INONA NO ATAO HOE "OLONA MASIAKA"

21. Papoose ( 31/08/2009 12:52)
xxx :-D
22. xxx ( 31/08/2009 13:54)
zah zao, reefa miresaka @ olona, ka tsy dia azok'azoko ny fomba firesany, (olona mandray tsy raisina, olona be resaka, be fanazavana,...) de leo be zah miresaka aminy de omeko valinteny boraingina reefa manontany na nanaka-dresaka amiko,
de tsy maintsy ataon'le olona we, ary enao masiaka an,

23. ari.malala ( 31/08/2009 14:13)
zà matetika mahazo remark foana mintsy oe masika! :-P misy ftoana alou tsapako mintsy hoe masika b zany fiteniko zany e, fa le izy kosa nefa ts gratuit fa misy provocation ao miteraka ilay fahasiahako. (quand on me cherche on me trouve :^))
24. Papoose ( 31/08/2009 15:00)
ary ny olona zatra mivazavaza ve nasiaka ny niandohany?
25. ikaretsaka ( 31/08/2009 19:31)
Papoose:

ary ny olona zatra mivazavaza ve nasiaka ny niandohany?

Tsy ampy olona iresahana ireny matetika na tsy ampy hevitra nefa tsy manaiky mihitsy...de mihevitra izy fa plus miakatra ny ton plus izy henoina sy payerna attention

26. Papoose ( 31/08/2009 22:07)
kanefa plus izy minananana dia plus tsisy mihaino!
27. ari.malala ( 01/09/2009 08:13)
misy olona fantatro zay, tena akaiky b anà mints aza mou zany, fa izy tena méchante (sens propre du terme mints) fa ny anazy ndray mifandraika @ zavatra nahazo anazy taloha (aigrie b mintsy izy d lasa miteraka méchanceté gratuite le izy) d refa miresaka d ts mahay miresaka fa mivazavaza b refa tezitra! d misy fotoana refa mila ady izy d mivazavaza sy mikitakita, d zà ts mahazaka d mifampivazavaza eo :-P
28. Ratoa ( 01/09/2009 11:24)
Misy koa olona tsy mandre tsara dia voatery mivazavaza fa everiny fa tsy mandre ohatra zay daholo ny manodidina azy. Moa ny tenany koa tsy dia reny.
29. soanja ( 02/09/2009 00:25)
Ny olona masiaka amiko dia olona tsy azo ifandraharahana na ifampiresahana rehefa tsy mitovy hevitra ary manao tenin-ko fehy lehibe. Tsy ratsy fanahy ilay olona eto fa fohy fotsiny ny fisainany.

Ny olona mikendry hanimba ny hafa amin'ny alalan'ny hafa, zany hoe ankolaka fa tsy mibaribary. Na koa miara-mikaon-doha eny aza manantanteraka ny fanaratsiana sy hanimbana ary hanabatibatiana ny hafa amin'ny fomba mibaribary na maizina. Efa tafiditra ao anatin'io ny haratsiam-panahy.

Any anindrana ny olona masiaka dia ny olona be vava sy tsy mitsitsy raha tarognina.
30. ni81 ( 02/09/2009 08:15)
Ny olona masiaka amiko dia olona tsy azo ifandraharahana na ifampiresahana rehefa tsy mitovy hevitra ary manao tenin-ko fehy lehibe. Tsy ratsy fanahy ilay olona eto fa fohy fotsiny ny fisainany.
hay va re e!
Ny olona mikendry hanimba ny hafa amin'ny alalan'ny hafa, zany hoe ankolaka fa tsy mibaribary. Na koa miara-mikaon-doha eny aza manantanteraka ny fanaratsiana sy hanimbana ary hanabatibatiana ny hafa amin'ny fomba mibaribary na maizina. Efa tafiditra ao anatin'io ny haratsiam-panahy
karazany hafa mihitsy koa :(
31. Mirananirina ( 02/09/2009 13:19)
Izaho dia betsaka mihitsy ny miteny hoe masiaka.Asa aloha,nefa tsy mahatsapa ny tenako ho masiaka mihitsy aho.
Ny atao hoe olona masiaka angamba dia ireo tsy tia olona,mamono olona,mandrangotra sy ny tariny,mangalatra sns...
Fa raha jerena aminy tarehy tokony tsy ho izay.
32. ni81 ( 02/09/2009 13:57)
Izaho dia betsaka mihitsy ny miteny hoe masiaka.Asa aloha,nefa tsy mahatsapa ny tenako ho masiaka mihitsy aho.
Ny atao hoe olona masiaka angamba dia ireo tsy tia olona,mamono olona,mandrangotra sy ny tariny,mangalatra sns...
Fa raha jerena aminy tarehy tokony tsy ho izay.
hihi
33. Papoose ( 02/09/2009 14:06)
tsy aleo ihany rangah ohatr'ahy a! :-P
34. ni81 ( 02/09/2009 14:09)
tsy aleo ihany rangah ohatr'ahy a!
maninona?
35. ikaretsaka ( 02/09/2009 14:10)
Misy koa le rehefa mivantana be le olona milaza ny hitany momba olona 1 hafa de hoe masiaka hono
Ohatra hoe raha ratsy fiakanjo. Na tena tsy mahay miakanjo na mihaingo ka tenenina hoe ratsy izany akanjo izany ary tsy mety aminao izany haingo izany (nefa tena ratsy tokoa fa izany hoe tian ilay olona tenenina anaovana ilay akanjo sy le haingo nefa tsy manendrika azy mihitsy) dia hoe masika hono rehefa milaza azy tsotra ny momba izany...
Tsy voatery akanjo sy haingo ihany io fa zavatra maro...
Inona indray ny fiantso ireny olona ireny?
36. tywa68 ( 02/09/2009 14:48)
Ikaretsaka > "Mantavava" ny azo hiantsoana azy :lol:
37. ikaretsaka ( 02/09/2009 17:04)
Ary le olona miteny hoe masiaka ny mantavava izany de 'masabava' sa 'lo vava' ry tywa?
38. ikaretsaka ( 02/09/2009 17:07)
Sy le hoe tsy mba voafatotry ny henamaso
39. Papoose ( 02/09/2009 17:50)
ni81:

tsy aleo ihany rangah ohatr'ahy a!
maninona?



vao jerena de mampi-sam!!!
40. niryna ( 03/09/2009 04:29)
Koditra:

Fahama : vao namaky lay lohahevitra defa reo nosoratanao reo mitsy no tao antsaiko ko! :lol:



:D
Mbola tsy namaky ny teo ambony aho fa araka ny fahalalako azy dia maro no ilazana ny olona hoe masika,na eo amin'ny zanaka izany na eo amin'ny manodidina eny fa na eo amin'ny fianakaviana aza.
Matetika rehefa milaza ny marina ny olona iray ka tsy miaiky ilay iray dia lazainy fa masiaka ilay olona
Misy koa raha eo amin'ny fianakaviana izao ,izay tadiaviny dia omenao foana, misy manararaotra fa hoe ho aiza eo io ,fa rehefa tsy manaiky ilay tiany atao hianao dia lazainy fa masiaka koa
Misy koa mikentokentoka be ilay olona rehefa miteny ,mety izay mihitsy no fomba fiteniny ary tsy ho fantatry ny hafa mihitsy ilay izy raha tsy miaraka aminy sy miresaka aminy matetika kanefa dia ahitana zavatra tsara ao anatin'iny olona iny saingy misy tsy mahazaka azy miteny direct dia lazaina fa masiaka.
Misy koa ny atao hoe sakay kely rano:rehefa mananatra foana dia misy miteny izany amin'ilay olona
Misy koa ny hoe akohovavy maneno: misy manao adalana dia tsy manaiky an'iny intsony,ohatra hoe tia manao lanona foana ilay olona ,tia manararaotra ny hafa ka rehefa miteny ilay olona fa tsy ho any aminy intsony dia lazainy fa akohovavy maneno
Misy koa ny hoe masika be ronono:mahery fiteny izy ,feno anatra ao anatin'ilay teny kanefa tena mahalala tanana
Misy koa ny hoe renikely: izany hoe tsy an'azy ilay zaza dia tsy tiany ary ataony izay ankaleo an'ilay zaza,fitaizana reninkely Misy tena mampijaly mihitsy ary dia masiaka koa no ilazaina izany
Ny ankizy indray rehefa mangataka zavatra na tsy manao ny sitrapony dia ataony hoe masiaka i neny,rehefa tsy mampiantsa zaza koa fa manana discipline dia lazain'ny olona hoe aza dia masiaka loatra e
Manaiky maso: tena tsy miteny fa ny masony fotsiny dia efa mampatahotra anao ary dia ita ao anatin'iny masony iny ilay asiahana

Fa misy olona manana olana izy dia aty aminao no anamparany ny atezerany ary izay tratrany dia ataony daholo ary masiaka koa no ilazana ilay olona

izay aloha no fantatro :roll: :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.139