Hasin'ny vehivavy malagasy sy afrikanina

1. matoss ( 01/09/2009 18:16)
Vokatry ny fahantrana ve sa vokatry fanambaniana? Fa toa tsy re mihitsy ny hasin'ny vahivavy gasy sy afrikanina.
Raha ny silamo no jerena dia ekena fa famoretana tsotra izao no mahazo ny vehivavy any. Fa ny antsika kosa tsy misy izany.
Fa ny mahagaga dia mbola somary objet ihany ilay izy: vendeuse, mpanasa lamba, premiere dame, miss, ramatoa, mpivarotra ... Tena ohatra efa voasoratra dieny vao teraka hoe ireto ihany no sahaza ny vehivavy malagasy.
Na ny lehilahy koa aza moa.
Omeo hevitra ireharehana hoe izany ka gasy.
novalian'i rhina ny 11/09/2009 06:13
2. ni81 ( 01/09/2009 19:11)
gasy ka manja! :D
3. simplex ( 01/09/2009 19:45)
Omeo hevitra ireharehana hoe izany ka gasy.
valiny: masera be doly ny sipa gasy :)

Tsy hoe hendry be doly akory fa azo lazaina hoe azo atokisana, sa ahoana? :P

:-* :-*
4. sitlo ( 01/09/2009 21:57)
Mitombina!
5. soanja ( 02/09/2009 00:13)
matoss:

vendeuse, mpanasa lamba, premiere dame, miss, ramatoa, mpivarotra ...


Hasina daholo izany voatononao izany. Manan-kasina ny rehetra eo amin'ny fiainana rehefa tsy manimba ny hafa ary mamokatra ho an'ny fiarahamonina ho amin'ny filaminan'ny fiainana.

Tiavo ny momba anao fa io nahabotrabotra. Sa ve tsy nohosoran-dreniny menaka ny havako?


6. Papoose ( 02/09/2009 00:47)
ngamba kosa tsy hoe objet ka!!! role io amiko fa samy manana ny nfandraisany azy moa
7. Veloo ( 02/09/2009 03:26)
hafa ihany ny vevhivavy gasy e :D :D :D
8. xxx ( 02/09/2009 05:20)
Tsy hoe fitiavana te hampiditra resaka politika ato amin'ny sehatra FITIAVANA ny tenako fa hitako misy hifandraisany nefa ilay izy.

Aiza ve ry reto i dada no iantson-dry zareo an'i ravalo, izany hoe raha dadan-dry zareo iny dia zanak'i ravalo daholy zany ry zareo. Mipetraka avy hatrany ny fanontaniana hoe: Andriambavy lanitra firy zany no namboarin-dravalo??? Izany ve tsy fanambaniana ny reny sy ny vhv malagasy tsotra izao.
9. xxx ( 02/09/2009 05:30)
xxx:

Aiza ve ry reto i dada no iantson-dry zareo an'i ravalo, izany hoe raha dadan-dry zareo iny dia zanak'i ravalo daholy zany ry zareo. Mipetraka avy hatrany ny fanontaniana hoe: Andriambavy lanitra firy zany no namboarin-dravalo??? Izany ve tsy fanambaniana ny reny sy ny vhv malagasy tsotra izao.
tsy hitako zay olana ho anao an'io! tsy hainao ny atao hoe fanajana ray aman-dreny ! Fanajana azy no hiantson'ny olona azy hoe dada fa tsy misy hidiran'io nazainao io hoe fanambaniana ny reny sy ny vhv malagasy zany na dia pitiny aza. Mba alefaso lavitra ny saina sy ny heritreritra é!


10. xxx ( 02/09/2009 06:16)
xxx-8:
tsy hitako zay olana ho anao an'io! tsy hainao ny atao hoe fanajana ray aman-dreny ! Fanajana azy no hiantson'ny olona azy hoe dada fa tsy misy hidiran'io nazainao io hoe fanambaniana ny reny sy ny vhv malagasy zany na dia pitiny aza. Mba alefaso lavitra ny saina sy ny heritreritra é
:)
Mazava kosa ny teny malagasy fa aza ovaovainao mihitsy na pitiny aza. Ny olona antsoina hoe dada dia ilay ray niteraka (na koa ilay raikely indraindray). Aza zatra mandefa ny saina lavitra loatra fa lasa mamorina sy minia tsy mahita ny zavatra eo ambany maso ny hiafarany.

Ary aza marary fo raha toa ka raikelinao koa i ravalomanana. Io mihitsy ange no lazaiko hoe tsy fanajana ny reny sy vhv malagasy e! ary hay kay ny zaza toa anao koa mijaly amin'ilay raharaha.
11. nathie86 ( 02/09/2009 06:34)
In tsara aloha ilay tian\'ny mpanoratra atongavana?? oe tsis martiora v sa in.
Tsy hasin\'ny daholo zany ny sipa ato klé mdrrr :-D :-D :-D
12. ari.malala ( 02/09/2009 06:36)
:roll: :roll: raha antsoina hoe première dame v d objet? fa ahoana no tokony iantsoana azy? miss, taratry ny hatanorana anie zany e! endriky ny hatsarana iany koa, ko objet ahoana moa? raha vendeuse, na mpanasa lamba, izay no asany aza ko! ary tsy misy asa ambany, fa ny fanajanao ny asanao no maha ambony na maha ambany anao. Ny mpivaro-tena sy ny mpangalatra iany angamba (amiko manokana) no tsy misy hasiny.

momba ilay resaka ra8 antsoin'ny olona hoe dada, tsy azoko loatra, ekeko hoe teny malagasy izany, fa ny olona anie refa lehibe d maro koa ny miantso azy hoe dada na d ts rainy niteraka azy aza e! ohatra ftsn ny hoe dada pasy (hoan'ny pasitera) na koa misy olona efa nahazo taona eo am tanàna d ampiana hoe dada ny anarany mba tsy hamingavingàna azy donko tsy azoko mintsy ilay olana mipetraka hoe manambany ny reny malagasy ahoana moa izany?
13. nathie86 ( 02/09/2009 12:14)
ari>>> i xxx v atao mahataitra eh, ny azy any @ tsy mivonto fôna no manaintaina hihihi.
14. xxx ( 02/09/2009 12:40)
Miombo-kevitra @ Soanja aho eto, inona no atao hoe "hasina" ? Tsy azo lazaina fa misy hasina ve raha toa ka tsy patron sy mpiasa birao ...etsetra.

Izaho vehivavy miasa, fa mbola manana hasiny kokoa amiko ny maha "neny" sy mpikarakara tokatrano ahy ary tsy ataoko ambanin-javatra
15. simplex ( 02/09/2009 12:41)

fa in aloha no idiran'i ra8 @ ity kozy ity e :-w

:lol:
16. Mirananirina ( 02/09/2009 12:54)
Ny hoe hasina hoan'ny vhv aloha dia matetika ianareo lhl ihany no manambany ny vehivavy:oh:tsy mahavita azy,makorely,be vava,sns.....(tsy ny rehetra io an)
Vao misy zavatra tsy tantinareo aminy vehivavy dia iny fa manaratsy ianareo.Izahay tsy mitady hasina ,fa angamba fananjana no ilainay.

Ilay hoe dada8 indray,amiko manokana tsy miantso azy hoe dada aho.Nefa izay te hiantso azy hoe dada..maninona moa,tsy hitako izay olona hoe voatery ho zanany vao miantso hoe dada...Izaho anefa raha mahita olona antitra be dia antsoiko foana hoe dadabe..na tsy dadabeko aza.
17. Mirananirina ( 02/09/2009 13:30)
Saika adinoko ity.Vaovao niseho tao aminy tany Afrikanina,tsy manaiky ry zalahy hoe hitondra ny vehivahy.Dia inona hoy ianareo no ataony vehivavy????
(l) (l) (l)
Tsy homena mihitsy ry zalahy mandrapanao sonia ilay taratasy ,dia ny koksa nomena vola daholo tsy hivarotra...hihihi.. :-D :-D :-D :-D
18. Papoose ( 02/09/2009 13:59)
Aiza ve ry reto i dada no iantson-dry zareo an'i ravalo, izany hoe raha dadan-dry zareo iny dia zanak'i ravalo daholy zany ry zareo. Mipetraka avy hatrany ny fanontaniana hoe: Andriambavy lanitra firy zany no namboarin-dravalo??? Izany ve tsy fanambaniana ny reny sy ny vhv malagasy tsotra izao.


io anie fametrahana azy hoe ray aman-dreny eee!!! fa tsy raisina ara-bakiteny! :-D
19. Ratoa ( 02/09/2009 22:43)
Tsy azoko izay tian'ny mpanolotra lohateny ho lazaina.
Milaza ve ianao ry mpanoratra fa tsy manakasina ny vehivavy malagasy? Ny olona rehetra dia efa nomen'Andriamnitra ny hasiny. Ny maha olombelona azy no hasiny.
Ny asa aman-karena tsy hasina mihitsy. Ary raha miasa dia tsy objet fa sujet .
Aoka re ra-mpametraka hevitra mba tsy ianao malagasy no hilaza fa tsy misy hasina ny vehivavy malagasy. Ary alohan'ny ilazanao ny vehivavy gasy rehetra, dia eritrereto ny vehivavy ao amin'ny fianakianao: ny reninao, ny renibenao dia ny anabavinao na ny rahavavinao, sa ianao tsy natera-behivavy?
Momba ny silamo indray: silamo angaha ianao? Dia lazao ahy fa tsy fantatro ny voalazan'ny Coran momba ny vehivavy sy ohatra mazava amin'izay fantatrao marina mba ianarako azy fa "ratsy izany tsy mba mahay, tsy mba mahafantatra ny fantatry ny olona, ka tonga manontany hoe: mba inona moa izany ange?" hoy ny hiranay fahazaza.
20. tywa68 ( 03/09/2009 04:27)
Mirananirina:

Saika adinoko ity.Vaovao niseho tao aminy tany Afrikanina,tsy manaiky ry zalahy hoe hitondra ny vehivahy.Dia inona hoy ianareo no ataony vehivavy????
(l) (l) (l)
Tsy homena mihitsy ry zalahy mandrapanao sonia ilay taratasy ,dia ny koksa nomena vola daholo tsy hivarotra...hihihi.. :-D :-D :-D :-D

:-D :-D mba tanàna kely kosa no azo atao an'zany fa tsy firenena e ? ka nandaitra zany lay fika sa tsy ampy ny vola nomena ny koksa :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6144