I Marcion sy ny namany hafa
1. soanja
(
15/09/2009 04:08)
i Marcion, Ity lehilahy ity izany no isany nandamina ny soratra tao amin'ny baiboly ary nianatra manokana momba ireo epistily nosoratan'ny apostoly maromaro taloha'ny nametrahana ny Testamenta Vaovao ho soratra masina. Ny soratra nosoratan'i Md Paoly no tena nanavanana azy tokoa sy niasany betsaka.
Nony nandinika anefa izy dia nahatsapa fa tsy Andriamanitra resahin'ny apostoly, izay Rain'i Jesoa Kristy mihitsy, no Andriamanitra tsapany ivavahan'i Jiosy izay ao amin'ny Testamenta taloha.
Izy moa lasa heretika taty afara. Ahoana ny hevitrareo izay mahalala izany ? Misaotra.

novalian'i ikaretsaka ny 24/09/2009 18:33
2. rzakarivola
(
15/09/2009 07:49)
Tsy azoko tsara ilay fanontaniana, izay mahalala teneninao eto ve dia tahaka ny hoe "ao am-pon'ny mahalala", sa mahalala ilay tantaran'i Marcion ?
3. soanja
(
15/09/2009 12:38)
rzakarivola:
Tsy azoko tsara ilay fanontaniana, izay mahalala teneninao eto ve dia tahaka ny hoe "ao am-pon'ny mahalala", sa mahalala ilay tantaran'i Marcion ?
Ny tiako hanontaniana dia hoe ahoana ny fahitanao ny hevitr'i Marcion. Io moa be ny mety tsy hahalala an'io satria io tsy misoratra ao anaty baiboly izy, fa izy kosa ny ao ambadiky ny fampivondronana ny boky isankarazany ao amin'ny baiboly, izay natao hoe Testamenta Vaovao taty aoriana.
4. ikaretsaka
(
15/09/2009 14:07)
Marcion de Synopie ve io ry Soanja?
nanampy bedebe t@ fampivondronana ny taratasy bedebe an'i Md paoly tokoa izy.. fa le conclusion no tsy azoko hoe avy @ ze (kely voarakitra @) nosoratan'i Md Paoly no nangalana conclusion ni rejetter na ilay YHW

5. soanja
(
15/09/2009 16:37)
ikaretsaka:
Marcion de Synopie ve io ry Soanja?
nanampy bedebe t@ fampivondronana ny taratasy bedebe an'i Md paoly tokoa izy.. fa le conclusion no tsy azoko hoe avy @ ze (kely voarakitra @) nosoratan'i Md Paoly no nangalana conclusion ni rejetter na ilay YHW
Ie Marcion de Synopie tokoa io resahiko io. Tamin'izay fotoana izay mantsy dia mbola tsy nisy ny baiboly ary mbola nifandroritana tokoa ny hoe inona amin'ny boky voasoratra izay hinoan'i Jiosy, izay nantsoina hoe "scriptures" tamin'izay no mifandray amin'ny voasoratr'i PAOLY sy ny hafa. Ka gaga be izy nony hitany fa hoe ho hinoani Xtiaina koa ny boky isan-karazany talohan'i Jesoa. Dia teo no nisy fifandirana ary farany moa dia nolazaina fa Heretika izy. Ka asa na maharaka izany isika fa ny tiako hanontaniana dia hoe moa ve ahitana fahamarinana ihany ireo zavatra hitany ireo hoe ny Andriamanitry ny Jiosy izay nandringana sns tokoa ve ilay Andriamanitra resahin'i Jesoa Kristy izay be fitiavana sy nandefa azy mba handio ny fahotana. Mazava ho azy moa fa ny apokalipsy ny Jaona dia mbola tsy hitany tamin'izay.
Nanoratra zavatra be dia be tokoa mifanohitra amin'ny voalazany i Irenaeus izay Bishop ny Lyons (France) ka asa na efa nisy namaky an'io isika fa ny boky nosoratin'io farany io no milaza betsaka ny zavatra tsy ekeny momban'ny voalazan'i Marcion. Tsy mbola namaky io boky io anefa aho. " Against Heresies" mino aho fa manana an'io ny Vatikana.
6. ikaretsaka
(
15/09/2009 16:56)
fa ny tiako hanontaniana dia hoe moa ve ahitana fahamarinana ihany ireo zavatra hitany ireo hoe ny Andriamanitry ny Jiosy izay nandringana sns tokoa ve ilay Andriamanitra resahin'i Jesoa Kristy izay be fitiavana sy nandefa azy mba handio ny fahotana
Arak'i Marcion dia hoe samihafa i YHW (Jehovah) sy Atra Ray ilay naniraka an'i Jesoa
satria "hono" i Yhw nony nahita ny ditran'ny olombelona de lasa mpanasazy (io no inoan'ny jiosy) fa ilay Ray hafa.
Tsary haiko izay nahitan'i soanja ny momba azy fa ny ahy avy @ asasoratr'i Tertulian.
Fa fijeriko manokana dia hoe tsy ampy ny source nangalany tsaok'hevitra raha sombiny kely t@ lioka sy taratasy 10 t@ voasoratr'i Paoly fotriny!
fa mahaliana ahy ny hanohy ny adihevitra fa mila mamaky ilay antithese-ny mampitaha an'Atra ray sy i jehovah aho aloha! ( tsy dia mpandeha train loatra intsony koa aho dia tsy misy fotoana hamakiana boky:-D :-D )
7. soanja
(
15/09/2009 23:41)

Isankarazany ny boky nanome ahy io info io ka.
Izay angamba no azontsika atao zany dia ny fampitahana izay haitsika hoe iza i Jehovah ary iza ilay Ray resahin'i Kristy. Dia hita eo raha mety manana ny marina izy na tsia. Nisy fotoana koa mantsy dia nisy niteny hoe tsy i Jesoa no Kristy ka dia io no tiako harahina maso akaiky hoe ahoana no nahatonga izany fihevitra izany.
Mbola hitohy.
8. rzakarivola
(
16/09/2009 12:46)
Tsy fantatro i Marcion, fa i Jesosy kosa mampahafantatra ny tenany amiko, tsy noho ny saiko nefa, fa araka ny teniny hoe \"Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian\'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.\".
Tsy fantatro i Marcion na mino an\'i Jesoa na tsia, nefa fantatro kosa \"... fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin\'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin\'ny fanjakan\'ny lanitra;
fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana any amin\'ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikotroha-nify.\" [Matio 8:11-12]
Mety misy hiteny hoe fampitahorana indray izany. Ity misy fanoharana :
Indray mandeha tao @ nosy kely anakiray dia nahazo fampilazana mialoha fa hisy tondra-drano be hanafotra tanteraka ilay nosy, koa aoka hanamboatra sambofiara lehibe anakiray hamonjena ny olona sy ny biby. Maro no tsy nino, fianakaviana anakiray ihany no nino, dia ny fianakavian\'ilay nahazo ny filazana. Namboarin\'ilay tokana nino ny sambofiara, nanakarama mpiasa maro izy t@izany, izay nanaiky hanamboatra ny sambofiara, tsy ny finoany fa hisy ilay tondra-drano anefa, fa noho ny vola. Rehefa vita ny sambofiara, vita ara-potoana ary dia mbola nitaona ny olona hiditra ihany ilay raim-pianakaviana nialoha ny nanidiana azy niaraka t@ échantillons ny biby tsirairay avy. Rehefa nihidy ny sambofiara dia nanomboka avy ny orana, nanomboka nieritreritra ny sasany ... nanomboka namonjy ny toerana izay avo indrindra teo @ilay nosy, nefa tsy nitsahatra ny orana, ary nanomboka nandifotra tsikelikely ny tendrombohitra, nisy nilomano nanatona ny sambofiara ary nanao hoe : \"Eh, izaho koa mba isan\'ny nanao an\'iny sambofiara iny fa vohay\" ... saingy atao ahoana no famoha an\'io intsony, ny orana efa mijojojojo be ary ny rano miakatra ka tsy azo vohaina intsony.
Tahaka izany ny amin\'ireo maro izay nandray anjara t@ fanamboarana ny fiangonan\' Andriamanitra kanefa tsy nino akory!
Farany, hoy aho hoe, s\'il a demandé à Jesus, Jesus lui aurait expliqué les choses.

9. ikaretsaka
(
16/09/2009 13:33)
rzaka> nohon'ny zavatra nataon'i marcion sy ny namany no nahatonga io baiboly (tsimponinao) io ka nahafantaranao an'i Jesoa t@ alalan'io boky io
10. soanja
(
16/09/2009 19:07)
rzakarivola:
Tsy fantatro i Marcion, fa i Jesosy kosa mampahafantatra ny tenany amiko, tsy noho ny saiko nefa, fa araka ny teniny hoe \"Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian\'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.\".
Ka ahoana ny nahafantaranao ny teniny? Tsy ny baiboly ve? i Marcion dia isany niasa tamin'ny fanangonana ny boky isankarazany tao amin'ny baiboly. Fantaro ny momba anareo, raha tsy mahalala dia mikaroha fa aza variana mandinika zavatra tsy fanta-piaviana.
11. ikaretsaka
(
16/09/2009 19:36)
Ka ahoana ny nahafantaranao ny teniny? Tsy ny baiboly ve? i Marcion dia isany niasa tamin'ny fanangonana ny boky isankarazany tao amin'ny baiboly. Fantaro ny momba anareoo raha tsy mahalala dia mikaroha fa aza variana mandinika zavatra tsy fanta-piaviana.
12. rzakarivola
(
17/09/2009 11:36)
ikaretsaka:
rzaka> nohon'ny zavatra nataon'i marcion sy ny namany no nahatonga io baiboly (tsimponinao) io ka nahafantaranao an'i Jesoa t@ alalan'io boky io
==> Ie, tena nilaina sady ilain'ny mpino an'i Kristy tokoa ny mamaky baiboly. Ny Baiboly nahafantarako momba an'i JK, nandrenesako ny teniNy sy ny tantaraNy sy ny tantaran'izao tontolo izao. Izy namaly ny fanontaniako no nahafantarako Azy ary nahafahako nanaiky fa marina ny ambaran'ny Baiboly hatr@ voalohany ka hatr@ farany, ary izay mety ho endrika fifanoherana ao dia tsy misy na iray aza manohitra an'i Jesoa sy ny tenin' Andriamanitra, Jesoa no tenin' Andriamanitra velona.
13. rzakarivola
(
17/09/2009 11:40)
soanja, Ikaretsaka >>> Ireo teninareo ireo no ambaran'ny fanoharana mikasika ny sambofiara nolazaiko tetsy ambony. I Jesoa no fantatro ary manamarina amiko ny ambaran'ny Soratra Masina, tsy fantatro tokoa ny nihaviaNy, saingy Izy no nampahafantatra sy mampahafantatra ny zava-drehetra amiko, "Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo." [Jaona 16:13]
14. ikaretsaka
(
17/09/2009 12:07)
I Jesoa no fantatro ary manamarina amiko ny ambaran'ny Soratra Masina, tsy fantatro tokoa ny nihaviaNy, saingy Izy no nampahafantatra sy mampahafantatra ny zava-drehetra amiko
Dia miala tsiny aho razaka fa dia ianao no niteny mazava izao.. fa izay no maha voanjo alika na tahom-boanjo anao
ny voanjo no manao izany hoe tsy raharahany ny processing rehetra naha voanjo ny tsakoiny fa le ao anaty sachet iny ihany!
tsy nisy nandingana izany (na ny razan'i jesoa aza ohatra dia voatanisan'i Matio tsara) fa tsy hoe tsy raharahako ze anelanelany fa Jesoa no ilaiko..nooon! nisy asa goooavana be vao tonga teo aminao io Jesoa io, nisy andraikitr'olona maaarobe vao voavakinao ny momba ilay petsipetsoninao hoe "tenin'Atra" fa tsy magie magie fotsiny
dia ianaro ny tantaran'ny nahatonga azy ho teny afaka voavakinao sy tsinmponinao sy ataonao diska goaka fa aza mi se contenter @ produit fini. raha tolorako tavoahangin'eau vive ianao fa ranon'Anosy no ao anatiny... hanadihady ianao na hitanao sy ilainao aza ny rano hoe taiza io no nalaiko sns... mainka fa hoe tenin'Andriamanitra... tsy heo Jesoa de pouf ...de zay..io fa nisy!
15. soanja
(
17/09/2009 12:22)
rzakarivola:
soanja, Ikaretsaka >>> Ireo teninareo ireo no ambaran'ny fanoharana mikasika ny sambofiara nolazaiko tetsy ambony. I Jesoa no fantatro ary manamarina amiko ny ambaran'ny Soratra Masina, tsy fantatro tokoa ny nihaviaNy, saingy Izy no nampahafantatra sy mampahafantatra ny zava-drehetra amiko, "Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo." [Jaona 16:13]
Tsy mankaizay ny resantsika Razaka fa aleo dia samy ho tahian'Andriamanitra avokoa isika rehetra.
Efa niteny ihany anie aho tary ambony hoe "ho an'izay mahay izany" fa dia akory atao. Isaorana Andriamanitra fa misy ianao!
:-* :-* :-*
16. ikaretsaka
(
17/09/2009 12:51)
Fa ny mahagaga @ olona ohatran-dry rzaka hoa de @ vadiny izy tsy sahy manao hoe "Tsy raharahako ze mamanareo sy dadanareo sy bebeanareo sy ny razanao sy ny fiavianareo sy ny sisa nahatonga anao eto antany ka lasa vadiko fa ianao ihany ramatoa no tiako sy lalaiko" fa vangiany sy alehany ireo...
Fa @ jesoa izy de vitany tsara.... nefa mpanaraka an'i jesoa hono..de raha I jesoa no eo @ toeran le vadiny de ahoana?

17. fahamarinana
(
17/09/2009 13:11)
:arrow: ika : zavatra roa sy olona roa azo atao fanoharana kosa atao e,ny vadiny tsy ho Jesoa mihintsy na ny vitan'ny vadiny na ny ataony na ny maha-izy azy ,angamba ! :lol: (l)
18. ikaretsaka
(
17/09/2009 14:02)
samy natolotr'andriamanitra ireo mba ho sakaizany sy hanoro azy ary hiara hifanasoa aminy ngefany ry faha
19. majesty
(
20/09/2009 05:07)
soanja :
Betsaka ny tranga toy io miresaka an'i marcion io, fa ahatsiarovako ny tantaran'i Noa ny toe-javatra miseho eto, nisy olona nanampy izy t@ nanamboatra an'ilay sambo fiara kanefa ireo olona juste nanamboatra fotsiny fa tsy niditra tao.
Ny malaza mpanonta ny baiboly @ teny anglisy ihany koa zao dia ry zareo kely maso fa dia manonta fotsiny ihany izy fa tsy miasa saina izay ao anatiny ao.
I Lotera zao pretra teo aloha dia nisy zavatra noraisiny tao @ soratra masina tao ka nahatonga azy niova fijery dia lasa heretika izy taty aoriana araka ny fanambaran'ny eglizy.
Dia raha ny eto an-tanàna dia toy ny olona iray nanorina fiangonana dia avy eo tsy nivavaka tao intsony taty aoriana fa niova lasy.
Dia ry Mailhol koa zao namadibadika an'izay azony navadibadika tao dia lasa nahita hoe maty alarobian ndray hono Jesosy fa tsy zoma sns
Fehiny : Miara miasa ny zavatra rehetra ahasoa izay tian'Atra

20. majesty
(
20/09/2009 05:08)
oups, ampiako kely fa sao dia misy mandrirotra eo ndray :
Fantaro ny zavatra rehetra dia hazony mady izay tsara na raha araka ny kolontsaina malagasy ataovy toy ny voankazo an'ala, ny mamy atelina ny mangidy arora.