GTT d'Amerique!!

1. xxx ( 28/09/2009 14:09)
d tafita ny tolona é!!
Témoignages du GTT America
Écrit par Administrator
Lundi, 28 Septembre 2009 09:45
Mamangy! Fandresena anankiroa miezinezina no vitantsika Mouvance Ravalomanana ary anisan'izany ny GTT taty Amerika Avaratra (USA sy Canada) androany zoma ary an-kafaliana no ilazako azy aminareo satria "ny hafali-tsy ahombiazana ary ny enta-jaray mora zaka". Tebiteby no niainana androany tontolo.

1. Omaly alakamisy, rahefa tsy nahazo niteny i Rajiolahy dia mbola nanao izay ho afany ni-interpeller an'i Kaddafi sy M. Treki omaly hariva tontolo i Zina Andrianarivelo, Ambasadaoro mpamadika palitao ary dia hoe mbola tafiditra afaka hiteny androany. Dia efa nandihy tsy afa-tavony ireto FAT ireto notarihan'i Rajoelina ka nanao arrosage tany Fort Lee alina, io Fort Lee (New Jersey) io no misy ny Résidence n'i Zina Andrianarivelo, Ambasadaoro mpamadika.

2. Nanao lobby zahay androany tontolo ary nahavatra tsy niasa ny GGT taty Amerika Avaratra niantso an-taroby tsy ankijanona sy nandefa e-mail tsy ankijanona tamin'ny Sécretariat général sy ny Masoivoho rehetra 192 eto New York, nandefa tamin'i Union Africaine, SADEC sy ny OIF (Francophonie). Hatramin'ny miniotra farany (tsipihiko manokana hatramin'ny miniotra farany), mbola nino i TGV fa afaka hiteny ary efa nitsangana handray fitenenana. Nivadika nefa ny rasa. Manao tsori-mianotra ny fitantarako fa nanomboka tamin'ny 4 ora hariva, ora aty New York, dia tototry ny téléphone nataon'ny GTT ny Masoivoho afrikana rehetra eto ary na dia tsy nieritreritra hanatrika ny A.G. aza dia lasa tany amin'ny Nations Unies daholo ny Ambasadaoro. Isaorana manokana ry zareo. Ny firaisankina no hery ary dia nahomby ny tolona fa nitsangana ny Solontenan'i RDC Congo tamin'ny anaran'ny SADEC tsy nanaiky ny handraisan'i Rajoelina fitenenana. Velona ny hoe "Ce sont des hommes sans qualité" pour ne pas dire PUTCHISTES. Talohan'io rahateo i Blaise Compaore, Président n'i Burkina Faso sy Ny Mpanjakan'i Swaziland dia efa nanindry feo nanameloka ny mikasika ny zava-misy aty M/Kara. Koa Ny ASSEMBLEE GENERALE no nandatsa-bato ary tsy nanome fitenenana an'i Rajoelina mpanongam-panjakana. 4 nanaiky ny handrasain'i Rajoelina fitenenana (mbola ho fantatra eto ihany ireo firenena ireo fa ny vinaviannay dia i France, Lybie, Luxembourg ary ny iray tsy mbola tsy haiko), 6 tsy nanome ny heviny ary 23 no nitsipaka. Na ny cas n'i Honduras aza tsy nandalo AG fa M/kara nandalo AG. Ny AG no fara-tampony amin'ny fanapahan-kevitry ny Firenena Mikambana ary izay no anisan'ny FITSIPAHANA MIVANTANA ataon'ny Firenena Mikambana ny fahefana sandok'i Rajoelina. Nangasihasy ny HAT sy ny forongony nitsoka tao ary dia re fa nitabataba be niala tao amin'ny Building n'ny Firenena Mikambana, nakapokapony ny varavarana. Ho angatahinay ny vidéo sy ny sary mikasika izany tamin'izay afaka naka sary ary ho alefanay aty aminareo raha azo asoa amantsara. Fa tena manala baraka. Io hariva dia tsy misy eto New York intsony ry zareo fa efa lasa nitsoka toy ny mpangalatra na ny mpiavaro-drano tratra orana ary dia efa lasa any Frantsa any amin'ny RENY MALALANY, na dia tokony ho rahampitso sabotsy aza vao hitsoaka. Tsy mahalala menatra.

3. FANDRESENA FAHAROA: tratra ilay ZINA RAZAFY ANDRIANARIVELO, Ambasadaoro ato amin'ny Firenena MIkambana eto New Yok. "Andriamanitra tsy andrin'ireo, andrintsika ihany". Misy INDICTEMENT any Londres ary nivoaka tamin'ny gazety malaza GUARDIAN any Angleterre androany 25 septembre 2009. Io no nanamboatra ny fahatongavan-dRajoelina teto ka tsy nandefa ny invitation tamin'ny Filoha Ravalomanana. Ambasadaoran'i Pdt Ratsiraka tany Washington izy io (1998-2002) ary navotan'i Pdt Ravalomanana ka nalefa teto New York (2003-...). Dia io namadika io. Efa nalefanay amin'ny Sécretariat général n'ny Firenena Mikambana ny article ary nalefanay koa amin'ny Ambasadaoro rehetra eto New York. Tena afa-baraka i M/kara soloin'itony olona itony tena. Efa hainay hatramin'ny ela ny hadalan'io olona io, efa nambaranay t@ i ny Filoha Ravalomanana tamin'ny fotoan'androny. Nefa mahay zavatra Andriamanitra ary mahay miandry fotoana. Afa-baraka i Madagasikara amin'ireto FAT IRETO.

Rahampisto sabotsy dia andeha hisaotra ny Masoivoho Afrikana sy ny hafa nanohana ny tsy handraisan'i Rajoelina fitenenana ny GTT eto Amerika, hitety ny birao tsirairay hisaotra azy ireo.

Izay àry fa dia mifampivavaka fa io no tsy mahalavin-tany. Mahavità be amin'ny hetsika rahampitso sabotsy.

HJR

novalian'i pikatti ny 02/10/2009 06:39
2. remahity ( 28/09/2009 14:37)
XXX 1:
Izay àry fa dia mifampivavaka fa io no tsy mahalavin-tany. Mahavità be amin'ny hetsika rahampitso sabotsy.


tais toi GTT america , ta paroles est pleine de haine, ton discours prône l'adversité,tes propos plein de ressentiment et de rancune

donc mety hiobon-kevitra aminao aho, saingy atsaharo miarake @ vava ny mampifangaro ny haine sy ny fivavahana , sahala @ fanaon'ny Ravalo.

si tu veux parler politique, parle politique , le ka afangafangaronao fivavaha mihintsy ndra raike, t
3. xxx ( 28/09/2009 14:39)
valio @ teny gasy ry donto a !! ianao indrindra no miseho milay tsy mety mamaly @ tenindrazanao eto :evil: :evil: :evil: :evil: :evil: :evil: :evil: :evil:

HO ELA VELONA ANIE NY GTT !!!!!!!!
4. xxx ( 28/09/2009 14:43)
Antsématssôôôo! 'ty lossa amin'atampo !!fa dé naôna lôtsa lé ly gtt isany nou dé naleina palak ôtsan' sao issay léets'é ? god bless HAT for eternity ! :cry: :cry:
5. xxx ( 28/09/2009 14:45)
remahity:

tais toi GTT america , ta paroles est pleine de haine, ton discours prône l'adversité,tes propos plein de ressentiment et de rancune
sady miseho milay miteny fratsay nefa hadisoana re zany é!!!!!


6. xxx ( 28/09/2009 14:53)
n'aiza n'aiza tany alehan'elisany ry FAT misy GTT foana ary tsy hahita mangirany mihitsy élà fa daka voude hatrany no mahazo!!!
7. stalingrad ( 28/09/2009 15:21)
xxx daolo afatsy remehity ihany ,tssss
8. remahity ( 28/09/2009 16:54)
c'est clair stalingrad, on est pas des lâches, les autres n'osent méme pas se montrer: sont tous des tantouzes

ils se permettent de me critiquer pseudo couvert

mavandivandy avao, matahotse ho voa komondro manko
9. pikatti ( 28/09/2009 17:06)
F ainona ny olana ry zalahy a, efa tsisy valeur iny ve no mbola arosin' lisany klé :-D :-D
mitohy ny tolona
10. Papoose ( 28/09/2009 17:18)
:-D :-D :-D :-D :-D

tsy tokony hoe henatra miezinezina ve zao fa fandresena ndray hono! Madagasikara efa latsaka ary anaty lavaka tsy hay ary intsony mbola zetete a tezeve aaaa!!!!

mampiverina @ laoniny ny efa simba sy potika ve le maha zetete sy tezeve eeee!!! eo dia ho lasa fanatika eo daholo!! aiza no tsy hitsoaka ny tanora gasy!
11. pikatti ( 28/09/2009 17:26)
mampiverina @ laoniny ny efa simba sy potika ve le maha zetete sy tezeve eeee!!! eo dia ho lasa fanatika eo daholo!! aiza no tsy hitsoaka ny tanora gasy!

le tanora tsy matotra iny ndray anie zao no nitsôka aty Frantsa e,efa niova lery ao fa niverina nifampiresaka @ SADC ,refa voan'ny daka voudy vao tonga saina
Tsia tsy i Mdagasikara mintsy no voatsin'olona fa ry tgvendrana ka fantatry ny olona retra zay resahinao fa tsy revenin'ny Malagasy le mpanongam-panjakana :-D
12. Papoose ( 28/09/2009 17:36)
pikatti, aza raisina antendrony aloha ny tiko lazaina!!!

ny tiko tenenina @ le tanora malagasy dia rehefa tanora malagasy ao dago (maro dia maro @ izy ireo) ny efa tsy ao moa dia tsy te hiverina..indrisy!


za tsy miraharaha zay hoe iza no tsy mirevy an'iza fa le toe-tsaina lomorina no tena mampalahelo....
13. pikatti ( 28/09/2009 17:44)
pikatti, aza raisina antendrony aloha ny tiko lazaina!!!

zah mandray @ vatany foana kah azoko le lazainao kah
le toe-tsaina lomorina no tena mampalahelo..

..Ié io no tena mahamenatra ,ary raha reto hantenaina reto ndray no tsy maneho ohatra dia indrisy fa fanjakan'i baroa ny mahazo ,samy maka ho azy daholo :oops:
14. Papoose ( 28/09/2009 20:46)
sady manome exemple lomorina ho an'ny generation manaraka mihitsy koa eee!!! ndroooo!!!
15. ni81 ( 28/09/2009 20:52)
2. Mpandefa : xxx [ Valio ] 28-09-2009 16:39:31
Lohateny : Re : GTT d'Amerique!!
valio @ teny gasy ry donto a !! ianao indrindra no miseho milay tsy mety mamaly @ tenindrazanao eto

HO ELA VELONA ANIE NY GTT !!!!!!!!
3. Mpandefa : xxx [ Valio ] 28-09-2009 16:43:16
Lohateny : Re : GTT d'Amerique!!
Antsématssôôôo! 'ty lossa amin'atampo !!fa dé naôna lôtsa lé ly gtt isany nou dé naleina palak ôtsan' sao issay léets'é ? god bless HAT for eternity !
4. Mpandefa : xxx [ Valio ] 28-09-2009 16:45:42
Lohateny : Re : GTT d'Amerique!!
Hoy i remahity:
tais toi GTT america , ta paroles est pleine de haine, ton discours prône l'adversité,tes propos plein de ressentiment et de rancune
sady miseho milay miteny fratsay nefa hadisoana re zany é!!!!!

mahita lazaina mihitsy nareo ato ka! :-D :-D
16. Hinagasy ( 28/09/2009 21:43)
Misaotra ny GTT nanao izay ho hafany amin'ny tsy hanoloan'i Andry Rajoelina tena an'i Madagasikara, tsy voavidimbahoaka akory.
Fa mitovy hevitra amin'i Rematity kosa aho hoe aza afangaro ny vavaka sy ny politika. Raha hivavaka dia hajanony ny fanesoana olona!
17. Hinagasy ( 28/09/2009 21:44)
Azafady Remahity no tiako lazaina!
18. Papoose ( 28/09/2009 22:56)
eshy eee :-D
19. xxx ( 29/09/2009 15:07)
Merci GTT d`Amerique .
Ny malagasy rehetra ( izay TENA TIA TANINDRAZANA ) izay mahatsiaro fa milentika any anaty lavaka ny firenena ankehitriny nohon`ny fiziriziriana ataon`ireto Mpanongam-panjakana ireto dia tokony hanao izay tratry ny heriny sy izay tandrify azy rehetra mba hahatsapan`i TGV fa tsy misy afatsy ny fanatanterahana ny MAPUTO-I izay harahina FIFIDIANANA mangarahara no hahatafavoaka @ crise . Ireo mpanao politika izay tsy nety lany tamin`ny fifidianana ary TSY HO LANY INTSONY amin`ny fifidianana sisa no mbola mikiribiby manohana io HAT io ( satria miandrandra fa raha mba mitarazoka ny raharaha dia mbola mba afaka manararaotra misôsy kely aloha , ) ka sahy milaza tsy menatra akory fa tsy ilaina ny CI , ho roahina ny GIC ..sns . Amin`ny fomba ahoana tokoa moa no ieritreretana fa Ing Sareraka anie ka lasa Haut conseiller ao amin`ny HAT ? Ry Charles \"resolution par la force \" lasa membre ny Conseils d`Administration JIRAMA . Ny Sergent mibaiko , Jeneraly . Tahakan`ny mbola tsy takatry ny sainy ihany fa efa marobe ny Malagasy no tena mitrongy vao homana , ny chomage miakatra . Sa tsy mahakasika an-dry zalahy izany satria izy efa vokin`ny aferafera Bois de Rose ( aiza nefa ny ezaka efa vita tamin`ny fampitomboana ny aire protègée ) , Mine pierre precieuse , Vary halatry ny TIKO , ny miaramila tsy menatra intsony fa efa manafika miaraka amin`ny 4X4 , ary mahagaga fa tsy misy tratra mihitsy na koa manjavona ny enquete momba azy kanefa ny mpanao fihetsiketsehana tratra daholo . Décheance tanteraka no azo ilazana ny fiaraha-monina malagasy amin`izao ary anisan`ny tena mahatonga izany ny tsy fandraisan`ny miaramila \" NEUTRE \" ny andraikiny . Noho izany , maika ny hidiran`ny tafiky ny GIC eto amintsika satria hamono ny firenena ny ataon`ireto TGV sy ny namany ireto ary anisan`ny asa voalohany amin`izany ny neutralisation-n`ireo lehiben`ny tafika mpioko : Minisitry ny Foloalindahy , CEMGAM , Lehiben`ny FIS roalahy , Ny Minisitry ny Polisy , ireo lehiben`ny Zandary . Fa raha ireo no maitrisés , miverina ho azy midinika eo ambony latabatra ry TGV .
20. tsiafoi1 ( 29/09/2009 16:09)
Ny resaka tafika aloa ankehitriny de tena Hazo boboka tsy azo hianteherana intsony. :

- Anisan'ny andraikitra mankadiry miandry izay hitondra manaraka ny fanovana ifotony ny tafika malagasy.
- Tokony hisy recrutement vaovao, betsaka ireo tanora tia-tanindrazana mana-pahaizana, nefa tsy an'asa, ireny no mendrika ho tafika malagasy ka tsy mora harebireby sy vidim-bola.
- Azo eritreretina ihany koa ny fanafoanana ny tafika, fa ny Gendarme sy polisy no hatevenina toy ny any amin'ny firenena hafa.
- Alefa any amin'ny sehatr'asa famokarana ambanivohitra ireo tafika mbola amperin'asa
- Alefa misotro ronono ireo begalona efa conrrompus ireo...
- Hatevenina ny budget ho an'ny tafika raha hotazomina ihany ny fisiany, satria azo eritreretina ihany koa ny hilana azy ireo, satria tany misy petrole i Gasikara
- Hatsaraina ny condition de vien'izy ireo, mba hanintona ny tanora malagasy maro, hamafisina ao anatin'ny fiofanana ny fitiavan-tanindrazana,...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2533