny an-kolaka, ary hita eto daholo izany.
24. ikaretsaka ( 13/10/2009 10:42)
Le izy hoa razaka aza ny kozin-drapaoly t@ olona tany vatikana sy ny renivohitr'Italia t@ izany fotoan'andro izany no adika texto toy ny boloky mamerin-desona a... taraiky be enaoraha izany fa hiandry an'o Paoly eo hoy ny fitenenana...
25. fidinirina ( 13/10/2009 11:28)
Ka le izy koa ho'aho ry ika marina foana ny tenin'ny soratra na taiza io na taiza ary na rahoviana na rahoviana.
Meloka avokoa ny olona rehetra eo anatrehan'Andriamanitra na kristiana na tsia. Tsy misy marina fa miseho ho marina avokoa nefa... Fa ny mahasamy hafa azy dia ny kristiana manana an'i Jesoa Kristy mpamela heloka sy mpamonjy ny olona hanana ny tena fiainana mandrakizay. Izay no inoako ary hivavahako ahazoako io famelan-keloka io.
26. ikaretsaka ( 13/10/2009 12:04)
Tsy misy manda ny tsy famarinany anie rafidy e...fa le fiononana @le hoe IHANY no tsa mety
27. Veloo ( 13/10/2009 14:43)
Mpandefa : rakapy [ Valio ] 12-10-2009 14:23:42
Lohateny : Meloka ve izay tsy kristianina?
Raha dinihina sy jerena ny momba ny fivavahana kristianina eny fa na ny fivavahana hafa koa aza dia toa manameloka sy manilika izay tsy mitovy firehana aminy.
Inona no tena natony?


Avaliko aminao ny fandraisako an'io:

Tsy mbola misy meloka na iza na iza satria mbola nomen'i Jesosy Kristy fotoana isika ahalalana azy bebekokoa, fa rehefa tonga ilay fotoana tsy haneken-ndra olombelona azy ho Jesosy Kristy zanak'andriamanitra izay nanavotra antsika dia meloka. Mbola miandry ny rehetra i jesosy hanaiky sy hino ary hanao ny sitrapony. Tsy mila na iray amin-tsika izay tsy tiany ho very. (sans exception) Ka araroty re dieny mbola misy ny fanahyn'Antra mibitsibitsika ao @-tsika ekeo amin'ny fo sy saina madio tsisy condition
28. rzakarivola ( 13/10/2009 15:14)
simplex:

Ho an\' i rakapy (sy razaka),
ity no teny tena tokony notsoponina teto zao (coup de coeur a razaka ;-)),
Jesoa tao @ Joany 14:6 ]Ary hoy Jeso taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin\'ny Ray afa-tsy amin\'ny alalako. evidawazy fa tsisy dikany izany raha tsy mpino/kristianina enao.

==> Mitombina ny implication-nao raha toa ka ny Kristiana rehetra dia tena mino sy manara-dia an\'i Jesoa amin\'ny fankatoavana ny teniNy ... raha ny fandehan-javatra hita dia tsy izay no mitranga, ny anarana hoe \"kristiana\" dia samy afaka hisalotra azy na iza na iza ... Fa ny mino an\'i Jesoa dia hita @ teniny ny tenin\'i Jesoa, ary hita amin\'ny fiainany ny fiainan\'i Jesoa (ny fijaliana sy ny fahafatesana ary fahaveloman\'i Jesoa).

simplex:
Fa izay indrindra anefa no mahatonga ny kristianina miezaka ny hoe hampa-kristianina ireo tsy kristianina satria mety tsy ho tonga any @ le tena paradisa ony ra tsy zay... ny hoe fanilikiliana indray dia mety hoe, asa?, olombelona ihany koa ny kristianina dia mety lasa diso lalana kely indraindray (sa matetika moa?) :)

==> Eny, baikon\'i Jesoa ny hahatonga ho mpianaNy ny firenena rehetra. Ny fanilikilihana dia tsy ao amin\'i Jesoa satria i Jesoa aza nilaza hoe \"izay manatona ahy dia tsy mba holaviko mihitsy\". Ka marina ny teninao hoe, diso lalana, i Jesoa no Lalana ..., dia izay tsy araka ny tenin\'i Jesoa dia diso lalana avokoa.

simplex:
non, tsy hoe noho i toi tsy manilikilika/nahita ao ampo ny tena jesoa no antony anilikilian\'ny ol an\'i toi fa noho i toi diso manao tro be loatra... le fanatika be loatra noteneniko teo ee...

==> Ekeko, ary tsy anomezako tsiny ny olona mihitsy ny fanilikilihan\'ny olona ahy ka, izaho koa mba isan\'ireo taloha.
Ianareo tsy mahafantatra ahy, fa tantarako no tantaraiko, hanehoako aminareo fa tena réel ny fandrenesako an\'i Jesoa, au point de me renier moi-méme. Izaho kosa mino fa misy olona izay mifanerasera aminareo, mety ho matetika, na tsindraindray, fantatrareo hatry ny ela, ary miaina tahaka izany koa! Izaho hilaza aminareo fa izany olona izany olona izany dia nateraka indray, vavolombelona aminareo izy.
Tsy laviko ihany koa ny fanatisme ... saingy fanatika an\'i Jesoa aho, tena tsapako loatra @ fiainako Izy ka ahoana ary! Ao @ baiboly misy tantaran\'ireo olona maro nositranin\'i Jesoa, noraran\'i Jesoa tsy hiteniteny, saingy tena diso nanamarika azy loatra ny zavatra niainany ka niteny hatraiza hatraiza izy, dia mba toy izany aho.
Ny mahasamy hafa an\'ilay fanatika an\'i Jesoa sy ny hafa dia izao, i Jesoa manitsy ahy @izay tsy mety rehetra, mba hahatanteraka ny sitrapon\' Andriamanitra eo amiko, \"Ary izao no sitra-pon\'...ny Raiko izay naniraka ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino azy, ary izaho hanangana azy amin\'ny farandro.\".

simplex:
plane tro... lasa manidina be loatra le adihevitra refa miditra antsehatra i toi... tokony atao somary concret kokoa...

==> Raha ny amiko manokana dia mety hanaonao foana tokoa aho. Fa fantatro kosa fa i Jesoa Kristy tsy mba manaonao foana izany, Il sait parler les bonnes phrase à la bonne personne, au meilleur moment! Ny teniko dia manameloka ahy, fa ny teniNy kosa, izay inoako, dia mahavonjy ahy, ary mahavonjy izay mino Azy koa.
I Jesoa nilaza hatrany ny zavatra any an-danitra, ary mba hilazany @ olombelona (izay mponin\'ny tany) mikasika an\' Andriamanitra sy ny any an-danitra, dia nampiasa fanoharana maro isan-karazany Izy, izay tsy zavatra tsy hita fa zavatra tena hita sy re ary iainan\'ilay olona niresahaNy. (Jereo ohatra ny eto
Ity misy fanoharana iray : Ny olona maty no milevina ao anaty tany, ny olona matory (na marary) dia mandry ambonin\'ny tany, ny velona miasa sy mandeha kosa dia ny faladiany ihany no mitehana tany fa ny sisa rehetra dia milona ao anaty atmosphère, izay antsoina hoe habakabaka na lanitra. Tahaka izany, ny olona maty fanahy no milevina ao @ fiainan\'izao tontolo izao, ny olona matory ara-panahy na marary fanahy dia mandrimandry manana aretina @ fiainan\'izao tontolo izao, ary ny olona velona, miasa sy mandeha ara-panahy dia mitehina amin\'izao tontolo izao ny tongony, fa ny vatany rehetra kosa dia milona ao an-danitra.
\"Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana\"

simplex:
le tsipona sy style somary secta moa vao mia tsy manampy be loatra... zafady an.

==> Efa henoko matetika izay. Izaho dia FJKM hatr@ fahakeliko, voaisa @ ratsan-tanana ny fotoana nidirako tao @ eglizy katolika (namonjy mariazy), in-1 mandeha namonjy fivavahana tany @ apokalypsa (nanara-dia olon-tiako). Fa ny ankoatra izay, talohan\'ny nanambadiako dia FJKM aho, rehefa nanambady aho dia METM satria ny vadiko Pasitera METM. Ary mbola manaraka fiofanana ao @ SEFALA (FJKM) aho. Ny mampiavaka ahy amin\'ny betsaka ngamba dia ny fananako faharesen-dahatra tanteraka ny fahaveloman\'i Jesoa sy ny teniNy nefa tsy izaho irery fa mahita sy mahafantatra ihany aho tahaka izany koa, ary faly ny foko mahita azy ireny ... fa maninona no manafintohina ny teolojiana sasany ny fomba fiteniko ? Raha ny ahy aloha dia tsy maninona, fa raha ny tenin\'i Jesoa kosa no lavin\'ny olona dia tsy misy hafa amin\'izay efa niainany tety ambonin\'ny tany 2000 taona lasa izany, nolazain\'ny jiosy (mpiray firenena taminy) fa samaritana sy demoniaka izy. Fa Izy nahafantatra izay naniraka Azy sy ny mission-Ny.

simplex:
basi atifi-kavana moa sa in le fiala-tsiny @ izao :-D :-D
fa kopy toi eee, ataovy ho an\'ny ol tsy dia mpino loatra (zany hoe zazakely eo @ finoana) sy tsy dia tia toko sy andininy ny resaka... mino mintsy ah fa bandy milay toi, ataovy coool otr\'zay koa ny resaka ;-) :-* :-*

==> Efa nanana pseudo bandy.milay izay aho tany @ caramail efa eeeela. Ekeko ny tifitr\'i simplex. Ilay lehilahy antsoina hoe Saoly dia nafàna fo t@ fivavahan-drazany, ary tena isan\'ny teolojiana mihitsy izy, notifiriny sy nenjehiny soa aman-tsara ireo mpianatr\'i Kristy.
Mivavaka aho mba hifanena amin\'i simplex ny Tompo, tsy maninona na dia eny an-dalana hitifitra iny aza, dia hahatsapa koa ianao tahaka izany fahatsapako izany, fa tsara izany, tena tsara sy fiadanana.
29. rakaroka ( 13/10/2009 18:29)
Dia "VARIANA" tanteraka mahatsapa ny fisiana Kristiana Maaaaro "zogain'ny ota". Anefa ny Ray izao no efa niteny " Avia ary ifandahatra" isika hoy ...Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo dia hidioviko trahaka ny orampanala...Dia aleo ve mitoky @ versée kely mampiketraketraka?
30. simplex ( 13/10/2009 21:32)

razaka,
:)
ary toi koa mitifitra an :lol:

HS kely ity:
Misy 5 mirahalahy izahay no mpinamana. Ny 2 @ ireo dia tsy mpino tanteraka ary tsy manaiky an\'i Jesoa (na iza na iza koa aza) ho mpamonjy izany. Misy anakiray, mivavaka rehefa mamangy ny RAD-ny na hoe manenjika sipa. Dia misy anah, mivavaka rehefa mahatsiaro sy hoe tsisy programa. Otran\'ny hoe mpanota be ah e? :)

Ny iray farany dia anisan\'ilay tena atao hoe votom-pinoana tro be otran\'i toi mintsy. Born again no filaza azy; zany hoe teraka fanindroany... izy dia tena ireny hoe secta typika ireny: asiana amen sy aleloia ary ny hoe fahasoavan\'A/tra (grace de Dieu) isaky ny fehezateny anaki-2. Fady azy izany toaka izany ary ra sendra tafiditra resaka fivavahana ny resaka dia lasa izy no tompon-daka ary tsy azo avadika intsony ny resaka fa dia manao litania eo mandritra ny adiny firy. Azo lazaina hoe izy no modely ary mendrika ny ho any andanitra :)

Fijery ivelany ihany anefa ra izay hoy ah satria izahay namany dia samy mahalala doly fa sous forme be ety ivelany fotsiny ilay izy. Eny, tso-piaina ihany izy fa zany hoe ny resa-bola no tena olana aminy. Zany hoe sady kahidy be izy no tena hita be hoe liana be @ resaka bizina... Manao izay hahazoana tombony @ retraretra, eny fa na dia hanambakana ny namany aza. Ra misy zavatra iraisana izany moa dia ny tsy hanao in in ihany no tena tanjony, satria efa eo ny namana... tsy hoe ratsy fanahy be akory izy an, ra izany indray efa ela no tsy mpinamana tsony zahay. Fa ilay toetra somary tia kely no tena hitako incompatible be @ ilay hoe kristianina mafana fo...

ka asa, tsy afaka ny hi-generaliser an\'ilay izy @ izay experiansa izay ah. Kanefa kosa ra ny fahitana @ ankapobeny dia ny ankamaroan\'ny olona diso kristianina tafahoatra dia misy kilema be foana hoy aho. Tsy miteny ah akory hoe ny kristianina tsy mafana fo tsy manana kilema kanefa kosa tsy mety amiko be ilay somary miatsaravelatsihy be @ hoe Amen sy aleloia kanefa misy toetra tsy mendrika tsy laitra ahitsy...

Tsia, tsy mitifitra an\'i toi akory ah eto fa milaza ny fahitako azy @ ankapobeny fotsiny. Ny tena tiako hambara dia ny hoe, mety hoe tsy ampy finoana bedabe ah ary mila mahita an\'i Jesoa @ tena izy kanefa kosa amiko manokana ampy ahy ny jesoa efa hananako :)
ie, manatena tokoa ny mba hifanena @ tompo, aoka ho tanteraka araka ny teninao :roll: iangaviko kosany izy anefa tsy hanao kozy \"voretra\" @ fanaovana izany.
Ohatra hoe asiana fahafatesana olona akaiky amiko mba hahitako azy... tena tonga dia tsy mety avy hatrany :lol: na koa hoe atao kilemaina ah na zavatra mankarary fo be otran\'zany eee... tsy milay izany ry A/tra an, sao dia manao plan nofa any toi :) 8)

dia misaotra mamelabelatra eee
inona ilay METM? tsy mitifitra io fa tena tsy haiko an :P
ny tena tiako ho fantatra dia ny hoe manja ve ny sipa any :^)8):@

;-)
31. cutie ( 13/10/2009 23:31)
Mpandefa : Veloo [ Valio ] 13-10-2009 16:43:44
Lohateny : Re : Meloka ve izay tsy kristianina?
Voalaza teo :
Mpandefa : rakapy [ Valio ] 12-10-2009 14:23:42
Lohateny : Meloka ve izay tsy kristianina?
Raha dinihina sy jerena ny momba ny fivavahana kristianina eny fa na ny fivavahana hafa koa aza dia toa manameloka sy manilika izay tsy mitovy firehana aminy.
Inona no tena natony?


Avaliko aminao ny fandraisako an'io:

Tsy mbola misy meloka na iza na iza satria mbola nomen'i Jesosy Kristy fotoana isika ahalalana azy bebekokoa, fa rehefa tonga ilay fotoana tsy haneken-ndra olombelona azy ho Jesosy Kristy zanak'andriamanitra izay nanavotra antsika dia meloka. Mbola miandry ny rehetra i jesosy hanaiky sy hino ary hanao ny sitrapony. Tsy mila na iray amin-tsika izay tsy tiany ho very. (sans exception) Ka araroty re dieny mbola misy ny fanahyn'Antra mibitsibitsika ao @-tsika ekeo amin'ny fo sy saina madio tsisy condition

hafa ndray iny ry veloo a
le hiran-jy tsy mbola tafa foana hatramizao :oops:
32. ikaretsaka ( 14/10/2009 13:43)
rakaroka:

Dia "VARIANA" tanteraka mahatsapa ny fisiana Kristiana Maaaaro "zogain'ny ota". Anefa ny Ray izao no efa niteny " Avia ary ifandahatra" isika hoy ...Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo dia hidioviko trahaka ny orampanala...Dia aleo ve mitoky @ versée kely mampiketraketraka?

za kao rakaroka matetika de gaga @ le toe tsain'ny sasany hoe tsy Xtianina izy raha tsy GEJAIN'ny ota io
sy le hoe fe maninona versets mampihetraketraka no tsimponina lalandava?
izay le ilazako hoe io tsimpona io eeeee

33. cutie ( 14/10/2009 14:00)
:-D :-D :-D :-D :-D
34. booboo ( 14/10/2009 14:08)
Simplex > :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D tena saika tsy nino ny masoko hoe ingahy ve no nanoratra an'i bla² lava beeeeeeeeeeeeeeee io ! noheveriko fa vhv !!! :-D :-D :-D
35. ikaretsaka ( 14/10/2009 14:17)
mba mitoriteny ra sampleksa fa nareo ko nge ry boobs tsss
36. simplex ( 14/10/2009 14:19)
37. ikaretsaka ( 14/10/2009 14:32)
hin hin
Hitsimponan-dra simplex eo koa ra boob's io cao lasa hatrany ambany saoka ny vava fa! :-D
38. ni81 ( 14/10/2009 15:18)
Tsy mbola misy meloka na iza na iza satria mbola nomen'i Jesosy Kristy fotoana isika ahalalana azy bebekokoa, fa rehefa tonga ilay fotoana tsy haneken-ndra olombelona azy ho Jesosy Kristy zanak'andriamanitra izay nanavotra antsika dia meloka. Mbola miandry ny rehetra i jesosy hanaiky sy hino ary hanao ny sitrapony. Tsy mila na iray amin-tsika izay tsy tiany ho very. (sans exception) Ka araroty re dieny mbola misy ny fanahyn'Antra mibitsibitsika ao @-tsika ekeo amin'ny fo sy saina madio tsisy condition
marina dia marina tokoa fa misaotra anao
39. cutie ( 14/10/2009 20:09)
Mpandefa : booboo [ Valio ] 14-10-2009 16:08:53
Lohateny : Re : Meloka ve izay tsy kristianina?
Simplex > tena saika tsy nino ny masoko hoe ingahy ve no nanoratra an'i bla² lava beeeeeeeeeeeeeeee io ! noheveriko fa vhv !!!

hita fa ndraindray i simplex ohatran'ny vhv zany :-D :-D :-D :-D
40. ikaretsaka ( 14/10/2009 20:40)
ka ao anaty rebareba ao tsary hay intsony ko :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0432