Fa maninona tokoa ary e

1. niryna ( 02/09/2009 06:25)
Mety ho gaga angamba isika hoe tena manampahaizana be aho izany kanefa raha asiana mamaky baiboly aho dia tsy azoko ny ao anatiny,izaho ve no vendrana sa ilay izy mihitsy no tsy miditra sa rehefa tsy mety mino izay lazaina aho dia tsy manintona ahy ilay izy ka hany heriko dia toheriko daholo izay voalaza ao ary mitady fanontaniana maro foana aho mba andravako iny foundation be efa lali-paka ny hafa iny dia ny finoana an'ilay kristy izay rano velona tsy mety ritra ?

Tsotra ny valiny:Te ahalala ny tenin'Atra isika? ataovy ny fandalinana azy,vavaka,fifandraisana amin'ilay Ray Nahary izao tontolo izao,finoana an'ilay kristy zanany .Finoana izay voalazany sy ny fitandremana ny teniny ary ny fitiavana Azy amin'ny fo manontolo

Fa maninona no tsy mety ho azoko mihitsy izay tenenina ao? nandray ny tompo ve aho,nino izay voasoratra ve aho sa nolazaiko fa tsy ao irery ihany no ahalalana ny marina? raha izany dia aiza? amin'ny fiainana sy ny manodidina? iza no nanao izany fiainana izany? ka raha mino ny fisian'ny fiainana aho maninona aho no tsy mino izay namorona an'izany?

Mety mbola misy ihany ve ny fotoana mba ahafahako mino izany ATra izany e? izao dia izao dia afaka mino Azy hianao ary raha te andray sy te ahita izany fitiavany izany tokoa dia raiso izy fa miandry anao foana

Dia ahoana tokoa ary izany hoe izay mino azy ihany no ipetrahan'ny fanahy masiny,miangatra indray izany ilay ATra reo,io anie no efa noalazaiko hoe fa maninona hoy aho izy no manao ny ratsy? irotsahan 'ny fanahy masina?
maninona iny raha tsy fantatro any aza? io fanahy masina io no miaraka amin'izay rehetra mino an'ilay zanaka satria nangatahany tany amin'ny rainy io mba hiaraka amintsika,ampianatra antsika.

Ny zavatra rehetra dia tsy ho takatry ny saintsika amin'izao ary indrindra raha resaka fivavahana ,finoana an'ilay kristy resahinay eto foana.Fa ahoana? izay mino azy no lasa zanany,tsy mino azy dia tsy zanany izany? ary ra zanany dia maninona ?mandova ary mahafantatra izay hafany rehetra

fa ahoana no lazainao hoe tsy fantatray ny tiana ho tenenina ? manampahaizana avokoa izany ireo mizara eto ireo? Tsy fahaizana io fa fahasoavana ary afaka mahazo izany avokoa izay mino azy

Ity ary ny valiny hoe fa maninona no tsy mety ho azonay na tsy fantatray na toerinay foana ny tenin'Atra ka lazaina fa tsy misy Atra na hoe tsy tokony nasian'Atra izany ratsy izany na inona omena kanefa tenin'Atra dia toheriny dia ity no valiny ..... indro kely a tsy mahazo manohitra izany izahay,mahazo manohitra satria safidy fa ilay hoe manda ny tenin'Atra foana no tiako tenenina,manipaka izay teny nomeny ka mitarika ny olona andeha any amin'izay filan'izao tontolo izao satria tsy mijery ny fahamarinana izay noresahiny ombieny ombieny ao anatin'ny soratra masina

sy ny hoe maninona no tsy mety miditra ao amintsika ny fanahy masina ? fa maninona ny sasany manana azy ary ny sasany tsy manana?

http://baiboly.org/toko.asp?boky=IKORINTIANA&toko=2&andininy=14-15&dika=ls-web
novalian'i niryna ny 11/09/2009 05:12
2. niryna ( 02/09/2009 06:32)
Averiko eto ary ny tena votoatin'ity resaka ity
Fa maninona tokoa ary no izay mino azy ihany no omeny ny fanahy masina
Fa maninona no tsy mety ho takatry ny tsy mpino an'Atra kristiana ny teny izay voasoratra ao anatin'ny baiboly na toheriny foana? na milaza an'Atra ho mandainga? mandainga ahoana e,izay voasoratra ao dia lazaina fa tsy izy na tsy tokony ho izy na feno tsy finoana ?
satria
I Kor 2 14-15

14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.

15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona.


14 Mais l`homme animal ne reçoit pas les choses de l`Esprit de Dieu, car elles sont une folie pour lui, et il ne peut les connaître, parce que c`est spirituellement qu`on en juge.

15 L`homme spirituel, au contraire, juge de tout, et il n`est lui-méme jugé par personne.


14 Now the natural man doesn`t receive the things of the God`s Spirit, for they are foolishness to him, and he can`t know them, because they are spiritually discerned.

15 But he who is spiritual discerns all things, and he himself is judged by no one.

:-* :-* :-*
3. rakapy ( 02/09/2009 08:42)
hoy Niryna
fa maninona no tsy mety ho azonay na tsy fantatray na toerinay foana ny tenin'Atra ka lazaina fa tsy misy Atra na hoe tsy tokony nasian'Atra izany ratsy izany na inona omena kanefa tenin'Atra dia toheriny dia ity no valiny ..... indro kely a tsy mahazo manohitra izany izahay,mahazo manohitra satria safidy fa ilay hoe manda ny tenin'Atra foana no tiako tenenina,manipaka izay teny nomeny ka mitarika ny olona andeha any amin'izay filan'izao tontolo izao

Angamba ny fandraisanao ny famakafakana sy fanadiahadiana ary ny fanotaniana ataon'izy ireo no tsy hainao ka lazainao fa manda sy manohitra ny tenin'A/tra avokoa ireo izay liana mba hanadihady ka tsy mitovy hevitra na fijery na koa tsy manara-drenirano toy trondro maty rehetra.
4. cutie ( 02/09/2009 11:01)
bdb loatra le we fa manin fa manin :-D :-D :-D :-D
fa manin koa nefa no manontany :wink:
5. ikaretsaka ( 02/09/2009 11:53)
Mitovy fijery @ rakapy aho eto
6. Mirananirina ( 02/09/2009 14:19)
Fa maninona moa fa olombelona dia izay.Ary ny baiboly dia soratra nosoratan'olombelona dia misy ny ok sy ny tsy ok.
7. soanja ( 02/09/2009 15:29)
rakapy:

hoy Niryna
fa maninona no tsy mety ho azonay na tsy fantatray na toerinay foana ny tenin'Atra ka lazaina fa tsy misy Atra na hoe tsy tokony nasian'Atra izany ratsy izany na inona omena kanefa tenin'Atra dia toheriny dia ity no valiny ..... indro kely a tsy mahazo manohitra izany izahay,mahazo manohitra satria safidy fa ilay hoe manda ny tenin'Atra foana no tiako tenenina,manipaka izay teny nomeny ka mitarika ny olona andeha any amin'izay filan'izao tontolo izao

Angamba ny fandraisanao ny famakafakana sy fanadiahadiana ary ny fanotaniana ataon'izy ireo no tsy hainao ka lazainao fa manda sy manohitra ny tenin'A/tra avokoa ireo izay liana mba hanadihady ka tsy mitovy hevitra na fijery na koa tsy manara-drenirano toy trondro maty rehetra.


Voalazanao Rakapy. Be no nobeazina tao anaty Dogma e.


8. ikaretsaka ( 02/09/2009 15:36)
Izay an drakapy izay mihitsy e
9. ari.malala ( 03/09/2009 07:22)
rakapy:

hoy Niryna
fa maninona no tsy mety ho azonay na tsy fantatray na toerinay foana ny tenin'Atra ka lazaina fa tsy misy Atra na hoe tsy tokony nasian'Atra izany ratsy izany na inona omena kanefa tenin'Atra dia toheriny dia ity no valiny ..... indro kely a tsy mahazo manohitra izany izahay,mahazo manohitra satria safidy fa ilay hoe manda ny tenin'Atra foana no tiako tenenina,manipaka izay teny nomeny ka mitarika ny olona andeha any amin'izay filan'izao tontolo izao

Angamba ny fandraisanao ny famakafakana sy fanadiahadiana ary ny fanotaniana ataon'izy ireo no tsy hainao ka lazainao fa manda sy manohitra ny tenin'A/tra avokoa ireo izay liana mba hanadihady ka tsy mitovy hevitra na fijery na koa tsy manara-drenirano toy trondro maty rehetra.

+1

cutie ;) :-D :-D :-D

10. rzakarivola ( 03/09/2009 08:22)
Angamba ny fandraisanao ny famakafakana sy fanadiahadiana ary ny fanotaniana ataon'izy ireo no tsy hainao ka lazainao fa manda sy manohitra ny tenin'A/tra avokoa ireo izay liana mba hanadihady ka tsy mitovy hevitra na fijery na koa tsy manara-drenirano toy trondro maty rehetra.

==> Antenaiko fa izay namoaka ity hevitra ity dia tena nahay nandray tsara sy namakafaka ny tena tian'i niryna nampitaina na nanontaniana ... ary ireo nilaza fa niombon-kevitra taminy dia tsy olona mpanara-drenirano toy ny trondro maty.

Izaho kosa dia sahirana be mikaroka hoe, inona ilay tena tian'i Niryna ambara ...@ko i niryna eto miteny @ fiteny tsy fantatra, mila mpandika teny
11. ravonjison ( 03/09/2009 08:37)
Toa velombolo kely Rakapy fa misy mpanohana a .!
12. ari.malala ( 03/09/2009 08:38)
ravonjison hihihi
13. ikaretsaka ( 03/09/2009 12:05)
Tsy @ maha rakapy an drakapy io fanohanana io fa @ mampitombina ny valinteniny ho an'i niryna a
14. ari.malala ( 04/09/2009 10:57)
Izaho moa zany voalaza foana fa manohitra sy mitsipaka ny tenin'Andriamanitra, k miangavy an'ilay olona mpiteny anizany, enao namorona dinina indrindra ramatoa niryna, mbola averiko eto lay fangatahakoary ambany ary hoe ento eto, ataovy tsimpona anaty quote toy ny fataonao, hoe teny taiza tao anaty baiboly (ilay tena verset original mintsy) entina eto hoe io lay notsipahiko sy notoheriko, d amizay fotoana izay zà mety handini-tena hoe tena mpitsipaka marina! fa rambola ny tenindry hoa, na ny tenin'olona no angatahako fanazavana na toheriko mitns aza ts manin zany, d tsy tenin'Andriamanitra fa teninareo, satria nareo tsy Andriamanitra, tsy Jesoa.
15. bor2lais ( 04/09/2009 12:36)
Mba valio hono re ity rahavavinao ity ry Niryna fa miandry mafy a !
Dia aza adino ilay "holy kiss" an ! :D
16. ni81 ( 04/09/2009 12:42)
Mba valio hono re ity rahavavinao ity ry Niryna fa miandry mafy a !
Dia aza adino ilay "holy kiss" an !
:)
17. fahamarinana ( 04/09/2009 12:44)
:arrow: bord :efa niteny ari ao ambadika ao fa tsy mila holly kiss hono kouh!
niryna : aza atao miandry fa gasy ny namana fa aleo hazava mba hidirantsika amin'ny dinika hafa mazava kosa e!... :) (l)
18. ikaretsaka ( 04/09/2009 16:11)
aiza i niryna hitondra faazavana o
19. cutie ( 04/09/2009 18:53)
labor day WE nge ny andro e, nyrina zay mbola lasa nandeha nijery air show :D
20. ikaretsaka ( 04/09/2009 21:08)
nga zany?
lazainy fa anjely eo koa ny mpisoty para fa....
de ho avy izy hilaza sy hijoro vavolombelona fa nahita anjely fa rehefa akaiky hilatsaka @ tany vao nashiany elatra be misy tadiny .... ah baba :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0412