solution tokony ho raisiny GIC

1. zoam ( 07/10/2009 21:45)
rehefa hiadivan'i andry tgv ny president transition nefa tsy manaiky ny mouvance ravalomanana
natao miaramila tsy nety ry zareo
nomena an'ny mouvance ratsiraka sy zafy ,tsy nety ry zareo
nomen'i ra8 an'i roindefo tsy nety izy
KOA MANINONA RAHA FOHANANA ANY IO PRESIDENT NY TRANSITION IO DIA NY GOUVERNEMENT CONSENSUS IO NO HIKARAKARA NY FIFIDIANANA
2. zoam ( 07/10/2009 21:47)
satria samy tsy hisy hanaiky izay mipoitra eo dia aleo fohanana io dia omena ny PM izay efa voatendry ny fahefan'ny president ny transition dia milamina ny afera ,tsy nisy voa sy nahavoa
3. pikatti ( 07/10/2009 22:17)
Andry pion'ny mena sofina (Frantsay io) ,ary naharary azy mintsy i R8 nahasahy niala tsy ho saribakoliny iny mantsy,indrindra moa fa efa marefo dia marefo ny Frantsay aty Afrika(France /Afrique) face @ reo Amerikana,Sonoa, zay miha-mahazo vahana hatrany hatrany sy ny vondrona Afrikanina ,le deal ihany anefa no tena paikan'ny lafrantsa ao indrindra moa ty solika efa mandiva ho lany ty (Mada misy tahiry 15 miliara de barils) tadiaviny vita sonia ao @ ara-dalàna @ io mpangalatra fitondrana io ny deal tssss ,de ty kelifingotra ty robaka ao sady miaro ny sezany no tsy misy fitsinjovana ny Malagasy sy ny souveraineté nationale
D eio ve ry zalahy no hotohanana,
Bref ,tary tsisy valeur
Mitohy ny tolona
4. zoam ( 07/10/2009 22:26)
tokony tsy asiana president ny transition dia izay match nul
5. pikatti ( 07/10/2009 22:34)
Tsara le hevitra fa le deal mahery
6. patrick2002 ( 08/10/2009 01:50)
Amiko tsy misy tokony hidirany GIC ny raharaha ,Raha vao mampiditra ny CI ao ianao dia fantaro fa voamaika hitroka ny harenao izy izay ,na du coté ny vahiny manohana an`i Ravalo ,na du coté ny vahiny manohana an`i Andry .
Niantombohany probleme reska entre tsika gasy ,betsaka ny gasy tsy manaiky ny didy kofehy lehibe hataony Ravalo @ harena ao madagasikara ,dia nanohitra azy ,misy ireo gasy izay manohana fa haleo Ravalo irery no hanjaka tokana @ harena ao madagasikara fa tsy halany firy eo izy ,amin`izay mba tsy tantely afa-drakotra sahala t@ androny Ratsiraka ny harena ao Dago fa iray ihanyh no mihinana azy ,
Rehefa resy Ravalo satria ny Miaramila tsy nanohana azy ,ny Intellectuel gasy tsy mila azy ,ny mpanao politika leo ny didy-jadony ka satro-bory sisa no nanohana azy ,ny minisitra fony Ravalo lasa nitsoaka daholo betsaka ny dossier tsy nazava nampanaoviny dadany azy ( Ivohasina ,Haja minisitry ny vola ),ny vahoaka manohana azy eo @ tokotaniny MAGRO sisa dia lasa nitodi-doha any @ CI .
Zao no vokany lalaoviny CI ny ho avinyh madagasikara ,izaho mino fa efa misy contrat confidentiel any ambadika any hangoronana ny harena ao madagasikara ,izay nosoniaviny Andry matoa ireo manaiky ny hijanonany Andry eo , ary ambadika ,Izay no tsy mba maha d`accord ahy raha vao ny CI no hampidirina eo ,ary tena Tsy fahamatorana avy anyh @ TIM izay ,Tena Tsy Tia Tanindrazana .
Rehefa tsy tazonao ny fitondrana maninona raha mi-recule ohatry ny Zafy sy i Ratsiraka dia basy ,miverina avy eo afaka 5 taona raha tapa-kevitra ny malagasy fa tohizo ny lalantsika.
7. pikatti ( 08/10/2009 02:39)
Rehefa resy Ravalo satria ny Miaramila tsy nanohana azy ,ny Intellectuel gasy tsy mila azy ,ny mpanao politika leo ny didy-jadony

Nen leity de problema manokana @ R8 mintsy,rehefa nangalarina an-keriny ny fitondrana fanjakana leity io a

izaho mino fa efa misy contrat confidentiel any ambadika any hangoronana ny harena ao madagasikara ,izay nosoniaviny Andry matoa ireo manaiky ny hijanonany Andry eo

Zany daholo no ataon-dry zalahy ao Afrika ,tsy zoviana @ tsika ntsony io paikan'antitra io bainn a,efa vita ny deal

Izay no tsy mba maha d`accord ahy raha vao ny CI no hampidirina eo ,ary tena Tsy fahamatorana avy anyh @ TIM izay ,Tena Tsy Tia Tanindrazana

Tena diso be elah leity a,io fanonganam-panjakana io no rangory fototrin'ny afo,izay nalehan'io Andry io de personna non grata lery,dia nohon'ny afo natsanga de lery ihany no ho may ao,mbola tanora lery tokony nanana avenir politika tsara mihitsy ,fa indrisy mantsy fa de nolotoviny t@ io hambom-pony io,ary tena voafitak'ireo goaika antitra ireo ny anao lahy
8. patrick2002 ( 08/10/2009 03:15)
Raha tena fanonganam-panjakana iny , dia ny miaramila no nitondra fa tsy Andry Rajoelina ,ekena fa nanohana an; i Andry ny miaramila ,sahala @ hoe manohana an`i Ravalo ny FJKM ,Tsy manohana an`i Ravalo ny katolika ,

@ izao fotoana izao hampidirana CI ny raharaha dia samy poritra na i Andry na i Ravalo ,dia vita matavy ,Halao izaho no hitondra hozy Andry fa homeko anareo izay tadiavinareo ,izaho afaka manome anareo be be kokoa hozy Ravalo indray ary, fa aleo izaho no eo ,dia hisy indray ny MAPUTO 4 dia eo isika no raisina .

Amiko tokony hanaja tena Ravalo ,rehefa tsy mahavita azy Andry, Minoa fotsiny ihany fa hiverina ho mamy hoditra indray Ravalo .
9. xxx ( 08/10/2009 06:39)
Ireo olona eo @pouvoir eo reo dia tsy misy TIA TANINDRAZANA na iray aza ,NY HASIN'ny MALAGASY mihintsy ange reto no VOAHITSAKA raha io VENDRANA io no hitondra é!
Efa fantatra hatra@ny ela fa FRANTSA no nampiaktra a@i vendrana teo ,RY deba KOA ANISAN 'NY NANOSIKA AZY ,i ZAFY moa ini tsy tia Merina iny ,nahare vao haingana ary aho fa tsy ny Merina ihany no tsy tiany fa refa tsy avy any a@ fiaviany ,rahovina moa I MADAGASCAR no HANDROSO olona dokoTERA NEFA mPANAVAKAVAKA,nanao cinéma fotsiny ireo mouvance 3ireo fa efa tany FCE i tgvendrana no efa vita ny resaka catimini hoe esorina I ROINDEFO dia i vendrana hatao prezidà ,TSISY MANAIKY an'io haTRA@NY FARANY , NGAHA EFA lany olo-manga i MCAR?????dj --niveau 4ème ve ny hitondra an'i MCAR ?tsy rariny kosa !!!!
TSISY manAIKY AN'io HATRA@NY FARANY ?fahadisoana be ANDRA8 KOA ny tsy nisambotra AN4IO HATRA@VOALOHANY,izao sarotra be ny migerer le tantara mazava ho azy FA NY VAHOKA FOANA NO FADIRANOVANA .
Refa tsy mety hial ii VENDRANA MPANIMBA FIRENENA io dia tokony fitondrana miaramila no HAJORO ETO MCAR mandrapahatonga ny fifidianana ,raha tsy iany RA8 mangataka ny USA hanala ^io vendrana io @alaàna'ny casque bleu ohatran'tany HONDURAS fa reto TSOSTSOKA reto @andron'ny crise mondiale zao di hametraka vendrana eo @pouvoir comme d'habitude ,TAKALONY omeo anay 100% NY PETROLE fa nareo gasy raha hahtra azy tsy bleme-nay,efa zany foana ny politika ny reny malala fa IZAY DONDRINA no manaiky ,jereo COTE D'IVOIRE nomeny sinoa ny marché rehetra FA TSY BAIKON'ny lFRANTSa lava izao!!!!
10. ifiona ( 08/10/2009 06:41)
euh... ny fjkm ve manana basy hanambanana anao ??? ny katolika?? ary ny miaramila??? FANONGANAM-PANJAKANA iny, na ry zareo samy mpanohana an'i TGV ihany aza d'efa niaiky an'iny (cf. Rivo Andriamasihaja) fa nareo no mbola manonofy hoe tsy coup d'Etat iny rangaha fa Ravalomanana no te hiala eo a! tena ôtran' mapmé mitsy nareo zany fa ny olona ve raha ambananareo basy mbamin'ny fianakaviany dia heverinareo fa afaka-manoatra??? tadidio fa ny alin'ny 16 mars d'efa niteny mazava ilay militaire putschiste sefony iny t@ Radio rafi (tedavo any @ RFI ny bande raha ts mino) hoe: " Marc Ravalomanana doit partir ce soir." - Et s'il ne part pas, allez vous l'y obliger? - Il partira." Fiteny toy izany anie d'efa mazava e! ka na hoy aza Niels ambasadaoro USA hoe tsy nisy fanambanana basy tao, nga izy tao @ Ravalomanana tontolo andro? iza no milaza fa tsy io ambasadaoro io no mandainga? manana namana aho eny Andoharanofotsy eny fa izy mahalala fa efa feno miaramila nanafika tany Iavoloha t@ io alina io!

dia hoe raha tena fanomganam-panjakàna hono dia ny miaramila no nitondra! eissey e! natao daholo zay mba mora hahateloman'ny tgvistes an'ilay izy! marina ihany ny voalazan'ny france 24 hoe na dia nezahina ni-camoufléna tahakan'inn aza iny zava niseho t@ 17 mars iny dia COUP D'ETAT iny. Tsy voatery hoe miaramila no mitondra fa ny azy vengeance personnelle t@ Ravalomanana, jereo fotsiny fa raha vao resaka hoe hiverina ravalomanana dia mamoaka communiqués zato ry zalah hoe izahay ts mila Ravalo!!! efa mazava be koa anie iny e! ka rehefa ny militaires no nanery an'i Ravalomanana hiala dia coup d'Etat militaire iny, ary satria i TGV no namporisika azy ireo sady complice no premier responsable hanao iny zavatra ts mety iny dia PUTCHISTE no anarany!

amiko raha milefitra amin'io Ravalomanana zay vao tena tsy manaja tena, satria marina ny azy matoa tsy manaiky izy!! principe de base: tsy mahazo mitondra ny putchiste. Tano ny hevitra fa aza miovaova! na dia tsy raisin'ny GIC en compte ntsony aza, moi j'applaudis raha hainy ny mitazona io hevitra io hatr@ farany, tsy hoe be loha fa misy kosa ny principes tsy azo leferina (parce qu'on ne peut pas non plus tout accepter, sinon les putschs il y en aura tous les 2 ans). Dia iza no faly amin'izany? ts ny gasy aloha angamba.
11. rabaradaka ( 08/10/2009 06:58)
Tsy vahaolana intsony ny resabe :P Tsotra ny an'i rabaradaka : milatsaka an-dalam-be ny vahoaka NOANA sy SAHIRANA. zay
12. amfhaja ( 08/10/2009 08:49)
patrick2002: zany marina ve? tsy fanonganampanjakana ve iny ? fa in lety iny ? kilalao natao ve ?
ra8 anie efa tsy eo e! ary tsy mila toerana, fa eritrereto koa oe ela ve maka toerana amikery de ho ekena ?
Manin ary raha tsy midongy seza le bandy kely io de samy vita, fa mataotra ny tody nga lery io no tsy mety miala teo
13. pink ( 08/10/2009 09:15)
patrick2002:

Raha tena fanonganam-panjakana iny , dia ny miaramila no nitondra fa tsy Andry Rajoelina ,ekena fa nanohana an; i Andry ny miaramila ,sahala @ hoe manohana an`i Ravalo ny FJKM ,Tsy manohana an`i Ravalo ny katolika ,

@ izao fotoana izao hampidirana CI ny raharaha dia samy poritra na i Andry na i Ravalo ,dia vita matavy ,Halao izaho no hitondra hozy Andry fa homeko anareo izay tadiavinareo ,izaho afaka manome anareo be be kokoa hozy Ravalo indray ary, fa aleo izaho no eo ,dia hisy indray ny MAPUTO 4 dia eo isika no raisina .

Amiko tokony hanaja tena Ravalo ,rehefa tsy mahavita azy Andry, Minoa fotsiny ihany fa hiverina ho mamy hoditra indray Ravalo .


ANDRY=CHARLES=CAPSAT=RESOLUTION par LA FORCE+EMPRISONNEMENTS

Tsy mendrika ho tehafana na felicitena ireo. fitadiavana seza no betsaka tao aloha hatramin'izao...
14. zoam ( 08/10/2009 09:32)
tsy mila rajoelina izany ,aleo tsy asiana president dia izay ihany
15. AndriambyII ( 08/10/2009 09:38)
Misy tendance goavana roa miaro ny interet\'ny tsy ho tapaka ao Mada :
GIC : pays francophones majoritairement ,institutions bancaires (Bad ,bnp ,versus bank ,banque atlantique )lobbings occidentaux ;lions club, rotaty club)
SADEC: pays lusophone et anglophone majoritairement ,(institutions bancaires
(Boad , fed ,AFB ,WUB )

Ny mouvance miaraka @ GIC dia fantatra aloha izao fa i andry sy ratsiraka ;ny miaraka @ sadec dia mouvance Ra 8 , ary mbola misy ireo hafa izay tsy voafaritra mazava ny fifandraisany @ ireo institutions ireo. Ny partisant \'n\'i Roindefo , ary possible koa ny partisant n\'i Tsiranana junior,partieTEZA \'ny senateur Rakotoamboa ,Parti MFM de Manandafy , izay tsy nahitana fandraisana anjara aloha hatramin\' izao momba ny fifanarahana t@ ireo fihaonana natao rehetra ireo.
Ary ny tena mavesatra dia ny Franc maçon izay ahitana ny goaika eran\' izao tontolo izao , izay mametraka ny lamina hiarahana .
Tsara aloha raha tonga dia tsorina hoe ireo anti- français , dia anisan\' ny miroana @ SADEC ny firehan-keviny.Ny pro légaliste dia ny GIC no andrianiny , ary ny zavatra hadinontsika dia ny OUA , izay fitaovan\' ny systeme OCCIDENTAUX A (FRIC) mba tsy hitenenana hoe FRANCE AFRIC ,na GB A FRIC , na PORTUGAL A FRIC ,sns ...
Ka tokony jerena tsara mihintsy aloha ny fihavian\' ny olana hoe avy aiza .
Izaho miteny hoe , betsaka kokoa ny olana avy @ ireo firenena avy ao @ SADEC noho ny avy @ GIC .
Ary tsy azo hadino koa anefa ny influence économique avy @ ireo firenena arabo sy aziatika .
Mahery ny tolona fa tsy maintsy miatrika izany isika .


16. dadabe ( 08/10/2009 14:15)
mampa;ahelo ahy ireo fianakaviko any dago :cry: :cry:
17. terrywui ( 08/10/2009 17:58)
ampiasao be ao ny mokondoha ra-zoam fa efa tongotra mby andakana io an'ny TGV io aa! tsisy fijanonany tsony io fa mandé 350km/h vizana amin'ny sarety eo laiasany !! hon hon hon hon !! hoy ra-batista lasanko razana zay !! ha ha ha
18. pink ( 08/10/2009 19:58)
terrywui:

ampiasao be ao ny mokondoha ra-zoam fa efa tongotra mby andakana io an'ny TGV io aa! tsisy fijanonany tsony io fa mandé 350km/h vizana amin'ny sarety eo laiasany !! hon hon hon hon !! hoy ra-batista lasanko razana zay !! ha ha ha



aza mbola misika fa mbola tsy tafavoaka ny ala...NY ala= ireo olona nivadihanreo sy nampahorianareo ihany...sauf hanidina angaha ka tsy hipetraka an-tany .
19. zoam ( 08/10/2009 20:11)
mbola tsy vita lesy ny ady an ny fifidianana mbola eo k'asa ,aleonany mivadika mpanohitra
20. patrick2002 ( 09/10/2009 02:15)
amfhaja:

patrick2002: zany marina ve? tsy fanonganampanjakana ve iny ? fa in lety iny ? kilalao natao ve ?
ra8 anie efa tsy eo e! ary tsy mila toerana, fa eritrereto koa oe ela ve maka toerana amikery de ho ekena ?
Manin ary raha tsy midongy seza le bandy kely io de samy vita, fa mataotra ny tody nga lery io no tsy mety miala teo



Tena tsy fanonga-panjakana iny kah ,raha tena fanonganana iny dia Commandant Charles Premier ministre ary Colonel Randrianandrasana President
Fa tsy izay no niseho ,nanala an`i Ravalo ny miaramila satria maro ny politika fanapotehana ny miaramila nataony Ravalo ,anisany ny tsy fanomezana avancement @ grady ,izay decret presidentiel , efa nisy 50 ny jeneraly niakatra filoha Ravalo ,tsy misy 10 intsony izy ny 2009 ,tsy mila jeneraly tsy hamokatra hono ,maro ny antsojay nataony Ravalo an`i Miaramila ,
Tsy mila Ravalo izy fa kosa manaiky an`izay mitondra eo na satro-bory na i Fetison ,na i Andry TGV.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0494